- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tohizan'ireo vondrona kambodziàna mpiaro zon'olombelona ny fitakiana ny rariny ho an'i Kem Ley, mpandalina maty nisy namono

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
A religious event in Phnom Penh marking the death anniversary of Kem Ley [1]

Hetsika ara-pivavahana natao tao Phnom Penh hanamarihana ny tsingerintaona nahafatesan'i Kem Ley. Saripika [1] avy ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Ivontoerana Kambodziàna ho an'ny Zon'Olombelona. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Nisy hetsika ara-pivavahana natao tao Kambodza ho fanamarihana ny tsingerintaona fahenina [2] nahafatesan'ilay mpandalina pôlitika nanana ny lazany, Kem Ley.

Maty nisy namono i Kem Ley, [3] tao amin'ny tobin-tsolika iray ao Phnom Penh, tamin'ny 10 Jolay 2016. Marobe no miahiahy hoe misy ifandraisany amin'ny asa maha-pandalina pôlitika sy ny fanehoankeviny ilay famonoana azy.  Nisy namono izy, andro vitsy taorian'ny nitafàny tao amin'ny fampielezampeo iray momba ny tatitry [4] ny Global Witness manome antsipirihany momba ireo kolikoly teo ambany fitondran'ny governemanta Hun Sen, izay nitondra ny firenena nanomboka tamin'ny 1985.

Nanomboka tamin'ny 2016, nantsoin'ireo vondrona anaty firaisamonim-pirenena ireo manampahefana mba hanao fanadihadiana araka ny tokony ho izy momba ilay famonoana sy hamaritra izay olona tao ambadik'ilay vono-olona.

Oeuth Ang, izay nanome ny anarany hoe “Chuob Samlab” na  “Meet to Kill, (Mivory Hamono)” dia niaiky ilay heloka bevava ary voaheloka tamin'ny 2017 hifonja mandra-pahafaty, noho ny vono-olona nomanina sy ny fitànana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna. Nohamafisiny fa nananany trosa 3.000 dolàra amerikàna i Kem Ley, filazana izay betsaka no nihevitra azy ho tsy mitombina.

Ireo vondrona avy amin'ny firaisamonim-pirenena eo an-toerana sy avy any ivelany dia samy nanakiana [5] ilay fanadihadiana nataon'ny pôlisy ho “tsy araka ny tokony ho izy”, sy ny fizotry ny fitsaràna ary nihevitra fa natao mpisolo vaika ny ankalana fotsiny ihany i Ang. Nangatahan-dry zareo hanokatra ilay raharaha indray ireo manampahefana  [6] ary hampanao fanadihadiana tsy miankina. Nampian-dry zareo fa ny famonoana an'i Kem Ley dia nitranga tao anaty vanim-potoana naharatsy indrindra ny fisian'ny tsimatimanota tao amin'ny firenena. Nandritra izay fotoana izay, nohamafisin'ny governemantan'ny praiminisitra Hun Sen ny famoretany ireo hery mpanohitra, ireo mpanakiana ary hatramin'ny mpilaza vaovao.

Ireo taona maro tany aloha, noraràn'ny governemanta tao an-toerana ireo hetsi-bahoaka fahatsiarovana ny nahafatesan'i Kem Ley. Marobe ireo olon-tsotra no voasambotra noho ny fanatrehany ilay hetsika [7] tao amin'ny toerana namonoana an'i Kem Ley.

Tamin'ity taona ity, afaka nifamory tam-pilaminana ireo mpanohana an'i Kem Ley.

Ankalazain'ny vahoaka ny tsingerintaona fahenina nahafatesan'i Kem Ley, ilay mpaneho hevitra ara-politika malaza. pic.twitter.com/gafoQCQoD0 [8]

Ilay vondrona mpiaro zon'olombelona, LICADHO, mamaritra ny zavanisy nandritra ilay fotoam-pivavahana tao Phnom Penh [10]:

Teo ho eo amin'ny sendika 70, tanora mpikatroka ary mpikambana avy amin'ny firaisamonim-pirenena no nifamory io maraina io teo ivelan'ny Star Mart tao amin'ny tobin-tsolika Caltex Bokor ao afovoan'i Phnom Penh, toerana nitifirana ka nahafaty an'i Kem Ley raha iny izy teo am-pisotroana kafe iny ny marainan'ny 10 Jolay 2016. Nametraka fehezam-boninkazo ireo mpandray anjara, ary nanao fotoam-pivavahana fangataham-pitahiana notarihana moanina iray. Nikatona ilay tsena rehefa nanomboka nifamory ireo mpankalaza, nisy teo amin'ny 20 teo kosa ireo mpitandro filaminana niankanjo tsotra tonga nanara-maso ny hetsika.

Ireo mpikambana anaty antoko Grassroots Democratic Party nilaza fa nosakanan'ny pôlisy ny mpikambana sasany avy ao aminy mba tsy ho afaka hanatrika ilay fotoam-pivavahana fahatsiarovana :

Nosakanan'ireo manampahefana ireo mpitarika ny GDP tsy handeha an-tongotra hamonjy ny Pagôda Wat Chas hanamarika ny faha-6 taonan'ny namonoana an'i #KemLey [11]! pic.twitter.com/ZxcFURJB5x [12]

Nisy lanonana hafa iray natao tao amin'ny Solidarity House (Tranoben'ny Firaisankina), toerana nanoloran'ireo mpanohana sakafo ho an'ireo moanina mba ho atolotra ny fanahin'i Kem Ley.  Nanoratra momba ilay hetsika [14] ny Ivontoerana Kambodziàna momba ny Zon'Olombelona:

Hita tamin'ilay lanonana ny fanolorana an'ireo moanina ny sakafo hatao fanatitra ho an'ny fanahin'ny Dr. Kem Ley sy ireo hafa maherifo namoy ny ainy noho ny fikatrohany ara-tsôsialy. Avy eo nisy lahatsary nalefa ary nisy rakipeo avy amin'ireo kabary goavana nataon'ny Dr Kem Ley. Novakiana sy noantsaina ireo tononkalo mankalaza ny herimpony. Farany, nahatsiahy ireo fahatsiarovana nananan-dry zareo momba an'i Dr Kem Ley ireo namany.

Ny 6 Jolay 22, nanao lanonana ara-pivavahana ny CCHR mba hahatsiarovana ny faha-6 taonan'ny nahafatesan'i Dr . Kem Ley tao amin'ny biraony. Nisy tamin'izany ny fanolorana sakafo ho an'ireo moanina hatao fanatitra, ny lahatsary&rakipeo avy amin'ireo kabarin'i K Ley, ireo tononkala fankalazana ny herimpony & ireo namana nahatsiaro ireo fotoana mamy niarahana taminy. pic.twitter.com/6uRxtjbWBr [15]

Isan'ireo tonga nanome voninahitra  an'i Kem Ley nandritra ilay fankalazana ny tsingerintaona nahafatesany ireo Diplaomaty [17], ireo vondrona [18] avy amin'ny firaisamonim-pirenena ao an-toerana, ireo mpitarika [19] avy amin'ny mpanohitra, ary ireo mpanao adisisika erantany ho an'ny zon'olombelona. Heng Kimhong, filohan'ny Fandaharanasa Fikarohana sy Fisoloana Vava ao amin'ny Fikambanana Tambajotran'ny Tanora Kambôdziàna, no nampahatsiahy ny lova navelan'i Kem Ley [20], tao anaty antsafa iray nataony ho an'ireo mpampita vaovao ao an-toerana:

Tiako ny miantso ireo manampahefana sy ny fitsaràna mba hitady ny rariny ho an'i Kem Ley, satria tsy azontsika rehetra ekena io fahafatesana io. Ho tsaroantsika hatrany i Kem Ley satria niteny ny marina tao anaty fiarahamonina izy, ary sahy nilaza ireo tsy fahombiazan'ny manampahefana.

Koet Saray, filohan'ny Khmer Student Intelligent League Association, nilaza fa eo am-panohizana ny fitakiana ny rariny dia mafy hatoka ireo tanora kambodziàna nahazo aingampanahy tamin'ny asan'i Dr Kem Ley [21]: “Tsy matahotra izahay satria ho anay, izay nahita ny tsimatimanota sy ny tsy rariny ara-tsosialy, ny tsy fandriampahalemana, dia tsy mahataitra anay ny ho voasambotra.”

Licadho honors Kem Ley [22]

Mpitantana ny LICADHO manana lalao baolina kitra ho fahatsiarovana niarahana tamin'ireo tanora mpikatroka sy avy amin'ny firaisamonim-pirenena tao Phnom Penh. Mivaky toy izao ny soratra amin'ny akanjony “Kem Ley: Tompondakan'ny Fahalalahana Maneho Hevitra.” Saripika [22] sy maribolana avy ao amin'ny LICADHO.

Mandritra izany fotoana izany, isisihan'ireo manampahefana ny hoe efa voavaha sahady ilay raharaha ary ampangainy ny mpanohitra ho mamadika ho resaka pôlitika ny fankalazana ny tsingerintaona nanahafatesan'i Kem Ley. Tamin'ny 2021, ny mpitondra tenin'ny ministeran'ny fitsaràna, Chin Malin, nanoro hevitra an'ireo mpanohana an'i Kem Ley mba  hameno fangatahana mifanaraka tsara amin'izany sy hametraka porofo vaovao [23]:

Tsy mba nampihatra ny zo omen'ny lalàna azy ireo antoko pôlitika nikiakiaka momba ny fahafatesan'ny Dr. Kem Ley, fa dia manao fanambaràna pôlitika, miampanga, manakiana,  manambany ireo manampahefana sy mamafy fisalasalàna…Tsy mitondra porofo hiadiana hevitra na fototra mafy araka ny lalàna.