Hainahandro nentindrazana Bolgara, fomba iray hamerenana indray ny tsiaro ara-kolontsaina: ireo ahitra dia

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2022)

Rukie Izidova sy ny baklava nataony, tsindrin-tsakafo mamy misy sosony maro, nokarakaraina nasiana ireo ahitra tao an-toerana. Sary tahiry manokany, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Ity no voalohany amin'ny andiany misy telo notontosain'i Dessislava Dimitrova sy Nevena Borisova mikasika ny fomba nandrisihan'ireo vehivavy mpandraharaha ny famerenana indray ireo fombandrazana ara-tsakafo any amin'ireo faritra samihafa ao Bolgaria, ao anatin'ilay hetsika sakafo ahandroana miadana moderina, ho fampiroboroboana ny fizahantany sy hiadiana amin'ny fihenan'ny mponina.

Manana tahiry sarobidy ny kolontsaina Bolgara raha resaka fikarakaràna sy hainahandro nentindrazana. Miovaova isaky ny faritra ireo antsoina hoe sakafo tsotra / natoraly (satria, ankoatra ny antony maro hafa, izy ireny dia vokatra tsy nampiasàna mekanika ary zavamahagaga ara-kolontsaina amin'ny maha-izy azy tanteraka) miovaova araka ireo faritra samihafa. Na dia mampatsiahy zavatra maro mikasika ny kolontsaina sy tantara aza ireo karazana fomban-drazana dia manjary miha-hadino, na dia ireo mponina aza, noho ny fifangaroana tsiaro miha-voafafa tsikelikely, ny “fanjanahana” entin'ireo sakafo ara-barotra sy ny fomba fiaina. Antony iray manan-danja ny fironana nandritra ny ampolon-taona maro mankamin'ny fhavitsiana ben'ireo mponina boligara eny am-bohitra.

Sarintanin'i Bolgaria mampiseho an'ireo toerana ao an-tanànan'i Yavornitsa, Antimovo sy Plevun. Niainga avy tamin'ireo sarintany voalazan'ireo lahatsoratra tsirairay, Wikipedia, CC BY-SA 3.0.

Na izany aza anefa, misy ireo olona miady amin'ireny fironana ireny amin'ny alalan'ny famerenana ny fombandrazana ara-tsakafo eo an-toerana. Afaka nitafatafa tamina olona telo tamin'ireo izahay, izay avy amin'ny vazantany samy hafa tao Bolgaria, saingy manana zavatra niraisan'izy ireo : mino ny antso azony izy ireo, dia ny hitahiry ny lovan'ny hainahandro ao an-toerana ho toy ny ampahany amin'ny maripamantarana iraisan'ny rehetra

Ho setrin'izay, ireo olona telo ireo dia notohan'ny ONG iraisampirenena Slow Food, naorin'ny Italiana mpikatroka iray, Carlo Petrini, tamin'ny taona 1986. Mikendry ny hahita olona manao asa sahala amin'io ity fikambanana ity ary hanampy azy ireo amin'ny fidirana amin'ny dokam-barotra sy ireo tsenabe eo an-toerana sy iraisam-pirenena.

Ireo sakafo sy ahitra mahagaga ao an-tanànan'i Yavornitsa

“Vita ny nahandroko, manam-potoana hiresahana amin'izay aho”, hoy i Rukie Izirova. Ary avy eo nanomboka niresaka an'ireo sakafo eo an-toerana izy, izay karakarainy koa ho an'ireo mpizahatany sy ireo mpitsidika ny trano fandraisany vahiny ary ny trano fisakafoanana ao an-tanànan'i Yavornitsa, ao atsimo-andrefan'i Bolgaria.

Avy amin'ny teny hoe “yavor” ny anaran'ny tanàna, izay midika hoe hazo maple (érable). Mameno an'io faritra io ireo hazo an-jaton-taonany. Manana lisi-pifidianana misy olona manodidina ny 800 eo ho eo i Yavornitsa, izay tsy vitsy ho ana vohitra Bolgara iray, saingy tsy monina maharitra ao daholo izy rehetra.

Mpikambana amin'ny vondrompiaraha-monina bolgara Silamo miteny Pomak i Rukie, ilay hany tokana ao an-tanàna. Tsapany ho voaray tsara izy ao amin'io tanàna nahaterahan'ny vadiny io, izay nifindrany tamin'ny taona 1972 ary niasàny ho mpampianatra. Saingy nahatsapa foana izy hoe niavaka, satria ny Pomaks dia nandrafitra ny maha-izy azy tsy mitovy amin'ny Silamo sy Kristianina hafa. Taorian'ny nialan'i Rukie tamin'ny fampianarana tamin'ny 1996, dia nanokatra trano fandraisambahiny izy, izay lasa fotodrafitrasa fizahantany lehibe ho an'ilay tanàna.

Eo amin'ny tandavan-tendrombohitra Belasitsa no misy ny tanàna, izay mamokatra betsaka an'ireo anana sy zava-manitra. Ao anatin'ny fanahin'ny fombandrazana, mankafy mahandro anana dia i Rukie. Havaoziny “hifanaraka amin'ny tsiro amin'izao fotoana” ny fomba fahandro sasany. Ary, mikendry ny hampalaza ireo sakafo ireo, mampiantrano fanandraman-tsira isantaona ao an-toerana izy izay antsoiny hoe “Winter Belasitsa”, ahitana karazana fomba fahandroan-tsakafo maherin'ny 25 avy eo an-toerana.

Koban-tsakafo nokarakarain'i Rukie Izidova. Sary avy amin'ireo tahiriny manokana, nampiasaina nahazoana alalàna.

Maina ny sasany tamin'ireo “zava-maitso” nangonin'i Rukie tamin'ny lohataona, na notehirizina tanaty fampangatsiahana mba ho ampiasaina rehefa ririnina, anisan'izany ny ortie sy ny dock, karazana tongololay dia, izay tsy maniry afatsy eny an-tendrombohitra.

“Amin'ny lohataona, mikarakara koban-tsakafo marihatra avy amin'ireo zavamaitso avy any an'ala aho. Mioty ahimaitso koa aho hatao dite – linden, thyme, St. John's wort – izay samy mampiavaka ny faritra avokoa”, hoy i Rukie. Nahangona fahaizana mikasika ny raokandro sy ny fomba fahandro nentindrazana izy tamin'ny alalan'ny fakàna hevitra tamin'ireo mponina efa zokinjokiny ary mampita izany amin'ireo mpianatra be fandavan-tena : ny zanany vavy sy ny zafikeliny vavy.

„Когато дойдох в селото, се чудех какво все берат хората по ливадите, как сладко мирише, особено дивият чесън. В менюто ползваме билки, характерни за района. Много хубава салата например става от тученицата – към свежите листа добавяме лимон, зехтинче, скилидка чесън, две лъжички майонеза и кисело мляко. Тази салата е прекрасна!“

“Tamin'izaho vao tonga teto amin'ity tanàna ity dia very hevitra rehefa nahita ny habetsahan'ireo zavamaniry isan-karazany angonin'ny olona eny an-tsaha. Gaga noho ireo karazana hanitra isan-karazany aho, indrindra fa ny fofon'ny tongololay dia. Ao anaty lisitry ny sakafonay, mampiasa anana mampiavaka ny faritra izahay. Ohatra, azo atao ny manao salady matsiro amin'ny alalan'ireo tsikobokobondanitra mahazatra – otazanay ireo ravina vaovao ary asianay voasary makirana, menaka tanamasoandro, tongololay hasina iray, maionezy roa sotro kely ary asiana yogurt (habobo) kely. Tena matsiro ny salady azo amin'izany! “

Mitahiry sakafo ihany koa ilay mpampianatra efa misotro ronono, manao mofomamy sy konfitiora, ary koa aperitifa balkanique lyutenitsa (soratana ho ljutenica ihany koa). Tsy mampiasa afa-tsy legioma novokarina ao an-trano ilay toeram-pisakafoanana izay azy, ary tsy mividy zava-pisotro misy entona izy, fa manamboatra ranom-boankazo avy amin'ny paiso, pissenlit ary sambucus.

Rehefa anontaniana izy hoe ahoana no hamaritany ny tenany, dia namaly Rukie fa “be tsilo ny làlana nizorany, saingy tafita foana izany satria nitarika azy ho amin'ny zavatra tiany hatao hatramin'izay izany.”

Ity no andiany voalohany tamin'ireo andiany telo. Avoaka amin'ny andro manaraka ny andiany faharoa sy fahatelo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.