- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo fanovan'endrika graffiti marevaka ny lamasinin'ny Oniversiten'i Chittagong malaza

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Haisoratra, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Tanora, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Noravahana graffiti marevaka ny fiaran-dalambin'ny Oniversiten'i Chittagong. Sary avy amin'i Ehsanul Islam [1], nahazoana alalana.

Iray amin'ireo oniversite vitsivitsy eto amin'izao tontolo izao manana fiaran-dalamby manokana ny Anjerimanontolon'i Chittagong [2]. Ny Oniversiten'i Chittagong, araka ny iantsoana azy matetika, dia ao Hathazari Upazila, 22 km (14 maily) miala ny tanàna sady seranan-tsambon'i Chattogram [3] (fantatra taloha hoe Chittagong) any Bangladesh, ary ity fiaran-dalamby ity no hany fitaovam-pitaterana takatry ny mpianatra mandeha avy any an-tanàna. Mpanakanto tanora iray avy any Alemaina no nanova tanteraka ny lamasinina ho asa kanto mampihetsi-po, mampifaly ny mpianatra sy ny mponina ao an-toerana.

Natomboka [4] tamin'ny 1980 ny tolotra fiaran-dalamby manana fiaran-dalamby fito mivady, ary mpianatra 10.000-12.000 isan'andro no mandroso sy miverina amin'ny oniversite amin'ity lamasinina ity ary mandany ny fotoanany miaraka. Fitiavana sy fankamamiana ho an'ny mpianatra ny dia, ary isaky ny vagao no ahitanao fifanakalozan-kevitra maro, ny hira, fifosana, fisakaizana ary fitiavana!

Lucas Gilinger no mpanakanto voalohany [5] ao amin'ny RUSB Art Group any Alemaina izay mifantoka amin'ny graffiti. Raha vao nitsidika ny oniversite izy volana vitsivitsy lasa izay, dia naneho ny fahalianany amin'ny fandokoana graffiti ny fiarandalamby. Fotoana maharitra vao nahazo alalana nandalo ireo fantsona ofisialy samihafa. Farany, tamin'ny 22 Jolay, nanomboka ny asa fandokoana indray ny fiaran-dalamby izy niaraka tamin'i Livia Gilinger vadiny. Izy ihany no namatsy vola ny tetikasa, na dia nahazoana fanohanana aza ny loko. Nandoko graffiti fiaramanidina, sambo ary lamasinina tany amin'ny faritra samihafa eran'izao tontolo izao izy teo aloha.

Nizara lahatsarin'ny lamasinina tamin'ny endrika vaovao tao amin'ny YouTube [6] i Noman Hasan:

Nanova [5] ny lamasinina ho asa kanto mihetsika ny lokon'i Lucas Gilinger. Asongadin'ny sary hosodoko graffiti ireo seho isan-karazany ao Bangladesh anisan'izany ny Garan-dalamby Chittagong, ny lapan'ny parlemanta ao Dhaka, ny Central Railway Building (CRB), ny masoandro mody mahafinaritra, ny ranomasina ary ny tendrombohitra. Nanampy an'i Gilinger tamin'ity asa ity ny mpampianatra sy mpianatra sasany ao amin'ny Ivotoeran'ny Zavakanto tena kanto (Fine Arts Institute) ao amin'ny Oniversiten'i Chittagong.

German graffiti artist Lucas Zillinger at work. Photos of the graffiti work became viral on social media. Photo by Ehsanul Islam. Used with permission. [1]

Artista alemà mpanao graffiti Lucas Zillinger eo am-piasana. Nalaza vetivety sy haingana tao amin'ny media sosialy ny sarin'ny asa fanaovana graffiti. Saripika avy amin'i Ehsanul Islam, [1] nahazoana alalana.

Tohina tamin'ny graffiti marevaka noforonin'i Lucas Gilinger ireo mpianatra ankehitriny sy taloha tao amin'ny oniversite, ary maro no nizara ireo sary tao amin'ny media sosialy. Mampahatsiahy ny diany tamin'ny fiarandalamby, izay feno hira sy ny resak'ireo mpianatra namany ny maintimolaly Noor Alam Siddiqui, araka ny nosoratany tao amin'ny Facebook [7]:

আমার প্রিয় বিশ্ববিদ্যালয়ের এই বর্ণিল রুপ, আমার মতো সকলকেই মুগ্ধ করেছে নিশ্চিত। অনেক অনেক স্মৃতি বিজড়িত এই শাটল ট্রেন!! অনেক শিক্ষনীয় ঘটনার সাক্ষী এই শাটল ট্রেন, অনেক হাসি, তারুণ্যের উচ্ছাস, আড্ডা, বা একমনে বইয়ের পাতায় চোখ বোলানো, অথবা ২০ কিমি গতির সর্পিল ট্রেনের এঁকেবেকে চলার সময় দূর আকাশে তাকিয়ে থাকা, কিংবা ছুটে চলা ট্রেনের আশেপাশের জনজীবনের বৈচিত্রতা আমাদের জীবনবোধ সর্ম্পকে অনেক অনেক অমূল্য শিক্ষা দিয়ে যায়।

Tokony efa nampiaiky ny rehetra toa ahy ity fiovan-dokon'ny fiaran-dalambin'ny oniversite malalako ity. Feno fahatsiarovana maro ity fiarandalamby ity!! Nahitam-pihomehezana maro, firavoravoan’ny tanora, ary resadresaka. Tsy miraharaha izany rehetra izany ny mpandeha sasany ka mijery boky, na mibanjina lanitra lavitra (avy eo am-baravarankely) rehefa mandeha amin'ny hafainganam-pandeha miadana 20 km ny lamasinina. Nanome traikefam-piainana ny fijerena ny fiainan'ny olona samihafa ivelan'ny lamasinina.

Mahazatra ny mihira eny amin’ny lamasinina, ary misy mpianatra mihira an'andiany mandritra ny dia. Mazàna no miara-mihira ny mpiara-mihazakazaka, na tanora izany na antitra, ary mampifaly ny hafa izany. Ohatra iray amin'izany no hita ao amin'ity lahatsary YouTube nozarain'i Nayem Uddin [8] ity:

Misy ihany koa vondrona Facebook mitondra ny lohateny hoe “CU Shuttle train songs [9]” (Hiran'ny fiaran-dalamby CU) manana mpanjohy mihoatra ny 1.2k.

Na izany aza, tsy ity no hetsika voalohany nandokoana ny fiaran-dalamby tao amin'ny Oniversiten'i Chittagong, satria nisy sary hosodoko tamin'ny lamasinina sasany taloha. Nahatsiaro ny fandraisana anjara tamin'ny famoronana i Jaideep Dey, mpianatra teo aloha sady mpanoratra ao amin'ny Fakiolten'ny Zavakanto tena kanto ao amin'ny Oniversiten'i Chittagong, ary nanakiana ity hetsika vaovao ity, araka ny nosoratany tao amin'ny Facebook [10]:

আমি চট্টগ্রাম বিশ্ববিদ্যালয়ে থাকা অবস্থা দুবার শাটলে ম্যুরাল করা হয়েছিল। প্রত্যেকবারই আমি সে দলে কাজ করেছি। এরপরও অনেকবার ম্যুরাল করা হয়েছে। এ নতুন কিছু নয়। এর জন্য যে খুব বেশি খরচ হয় তা না। কিন্তু তখন কেউ এটা নিয়ে খুব একটা হৈচৈ করেনি। আজ হঠাৎ এই আদিখ্যেতা কেন?

কারণ সাদা সাহেব এসে একেঁ দিয়ে যাচ্ছেন। কিন্তু সাদা সাহেব কী আঁকছেন? তার সঙ্গে আমাদের আবেগ ঐতিহ্য সংস্কৃতির কতটা মিল আছে? আর এই স্পেস তো আমাদের শিল্পীদের ‘হক’। আচ্ছা , আমাদের দেশের কোন শিল্পী জার্মানিতে গিয়ে কি এমন স্পেসে ছবি আঁকতে পারবে?

Tsaroako fa indroa tamin'ny fotoako tao amin'ny Oniversiten'i Chittagong dia nisy sary hosodoko an-drindrina tamin'ny fiarandalamby. Nanana hirika aho niasa tao amin'ireo ekipa ireo. Efa im-betsaka no nanaovana ny sary an-drindrina nanomboka teo. Tsy zava-baovao izany ary tsy mandany vola be. Tsy nisy nitabataba momba izany tamin’izay. Nahoana ankehitriny no mitodika tampoka amin'izy ireo?

Satria Andriamatoa White (vahiny fotsy) no nanao hosodoko tamin'ity indray mitoraka ity. Ahoana anefa ny zava-kantony? Hatraiza ny graffiti maneho ny lovantsika, ny kolontsaintsika na ny fihetseham-pontsika? Ary ‘zon'ny’ mpanakanto eto an-toerana ny miasa amin'ity sehatra ity. Eny ary, misy mpanakanto eto amin'ny firenentsika ve afaka mandeha any Alemaina sy mandoko amin'ny toerana manan-danja toy izany?

A shuttle train at the Chittagong University railway station. Photo by Muheen Riad via Wikipedia. CC BY-SA 4.0.

Fiaran-dalamby iray ao amin'ny gara ao amin'ny Oniversiten'i Chittagong. Sary avy amin'i Muheen Riad tamin'ny Wikipedia. Wikipedia [11]. (CC BY-SA 4.0) [12]

Nitaraina ny mpianatra noho ny tsy fahampian’ny fanodinan-drivotra (ventilateur) na ny “climatiseur” ao anaty lamasinina mandritra ny fotoam-pahavaratra. Na dia nanatsara ny endriky ny lamasinina aza ny loko, miantso ny manam-pahefana [13] ny mpitaingina sasany mba hanatsara ny fandehanana lamasinina  ankapobeny amin'ny alàlan'ny fanatsarana sy fanamboarana.