Miitatra hatrany am-pianarana ka hatramin'ny vakansin'ny ankizy ny teknolojiam-pitsikilovana

Pikantsary avy amin'ny fampisehoana vokatra “LePen” ao amin'ny Youku.

Tarihin'i Shina izao tontolo izao amin'ny fampivoarana ny teknolojiam-pitsikilovana. Noho ny fitakiana ny fikojakojana ny fitoniana ao amin'ny firenena amin'ny fisorohana ny korontana ara-tsosialy, dia tohanan'ny fakantsary an-jatony tapitrisa mifandray amin'ny rindrambaiko faharanitan-tsaina voatr'olombelona (FAVO) mamantatra tarehy izay afaka mamaritra ny mombamomba ny olona iray ao anatin'ny segondra vitsy ny tsena anatiny. Nandritra ny areti-mifindra COVID-19, nampiasaina mba hamerana ny hetsiky ny tsirairay ny teknolojian-tsongodia ara-jeografika ary koa hiantohana fa hitoka-monina ireo voan'ny aretina sy ireo izay niray toerana tamin'izy ireo.

Malemy ny fiarahamonim-pirenena ao Shina, ka tsy mampisy fanamarinana sy fifandanjan-kery satria mivoatra io teknolojia io. Ohatra, niitatra tamin'ny sehatra hafa tsy politika ny teknolojiam-pitsikilovana, ary ampiasaina amin'ny sehatra tsy miankina amidy eny am-pivarotana ny famantaran-tava.

Nipoitra teo amin’ny seha-mpampianarana ihany koa ny teknolojiam-pitsikilovana. Nametraka ahiahy ny sasany amin'ny fanitsakitsahana ny fiainana an-takonan'ny ankizy. Raha ny marina, dia tokony hahazo ny fankatoavan'ny mpiahy ny zaza ny Lalànan'ny Fiarovana ny Torohay Manokan'ny Tena ao Shina raha hanangona ny torohay manokan'ny zaza tsy ampy taona iray.

Niteraka fanakianana vao haingana ny fampiasana penina somaritra hanaraha-maso ny zava-bitan'ny ankizy mandritra ny fialantsasatra fahavaratra.

Tamin'ny 27 Jolay 2022, Xiao Hong Shu, mpianatra iray avy ao amin'ny faritanin'i Hainan no nilaza tao amin'ny tranonkala media sosialy malaza, fa nizara penina somàritra (smart) LePen (點陣筆) ho an'ny mpianatra ao amin'ny kilasiny ny mpampianany ary nitaky azy ireo hampiasa izany amin'ny entimodiny mandritra ny fialantsasatra fahavaratra.

Mandrakitra izay rehetra voasoratra ao amin'ny entimodiny ilay fakantsary ao amin'ny penina somàritra ary mampahafantatra izany amin'ny mpampianatra. Ho fantatry ny mpampianatra hoe rahoviana sy hafiriana marina no nandanian’ny mpianatra ny fanontaniana tsirairay.

Tao amin'ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy, nitaraina ny mpianatra fa potika ny fialany sasatra fahavaratra satria tsy maintsy nianatra tsy tapaka izy ary tsy nahavita izay nampanaovina azy tamin'ny andro farany amin'ny fialantsasatra fahavaratra.

Nalaza avy hatrany tao amin'ny media sosialy ilay lahatsoratra, ary nisy tranonkalam-baovao sasany teo an-toerana nandray ny tantara.

Araka ny tatitra avy amin'ny “Red Star News,” sekoly fanabeazana fototra maro no nanomboka nampiasa ilay penina somaritra mba hanaraha-maso ny fahaizan'ny mpianatra. Rehefa ampiasaina amin'ny taratasy manokana ilay penina somaritra, dia afaka mi-scan ny sora-tanan'ny mpianatra ary manesika izany amin'ny lohamilina zavona. Hamakafaka ny angon-drakitra voaangona avy amin'ny penina somaritra avy eo ny Faharanita-tsaina voatr'olombelona (FAVO) ary hanampy ny mpampianatra hanara-maso ny fotoana nianaran'ny mpianatra, ny sora-tanana, ny enti-mody ary ny fivoaran'ny fianarana mba hahafahan'izy ireo manitsy ny fandaharam-pianaran'izy ireo araka ny tokony izy.

Mampiseho ny fampisehoana an-dahatsary an'ny “LePen” fa manana asa fandraketana ny fampiharan'ny penina somaritra. Tsy mazava anefa raha azo alefa lavitra avy any amin'ny farany aoriana ilay fiasa.

Nampiasain'ny sekoly tao an-tanànan'i Nanjing voalohany ny penina somaritra tamin'ny taona 2021, ary iray tamin'ireo asany voalohany ny fanakanana ny mpianatra tsy hifandika valin-teny ireo rehefa akaiky hifarana ny vakansy.

Manitatra ny fitsikilovana manomboka any an-dakilasy ka hatrany an-trano 

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nampiasaina tao amin'ny efitrano fianarana maro ny fakantsary FAVO mba hamantarana ny ifantohan'ny mpianatra amin'ny famakiana ny seho endrik'izy ireo. Any amin'ny sekoly sasany, tsy maintsy mitafy fitaovana fanaraha-maso ny onjan'ny atidoha ny mpianatra izay afaka milaza raha mifantoka amin'ny fianarany ny mpianatra iray.

Na dia niahiahy aza ny sasany amin'ny zon'ny ankizy sy ny fiainany an-takonana, nilaza kosa ny hafa fa tsy toerana an-takonana ny efitrano fianarana. Mahita ny ray aman-dreny sasany fa toy ny ratsy-ilaina anampiana ny zanany hahazo vokatra tsara amin'ny fianarana ny fitaovana fitsikilovana ary manome fahalalana bebe kokoa ny ray aman-dreny momba ny fiainan'ny zanany. Ny fironana dia mihamaro hatrany ireo akanin-jaza ao amin'ny tanibe Shina no manana fakantsary fanaraha-maso mba ahafahan'ny ray aman-dreny mijery mivantana ny fianaran'ny zanany any an-tsekoly mba hahazoana antoka fa tsy ampijalian'ny mpampianatra na ampijalian'ny mpiara-mianatra aminy ny zanany.

Vokatry ny fameperana aotra-COVID, maro ny sekoly nanolo ny toromarika fampianarana mifanatrika mivantana ho amin'ny efitrano fianarana virtoaly. Avy amin'izany, nafindra niala ny efitrano fianarana mahazatra ny teknolojiam-panaraha-maso ka mankany amin'ny efitrano fianarana virtoaly na ny efitranon'ny mpianatra. Anisan'ny paikady vao misondrotra handraisana an'ity fanamboarana vaovao ity ny fampiharana penina somaritra — miantoka izy io fa mandray an-tsoratra sy manao ny enti-modiny any an-trano mandritra ny kilasy virtoaly ny mpianatra.

Na izany aza, rehefa niitatra hatrany amin'ny efitrano fianarana virtoaly ny teknolojian'ny fitsikilovana mba hanaraha-maso ny asan'ny mpianatra mandritra ny fialantsasatra fahavaratra, nametraka ahiahy momba ny etika ireo manam-pahaizana sasany ary nanantitrantitra fa ny fampiasana tafahoatra ny teknolojia fanaraha-maso dia mety manimba ny fifampitokisana eo amin'ny olona.

数据时代把孩子、家长、老师关进了隐形的牢笼

Voafandrika ao anaty fonja tsy hita maso ny ankizy, ny ray aman-dreny ary ny mpampianatra ao anatin'ny vanim-potoana nomerika.

好恐怖,有钱人有能力的人快带着孩子逃出去吧

Tena mampatahotra izany;  tokony hitondra ny zanany miaraka aminy ary handositra ny firenena ireo izay manam-pahafahana hanao izany.

温水煮青蛙啊😰下一步是不是就要在校服、眼镜上装监视器了?学生每天和什么人去了什么场所、看了什么书老师也都知道了

Toy ny sahona mangotraka ao anaty rano mafana izany. Ny manaraka dia ny fametrahana fakantsary fanaraha-maso amin'ny fanamiana sy solomaso. Mba ahafahan’ny mpampianatra manara-maso ny toerana misy ny mpianatra sy izay vakian'izy ireo sy jeren'izy ireo aorian'ny fianarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.