- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nobahanan'i Indonezia ny Yahoo, Paypal, ary ireo tranonkala filokana noho ny fitsipiky ny fahazoandalana vaovao

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, GV Mpisolovava
Protest vs MR5 [1]

Hetsika iray hanoherana ny fitsipika minisiterialy faha-5 ao Indonezia. Saripika avy amin'ny Twitter post [1] an'ny Firaisankinan'ny Mpanao gazety mahaleotena sy Remotivi

Vohikala valo farafahakeliny no nosakanan [2]‘ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Teknolojian'ny Torohay (Kominfo) ao Indonezia, anisan'izany ny Yahoo, PayPal, ary ny sehatra filalaovana Steam noho ny tsy fisoratana anarana [3] tamin'ny governemanta.

Voafaritra [4] ao amin’ny Fitsipika Minisiterialy faha-5 (MR5) nivoaka tamin’ny desambra 2020 ny tsy maintsy isoratana anarana  ho an’ireo mpandraharahan’ny rafitra elektronika tsy miankina (ESO). Navoaka tamin'ny volana mey 2021 ny endrika nasiam-panovana, ny Fitsipika Minisiterialy faha-10 (MR10)

Na ny MR5 na ny MR10 dia samy notoherin'ny fampahalalam-baovao, ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpiaro ny zon'olombelona noho ny fisian'ireo fepetra manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra.

Ny 27 jolay 2022 no fe-potoana farany hanaovana ny fisoratana anarana tsy maintsy atao.

Tatitra maromaro no nanamafy ny fanakanana [5] ny PayPal sy ny sehatra filokana ao amin'ny firenena.

⚠️ Fanavaozana: Ny metric dia manamafy fa voabahana amin'ny mpamatsy aterineto marobe ao Indonezia ny servisy fandoavam-bola PayPal satria mametraka fepetra amin'ny sehatra ankihy ny ministeran'ny TIC Kominfo; mety hisy fiatraikany lalina amin'ny varotra anjotra ny zava-nitranga

Tamin'ny taona 2021, nandrisika ny manampahefana Indoneziana hijery sy hanafoana ny MR5 sy ny MR10 ny vondrona fiarahamonim-pirenena eo an-toerana sy maneran-tany [10] satria mety hitarika mankany amin'ny fanitsakitsahana ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra sy ny zo ankihy hafa ny fisoratana anarana ESO. Nohamafisin'izy ireo izany fanoherana izany tamin'ity taona ity raha nampitandrina ny amin'ny “fampiharana tsirefesimandidy” ny fitsipika [11] izy ireo:

MR5 and MR10, as well as their authoritarian enforcement against private ESO, seriously disrupt the civic space as they could erase key channels for individuals to exercise their online freedoms.

Tena manakorontana ny habaka sivily ny MR5 sy ny MR10, ary ireo fampiharan-dalàna ankaterena ataon'izy ireo amin'ny ESO tsy miankina, satria afaka mamafa ny fantsona lehibe ahafahan'ny tsirairay mampihatra ny fahalalahana anjotra izy ireo.

Nanamarika ny Firaisankinan'ny Mpanao gazety mahaleotena na Alliance of Independent Journalists (AJI), vondrona mpanao gazety Indoneziana, fa terena hanaisotra votoaty sy mampihatra ny baiko fanalana [12] navoakan'ny governemanta ireo ESO nisoratra anarana.

The obligation of registration will open the gate for the government to intervene and censor. It's not just an administrative matter.

Hanokatra ny vavahadin'ny governemanta hiditra an-tsehatra sy hanivana ny adidy hisoratra anarana. Tsy resaka administratif (fampandehanan-draharaha) fotsiny io.

Nampiany ihany koa fa azo ampiasaina mba hampanginana ny tsikera ara-drariny koa ny baiko ho an'ny ESO hanesorana votoaty miteraka “korontam-bahoaka” sy “fanakorontanana ny filaminam-bahoaka” :

It can be interpreted to target criticisms against authorities, state bodies, and law enforcers. The regulation also doesn't mention the mechanism of public complaints and the independent parties which are authorized to check the contents.

Azo adika ho mikendry ireo fanakianana manampahefana, andrim-panjakana ary ny mpampihatra lalàna izany. Tsy resahin'ny didy aman-dalàna ihany koa ny fomba fiasan'ny fitarainana ho an'ny daholobe sy ireo antoko tsy miankina izay nahazo alalana hanamarina ny ao anatiny.

Nanoratra ireo adidy hafa tsy maintsy ataon'ny ESO izay mety hampiharihary ny lahatahirin'ireo mpisera aterineto an-tapitrisany [13] ao amin'ny firenena i Michael Caster, Mpitantana programa dizitaly Azia ao amin'ny ARTICLE 19, :

In a blow to the right to privacy, digital operators are also required to provide KOMINFO with, among other things, a guarantee that law enforcement will be able to access their electronic systems and data. It is the responsibility of the local contact person to provide access or face penalties.

Ao anatin'ny famelezana ny zo hiaina an-takonana, takiana ihany koa ireo mpandraharaha ankihy hanome, ankoatra ny zavatra hafa, antoka iray ahafahan'ny fampiharana ny lalàna miditra amin'ny rafitra sy angon-dry zareo elektronika amin'ny KOMINFO. Andraikitry ny ifandraisana eo an-toerana ny manome fidirana na miatrika sazy.

Nandeha ny fanangonan-tsonia an-jotra [14] hanoherana ny MR5 sy ny MR10. Nalaza tao amin'ny media sosialy ny farangoteny #ProtesNetizen [15] (Hetsi-panoheran'ny Mpiserasera) sy #BlokirKominfo [16] (Sakano Kominfo) rehefa nokianin'ny mpisera ny fanakanana ireo sehatra filokana sy fandoavam-bola malaza. Ireto ambany ireto ny ohatra meme (sary-sy-soratra) malaza [17] sy ny fanehoan-kevitra feno hatezerana ao amin'ny Twitter:

Kominfo ô! aza-raràna vonjimaika “hifindra-monina” ny PayPal
Very asa aho inona no tianao lazaina hoe fifindra-monina??????
Mamazivazy ny governemanta Indonezia. Very faharetana aho fa tsy heverin-dry zareo ny vahoaka ho very asa raha mbola mahazo “vola” #BlokirKominfo

Meme farany androany#BlokirKominfo

Milaza ny mpitsikera fa maneho ny fihenan'ny fahalalahana ankihy ao amin'ny firenena ny fanakanana tranonkala [22]. Ankoatra ny MR5 sy MR10, ny lalàna tahaka ny “Informasi dan Transaksi Elektronik” (Lalàna momba ny fifampiraharahana-fivezivezena elektronika sy torohay) dia namela ny governemanta hanakenda ny tolotra aterineto sy hisambotra mpanao gazety [23] noho ny fanakorontanana ny fandriampahalemana sy ny famoahana “votoaty voarara.”

Mazava ho azy fa tafahoatra ny fanakanana ny PayPal sy ny hafa izay tsy nisoratra anarana araka ny MR5 eto Indonezia. Mampanontany hoe inona ny soa azon'ny vahoaka amin'ny ankapobeny avy amin'izany rehefa voafehy toy izao ny aterineto.

Manodidina ny 200 eo ho eo ireo ESO tsy miankina vahiny ary 8.000 ny ao an-toerana miezaka handresy ny fe-potoana tamin'ny 27 Jolay. Nilaza ny manam-pahefana fa hanokatra vonjimaika ny tranonkala sasany [25] hanamorana ny fandoavam-bola ahafahan'ny mpisera manala ny volany sy mamindra amin'ny sehatra hafa.