Fantaro i Robert Obiri, mpahay manokana momba ny tetikady nomerika, miasa ho an'ny fitenim-paritra Fante

Sary nampindramin'i Robert Obiri.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ireo andiana antsafa nifanaovanay tamin'ireo vahininay mpampiantrano ny @DigiAfricanLang, fanentanana mihodina ao amin'ny Twitter, an'ny Rising Voices.

Anatin'ireo andiany ataonay amin'izao fotoana izao mba hanasongadinana ny asan'ireo mpikatroka mampahafantatra ireo fiteny afrikàna aty anaty habaka nomerika, tianay ny hanasongadina an'i Robert Obiri (@robertjamal12) avy ao Ghana ary mpahay manokana ny tetikady nomerika. Betsaka amin'ireo asan'i Robert no mifantoka amin'ny fanaovana izay hanasongadinana kokoa ny fitenim-paritra Fante avy amin'ny fiteny Twi ao Ghana mba ho hita ety anaty habaka nomerika, toy ny Vondrompiarahamonina Fante Wikimedia, izay niarahan'i Robert ny nanorina azy. Tsy ela akory izay ny Rising Voices no nitafa tamin'i Robert Obiri tamin'ny alàlan'ny imailaka mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny fomba fijeriny ny fiteniny amin'ny fitadiavana izay ho toerany ety anaty habaka an-tserasera.

Rising Voices (RV): Mba lazao anay ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny.

Robert Obiri (RO): Robert Obiri no anarako. Ghaneàna mpahay manokana momba ny tetikady nomerika, mpikambana ao anatin'ny vondron'ireo mpampiasa ny Wikimedia Ghana ary mpandrindra (fotsiny) ny Twi Wikipedia. Izaho no nisava làlana ny fanomezana aina vao ny Fante Wikipedia, izay mbola eo amin'ny toeran'ny taninketsa aloha izao.

RV: Ahoana izao no toerana misy ilay fiteninareo ety anaty aterineto sy ivelany?

RO: Samy ampiasàna ilay fiteny, na anatiny na ivelan'ny tambajotra. Ianarana manomboka amin'ny ambaratonga voalohany ka hatrany amin'ny fanomanana PhD eny amin'ny anjerimanontolo (Anjerimanontolon'ny Fanabeazana, Winneba, Anjerimanontolon'i Ghana, Legon ary Anjerimanontolon'i Cape Coast). Misy marobe ihany koa ireo fampiharana an-tserasera. Ny Baiboly Fante, ny Fihiràna Fante, ary fampiharana Fante iray antsoina hoe Learn Fante. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa ireo fandaharanasa Fante anaty tambajotra, hatramin'ireo boky fianarana.

RV: Inona no manosika anao hanao izay hahitàna ny fiteninareo eny anaty habaka nomerika?

RO: Ny zavamisy hoe nahasarika ny saina tety anaty habaka nomerikantsika ilay fiteny, toy ny Fante wiki, hatramin'ireo sehatra nomerika hafa, no hery lehibe manentana ahy hanao izay vitako ihany koa mba hanosika azy ho lasa lavidavitra kokoa.

RV: Farito ny sasantsasany amin'ireo fanamby manakana ny fiteninao ho tsy afaka ampiasaina feno ety anaty tambajotra

RO: Ny fanjakazakan'ny fiteny Akan-Twi manerana an'i Ghana, anaty sy ivelan'ny aterineto, dia mamily ny sain'ny olona tsy ho any amin'ny fitenim-paritra Fante avy amin'ny Akan. Ny fiheverana ihany koa hoe sarotra ianarana ny Fante dia singa iray manampy trotraka amin'izany.

RV: Inona no dingana mivaingana heverinao fa azo atao mba handrisihana ny tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hanohizany hampiasa ny fiteniny?

RO: Ny fampahatsiarovantena dia tokony ho zavadehibe ao anatin'ny fanabeazana olona maro, ary handrisihana azy ireny hianatra ilay fiteny.

Mikatona ny famoahana hevitra