- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: India

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary nomen'i Ameya Nagarajan

Efa hatry ny ela no sarotra be ny fifandraisan'ireo fitondrana tsy refesi-mandidy sy ny media ary ny teknolojiam-pifandraisana. Ny “Unfreedom Monitor [1]” dia fisantarana andraikitra fikarohana sahanin'ny Global Voices Advox, mandalina ireo zavamiseho tsy mitsaha-mirongatra misy ataon'ireo mpitondra tsy refesi-mandidy anaty tambajotra na nomerika. Ity sombiny ity, famitinana ny tatitra momba an'i India, dia avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka avy amin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato [2] ny tatitra feno.

Tanjon'ity fandalinana ity ny hamantatra ireo tena antony, ny fomba nampiasaina ary ny valinkafatra ho an'ireo mpanao jadona nomerika ao India. Amin'ny maha-demaokrasia goavana indrindra erantany azy, anjara toerana lehibe no tànan'ny governemanta voafidy amin'ny fiarovana ny vahoaka manoloana ireo ambana, sy mitsinjara andraikitra ao anatin'ny fenitry ny maha-fanjakana mpiahy azy. Na izany aza, tsikaritr'ity fandalinana ity fa mitovy ihany ireo fitantaràna ampiasaina ho entina manamarina ireo fomba fanao tsy refesi-mandidy marobe ety anaty habaka nomerika izay miafara amin'ny fanagejana ny fahalalahana nomerika ananan'ny olompirenena. Ampiasaina noho ny resaka fiarovam-pirenena, filaminam-bahoaka sy fiarovana ny daholobe ny fanarahamaso sy ny sivana. Lasa “ambana” ilaina fongorina ny bitsika iray manohana ny hetsipanoheran'ny tantsaha ety anaty tambajotra, ary lasa “ambana” entina manamarina ny fanakatonana ny aterineto ny famoriam-bahoaka iray manohitra ireo politikan'ny governemanta. Ireo andrana matetika  ataon'ny fanjakàna indiàna ho fanivànana votoaty, na ety anaty tambajotra izany, na ivelany, izay heveriny fa mifanohitra amin'ny fenitra na soatoavina iray, dia fomba fisehona trangan-javatra mitovy ihany. Ohatra, ny lahatsoratra iray “anti-nasiônaly’’ dia ambana manohitra an'i India izay miantso ny hisian'ny sivana.

Ho fanampin'ny fiarovana manoloana ireny ambana ireny, ny  “fanjakana mikatsaka ny fahasambarana anaty tambajotra’’ izay mikendry ny hanamora ny fiainan'ireo olompireneny dia miafara amin'ny fanohintohinana ny fahalalahana nomerika. Vetivety foana ny teknôlôjia dia nampiasaina ho amin'ny fitantanana sy hitantànana. Amin'izay lalan-jotra izay, ny tontolon'ny nomerika ho an'ny daholobe ao amin'ilay firenena dia saika toy ny sehatra voarindra tsara misy ny angondrakitra rehetra ilaina momba ny tsirairay sy fifehezana mafy amin'ny hoe iza sy ny hoe inona no ekena. Ny maripanondroana nomerika, ireo fampiasa anaty finday, ary ireo angondrakitra tehirizina amina toerana iray, dia mitondra miaraka aminy ny fanilikilihana, ny fanarahamaso, ary ny fanitsakitsahana ny fiainana manokan'ny olona.

Mampiasa fomba maro i India mba hanohintohinana ny zo nomerika sy ny fahalalahana amin'ireo lohahevitra momba ny fitantanana angondrakitra, ny fanehoana hevitra, ary ny fidirana sy fahazoana vaovao. Izy ireny mitambatra no dindon'ny rafitra iray izay misy fitsikilovana ny fihetsiky ny vahoaka sy fanohintohinana ny fahalalahana miteny. Mandritra izany fotoana izany, misy henjana ny fanoherana ireny fomba fanao ireny. Ireo fomba fanao tsy refesi-mandidy ety amin'ny sehatra nomerika dia aharaisana tatitra maro, dinihana akaiky ary alalinin'ireo mpikambana avy amin'ny firaisamonina sivily, media, rafi-pitsaràna  ary mpitarika pôlitika, ka mamorona rafitra iray fanarahamaso sy fandanjalanjàna.

Vakio eto [3] ny tatitra feno.

Unfreedom Monitor

Efa hatry ny ela no sarotra be ny fifandraisan'ireo fitondrana tsy refesi-mandidy sy ny media ary ny teknolojiam-pifandraisana. Ny “Unfreedom Monitor” dia fisantarana andraikitra fikarohana sahanin'ny Global Voices Advox [4], mandalina ireo zavamiseho tsy mitsaha-mirongatra misy ataon'ireo mpitondra tsy refesi-mandidy anaty tambajotra na nomerika

Trohy eo ny endika PDF amin'ny tatitra momba an'i India [3].