Miomana hiatrika tafiotra trôpikaly ny faritra atsimon'i Karaiba

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2022)

Pikantsary avy amina sary azon'ny zanabolana, nalaina tao amin'ny Lahatsary YouTube” Hiforona ato anatin'n,y 24 ora ho avy ny tafiotra trôpikaly Bonnie 2022″

Tsy mbola faran'ny volana Jona akory, na izany aza, raha tsy maintsy hanaraka an'ireo fepetra meteorolojika ankehitriny manerana ny ranomasimbe Atlantika sy ny ranomasina Karaiba ianao, dia mety ho septambra ihany koa, amin'ny ankapobeny volana tena itoeran'ny rivodoza ao amin'ny ranomasimbe Atlantika. Efa nanambara ny Foibe Mpamantatra ny Toetrandro ao amin'ny National Oceanic and Atmospheric Administration (NOAA) ao Etazonia fa andrasandry zareo “hihoatra noho ny tokony ho izy” ny vanim-potoanan'ny rivodoza 2022, ny vanim-potoana fahafito nisesy tahàka izany.

Amin'ny ankapobeny dia manomboka ny 1 Jona matramin'ny 30 Novambra ity vanim-potoanan'ny rivo-mahery transatlantika ity, ary rivodoza 21 mahazo anarana no vinavinain'ny NOAA fa hisy, izay ny enina hatramin'ny folo dia mety ho lasa rivodoza. Amin'ireo, ny telo hatramin'ny enina dia mety ho “goavana”, ho tafiditra ao anatin'ireo sokajy 3, 4 na 5 – an'ireo tafio-drivotra mitondra rivotra 111 milles isan'ora (178 km/h) na mihoatra.

Ny rafitry ny toetrandro farany indrindra eo an-pototry ny mety hahazoany anarana dia izay miomankomana ao amin'ny faritra atsimon'i Karaiba. Amin'izao fotoana izao antsoina hoe “Rivodoza Tropikaly Faharoa“, ho antsoina hoe “Bonnie” izy io raha toa ka mitohy hatrany ny fivoaran'ireo fepetra momba ny hamafiny. Mikendry ny hamely ireo Nosy amin'ny rivotra avy atsimo izy io, heverina mety hitondra orambe sy rivotra mafy ny rivotra misafotofoto.

T&T 🇹🇹 & GRENADA 🇬🇩⁰

🌦Mandrahona arahina oram-baratra mitsitaitaika
⛈70 % no taha mety hisian'ny oram-baratra. Rivotra mahery sy tondra-drano mety hitranga
⚠️FAMPITANDREMANA TAFIO-DRIVOTRA TROPIKALY #6 – MIHATRA NY FAMPITANDREMANA MILOKO VOLOMBOASARY

🌡 Maripàna:
Piarco:Ambony indrindra 31℃ / Ambany indrindra 24℃
Crown Point:Ambony indrindra 31℃ / Ambany indrindra 26℃

Filazàna feno :https://t.co/j4LdbCxj7v pic.twitter.com/oslczaZwLN

— @ttmetoffice (@TTMetOffice) 28 Jona 2022

Any amin'ny 9,5 degre avaratra sy 56,5 degre andrefana no toerana misy azy amin'izao fotoana izao, midika fa misy fampitandremana rivodoza tropikaly mihatra ho an'i Trinité-sy-Tobago, Grenada sy ireo miankina aminy, ary fanarahamaso ny tafiotra tropikaly napetraka amin'ny morontsirak'i Venezoela sy ireo nosy ABC.

Heverina hanomboka ieny ny alin'ny 28 Jona ny vokany any amin'ireo nosy maitrika ny rivotra avy any atsimo. Raha toa mbola mijanona eo ambonin'ny rano ilay faritra'andro ratsy, dia hitombo hery izy ; mijanona ho ambony ny mety hitrangan'izany mandritra ny roa andro manaraka, 70% any, mitombo hatramin'ny 90% mandritra ireo dimy andro manaraka.

Ny toerana misy an'i Trinidad sy Tobago any amin'ny tendrony farany atsimo amin'ny vondronosy Karaiba dia midika fa amin'ny ankapobeny izy dia ivelan'ny faritra misy an'ireo rivodoza goavana, saingy tsy misakana ny voka-dratsy ateraky ny tafio-drivotra hihatra amin'ny firenena akory izany ; Noheverina ho rivo-doza “maivana” ny rivodoza Tropikaly Bret tany am-boalohany tamin'ny taona 2017, saingy mbola niteraka fahasimbana goavana ihany.

Efa ela ireo Nosy Madinika Andalam-pandrosoana (SIDS) toa an'i Karaiba no lohalaharana tamin'ny fahatezaran'ny vanim-potoanan'ny rivodoza Atlantika , izay ny vokatr'izany dia niha-ratsy arakaraky ny halalin'ny krizy ara-toetrandro.

Manerana an'i Karaiba, ny haavon'ny rotsak'orana andrasana dia mety hiovaova, manomboka ny 2,5 hatramin'ny 7 sm any avaratra kokoa manaraka halavan'ny vondronosy, manomboka ny 10 hatramin'ny 15 sm any atsimo, izay maro no manahy ny mety ho fiantraikan'ny oram-be, anisan'izany ny tondradrano sy ny fihotsahan'ny tany, raha tsy hilaza ny fahasimbana ateraky ny rivo-mahery.

Feno fanavaozam-baovao sy torohevitra mikasika ny fomba fiomanana hiatrehana ny rivodoza ho avy ireo fantsona media sosialy, anisan'izany ny fiarovana an'ireo biby fiompy. Any Trinidad-sy-Tobago, nakatona ireo sekoly sy ireo toeram-pandraharahàna maro, ireo trano misahana ny ara-bola sy ireo biraom-panjakana dia nikatona aloha be mba hahafahan'ny mpiasa ao aminy mody alohan'ny hahatongavan'ny rivodoza. Naato ireo sidina anatiny sy ivelany sasantsasany ary nofoanana ireo fivezivezena sambo mampitohy an'i Trinidad sy Tobago.

Raha ny zava-mitranga ankehitriny dia miandry an'io fotsiny ireo mpanao aterineto isam-paritra. Namoaka lahatsoratra i Maria Rivas-McMillan, mpampiasa Twitter monina ao Trinidad, hoe :

Fitoniana mialoha ny rivo-doza

Sonya Sanchez, mpikambana amin'ny diaspora monina ao Florida, niahiahy mikasika ny ain'ireo trinbagoniàna mpiray tanindrazana aminy, nanambara tao anaty Facebook hoe :

Mitandrema tsara ary miomàna ry Trinité sy Tobago – ho avy manintsy be any aminareo io.
Aza hamaivanina io rivodoza io. Mivavaka aho mba handalo haingana izy ary tsy hitondra tondradrano betsaka na hanimba be loatra. 

Amin'izao fotoana izao, Bonnie amin'ny maha rivo-doza tropikaly azy na tafio-drivotra, dia mety ho loza mitatao, indrindra fa ho an'ireo Nosin'ny Rivotra, ireo Nosy ABC ao Aruba, Bonaire sy Curaçao, ny morontsiraka avaratr'i Kolombia sy Venezoelà, i Trinité sy Tobago ary mety ho ao anatin'ny faritra Amerika afovoany na manodidina an'i Honduras, Nikaragoà sy Kostà Rikà.

Manohy manolotra ireo fanampim-baovao hatrany ny ekipan'ny Global Voices ao Karaiba arakaraky ny fivoatran'ny rivodoza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.