- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afaha hanarina ny toekaren'i Filipina ve ny ‘Bongbonomics’?

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
Protests were held during the State of the Nation Address in Quezon City, Philippines. [1]

Nisy hetsipanoherana natao nandritra ny kabary ho an'ny firenena tao Quezon City, Filipina. Ny sorabaventy, amin'ny teny filipiàna, midika hoe “Atsaharo ny krizy! Mitoloma ho an'ny tany, ny karama, ny asa ary ny zo.” Sary [1] avy amin'ny pejy  Facebook BAYAN

Ity dia ampahany amin'ny fandrakofana manokana Marcos watch: ireo zato andro voalohany [2] (angl.), izay mandalina sy mitatitra ireo zato andro voalohany naha-filohan'i Filipina an'i Marcos.

Natolotry ny filoha filipiàna, Ferdinand “Bongbong” Marcos Jr. ny sehatra ara-toekarena avy aminy, nandritra ny kabariny voalohany ho an'ny firenena – State of the Nation Address (SONA) [3] tamin'ny 25 Jolay. Nidera ny vinany ho an'ny firenena ireo mpanohana azy, fa ireo mpanakiana kosa nanamarika hoe ilay governemanta vaovao dia tsy manao afa-tsy manohy ireo pôlitika ara-toekarena [4] an'ilay filoha teo aloha Rodrigo Duterte.

Teo ambany fitarihan'i Duterte, tafiditra tanaty krizy [5] ny toekarena nandritra ny valanaretina COVID-19 noho ny fihibohana naharitra elabe napetraky ny tafika. Notohizany ihany koa ireo tetikasa goavana be toy ny tohodrano [6] sy arabe migodàna, izay nampitombo ny trosan'ny firenena.

Nanao fampielezankevitra tao amina sehatra iray ho an'ny firaisankina, saingy tsy dia nilaza mazava tsara ilay drafitra natolony momba ny toekarena, i Marcos. Araka izany, nisy ny ahiahy [7] momba ireo laharampahamehany taorian'ny nandreseny tamin'ireo fifidianana natao ny 9 May.

Izy dia zanakalahin'ilay mpitondra mpanao jadona taloha tao amin'ny firenena, Ferdinand Marcos Sr. izay nampangaina ho nanao tantely afa-drakotra ny toekarena tao an-toerana. Marobe no mino fa ny fampielezankevitr'i Marcos Jr. dia ny fianakaviany no namatsy vola azy avy amin'ireo vola nahodina avy amin'ny tahirim-pirenena.

Ireo andiana fanendrena nataony voalohany, [8]isan'izany ireo mpikambana ao anatin'ny ekipany momba ny toekarena, dia mety ho tanjony ny hanome toky ireo mpampiasa vola anatiny sy ivelany hoe hanohana ny sehatry ny orinasa ilay governemanta vaovao.

Raha tsara ny nandraisan'ireo orinasa goavana ireo fanendrena voalohany nataon'i Marcos, marobe ireo mpiara-miombon'antoka nahamarika [9] fa ireo ekipa vaovao misahana ny toekarena dia nitàna toerana lehibe tamin'ny fametrahana ireo pôlitika izay nisy fiantraikany ratsy tamin'ireo tantsaha madinika sy mpiasa fony mbola teo ambany fitondran'ny teo aloha.

Nandritra ny fanokanana azy tamin'ny 30 Jona teo, tsy novelabelarin'i Marcos ireo drafitra ara-toekarenany satria nohamafisiny ny antsony ho amin'ny firaisam-pirenena, no sady nidera ireo zavabitan'ny rainy izy. Nohamarinin'ireo vondrona media ny kabariny raha tena mifanaraka amin'ny zavamisy tokoa [10], ary hitan'ireo vondrona ireo fa feno zavatra diso izany, toy ilay filazàna fa tratra ny fahavitantena ara-tsakafo ny toekarena nandritra ilay fitondrana jadona. Raha ny marina, nisy hanoanana faobe nanerana ny firenena satria niharatsy be ny fahantrana noho ny faharatsian'ny fitantanana sy ny kolikoly nataon'i Marcos Sr.

Raha nanontaniana nandritra ny resaka fohy ho an'ny mpanao gazety momba izay vahaolana avy aminy hiatrehana ny fidangan'ny vidin-tsakafo sy solika, nolavin'i Marcos ny tatitra iray avy amin'ny masoivohon'ny governemanta momba ny taha ambony be amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana. Ity valinteny ity no tena noesoesoina be indrindra tao amin'ny media sôsialy.

WATCHL: Tamin'ny resaka voalohany nataony ho an'ny mpanao gazety, tsy neken'ny filoha Ferdinand “Bongbong” Marcos Jr. ilay taha 6.1% amin'ny fidangan'ny vidim-piainana ao amin'ny firenena  tamin'ny Jona 2022. Ambarany fa “avo loatra” ilay tarehimarika, izay notaterin'ny Manampahefana misahana ny Antontanisa ao Filipina.

Vakio: https://t.co/JEUjXKuMHG [11] pic.twitter.com/iUYEkeZkO8 [12]

Nandritra ny resaka fohy hafa ho an'ny mpanao gazety, nanao fanamarihana iray mampisafotofoto momba ny tolotra (libreng sakay) fitaterana maimaimpoana omen'ny governemanta ho an'ny vahoaka i Marcos. Noheverina hanome fanampim-baovao momba io fandaharanasa io izy saingy fanambaràna tsy hita hoe ahoana no nambarany. Naneho hevitra narahina esoeso [14] momba io olana io indray ireo mpisera.

Raha tsy dia hain'i Marcos ny nandahatra momba ireo olana ara-toekarena goavana mifototra amin'ny fomba hiatrehany ny vahoaka amin'ny alàlan'ny resaka nivantana niarahana tamin'ny gazety, dia natoky tena kokoa kosa izy nandritra ny SONA. Nametraka tanjona mazava izy ho an'ny fitantanany, ikendrena ny fampihenàna ny fahantràna sy ho fampiroboroboana ny fisongàna mampiaty. Ny sekretera miandraikitra ny tetibolan'ny firenena no namintina ny fironana ara-toekaren'ny governemanta Marcos toy izao:

Tao anatin'ny resaka fohy taorian'ny SONA androany momba ny Toekarena Filipiàna, nomenay topimaso feno kokoa ny vahoaka tamin'ny alàlan'ireo teboka miisa 8  momba ny paikadinay ho an'ny sôsialy sy toekarena mba hamerenana amin'ny laoniny ny toekarena ho eo amin'ny zotran'ny fitomboana avo. pic.twitter.com/NXZDwSSSkg [15]

Rehefa niresaka momba ireo hetra vaovao izy, nampahatsiahivin'ireo mpisera azy ny hetra momba ny fandovàna tsy naloan'ny fianakavian'ny filoha. Renato Reyes, mpikatroka, nanakiana ilay pôlitikan'ny hetra an'i Marcos:

Nandritra ny volana iray naha-filoha azy, nanolotra hevitra momba ny TVA alaina amin'ny tolotra nomerika i Marcos Jr, nametraka ny vato tsy azo ivalozana tamin'ny famotsoran-ketra ho an'ireo mpiasan'ny fifidianana toy ny mpampianatra, ary nandà ny fampiatoana ny hetra alaina amin'ny solika, raha mbola tsy naloan'ny fianakaviany kosa ireo  hetran'ny fananantany mitentina P203 lavitrisa.

Marcos tenany mihitsy no voaheloka ho mpandositra hetra [18] izay nahatonga ny maro hametraka fanontanina momba ny nahafahany nirotsaka hofidiana.

Nanainga fanontaniana iray goavana ny vondrona tsy miankina IBON momba ny ho fahaveloman'ny “Bongbonomics.”

Bongbonomics: Fanjakana mandàla kokoa ny resaka tsena sy manome vahana ireo orinasa manohana ny tombontsoa manokan'ny tsy miankina; fanatsaràna ny kabary tsara lahatra ho fandreseana ny fahantràna; fanesorana ireo teritery sisa tavela mba hisian'ny fanalalahana ara-toekarena tsy mijery afa-tsy ny an'ny tena