- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovao RV: Misokatra ny fangatahana vatsy hanaovana fandaharan'asa fandraketana ny teny tandindonin-doza 2023 

Sokajy: Mediam-bahoaka, Taratasim-baovao, Rising Voices

 

Naotin'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovao mivoaka isam-bolana dia manome ny fehin'ireo ranty blaogy navaoakanay vao haingana momba ireo endrika rehetra amin'ny fampiatiana ankihy ka ao anatin'izany ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana ankihy, sy ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara feno an-jotra. Vakio ato [4] ireo famoahana efa nivoaka amin'ity taratasim-baovao ity.

Manao ahoana ianareo ry mpamaky? Manantena izahay fa any amin'ny toerana tsara ianao mandray ny vaovao volana Aogositra!   

Ireto misy vaovao mahafaly ho an'ireo izay mila vatsy fanampiny hanohanana ny ezaka fandraketan'izy ireo ny fiteny tandindonin-doza: Misokatra izao ny fangatahana vatsy ho an’ny fandaharan'asa fandraketana ny teny tandindonin-doza 2023!  Misy karazany efatra ny vatsy [5] ary misokatra ho an'ireo mpanao fangatahana manerana izao tontolo izao. Aza adinoina ny mitsidika ny tranokalany [6] mba hahafantarana izany bebe kokoa, hanao fangatahana, na hanontany.

Daty fangatahana farany: 15 Oktobra 2022 amin'ny 5 ora hariva (CEST)

BEBE KOKOA MOMBA NY BILAOGY RISING VOICES

Miaraka dialavitra IDIL2022–2032 [7] amin'ireo mpikatroky ny fiteny manerana izao tontolo izao, ny Rising Voices sy ny mpiara-miasa dia manolotra anao fifandimbiasam-panentanana Twitter iray hafa. Te hahafantatra momba ny fiteny indizeny, vitsy an'isa, tandindonin-doza, na tsy ahitana fitaovana firy, miampy ny anjara asan'ny aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy famelomana aina azy ireny ve ianareo? Andao ary hiaraka aminay ary henoy izay hozarain'ireo vahininay mpampiantrano!

@ActLenguas [8] (Amerika Latina)

@AsiaLangsOnline [13] (Azia)

@DigiAfricanLang [17] (Afrika)

@EuroDigitalLang [22] (Eoropa)

Tany am-piandohan'ny taona, nasongadinay ho anareo ny tsy fahampian'ny fomba fijerin’ny eo an-toerana [24] ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro any amin'ny faritr'i Gran Chaco ao Bolivia. Amin'ity lahatsoratra ity, tianay ny mitarika ny sainareo mikasika ny fifandraisana sy ny fidirana amin'ny teknolojia izay nahafahan'ireo mpandray anjara eo an-toerana hiatrika miaraka ireo fanamby anatina fotoana voarindra. → “Ny tetikasa fampifandraisana nomerika dia mampihena ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro any Gran Chaco, Amerika Atsimo [25]

ANTSO FANDRAISANA ANJARA

Ho an'ireo mpanao gazety latsaky ny 30 taona, monina any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana sy/na anatin’ny toekarena vao misondrotra: Roa andro sisa ny fandefasana fangatahana mba handraisana anjara amin’ny Loka ho an’ny tanora mpanao gazety [26] 2022 avy amin’ny Orina Mpanasoa Thomson! Fe-potoana farany: 12 Aogositra 2022  Fanamarihana: Tafiditra avokoa anatin’ireo fitoeran’asanao ny asa teo aloha amin'ny endrika printy, rakipeo, lahatsary na haino aman-jery.

HAMAKY, HIJERY SY HIHAINO, BEBE KOKOA

 

Mamandriha taratasim-baovao Rising Voices [30]

Ankasitrahana i Eddie Avila sy i Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisana anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.