- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitetika hanao ho mahazatra ny fanazarantena ara-miaramila manodidina an'i Taiwan ve i Shina?

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsinanana, Etazonia, Filipina, Shina, Taiwan (ROC), Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka
[1]

Faritra nosahanin'ny Tafi-Bahoakam-Panafahana (PLA) tamin'ny sarinady miaramila fiandohan'ny volana aogositra. Saripika avy amin'i Wikipedia [1]. CC 4.0: [2] Attributive-Share alike.

Taorian'ny fitsidihan'i Nancy Pelosi Filohan'ny Antenimieram-pirenena Etazonia tany Taiwan, dia nanao fanazaran-tena (sarinady) ara-tafika tsy nisy toy izany [3] i Shina nandritra ny herinandro nanerana ny andilan-dranomasina nanomboka ny 4 ka hatramin'ny 10 aogositra 2022. Nosoratan'i Brain Hioe ary navoaka voalohany tao amin'ny New Bloom tamin'ny 8 Aogositra 2022 [4] ny lahatsoratra manaraka etoana, izay miresaka ny ahiahy sy ny fiantraikan'ny fiezahan'i Shina hanao ho zavatra ara-dalàna ny fihetsiny ara-miaramila. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices izany noho ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny New Bloom.

Rehefa feno ny enina andro nanazaran-tena ara-tafika tany amorontsirak'i Taiwan, dia mbola manjavozavo raha hampitsahatra ny sarinady i Shina na mbola hanohy indray atsy ho atsy. Nanambara tamin'ny voalohany ny Tafi-Bahoakam-Panafahana (PLA) ao Shina fa hifarana amin'ny 7 aogositra ny sarinady maharitra efatra andro [5], saingy avy eo dia nanambara fa hitohy ny fanazarana ara-tafika ao amin'ny faritra [6]. Fampihenjanana ny fanazarana ady ho an'ny tafika Shinoa, hita fa mihamanakaiky kokoa an'i Taiwan ry zareo mitaha tamin'ny fifandonana teo aloha, toy ny Krizin'ny Andilan-dranomasin'i Taiwan Fahatelo [7] tamin'ny 1995–1996. Nifantoka tamin'ny tifitry ny sambo mpisitrika sy ny fanafihana an-dranomasina [8] ny sarinady tamin'ny 8 aogositra.

Tsy namaritra ny fanambaràna hoe rahoviana na aiza no hanaovana sarinady manaraka fa nolazainy kosa fa tokony hifarana amin'ny 10 aogositra izany. Milaza 24 ora mialoha ny tafika rehefa hanao sarinady. Lazaina izany satria nanova ny fomba fanaony amin'ny sarinady i Shina, manampy toerana vaovao tamin'izay nolazainy tany am-boalohany. Ho setrin'izany, manoro hevitra ireo sambo mpanjono sy ny sambom-barotra ny Biraon'ny raharaha an-dranomasina sy ny seranan-tsambo ao Taiwan hanalavitra ireny faritra ireny tamin'ny alakamisy maraina [9].

Ny tantara avy amin'ny media PRC milaza fa hita any amin'ny 11,78 km miala ny Tobim-pamokarana herinaratra Hoping ao Hualien PLAN mpandrava (destroyer) Nanjing. Ampangain'ny #ROCNavy izany fandisoam-baovao izany. Tsy nisy sambo PLAN niditra tao amin'ny fari-dranomasinay nanomboka tamin'ny 4 aogositra raha nanomboka ny sarinady ny PLA.

Nampitandrina ny manam-pahaizana sasany fa mety mitetika hanao ho ara-dalàna ny sarinady ara-tafika atsinanan'ny tsipika manasaka ny andilan'i Taiwan [12] ny PLA. Manisika ihany koa ny fampahalalam-baovaom-panjakana sinoa fa mety ho izany no izy.

Nametraka ny sarinady manodidina an'i Taiwan i Shina ho sakana [13], izay efa nambaran’ [14]ny governemanta Taiwaney. Na dia tsy fantatra mazava aza na efa tapitra tokoa ny fanazaran-tena, dia efa niverina amin'ny laoniny indray ny fifamoivoizana an-dranomasina [15] namakivaky ireo faritra voakasika. Nandritra ny sarinady, nampitandrina ireo sambo mpanjono ny governemanta Taiwaney mba tsy handalo ao amin'ilay faritra, hitazona ny fifandraisana amin'ny manampahefana, ary hampandre ny manampahefana raha sendra sambo shinoa izy ireo.

Na izany aza, nanamafy ny ezaka nataony ny governemanta Shinoa mba hampitahorana ara-miaramila ny fahefana hafa ao amin'ny faritra, fa tsy i Taiwan ihany. Nandritra ny sarinady naharitra efatra andro, nandefa balafomanga ambonin'i Taiwan i Shina, ny voalohany nanaovan'i Shina izany, tamin'ny tifitra balafomanga avy any Pingtan nandalo ambonin'i Taipei ary nitontosana tao anaty faritra nanaovana sarinady ho endrika tahaka ny fanafihana an'i Taipei.

Na izany aza, nisy balafomanga sasany tonga tany amin'ny faritra ara-toekarena manokana an'i Japana, izay heverin'ny Minisitry ny Fiarovana ao Japana fa niniana natao [16]. Nisy sambo sinoa ihany koa voalaza fa nanatona ireo Nosy Senkaku/Diaoyutai ifanolanana [17] talohan'ny fampitandremana, zavatra nitranga talohan'ny fitsidihan'i Pelosi ihany koa.

Tsy i Japana irery ihany no anaovan'i Shina fandrahonana, na izany aza, amin'ny fikasana hanao sarinady ao amin'ny Ranomasina Bohai sy ny Ranomasina Mavo, akaiky an'i Korea Atsimo. Tsy mazava hoe nahoana i Shina no nanapa-kevitra hanao fanehoan-kery mialoha manoloana ireo hery hafa ao amin'ny faritra manana fifandraisana akaiky ara-miaramila amin'i Etazonia izay mety handrisika fiaraha-miasa bebe kokoa eo amin'ireo hery hafa ao amin'ny faritra sady hampiroborobo ny fifandraisana akaiky kokoa amin'ny Tandrefana. Indrindra fa nentina nanamafisana indray ny fifandraisana ara-tafika eo amin'i Etazonia sy Filipina [18] ny fihaonana teo amin'ny Sekreteram-panjakana Amerikana Antony Blinken sy ny filohan'i Filipina, “Bongbong” Marcos, amin'izao krizy izao.

Mikasa ny hanao fanazaran-tena ara-tafika i Taiwan amin'ity herinandro ity ao Pingtung [19], raha jerena ny zava-nitranga vao haingana. Hatao any an-tanety anefa izany, mba hisorohana ny fihenjanana eo amin’ny faritra. Raha mikasa ny hanidy an'i Taiwan i Shina, dia tsy azo inoana fa tsy hamaly amin'izany amin'ny fombany ny miaramila Taiwaney. Ankehitriny, nitatitra momba ny adim-pampahalalam-baovao Shinoa ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, ary nilaza fa nahita hafatra fandisoam-baovao miisa 272 tamin'ity volana ity.

Fahafinaretana ny nihaona tamin'ny filoha Filipiana @bongbongmarcos hiresahana ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa efa hatry ny ela amin'i Filipina. Tsy andriko ny hampitombo ny fiaraha-miasantsika hampandrosoana ny fahafahana, ny fanambinana ary ny filaminana manerana an'Indo-Pasifika.

Mazava loatra fa mbola ambony ny maripanan'ny mety ihitaran'ny raharaha. Nanambara i Etazonia fa tsy ho ela dia handefa sambo any amin'ny andilan-dranomasin'i Taiwan, izay efa takian'ny governemanta Shinoa ho efa azy, ary mampiatrana tafika ao amin'ny faritra. Hiaraka hanatontosa sarinady ara-tafika koa i Etazonia sy India any akaikin'ny sisintany ifanolanana amin'i Shina amin'ny andro ho avy.

Mandritra izany fotoana izany, na dia ambony aza ny maripanan'ny fihenjanana, dia ilaina ny mampahatsiahy fa mbola lavitry ny zavatra mitovy amin'ny fananiham-bohitra feno an'i Taiwan isika, izay ho alefa telegrafy mialoha amin'ireo miaramila mivangongo any amorontsirak'i Shina ary hanahirana an'i Shina tsy ampy sambo hitondrana andian-tafika hanao fibodoana maharitra an'i Taiwan. Ary toa izany ihany koa hoe ho eo an-tampon'ny ady nokleary i Etazonia sy i Shina noho i Taiwan; raha raisina ho ohatra i Okraina, dia hitandrina fatratra amin'ny fandraisana anjara mivantana amin'ny ady i Etazonia, na dia eo aza ny fifamatorana akaiky ianohan'i Etazonia sy Taiwan amin'izao fotoana izao. Na dia mety hisy aza ny fiitaran-draharaha, dia ilaina ihany koa ny misoroka ny fomba fijery tsy mitombina sy hoe efa nihoarana ny tsipika mena tsy azo ihoarana amin'ny zavamisy ankehitriny.