- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miomana hampihatra rafitra kaody ara-pahasalamana sy fampiharana fikarohana ireo nifandraisana, mitovy amin'ny ao Shina, i Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, COVID-19

Pikantsary avy amin'ny Leavehomesafe App.

Ity dika nokiraina  manaraka ity dia mifototra amin'ireo tatitra roa voasoratr'i Almond Li [1] sy Peter Lee [2] tao anatin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 11 Jolay 2022. Navoaka ato amin'ny Global Voices izy araka ny fifanarahana fiarahamiasa mifampizara votoaty amin'ny HKFP.

Na dia iray amin'ireo firenena maro [3] mila fampiharana fanarahana maso ireo nifandraisana aza i Hong Kong mba hampihenana ny fihanaky ny COVID-19, hatramin'izao dia afaka miaro ny fiainany manokana ny olom-pirenena, amin'ny alalan'ny fampiasana anaram-bositra, ary voatahiry ao anatin'ny findain'ny mpampiasa azy avokoa ny angon-drakitra rehetra azon'ilay fampiharana.

Na izany aza anefa, ny governemanta vaovao eo ambany fitarihan'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka vaovao, John Lee, dia nanova ireo politika ireo ary nitaky ny fandraketana ny tena anarana ao amin'ilay fampiharana, izay ahian'ireo olona sasany fa mety ho ambana ho an'ny fiainana manokana. Hanangana rafitra kaody ara-pahasalamana [4] ihany koa ny tanàna, mitovy amin'ilay nampiasaina tany amin'ny tanibe Shina, mba hampihisarana ny firongatry ny COVID.

Araka ny fanambaran'ny lehiben'ny fahasalamana vaovao, Lo Chung-mau, tamin'ny 11 Jolay 2022 dia hampihatra ny fandraiketana ny tena anarana ao anatin'ilay fampiharana LeaveHomeSafe fanaraha-maso izay olona nifandraisana i Hong Kong, ary hampiasa ny kaody ara-pahasalamana toy ny ao Shina mba “hamantarana” ireo olona tratran'ny aretina na natoka-monina. Havaozina “faran'izay haingna” miaraka amin'ireo fiovana misy ny LeaveHomeSafe.

Aorian'ny “fanavaozana”, ho angatahana ireo mpampiasa ny LeaveHomeSafe mba hisoratra anarana amin'ny tena anarany sy ireo taratasy mombamomba mifanaraka amin'izany, ary hanokatra kaody miloko izany izay hanasokajy ireo mpampiasa arakaraka ny loza ambana ara-pahasalamana mifanandrify amin-dry zareo.

Nanampy i Chung-mau fa manomboka ny 12 Jolay izao ireo olona voatily fa tratry ny COVID-19 dia takiana hitondra vangovango elektronika mba hahazoana antoka fa tsy hivoaka ny tranony rehefa  tratry ny aretina.

Nanazava i Lo fa miaraka amin'ny fametrahana rafitra misy ny tena anarana, haharay kaody mena ireo mpampiasa izay voatily fa tratry ny aretina ary tsy hahazo handao ny tranony na hiditra any amin'ireo toerana toy ny hopitaly sy ireo trano fitaizana be antitra.

Ireo mpandeha rehetra tonga sy ireo olona akaiky ny mararin'ny COVID dia haharay kaody mavo. Tsy nanazava i Lo mikasika izay hidiran'ny kaody mavo manokana amin'ny resaka fivezivezena sy fidirana amin'ireo asa fandraharahana.

Raha natolotra ny tsy mantsy hanoratana ny tena anarana, ny fisavana eny an-toerana sy ny rafitra kaody ara-pahasalamana dia mitovy amin'ny kaody ara-pahasalamana sy ireo fampiharana fanaraha-maso ny toerana misy anao any amin'ny tanibe sinoa, dia nantitranterin'i Lo fa ny fanavaozana dia mikendry ny “hamantarana ireo tranga voamarina sy ireo olona tokony hatoka-monina, fa tsy ny hanarahan-dia azy ireo.” Hoy i Lo hoe :

Tsy mametra ny fahalalahan'ny ankamaroan'ny olona akory izany, izay tsy tratry ny aretina no sady tsy voatery hitoka-monina ihany koa.

Shina no manana sy sasantsasany amin'ireo fameperana henjana indrindra momba ny COVID-19 sy rafitra fikarohana fanaraha-maso tena sarotiny indrindra eto amin'izao tontolo izao. MisyIlay rafitra kaody ara-pahasalamana misy loko telo dia nanamora ilay fanibohana ny tanàna [5] nahabe adi-hevitra tao Shanghai tany am-piandohan'ity taona ity ary mbola mitohy ireo fanibohana hafa. Ireo olona manana kaody maitso irery ihany no afaka mivezivezy ao an-tanàna. Na izany aza, tena matetika, raha tranga tokana miabo no hita ao anaty trano fonenana iray, dia mahazo kaody ara-pahasalamana mavo avokoa ireo mponina ao ary tsy mahazo miala ny trano fonenany mandra-pahazon'ireo mponina rehetra ao amin'io tranobe io valina fitiliana PCR miiba mandritra ny herinandro manontolo.

Manao tsindry ireo mpanao lalàna mpankasitraka ao Hong Kong [6] mba hanaiken'ny tanàna ny rafitra kaody toy ilay an'ny tanibe tamin'ny fiandohan'ny valanaretina tamin'ny taona 2020. Na izany aza, nisy ny fanehoankevitra mavesatra avy amin'ny vahoaka. Ilay mpikatroka mafana fo migadra amin'izao fotoana izao, Joshua Wong, ohatra, naneho hevitra tao amin'ny Facebook fa ny fanaraha-maso ara-pahasalamana nomerika dia azo oharina amin'ny “rojovy elektronika”.

Mba ho fitandroana ny fiainana manokana dia tsy nampiasain'i Hong Kong ny rafitra kaody ara-pahasalamana an'ny tanibe Shina fony teo ambany fitarihan'i Carrie Lam, lehiben'ny mpanatanteraka taloha.

Ny 10 Jolay, nanazava teo amin'ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra i Lo fa ny rafitra misy ankehitriny dia tsy manana rafitra manakana ny olona tratry ny aretina tsy hiditra any amin'ireo toerana sasantsasany ary noho izany dia “tsy ara-drariny” ho an'ny hafa ny fomba fanao ankehitriny. Nanamafy izy avy eo fa ny fikisaahana mankamin'ny tsy maintsy hanoratana ny tena anarana amin'ny fampiharana LeaveHomeSafe dia anisan'ny fametrahana fomba mahomby “hilazàna amin'ny vahoaka ny ambana ara-pahasalamana izay mety ho atrehiny”.

Ny fitiliana PCR faobe tsy maintsy atao no fanalahidy lehibe ao anatin'ny paikady Zero-COVID [7] hiadiana amin'ny valanaretina ao amin'ny tanibe Shina, ary raha ny trangan'i Hong Kong, tsy fitsipika tsy maintsy arahana ny fitiliana tsy maintsy atao.

Naminany i Lo tao anaty fandaharana tamin'ny fahitalavitra fa ireo vahoaka ao Hong Kong dia mety asaina ihany koa hanao fitiliana PCR matetitetika, indrindra fa ireo heverina ho “tena atahorana be”, sahala amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana. Indray mandeha isan-kerinandro ny fiverenana, na hatramin'ny isaky ny 48 ora. Ny tena anarana amin'ny LeaveHomeSafe sy ny rafitra kaody ara-pahasalamana miloko ireo olona manana kaody mena na mavo dia mnery ny olona hanao fitiliana PCR mba hanalàn'izy ireo ny teritery.

Nanazava ny lalantsaina izoran'ilay fiovàna i Lo :

Raha ny marina, ireo vitsy an'isa no voan'ny aretina, [raha toa] ny ankabeazan'ireo olona dia tsy tratrany. Raha avelantsika hivezivezy malalaka ireo olona voan'ny aretina dia ny fahafahan'ireo olona tsy voan'ny aretina no ho tandindonin-doza.

Tamin'ny volana lasa teo, voatsikera ireo tomponandraikitra ao afovoan'i Shina  noho ny filazana fampiasaina ny rafitra fanaraha-maso ny COVID mba hisakanana ny fihetsiketsehana ioray efa voaomana [8], araka ny fampitam-baovaom-panjakana. Tao amin'ny Twitter, ilay mpanao gazeti'ny Tech-News, Wong Tsong, nanasongadina ny zava-nitranga:

Ny fiahiahiana fisiana kaody ara-pahasalamana “mena” sandoka ao amin'ny Faritanin'i #Henan [9] no mampiakatra ireo saina mena ao anaty media sosialy Sinoa.
Niteraka hiakiaka ho an'ny daholobe ireo tatitra hoe toa manararaotra ny rafitra fanaraha-maso fiadiana amin'ny #COVID [11] ao #Shina [10] ireo tomponandraikitra mba hanakanana an'ireo nametraka vola tsy ho afaka hiditra haka ny vola nogiazan'ny bankin'ny tantsaha iray.

Ny 11 Jolay, nilaza tamin'ireo mpanao gazety ny lehiben'ny fahasalamana fa tsy hanome kaody mena “tsy amin'antony” ny tomponandraikitra, nampiany koa fa nanantena izy fa tsy ho “voafitaka” ny olom-pirenena amin'ny fieritreretana fa hivadika ho mena na mavo fahatany ny kaodin'izy ireo.

Nitatitra fifindrana otrikaretina COVID miisa 2 992 i Hong Kong tamin'ny Alahady 10 Jolay, izay ny 2 700 mahery tamin'izy ireo dia nifindra avy teo an-toerana avokoa. Nampitandrina ny Foibem-piarovana ara-pahasalamana fa mety hitombo avo roa heny ny isan'ny fifindran'ny aretina ato anatin'ny herinandro ho avy, satria ny fironana ankehitriny dia mampiseho fa ny karazany Omicron BA.5 dia mitondra mankamin'ny fiverenan'ny COVID indray amin'ireo efa tratrany taloha.

Miisa 1 268 062 no nolazain'ny tatitry ny tanàna fa tratry ny aretina hatramin'ny niandohan'ilay valanaretina ary 9 410 no maty.