- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niditra tamin'ny fanampenam-bava ny media tsy miankina ny antoko eo amin'ny fitondràna ao Zeôrzia

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Zeorzia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Saripika an'i Max Kukurudziak [1]. Fampiasàna malalaka eo ambanin'ny Lisansa Unsplash [2].

Tao anatin'ny fampakarana [3] nalefany ho an'ny Kaomisiôna Nasiônaly misahana ny Fifandraisana ao Zeôrzia (GNCC) tamin'ny 5 Aogositra, nangatahan'ny antoko “Greorgian Dream” eo amin'ny fitondrana ilay kaomisiôna mba hanome sazy ara-bola ho ana fantsom-pahitalavitra telo nandefa lahatsary doka pôlitika [4] tamin'ny faran'ny Jona.

Ilay doka, nitondra lohateny hoe, “Mody an-trano any Eorôpa,” dia niantso ireo olompirenena ao Zeôrzia hidina an'arabe tamin'ny 24 Jona nandritra ny famoriambahoaka iray mpomba an'i Eorôpa. Ho fanohanana ny fidiran'i Zeôrzia ho ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, ny 20 Jona dia an'arivony maro ireo Zeôrziàna [5] nidina an-dalambe tao Tsibilisi renivohitra. Ny 24 Jona, nahemotra ny fandraisana ny taratasy firotsahan'ilay firenena, nolazaina fa noho ny lisitra misy ireo mason-tsivana tsy maintsy fenoin'ilay firenena alohan'ny hiheverana azy ho kandidà [6]. Iny volana iny ihany, [5]ny Parlemanta Eorôpeàna dia nandany [7] fanapahankevitra [8] iray “momba ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny fiarovana ireo mpanao gazety ao Zeôrzia.” Tsy ny lanjan'ilay fanapahankevitra fotsiny no amafisin'io fampakarana vao haingana io, fa ny tsy fisian'ny tena faharisihana hameno ilay lisitry ny zavatra takiana [9] natolotry ny Kaomisiôna Eorôpeàna — anatin'ireny ny fiantohana ny fisiana tontolo marolafy sy tsy miankina ho an'ny asa fanaovana gazety.

Tsy manaiky izany ny “Georgian Dream”, antoko eo amin'ny fitondrana. Nolazainy [10] fa ilay doka dia manoso-dratsy ny antoko, manohintohina ny hoaviny manoloana ny fifidianana araka ny tatitry ny  [10]Civil.ge.

Ny antoko eo amin'ny fitondrana,  @GeorgianDream41 [11], dia manejika fantsom-pahitalavitra telo tsy miankina, ny @MtavariChannel [12], @TvPirveli [13] ary ny  @FormulaGe [14], noho izy ireo nandefa ny lahatsarin'ilay famoriambahoaka “Mody an-Trano ao Eorôpa” tamin'ny 23 sy 24 Jona. lazainy fa manoso-dratsy ny antoko eo amin'ny fitondrana sy ny governemanta izy iny. pic.twitter.com/H89wSpUtfR [16]

Asehon'ilay lahatsary ny fianakaviana zeôrziàna iray mijery fahitalavitra izay mampiseho ireo fanambaràna nataona mpikambana samihafa avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna, momba ny fananihambohitra ataon'i Rosia ao Okraina, sy ny nahazoan'i Okraina ny sata maha-kandidà azy. Raha iny mifantoka any amin'ny fahitalavitra iny ny fifantohan-tsain'ilay fianakaviana, nisy fahatsapàna hatezerana niakatra taorian'ireo fanambaràna nataon'ireo mpikambana avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana momba ilay fananihambohitra ataon'i Rosia ao Okraina sy ny sata maha-kandidà manana ny maha-izy azy an'i Zeôrzia eo imason'ny Fiombonambe Eorôpeàna.

Tao anatin'ny fampakarana [3] nalefany ho an'ny GNCC, milaza ny “Georgian Dream”  fa “ireo fantsom-pahitalavitra telo ireo dia samy tsy nanaja ny andininy faha-70 (1) sy 63 (2) ao anatin'ny Lalàna momba ny Fanapariahana sary sy feo, tamin'ny fametrahana doka mialoha ny fifidianana nandritra ny vanimpotoana tsy mbola fanaovana fifidianana,” ary ny toy izany dia tsy maintsy tànana ho tomponandraikitra tamin'ny fandefasana ilay fanambaràna, araka ny tatitry ny  [10]Civil.ge.

Ireo fantsom-pahitalavitra telo voakasik'izany — Mtavari Arkhi, TV Pirveli, ary ny Formula — dia nilaza [18] fa zava-kendren'ilay fitarainana ny “hanohintohina ny ara-bolan'” ireo media mpilaza vaovao ireo. Nilaza ihany koa izy telo ireo fa tsy antenain-dry zareo ny hisian'ny  fitsaràna tsy miangatra avy amin'ny GNCC. Tamin'ny Desambra 2021, efa nisy nopetahan'ilay [19] kaomisiôna sazy ara-bola mavesatra ireo fantsom-pahitalavitra maromaro. Tamin'izany fotoana izany, tao anaty antsafa iray niarahana tamin'ny OC Media, nilaza i Natia Kapanadze, mpandrindra ny Vovonana Ho Fisoloana Vava ireo Media, mpanaramaso iray ny media ao an-toerana, fa naneho fironana ho amin'ny fanomezana sazy ara-bola mavesatra kokoa ho an'ireo media an'ny mpanohitra ny  GNCC. Nofaritan'ilay Vovonana ho mampanahy [20] sy mandrisika ny GNCC hampiato ny “fomba fanao amin'ny faneriterena ieo mpilaza vaovao mpanakiana” ilay fampakarana vaovao nataon'ny “Georgia's Dream”.

Ny fandraràna ireo lahatsary manakiana ny antoko eo amin'ny fitondrana dia, tsy ampy fototra araka ny lalàna ary loza manambana ny fahamaroan-kevitra ao amin'ny firenena. Ny fomba fihetsika tahaka izany dia tsy afaka miaraka amin'ireo fotokevitry ny fitantanana demaokratika maoderina.

Ny “Shame Movement“, izay namorona ilay lahatsary doka pôlitika, dia lasa iray amin'ireo mpanakiana tsy mikoso-maso mena [21] amin'ny governemantan'ny antoko eo amin'ny fitondrana ao Zeôrzia tato anatin'ny taona vitsivitsy. Nikarakara hetsipanoherana [22] maro nidadasika ry zareo ary niantso [23] ny governemanta hametraka fialàna. Vokany, lasa lasibatra ihany koa ry zareo. Ny 5 Aogositra, ny fitsaràna ao an-tanànan'i Tbilisi dia nahita [24] hoe meloka noho ny tsy fankatoavany ny pôlisy ny talen'ilay hetsika, Giorgi Mjavanadze. Nampandoavina onitra ara-pitantanana i Mjavanadze. Ny Martsa 2022, notanana [25] ihany koa i Mjavanadze. Tamin'ny Mey, tao anaty antsafa iray ho an'ny OC Media, notantarain'i [26] Mjavanadze ny fomba nikarakaràn'ireo manampahefana mpampihatra lalàna ao an-toerana azy.

Ho an'ireo fantsom-pahitalavitra telo miatrika ny fanakianan'ny GNCC, tsy sarotra ny maminavina ny vokany, araka izay nambaran'ny Vovonana ho Fisoloana Vava ny Media sy ny fanambaràna nataony. Tamin'ny volana lasa, ny media sy ny firaisamonina sivily ao amin'ny firenena, dia nanara-maso [27] ireo efitrano famoaham-baovao. Nanomboka tamin'ny taona lasa [28], nitombo ny kabary tsara lahatra ataon'ireo media tohanan'ny fanjakàna sy mpanenjika ny tsy miankina ary ny mpanohitra.