- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: Sodàna

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary nomen'i Ameya Nagarajan

Efa hatry ny ela no sarotra be ny fifandraisan'ireo fitondrana tsy refesi-mandidy sy ny media ary ny teknolojiam-pifandraisana. Ny “Unfreedom Monitor [1]” dia hetsika fikarohana sahanin'ny Global Voices Advox, mandalina ireo zavamiseho tsy mitsaha-mirongatra misy ataon'ireo mpitondra tsy refesi-mandidy anaty tambajotra na nomerika. Ity sombiny ity, momba ny tolona ataon'i Sodàna hiadiana amin'ny fitondràna tsy refesi-mandidy anaty tambajotra, dia avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka avy amin'ny fikarohana teo ambany fiahian'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato [2] ny tatitra feno.

Fironana mirongatra be erantany ny fanaovana tsy refesi-mandidy amin'ny nomerika, saingy tsy mbola misy angon-drakitra fampitahàna momba ny anjara toerana raisin'ilay tranga any amin'ireo firenena samihafa manerana izao tontolo izao. Ny “Unfreedom Monitor” dia hetsika iray an'ny Global Voices Advox natao hahatakarana, hametrahana an-tsarintany, ary hanaovana fampitahana ireo tranga anaty toejavatra samihafa, ka isan'izany ny ao Sodàna. Ity  lahatsoratra ity dia mitrandraka ireo fanamby atrehan'ny vahoaka sodaney ao anatin'ny habaka nomerika, amin'ny alàlan'ny fandalinana ireo antony manosika ho amin'izany, ny fomba sy ireo fitaovana ampiasain'ireo mpanao jadona ary ny valinkafatry ny vahoaka rehefa miezaka ny handingana / hiala amin'ny jadona nomerika izy ireo.

Atambatr'ilay fanadihadiana ny fomba fijerin'ny Civic Media Observatory ato amin'ny Global Voices sy ny fandalinana ny kalitaon'ireo olana araka ny trangan-javatra manodidina ny jadona nomerika mba hoentina mamaritra ny tena fototry ny jadona nomerika misy ao Sodàna. Hitan'ilay lahatsoratra fa ny tahotra ho tomponandraikitra, ny tahotra ho very fahefana, ny fiarovana ny tombontsoa manokana sy ny an'ny fanakaviana, ny fiarovana ireo fifamatorana misy, ary ireo antony ideôlôjika hafa no manosika ireo mpitondra tsy refesi-mandidy haka tàhaka ny teknikan'ny mpanao jadona any anatina toejavatra hafa.

Marobe amin'ireo fitaovana sy fomba naparitaka ao Sodàna no napetraka hamonoana ny hetsika an-tserasera. Tsy mijanona fotsiny amin'ny sivana ireo fomba fanao ireo, na ny fandisoana vaovao, fa tafiditra ao koa ny fandrindràna fitondrantena aseho tsy araka ny tokony ho izy (coordinated inauthentic behaviour -CIB), ny fanafoanana fahafahana miditra, ary ny famoahana lalàna manjavozavo. Ampiasain'ny governemanta ihany koa ny lalàna mba hiasàn'ilay jadona nomerika sy mba hahazo fiarovana araka ny lalàna ireo tetikadiny. Afaka idiran'ny governemanta daholo ireo fotodrafitrasa momba ny fifandraisan-davitra (foibe fitahirizan-drakitra ary ireo birao), izay loza mitatao ho an'ny fiarovana ny habaky ny aterineto sy ny fiainana manokan'ireo mpampiasa. Kanefa  misy ny fanoherana. Navoitran'ity fikarohana ity fa ireo olompirenena ao anatiny sy any ivelan'i Sodàna dia nampiasa fomba isankarazany mba hialàna amin'ny famoretana nomerika sy hiarovan-dry zareo tena amin'ny herisetram-panjakana, na ara-batana izany, na eny anaty aterineto.

Vakio ato [2] ny tatitra feno (angl.).

Unfreedom Monitor

Efa hatry ny ela no sarotra be ny fifandraisan'ireo fitondrana tsy refesi-mandidy sy ny media ary ny teknolojiam-pifandraisana. Ny “Unfreedom Monitor” dia hetsika fikarohana sahanin'ny Global Voices Advox [3], mandalina ireo zavamiseho tsy mitsaha-mirongatra misy ataon'ireo mpitondra tsy refesi-mandidy anaty tambajotra na nomerika

Trohy eto ny PDF momba ny tatitra mahakasika an'i Sodàna [2].