- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Carrie Lam, lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong, tsy hirotsaka hofidiana fanindroany .

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Sary avy amin'ny pejy Facebook-ny inmediak [1]. (CC: AT-NC) [2]

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2022)

Ny 4 Aprily, nanambara [3] i Carrie Lam, lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong,  fa tsy hirotsaka hikatsaka fe-potoana faharoa hitazonana ny toerana ao an-tanàna izy amin'ilay fifidianana ho avy eo.

Amin'izao fotoana izao, ny mety handimby azy dia i John Lee lehiben'ny polisy teo aloha, izay notendren'i Pékin tamin'ny volana Jona ho sekretera jeneralin'ny tanàna rehefa nambaran-dRamatoa Lam ny faniriany hiala, tamin'ny Mey 2021. Fampahalalam-baovao maro teo an-toerana no nitanisa loharano ary nitatitra [4] fa mety hiala i Lee ary hirotsaka hofidiana amina fifidianam-paritra kely ny 8 Mey 2022.

Nilaza [4] ihany koa ireo loharanom-baovao fa hotendrena i Leung Chun-Ying, lehiben'ny mpanatanteraka teo aloha, mba ho filohan'ny Kaomity misahana ny Fifidianana, izay manana mpikambana 1500.

Noho ny fihanaky ny Omicron ao Hong Kong, nahemotra roa volana ny fifidianana izay ho filoha mpanatanteraka. Ny 3 hatramin’ny 16 Aprily no hanomboka ny fe-potoana fanendrena. [5]

Raha i Carrie Lam no mpitarika tsy dia malaza [6] indrindra hatramin'ny nanoloran'i Hong Kong an'i Shina tamin'ny 1997, dia maro no mivanàka amin'ny mety ho fanoloana azy. Mars Alien, mpampiasa Twitter, no maka sary an-tsaina ny fiavian'ny ratsy indrindra:

Dia nihevitra ianao fa nilamina ny toe-draharaha eto Hong Kong. Mety hiharatsy amina hafainganam-pandeha tsy hita avanavana ny toe-draharaha. Raha lasa Lehiben'ny Mpanatanteraka i John Lee dia midika fotsiny izany fa hisy fepetra henjana kokoa sy famoretana hanaraka eo. Vinavina, tsy ho ela dia hifanaraka amin'ny an'i RPC ny rindrinafo sy ny fiasan'ny Aterineto eto Hong Kong. 😡 https://t.co/hZ3ppWTnDY [7]

— Mars Alien (@chjackie797) 4 Aprily, 2022 [8]

Ny sasany amin'ireo mpikatroka ao Hong Kong dia naminavina fa ho lasa fanjakana polisy ny tanàna aorian'ny fanavaozana ny kabinetra tamin'ny volana Jona lasa teo [9], fotoana nanondrotana ny lehiben'ny polisy tamin'izany fotoana izany Chris Tang ho sekreteran'ny Biraon'ny Fiarovana, raha i John Lee kosa, sekreteran'ny fiarovana tamin'izany fotoana izany, dia nasondrotra ho sekretera jeneraly, ireo toerana roa ambony ao amin'ny governemanta.

i Lee sy Tang  dia samy tompon'andraikitra tamin'ny famoretana feno herisetra nandritra ny hetsi-panoherana ny fanolorana olo-meloka ho an'i Shina tamin'ny taona 2019 ary samy nitàna toerana lehibe tamin'ny fampiharana ilay Lalàna momba ny Fiarovam-pirenena (NSL) taorian'ny nandaniana azy io tamin'ny 30 Jona 2020.

Araka ny nasongadin'ny Global Times, famoaham-baovao vatsian'ny fanjakana ao Shina, ny fanendrena ireo lehiben'ny polisy roa teo aloha dia nidik [10]a fa laharampahamehan'ny tanàna ny fampiharana ny LSN. Na izany aza, io safidy io dia nanova ny toetran'ny governemantan'i Hong Kong- raha ny nahazatra, ny Sekretera Jeneraly dia tarihin'ireo tompon'andraikitra ara-pitantanana izay manana traikefa be dia be amin'ny asa any anatin'ireo rantsana samihafan'ny governemanta. Carrie Lam, ohatra, dia mpiasam-panjakana teo aloha ary efa niasa nandritra ny 42 taona tao anatin’ny governemanta .

Raha mifidy an'i John Lee ho Lehiben'ny mpanatanteraka i Beijing, dia ho tanteraka ny fiovan'i Hong Kong ho fanjakana polisy – naneso io fihetsika io i Hung Ho-Fung, mpampianatra sosiolojia ao amin'ny Oniversite Johns Hopkins:

Mihamitovy hatrany amin'ny mety hametrahan-dry zareo polisy iray ho lehiben'ny mpanatanteraka manaraka ao Hong Kong. Fibedesana mamiratra manoloana ny fiampangana tsy mitombina atao amin'ny governemanta HK ho fanjakana polisy. eny!

— Ho-fung Hung (@hofunghung) 4 Aprily, 2022 [11]

David Alton, mpikambana ao amin'ny Chambre des Lords Britanika, dia efa nilaza nialoha ny faharavana bebe kokoa hanjo ny fahalalahan'i Hong Kong raha i John Lee no handray ny fitantanana:

Tsy hitady fe-potoam-piasàna fanindroany ny mpitarika ao Hong Kong Carrie Lam – saingy tsy hifidy ny vahoaka ao Hong Kong satria hametraka apparatchik iray hafa ny CCP – olona toa an'i John Lee, vonona ny hanamafy ny lova mangidy – ny famotehana ny fahalalahan'i Hong Kong. https://t.co/cKig5ES6Wk [12]

— Lord (David) Alton (@DavidAltonHL) 4 Aprily, 2022 [13]

Hazava kokoa noho ny hatramin'izay ny dingan'asan'ireo polisy ao Hong Kong- ilay mpanao sariitatra ara-politika Wong Sir no naneho hevitra momba ilay vaovao tamin'ny alàlan'ny asany:

Mampitombo ny  hafatra alefany ireo fampahalalam-baovao mpomba an'i Beijing fa i John Lee (李家超), sekreteran'ny fiarovana teo aloha sady polisy, dia hitolona mafy ho lasa lehiben'ny mpanatanteraka manaraka ao Hong Kong.

Ny afisy farany nataon'ilay mpanakanto vawongsir, afisy iray fiantsoana hiditra ho pôlisy ao HK:

“Mety ho ianao no ho lasa Lehiben'ny Mpanatanteraka manaraka eo!” pic.twitter.com/L8en9a0nP5 [16]

— Miady ho an'ny fahalalahana. Mijoroa eo anilan'i Hong Kong.重光團隊 (@Stand_with_HK) 4 Aprily, 2022 [15]

Nilaza [17] i Carrie Lam fa vita ny asany ary tonga ny fotoana handehanany hody raha nanazava ny fanapahan-keviny nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety. Na izany aza, mino ny sasany fa avy any Beijing ny fanapahankevitr'i Ramatoa Lam, satria taorian'ny fihaonany tamin'ireo manampahefana avy any amin'ny tanibe tao Shenzhen [18] no nanao ilay fanambaràna izy.

Hatramin'ny nipoiran'i Omicron tao Hong Kong, ireo mpanao politika mpomba an'i Beijing dia niteny nanohitra [19] an-dRamatoa Lam noho ny tsy fahombiazany nampihatra ny politika zero COVID.

Raha ny momba ny sehatra mpandàla ny demokrasia, isan'ireo lova navelan'i Carrie Lam ny fampidirana ilay volavolan-dalàna 2019 momba ny fanolorana olo-meloka , ny andraikiny tamin'ny famoretana nataon'ny polisy tamin'ireo fihetsiketsehana nanoherana ny fanolorana olo-meloka ho an'i Shina, ny fampiharana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena, ny fisamborana faobe ireo mpikatroka, ny fanakatonana haino aman-jery tsy miankina sy ny fanoratana indray ny rafi-pifidianana ao Hong Kong. Stephen McDonell, mpanao gazety ao amin'ny BBC any Shina, no namintina ny fotoam-pitondrany tao amin'ny Twitter [20].

Ary i Reinhard Bütikofer, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eorôpeana, no  mamintina izany amin'ny teny vitsivitsy:

Namela lovan'ny fankatoavana tanteraka sy maharikoriko an'ireo baikon'ny CCP tamin'ny famotehana ny fahalalahan'i Hong Kong i Carrie Lam. Saingy nandritra ny fitondrany dia nafafy tamim-pahasahaiana ihany koa ny voan'ny fikatrohana demaokratika nanoherana tamin-kerimpo ny famoretana, izay hitondra vokatra amin'ny ho avy.#MijoroMiarakaamin'nyHongKong [21] https://t.co/pN9XG9nY60 [22]

— Reinhard Bütikofer (@bueti) 4 Aprily, 2022 [23]