Umasoye: Mpikatroka fiteny mampiasa teknolojia hahatonga ny fianarana ny teny Ekpeye hahafinaritra

Sary nomen'i Franca Umasoye Igwe ary nahazoana alalana.

Tamin'ity herinandro ity izahay niresaka tamin'i Franca Umasoye Igwe, antsoina hoe Umasoye mpikatroka ankihy ny fiteniny. Avy any Nizeria i Umasoye ary liana amin'ny fihaonan'ny teknolojia, ny haino vaky jery ary ny fikolokoloana ny fiteny Ekpeye. Zana-bondrona Igbo monina ao amin'ny faritr'i Ahoada ao amin'ny fanjakan'i Rivers, Nizeria ny vahoaka Ekpeye. Nitondra ny fietanampony tao amin'ny ONG-FTMF izay naoriny, ny Speak Ekpeye Fluently Language Initiative i Umasoye. Mampiseho mazava ny tranonkala fa nametraka ny finoany i Umasoye fa tokony hahasarika sy hahafinaritra amin'ny fampiharana ny faharetan'ny teny — sahisahy, marevaka ary manintona ny bika isehoany (interface) ary ahitana fitaovana toy ny boky maimaim-poana momba ny fiteny, lesona ary rakibolana. Tamin'ny volana lasa teo, nanangana tetikasa mpandresy mitondra ny lohateny hoe “tetikasa Afrilingo” ihany koa i Umasoye sy ny ekipany nandritra ny Fihaonam-be Manerantany Fihazakazahana momba ny Fiarahamonin-Torohay (World Summit on Information Society Hackathon), izay nampiantrano ny hetsika niaraka tamin'ny International Decade of Indigenous Languages (Taompolo Iraisampirenena ho an'ny Fiteny Indizeny). Tafiditra ao anatin'ilay tetikasa ny famoronana fampiharana lalao iray hianarana momba ny fiteny sy ny kolontsaina indizeny. Fantaro bebe kokoa tamin'ny resadresakay taminy eto ambany ny momba ny fanoloran-tenan'i Umasoye amin'ny fanapariahana ny teny Ekpeye amin'ny alàlan'ny fampitambaovao ankihy.

Rising Voices (RV): Mba lazao anay azafady ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny.

Franca Umasoye Igwe (Umasoye): My name is Franca Umasoye Igwe, but I prefer to be called Umasoye. I'm a Nigerian born creative writer, tech enthusiast and an advocate for indigenous languages. I am skilled in photography and digital marketing, and currently pursuing a degree in agricultural extension and rural sociology at the prestigious Rivers state university.  I'm very passionate about using tech for the sustainability and revitalization of Indigenous languages. Recently I ideated a solution for language loss “project Afrilingo” which emerged as the winning project.  I was able to co-create this with two techies during the WSIS hackathon for Indigenous languages. I want to be able to tackle the problems of language loss as much as I can through tech. In 2020 I founded the Speak Ekpeye Fluently Language Initiative.This is an NGO committed to revitalizing the Ekpeye language, a minoritized language spoken in Rivers State, Nigeria, which is at risk of going extinct. Through my advocacy with my team, I have been able to create a learning environment for the Ekpeye language in digital spaces (on the web and social media). I believe that every child should be given a fair opportunity to learn their mother tongue before any other language as this is essential to their identity and to preserving indigenous languages.

Franca Umasoye Igwe (Umasoye): Franca Umasoye Igwe no anarako, fa aleoko antsoina hoe Umasoye. Teratany Nizeriana mpanoratra tia zava-baovao aho, mpankafy teknolojia ary mpiaro ny teny indizeny. Mahay momba ny saripika sy ny haivarotra ankihy aho, ary manohy ny mari-pahaizana momba ny fanitarana ny fambolena sy ny haifiarahamonina ambanivohitra ao amin'ny oniversitem-panjakana malaza, Rivers, aho amin'izao fotoana izao. Tena ankamamiako ny fampiasana ny teknolojia ho amin'ny fampaharetana sy famelomana indray ny teny indizeny. Vao haingana aho no nihevitra vahaolana manoloana ny fahaverezan'ny fiteny, dia ny “tetikasa Afrilingo” izay lasa toy ny tetikasa mpandresy. Afaka namorona izany niaraka tamin'ny teknisianina roa aho nandritra ny hackathon WSIS ho an'ny fiteny indizeny. Tiako ny mahavita miatrika ny olan'ny fahaverezan'ny fiteny araka izay azoko atao amin'ny alalan'ny teknolojia. Tamin'ny taona 2020, nanangana ny Speak Ekpeye Fluently Language Initiative aho. ONG-FTMF manolo-tena amin'ny famelomana indray ny teny Ekpeye, fiteny vitsy an'isa ampiasaina ao amin'ny Fanjakan'i Rivers, Nizeria izany, izay atahorana ho lany tamingana. Tamin'ny alàlan'ny fiarovana nataoko niaraka tamin'ny ekipako, afaka namorona tontolo fianarana ho an'ny fiteny Ekpeye ao amin'ny sehatra ankihy (eo amin'ny tranonkala sy media sosialy) aho. Mino aho fa tokony homena fahafahana ara-drariny ny ankizy tsirairay mba hianatra ny tenin-drazany alohan'ny fiteny hafa satria tena ilaina amin'ny maha-izy azy sy amin'ny fiarovana ny teniny indizeny izany.

RV: Manao ahoana ny toetry ny fiteninao amin'izao fotoana izao na anjotra na ivelanjotra?

Umasoye: The Ekpeye language is gradually gaining presence in the online space through the work of the Speak Ekpeye Fluently Language Initiative. We look forward to having more accessible resources online in years to come. Offline, the language is spoken mainly by elders as the Gen-Zers and millennials seem uninterested. This challenge we aim to tackle through the use of digital tools.

Umasoye: Mahazo vahana tsikelikely ao amin'ny sehatra aterineto amin'ny alalan'ny asan'ny Speak Ekpeye Fluently Language Initiative ny fiteny Ekpeye. Manantena hanana fitaovana azo idirana kokoa amin'ny aterineto izahay amin'ny taona ho avy. Ny zokiolona no tena mampiasa ny fiteny ivelanjotra satria toa tsy liana ireo Taranaka Z (teraka teo anelanelan'ny taona 1997 sy 2010) sy ny zokiny (Y). Mikendry hamaha izany fanamby izany amin'ny alàlan'ny fampiasana fitaovana ankihy izahay.

RV: Inona no antony manosika anao hahita ny fiteninao amin'ny sehatra ankihy/nomerika/dizitaly?

Umasoye: My motivation for having Ekpeye in the digital space is to see that young Ekpeye youths embrace and learn their language in a relatable space. Hopefully this will reduce their language apathy.

Umasoye: Ny antony manosika ahy hametraka ny teny Ekpeye ho eo amin'ny sehatra ankihy/nomerika dia handraisan’ ny tanora Ekpeye sy hianarany ny fiteniny amin'ny sehatra azo ifandraisana. Antenaina fa hampihena ny tsy firaharahiana ny fitenin'izy ireo izany.

RV: Farito ny sasany amin'ireo fanamby izay manakana ny fiteninao tsy ho azo ampiasaina feno anjotra

Umasoye: Some of the challenges that prevent Ekpeye being fully utilized online are:

  1. No proper documentation of the Ekpeye language in recent times.
  2.  Lack of funding for developing special apps or web environments between learners and native speakers.

Umasoye: Ny sasany amin'ireo fanamby manakana ny Ekpeye tsy ho ampiasaina feno anjotra:

1.Tsy misy antontan-taratasy sahaza momba ny fiteny Ekpeye tato ho ato.
2. Ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola amin'ny famolavolana fampiharana manokana na tontolon'ny tranonkala eo amin'ny mpianatra sy ny teratany mpampiasa ny fiteny.

RV: Raha ny hevitrao, inona no dingana mivaingana azo atao hanentanana ny tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hampiasa ny fiteniny hatrany?

Umasoye: Young people can be encouraged to learn their language by using a fun and interesting approach that appeals to them while educating them on the importance of language sustainability. A fun approach that can be used is music, the creation of language gaming apps as well as family influence.

Umasoye: Azo ampirisihina hianatra ny fiteniny ny tanora amin'ny alalan'ny fampiasana fomba fiasa mahafinaritra sy mahaliana izay manintona azy ireo no sady mampianatra azy ireo ny maha zava-dehibe ny faharetan'ny fiteny. Fomba mahafinaritra azo ampiasaina ny mozika, ny famoronana fampiharana lalao amin'ny fiteny ary koa ny fitaoman'ny fianakaviana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.