- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nobaikoan'ny Tompon'andraiki-panjakan'ny Nosy Salomon ny SIBC hampiato ny “fampisaraham-bazana”

Sokajy: Oseania, Solomon Islands, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava

 

Solomon Islands Broadcasting Corporation or (SIBC) [1]

Solomon Islands Broadcasting Corporation na (SIBC)

Nahazo baiko [2] avy amin'ny biraon’ny praiminisitra ny Solomon Islands Broadcasting Corporation (SIBC [1]), tambajotram-pampahalalam-baovao novatsian'ny fanjakana vola hampihatra ny toromarika vaovao izay mitaky ny vaovao sy ny fandaharana handoavam-bola mba handalo dingana fizahana noho ny fifehezan’ny governemanta ny “fisaraham-bazana”.

Nilaza tamin'ny Associated Press ny lehiben'ny mpanatanteraka ao amin’ny SIBC Johnson Honimae fa niresaka ny olan'ny “fisaraham-bazana” [3] ny biraon'ny praiminisitra tamin'ny antso an-tariby maromaro. “Mihevitra izy ireo fa efa maro loatra ireo fitantarana nataonay avy amin’ny mpanohitra, ka niteraka fisaraham-bazana be loatra”, hoy i Honimae.

Ny biraon'ny praiminisitra dia nampahatsiahy ny SIBC ny andraikiny [4] “hanao asa fanaovan-gazety ara-drariny, tompon'andraikitra,  ary manaraka fitsipika.”

We have seen that recently SIBC has been broadcasting news that is inciting alarm and anxiety in our public, mostly based on misinformation and lies. The Government has not been even given the opportunity to respond to this misinformation and lies.

Hitanay fa vao haingana ny SIBC no nandefa vaovao izay manaitra sy miteraka ahiahy eo amin'ny vahoakantsika, mifototra amin'ny vaovao diso sy lainga ny ankamaroany. Tsy nanam-potoana akory ny fanjakana hamaly izany vaovao diso sy lainga izany.

Io no nambaran’ny praiminisitra nandritra ny fotoam-pivorian’ny parlemanta.

Hoy ny praiminisitra Manasseh Sogavare tamin'ny Parlemanta: “Amin'ny maha-mpitati-baovaom-pirenena azy, antenaina hanatanteraka ny asany amin'ny fomba izay mampiray saina ny vahoakantsika ny Solomon Islands Broadcasting Commission. Saingy, tsy izany no nitranga tato ho ato.”

Nilaza ilay baikon’ny [8] praiminisitra ho fanapenam-bava ny gazety [9] ny mpitarika ny mpanohitra Matthew Wale:

Allowing the Prime Minister to control SIBC activities is not only contrary to law but can also have far-reaching consequences. It may well be draconian leaving no room for corruption by ministers and government officials to be brought to public attention.

Tsy hoe mifanohitra amin'ny lalàna fotsiny ihany ny famelana ny praiminisitra hifehy ny asan'ny SIBC fa mety ho lasa lavitra ihany koa ny vokany. Mety ho lasa mafibe ny tsy mamela toerana amin'ny kolikoly ataon’ny minisitra sy ny tompon’andraikim-panjakana ho hitan’ny besinimaro.

Nilaza tamin'ny ABC i Dorothy Wickham, tonian-dahatsoratra ao amin'ny Melanesian News Network nandritra ny antsafa fa mety hisian'ny fiantraikany ratsy amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety [10]ilay didy [10]:

If the opposition gets on SIBC and starts criticising government policies, which every opposition does … would the government disallow SIBC to air that story or that interview? That is the question that we're asking.

Raha mankao amin'ny SIBC ny mpanohitra ary manomboka mitsikera ny politikan'ny governemanta, izay fanaon'ny mpanohitra rehetra … moa ve tsy hamela ny SIBC ny governemanta handefa io tantara io na io antsafa io? Izany no fanontanianay.

Nampiany fa tsy andraikitry ny fampahalalam-baovao ny mampiroborobo ny firaisankina.

Raha ny tena marina, mila mahatakatra ny PM Sogavare fa tsy andraikitry ny fampitam-baovao ny famoronana FIRAISANKINA fa andraikitry ny Governemanta. SIBC no feon'ny vahoaka, toerana ahafahan'ny olom-pirenena maneho ny hafaliany, ny fanambiny, ny fahadisoam-panantenany, ny hetahetany ary ny ahiahiny.

Nanoratra momba ny fijotson'ny fahalalahana maneho hevitra [12] ao amin'ny firenena ilay mpampianatra asa fanaovan-gazety ao amin'ny Oniversiten'i Pasifika Atsimo, Shailendra Singh.

Toa mifanaraka amin'ny fironana tsy malalaka tao amin'ny nosy Salomons tato ho ato izany. Efa azo novinaniana izany satria amin'ny maha-manda fiarovana farany azy dia tsilo any amin'ny lafiny mila esorina ny fampitam-baovao.

Nanazava ny governemanta fa tsy sivana ny baikony [15] satria ny fiarovana ny vahoakantsika amin’ny lainga sy ny vaovao tsy marina ihany no tadiavinay hoy izy ireo, indrindra rehefa mampiely ireo tena lainga sy vaovao tsy marina ireo ny mpitati-baovao nasionaly.

Nasongadina nandritra ny fitsidihan'ny minisitry ny raharaham-bahiny Shinoa [16] tamin'ny volana mey ihany koa ny haratsin’ny fahalalahan'ny fampitam-baovao any amin'ny Nosy Salomon rehefa nosakanana ny mpanao gazety teo an-toerana tsy hametraka fanontaniana tamin'ny fifanakalozan-kevitra an-gazety.