Herintaona mahery izay no nanangonan'ny manam-pahefana misahana ny media sy ny fifandraisana ao Tiorkia ny angon-drakitry ny mpisera

Sary avy amin'i Chris Yang. Azo ampiasaina maimaim-poana araka ny Unsplash license.

Namoaka fanadihadiana iray ny sehatra fampahalalam-baovao an-tserasera Medyascope.tv tamin'ny 21 Jolay 2022, manambara ny fomba nanangonan'ny Bilgi Teknolojileri ve İletişim Kurumu (Manampahefana misahana ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana, BTK) ny angon-drakitry ny mpisera tao anatin'ny fanitsakitsahana goavana ny fitana-tsiambaratelon'ny mpisera nanomboka tamin'ny taona 2021. Nanamafy ny zavatra nozarain'i Onursal Adiguzel, filoha lefitry ny antoko Repoblikana (CH) ao amin'ny fanoherana, tamin'ny andiana sioka iray volana mahery lasa izay izany tantara izany.

Nahazo ireo antontan-taratasy ilay mpanao gazety @DoguEroglu izay manamafy ny fanangonan'ny Manampahefana misahana ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana (BTK) isan'ora amin'izay ataon'ireo mpisera aterineto

Milaza ny fanadihadiana, nataon'ny mpanao gazety Doğu Eroğlu fa nanomboka nanangona torohay momba ireo mpanjifa aterineto avy amin'ny mpamatsy tolotra aterineto (ISP) isam-bolana  ny BTK tamin'ny volana Desambra 2018. Nahitana ny “anarana, fanampin'anarana, ny kara-panondro, ny laharan-ketra (MERSIS); ny maha lahy na vavy; ny zom-pirenena; ny anaran’ny ray aman-dreny; ny daty sy toerana nahaterahana; ny asa; ny adiresy; ary ny nomerao finday taloha” an'ny mpanjifa ity angon-drakitra voaangona ity.

Tao anatin'ny taratasy tsiambaratelo nosoniavin'ny Filoha lefitra Fethi Azakli tamin'ny volana Desambra 2020, nangataka tamin'ny mpanome tolotra aterineto eo an-toerana sy ny mpandraharaham-pinday ny BTK ny hamoahana isan'ora ny “zotran'aterineton'ny mpisera rehetra ao Tiorkia”. Raha tsy nety nanome izany vaovao izany ireo ISP-FAI-MTA, dia nampitandrina ny BTK fa hosaziana izy ireo.

Nanambara ny taratasy fa “niasa tamin'ny fitiliana, fanarahamaso, fanombanana ary fandraketana angon-drakitra ho amin'ny tanjona ara-pitsarana amin'ny fomba ara-potoana sy tsy manelingelina” ny BTK. Ilaina ny mahazo torohay amin'ny antsipirihany mikasika ny zavatra atao amin'ny aterineto ho amin'ny tanjona ara-dalàna sy fisorohana. “

Tamin'ny tafatafa nifanaovana tamin'ny Medyascope.tv, nilaza i Doğu Eroğlu fa tsy misy ny torohay mikasika ny toerana fitehirizana ity angon-drakitra faobe ity, ny fotoana nitehirizana ny torohay manokan'ny mpiserasera, na ny olon-kafa afaka niditra tamin'io angon-drakitra io. Nilaza taminy ireo mpanome tolotra fa tamin'ny taona 2021 no nanomboka nandefa ny torohay nangatahana izy ireo.

BTK sy ny fahefany

Tamin'ny taona 2000, nanangana ny Fahefana misahana ny Fifandraisandavitra ny governemanta, “mba handrindra ny asa fanaraha-maso eo amin'ny sehatry ny fifandraisana elektronika.” Nohavaozina ny masoivoho tamin'ny taona 2008, ka nitondra anarana vaovao hoe: Fahefana misahana ny Teknojiam-pifandraisana sy ny Serasera. Miasa eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Fotodrafitrasa izany.

Tamin'ny taona 2016, taorian'ny fikasana fanonganam-panjakana tsy nahomby, nakaton'i Torkia ny Departemantan'ny Fifandraisandavitra sy ny Fifandraisana (TİB) — ilay sivana anjotra lehibe indrindra ao Tiorkia — ary nanolotra ny fahefany rehetra ho an'ny BTK.

Natsangana tamin'ny taona 2005 ny TİB manana tanjona lehibe amin'ny fampivondronana, “manomboka amin'ny vondrona tokana, ny fanarahamaso ny fifandraisana sy ny fanatanterahana ny fijapiana fifandraisana eo ambanin'ny lalàna laharana 2559 (Lalàna mifehy ny Adidy sy ny Fahefan'ny polisy), Laharana 2803 (Lalàna momba ny Fandaminana, Adidy, ary ny Fahefan’ny Zandary), laharana 2937 (Lalàna mifehy ny Sampan-draharaham-pitsikilovana an’ny Fanjakana sy ny Fikambanana Nasionaly momba ny Fitsikilovana), ary ny laharana faha-5271 (Lalàna mifehy ny heloka bevava).

Taorian'ny fanonganam-panjakana, nilaza ny manam-pahefana fa “nampiasaina ho ivon'ny FETÖ [Ny Fikambanan'ny Mpampihorohoro Fethullah Gulen] ho amin'ny tanjona fanaraha-maso sy fihainoan-dresaka an-tariby” ny TİB.

Noho izany ny BTK, sy ireo fahefany vaovao, sampan-draharaha misahana ny fampanarahan-dalàna dia lasa fahefana afaka manara-maso ahitana, “fahefana mandray fepetra heveriny fa ilaina amin'ny fitandroana ny ‘fiarovam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka; fahefana hisoroka ny heloka bevava; fahefana miaro ny fahasalamam-bahoaka sy ny fitondran-tena ho an'ny daholobe; na miaro ny zo sy ny fahalalahana ary mampahafantatra ny mpandraharaha, ny mpanome fidirana, ny ivontoerana angon-drakitra, ny mpanome fampiantranoana sy ny mpanome votoaty amin'ny fepetra voalaza, izay mila mandray andraikitra ao anatin'ny adiny roa.”

Tamin'io taona io ihany no nanakatonan'ny manampahefana ny TİB, nampiharin'ny  firenena ny Lalàna laharana 6698 momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra Manokana, izay mandrara ny fikitihana na fitehirizana ny angon-drakitra manokana tsy misy faneken'ny olona voakasika. Na izany aza, araka ny fepetra voalazan'ny lalàna, azo kirakiraina sy tehirizina izany angon-drakitra izany raha mahakasika ny fiarovam-pirenena. Araka izany, ny lalàna dia milaza, amin'ny “fikirakirana ny angon-drakitra manokana ao anatin'ny sehatry ny hetsika fisorohana, fiarovana ary fitsikilovana ataon'ny andrim-panjakana sy ny fikambanana nahazo alalana sy voatendry hihazona ny fiarovam-pirenena, ny filaminam-pirenena, ny fiarovam-bahoaka, ny filaminam-bahoaka, na fiarovana ara-toekarena,” tsy mihatra ny Lalàna momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra. Fanampin'izany, lalàna telo vaovao – 670, 671, ary 680 – no namela ny fijapiana angon-drakitra amin'ny aterineto, tsy misy didim-pitsarana na fanaraha-maso, an'ireo olona voalaza fa voarohirohy amin'ny fanonganam-panjakana.

Fitovitovaina amin'ny fanambaran'i Snowden sy ny zava-maharikorikon'ny Cambridge Analytica

“Maro aminareo no mahatsiaro ilay zava-maharikorikon'ny fanaraha-maso faobe navoakan'ny mpiasan'ny NSA teo aloha, Edward Snowden ho hitan'ny daholobe tamin'ny taona 2013,” hoy i Onursal Adiguzel avy amin'ny antoko mpanohitra Vahoaka Repoblikana (CH) tamin'ny andiana sioka tamin'ny 8 Jona. “Nanao zavatra mitovy amin'izany ny BTK nandritra ny fotoana elaela. Nangataka ny firaketana sy ny ‘maodely mamoaka-famandrihana avy amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto (MTA) 313 amin'ny alàlan'ny taratasy ‘miafina’,” ny filohan'ny BTK hoy izy.

Tamin'ny lahatsoratra fanehoan-kevitra iray, namariparitra ny hetsika ho “zava-maharikoriko lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny Repoblika” i Adiguzel.  Nampangain'ilay solombavambahoaka ny BTK ho “nanao heloka bevava” sy manitsakitsaka ny lalàmpanorenana sy ny lalànan'ny firenena.

Nanamafy ireo fiampangana ireo tamin'ny sioka iray ny profesoran'ny lalàna sady manampahaizana manokana momba ny fahalalahan'ny aterineto ao Tiorkia, Yaman Akdeniz. Araka ny filazan'i Akdeniz, na dia nisy aza ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana manafoana ny fahefan'ny BTK amin'ny fanaovana ireo fangatahana ireo, dia nitohy ny fanangonana ny angon-drakitry ny mpisera. Nandrisika ny parlemanta avy eo i Akdeniz mba hanohy ny fanadihadiana momba ny asan'ny BTK.

Nandritra izany fotoana izany, nanontany tena i Adiguzel raha nanandrana namorona ny kinovany manokana amin'ny Cambridge Analytica ny BTK tamin'ny fanangonana sy famakafakana ny angona momba ny fitondran-tenan'ny olom-pirenena miisa 85 tapitrisa, angona izay azo ampiasaina amin'ny fanodinkodinana (saim-bahoaka). Rehefa dinihina tokoa, dia ahitana ny karapanondrom-pirenena, adiresy, tranonkala notsidihina, ary ny votoaty nojifaina ny angon-drakitra voangona. Fantatra fa hanao fifidianana ankapobeny i Tiorkia amin'ny taona 2023 ary araka ny nasehon'ny manampahaizana sasany sahady, dia mety ho anisan'ny fepetra midadasika kokoa napetraky ny governemantan'ny fitondrana mialoha ny latsa-bato ho avy ny fanitsiana lalàna vao haingana, misy tetikady fikirakirana efa nampiasaina tany aloha. “Misy fanomanana matotra tokoa atao amin'ny fifidianana eo amin'ny resaka fotodrafitrasa nomerika. Izany no fahitako ny zavatra nataon'ny BTK, ny fanovana ny lalàna laharana 5651 sy ny fehezan-dalàna famaizana. Mino aho fa misy fanodinkodinana matotra miandry antsika mandritra ny fotoam-pifidianana,” hoy ny mpisolovava Faruk Çayır avy ao amin'ny Fikambanana Informatika Alternative nilaza tamin'i Doğu Eroğllu.

Nanamarika ihany koa i Adiguzel fa nolavin'ny parlemanta ny ezaky ny antoko mpanohitra hangataka fanampim-panazavana momba ilay zava-maharikorikon'ny fihainoana resaka an-tsokosoko.

Niresaka momba ny fitoviana amin'ny zava-maharikorikon'ny Cambridge Analytica ihany koa i Doğu Eroğlu. Na dia mbola manjavozavo aza ny tian'ny BTK sy ny manam-pahefana atao amin'ny torohay voaray, dia azo ampiasaina amin’ny fananganana horirantava (profil) faobe, hisy fiantraikany ara-politika, ary azo ampiasaina hanaovana kendaroroka ireo olona mahasarika vahoaka ny habetsahan’ny angon-drakitra azo, araka ny fanazavany.

Raha niresaka tamin'i Eroğlu, nilaza i Alper Atmaca mpisolovava avy amin'ny Free Software Association (Fikambanana Rindrambaiko Malalaka) fa azo ampiasaina ho “sivana sosialy” ihany koa ny angon-drakitra azon'ny BTK tamin'ny alalan'ny ISP-FAI-MTA. “Ohatra, te hamantatra ny pelaka ao Torkia ianao. Tsy maintsy manivana azy ianao. Tena tsotra. Tadiavo ny adiresy IP izay mankany amin'ny lohamilina amin'ny tranokala fitadiavam-bady na fampiharana fitadiavam-bady izay natao manokana ho an'ny olona pelaka. Manome anao sivana ara-tsosialy goavana izany.”

Nilaza tamin'i Eroğlu i Faruk Çayır fa azo ampiasaina ho “rafi-pihorirantava (profiling)” ny angona. “Hamindra izany any amin'ny orinasa hafa izy ireo ary avy eo afaka manangana dosie sy mameno ny horirantava isak'izay tiany. Hanangana ny horirantavan'ny olom-pirenena izy ireo, ary ambonin'izany dia hanisy paingotra fotsiny ireo olona mitsidika tranonkala sasantsasany, na iza ilay olona na iza na manao ahoana izy ireo, ary manambara azy ireo fa meloka,”hoy ny fanazavany.

Tamin'ny taona 2013, rehefa nanambara ny fanaraha-maso faobe nataon'ny NSA i Edward Snowden, dia nilaza izy hoe: “Ho afa-po aho raha hiseho na dia indray mipi-maso aza ny federasionan'ny lalàna miafina, ny famotsoran-keloka tsy ara-drariny ary ny fahefana mpanatanteraka tsy hay toherina izay mitondra izao tontolo izao izay tiako,” tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny The Guardian. Nampiharihary ny halehiben'ny fanaraha-maso teo am-pelatanan'ny fahefana mpanatanteraka Tiorka ny fanambaràna vao haingana tany Torkia, saingy mbola ho hita eo ny voka-dratsy ho zakain'ny BTK noho ny hetsika nataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.