Fifanarahana momba ny angovo eo amin'i Azerbaijan sy ny Vondrona Eoropeana: Angovo aloha vao zon'olombelona

Sainam-pirenen'i Azerbaijan, sary avy amin'i Hikmat Gafarzada; Sainan'ny Vondrona Eoropeana, sary avy amin'i Christian Lue. Maimaim-poana ny fampiasana ny sary eo araka ny Unsplash License.

Nanasonia fifanekena Memorandum of Understanding (MoU na arofenitra fiaraha-mitodika) tao an-drenivohitra Baku ny filoha Ilham Aliyev ao Azerbaijan sy ny filohan'ny Vaomiera Eoropeana Ursula von der Leyen tamin'ny 18 Jolay, izay mamaritra ny drafitra momba ny fifanarahana angovo stratejika. Noderaina ho “mpiara miombon'antoka goavana amin'ny angovo” ho an'ny Vondrona Eoropeana i Azerbaijan ary mety hijanona ho toy izany mandritra ny hoavy efa hita mialoha satria mikasa ny hanitatra ny fahafahany amin'izao fotoana izao amin'ny etona 8 miliara metatra toratelo tsinjaraina isan-taona ka ho lasa 20 miliara metatra toratelo amin'ny taona 2027.

Mitaky amin'i Azerbaijan mba hampitombo ny famokarana etona ao an-toerana ny fitomboan'ny fikorianan'ny etona amin'ny alàlan'ny fantsona Southern Gas Corridor, araka ny filazan'ny fanadihadiana nataon'ny Euronews.

Tonga izao fifanarahana izao noho ny fikorontanan'ny famatsiana angovo hoan'ny Vondrona Eoropeana noho ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina sy ny fandrahonan'i Kremlin hanapaka tanteraka ny famatsiana. Kinendrin'ny fifanarahana vaovao nosoniavina tamin'i Azerbaijan ny hampihena ny fiankinan'i Eoropa ara-angovo avy amin'i Rosia. “Androany, amin'ity fiaraha-mitodika vaovao ity isika manokatra toko vaovao amin'ny fiarahamiasa ara-angovo miaraka amin'i Azerbaijan, mpiara-miombon'antoka lehibe amin'ny ezaka ataontsika hialana amin'ny solika fôsily Rosiana,” hoy i  von der Leyen nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao Baku taorian'ny fanasoniavana ny fifanarahana.

Mitodika any amin'ny mpamatsy angovo azo itokisana ny Vondrona Eoropeana.

Iray amin'ireo i Azerbaijan.

Amin'ny fifanarahana androany, manolo-tena izahay hanitatra ny Southern Gas Corridor, sy hampitombo avo roa heny ny famatsiana etona avy any Azerbaijan mankany amin'ny Vondrona Eoropeana.

Vaovao tsara ho an'ny famatsiana entona eto amintsika amin'ity ririnina ity sy any aoriana izany.

Nilaza tao anatin'ny fanambarana iray ny kaomiseran'ny Angovo ao amin'ny Vondrona Eoropeana, Kadri Simson fa nampanantena hanome etona efatra miliara metatra toratelo fanampiny i Azerbaijan amin'ity taona ity (ambonin'ny valo miliara metatra toratelo) ary hitombo avo roa heny ny habetsahana ankehitriny rehefa tonga ny taona 2027.

Hatramin'ny fanafihana an'i Okraina, nitady lalan-kafa famatsiana angovo ny Vondrona Eoropeana. Araka ny fanambarana nataon'ny Vaomiera Eoropeana, “ny paikadin'ny fampanantenana angovo ivelany avy amin'ny Vondrona Eoropeana  manampy tosika ny drafitra REPowerEU, ny Vaomiera dia manaiky fa mitàna anjara toerana lehibe amin'ny fanapariahana ny famatsiana etona voajanahary ho an'ny Vondrona Eoropeana, indrindra ho an'ireo firenena Eoropeana Atsimo Atsinanana ny Southern Gas Corridor.”

Nidera ny fifanarahana ihany koa ny filoha Ilham Aliyev, niantso izany ho “tondrozotra ho an'ny ho avy” ary nanamarika fa “fampitomboam-bola lehibe ny fiarahamiasa maharitra, azo vinavinaina ary tena azo antoka eo amin'ny EU sy Azerbaijan eo amin'ny sehatry ny angovo.”

Mbola ho hita eo anefa ny habetsahan'ny “fampitomboam-bola lehibe” an'i Azerbaijan. Araka ny filazan'ilay mpanao gazety David O'Byrne izay mitantara ny olan'ny angovo, ny memorandum nosoniavina sy ny fizarana enina ao aminy dia “kely kokoa raha oharina amin'ny lisitry ny fanirian'ny andaniny sy ny ankilany hitranga, raha jerena ny toe-javatra ankehitriny.” Eo amin'i Azerbaijan, ny fanontaniana lehibe indrindra apetraka dia ny hoe afaka manome etona fanampiny tokoa ve ny firenena, ary na dia afaka aza izy, hoy i O'Byrne nanoratra, “fiovana kely no entin'ny 10 miliara metatra toratelo fanampiny “raha oharina amin'ny 150 miliara metatra toratelo azo avy amin'i Rosia. Manaiky izany ny International Energy Agency. Araka ny filazan'ny Foreign Policy vao haingana, raha mihena 1 degre Celsius ny thermostats ao an-trano dia “voatahiry ny etona 10 lavitrisa metatra toratelo”, hoy ny sampan-draharaha.

Toy izany koa, Eldar Mamedov nanoratra lahatsoratra fanehoan-kevitra milaza fa ny memorandum dimy pejy dia mivaky toy ny “lisitra lava be kokoa amin'ny ‘ezaka’ fa tsy fanoloran-tena hentitra.” Ny hany ampahany amin'ny memorandum misy tolo-kevitra mivaingana dia i Azerbaijan mampitombo avo roa heny ny fanondranana etona. “Saingy na dia io tanjona io aza” hoy i Mamedov nanoratra, “dia mipetaka amin'ny fiteny tsy misy fanoloran-tena — i Baku  no tokony ‘hiezaka’ hampitombo avo roa heny ny fanondranana etona. Tsy manolo-tena hanao izany tokoa ny antontan-taratasy.

Ny momba ny zon'olombelona

Raha samy nidera ilay fifanarahana ny filohan'ny Vondrona Eoropeana sy i Azerbaijan, dia haingana avy hatrany ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona nametraka ahiahy. Ho an'ireo mpanara-maso efa ela an'i Azerbaijan, somary niteraka ahiahy ny filazan'ny filohan'ny Vaomiera Eoropeana an'i Azerbaijan ho mpiara-miombon'antoka “lehibe” sy “azo itokisana”.

Nitondra ny firenena nandritra ny 19 taona ny filoha Ilham Aliyev. Nandritra ny fitondrany, maro ireo mpikatroka fiarahamonim-pirenena tao an-toerana niatrika fanenjehana raha toa ka niharatsy ny laharan'ny fahalalahana ao amin'ny firenena isaky ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena. Nanimba ny vondrona fiarahamonim-pirenena teo an-toerana ny fanovana lalàna, nanaisotra ny fahafahany mahazo famatsiam-bola avy any ivelany na manohy ny asany soa aman-tsara. Avy amin'ny fifehezana tanteraka ny haino aman-jery ka hatramin'ny fanamafisana feno ny fahefana, mety ho tsinotsinona ny fitarihan'ny Filoha Ilham Aliyev saingy “azo itokisana” hoy ireo mpitsikera ny fifanarahana vaovao. Araka izany, tsy nahagaga ny valin-kafatra mitsikera nataon'ireo mpanara-maso ny zo iraisampirenena momba ilay memorandum nosoniavina. “Tsy tokony ho nanao sonia fifanarahana tamin'i Azerbaijan ny Vondrona Eoropeana raha tsy nametraka fepetra tamin'izany amin'ny famotsorana ireo voafonja ara-politika sy ny fanafoanana ireo lalàna manapotika ny haino aman-jery sy ny fiarahamonim-pirenena,” hoy ny nosoratan'ny  Talen'ny Human Rights Watch tao amin'ny Twitter.

Tamin'ny taria tao amin'ny Twitter, nampahatsiahin'ny Transparency International ny filohan'ny Vaomiera Eoropeanina amin'ny zava-bitan'i Azerbaijan tao anatin'ny taona vitsy lasa. “Satria mihetsika hampihena fiankinan-doha ara-angovo amin'ny fitondrana mpangalatra ao Rosia ianao, dia tsy azonao tsinontsinoavina fa vao haingana izay no sarona ho mividy fitaomana avy amin'ireo mpanao politika Eoropeana ny sangany eo amin'ny fitondrana ao Azerbaijan mba hahazoany sary ‘mendrika itokisana’,” hoy ny siokan'ny Transparency International. Nitanisa andiana fanadihadiana izay nampibaribary ny fomba nidiran'i Azerbaijan tamin'ny “kolikoly mahazatra mba hanamaivanana ny firaketany ratsy momba ny zon'olombelona amin'ny adihevitra Eoropeanina” ny fikambanana iraisampirenena.

Nilaza tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny The Shift News ny Fondation Daphne Caruana Galizia hoe, “azo ametrahana ahiahy ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Eoropeana hanasazy an'i Rosia ary avy eo hanao sonia fifanarahana amin'ny fanjakana hafa tantanan'ny mpangaro-paosy, satria soloina  ampahany ny fiankinan-doha amin'ny fanjakana mpangalatra mankany amin'ny fiankinan-doha maharitra amin'ny amin'ny mpangaro-paosy iray hafa.”

Ary tsy ny mpanara-maso ny zon'ny iraisampirenena ihany no naneho ny tsikera taorian'ny fanaovan-tsonia fifanarahana. Nanakiana ny fifanarahana ihany koa ireo mpikambana maromaro tao amin'ny Parlemanta Eoropeana. “Tsy ‘mendrika itokisana’ ny jadona. Tsy ho an'ny demaokrasia, tsy ho an'i Eoropa ary indrindra tsy ho an'ireo olom-pirenena ampahoriana amin'ny fomba feno habibiana,” hoy ny MEP Daniel Freund nisioka. Raha nilaza tamin'ny sioka kosa i Viola von Cramon hoe: “Mbola mijanona ho mpiara-miombon'antoka tsy mendrika amin'ny sehatra rehetra i Azerbaijan.”

Nampitandrina ny amin'ny fanaovana fahadisoana “famotsiana” taloha ny MEP Hanna Neuman :

Aoka isika tsy hamerina ny fahadisoana “famotsiana” taloha ka hanambara safidy ratsy ho “mendrika itokisana”. Fitondrana jadona manana firaketana mampatahotra momba ny zon'olombelona i Azerbaijan.

Raha nisioka ny filoha lefitry ny Parlemanta Federaly Alemana tamin'ny 18 Jolay fa na dia mety ho an'ny Vondrona Eoropeana aza ny manamafy ny fahaleovantenany amin'ny famatsiana angovo Rosiana, dia tsy tokony hanadino ny zon'olombelona ny sendikà ka tsy maintsy “miziriziry amin'ny fitandremana sy ny fanomezan-dàlana ny fahalalahana sy ny demaokrasia.”

Naneho ny ahiahiny momba ny fiarahamiasan'ny Vondrona Eoropeana amin'ireo mpitondra toa an'i Aliyev ny vondrona kiady. Tamin'ny taona 2017, nanoratra momba ny “Vondrona Eoropeanina manidy ny fitaovam-piadiana amin'ny mpitondra tsirefesimandidy ao Azerbaijan Ilham Aliyev i Bankwatch Network, na dia eo aza ny fanoloran-tenan'i Eoropa amin'ny zon'olombelona.” Tsy nahatanteraka ny fanoloran-tenany ho anisan'ny Laharam-pahamehana amin'ny Fiaraha-miasa EU-Azerbaijan  ihany koa i Azerbaijan.

Araka ny voalazan'ny tatitra vao haingana nataon'ny Solontena Avon'ny Vondrona ho an'ny Raharaham-bahiny sy Politika momba ny Fiarovana ao amin'ny Vaomiera Eoropeana, na dia nanao dingana fanamafisana orina ny toekareny aza i Azerbaijan — indrindra taorian'ny areti-mandringana — dia tsy azo lazaina ho misy fitantanana tsara, demaokrasia, fitondrana tan-dalàna sy ny zon'olombelona ny firenena. Nasongadin'ny tatitra ireo olana eo amin'ny lalàna— ny volavolan-dalàna mamepetra efa misy toy ny lalàna vaovao momba ny Media — sy ny “tsy fahampiana hatrany amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana fototra, indrindra fa ny famerana ny fahalalahana mivory, miditra fikambanana ary fanehoana hevitra.”

Araka izany, nofaritan'ny mpandinika fa fandresena ho an'ny mpitarika ao Azerbaijan ny fifanarahana vao haingana. “Inona indray no mety ho zavatra mihoatra noho ny dokambarotra azon'ny fianakaviana Aliyev fa tsy ny vahoakan'ny EU sy Azerbaijan avy amin'ny fampitan-kafatra manoro ivohony?” hoy ny mpitondratenin'ny Fikambanana Daphne Caruana Galizia Foundation tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny The Shift News.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.