Mirotsaha ho isan'ny Filankevitry ny Vondrompiarahamonina Global Voices!

Antomotra izao ny fanomanana ireo fivorian'ny Filankevitry ny Vondrompiarahamonina Global Voices amin'ity taona ity satria efa manakaiky ny fotoam-panombohantsika rehefa Septambra!

Nanomboka tamin'ity taona ity, tsy mila manao fisoratana anarana vaovao  isantaona intsony ireo efa mpikambana ao anatin'ny Filankevitra, ka raha efa tao ianao tamin'ny Filankevitra 2021, dia mitohy ho azy ho an'ny taona 2022 sy ny manaraka eo ny maha-mpikambana anao.

Tianay koa anefa ny hahita mpikambana vaovao maro amin'ity taona ity. Raha efa navitrika tato amin'ny GV ianao tao anatin'ny volana telo raha kely indrindra ary nandray anjara nandritra ny taona dimy farany, dia tokony ho naharay imailaka misy fanasàna anao hiditra hanatevina laharana ary misy ny rohy mankany amin'ny pejy firotsahana. Raha toa ka tsy nahazo imailaka ianao, dia mbola azonao atao ny misoratra amin'ny alàlan'ny famenoana ny Firotsahana ho Filankevitra. Amin'ny 15 Aogositra no fetra farany, koa iangaviana ianao mba  hisoratra haingana araka izay azonao atao!

Firotsahana ho Filankevitra

Momba ny Filankevitra

Ny Filankevitra dia vovonana iray ho an'ireo mpandray anjara amin'ny Global Voices mba hifanakalozana hevitra sy hifanoroana hevitra momba izay olana stratejika mifandraika amin'ny fiainan'ny fikambanana, tafiditra amin'izany ny politikan'ny fanangonam-bola sy ny etika, ny fomba firoso amin'ny famoahan-dahatsoratra ary ny fifantohana amin'ny laminasa. Tamin'ny 2018 no natombotsika ny zotra fisian'ny Filankevitra ary nanao fifampidinihana isantaona nanomboka teo. Vako ny momba ny tanjon'ny Filankevitra, ireo fepetra takiana raha te-ho mpikambana, ary trandraho ireo fivoriana taloha efa natao ao amin'ny pejin'ny Filankevitra.

Hatramin'ny nanombohana azy tamin'ny 2018, nitana anjara toerana lehibe ny Filankevitra nanampy tamin'ny fanefena ny tetikadim-pifantohan'ny Global Voices, araka izany dia andrandrainay ny hisian'ny fifanakalozan-kevitra mavitrika mandritra ny fivoriantsika ho an'ny taona 2022.

Hifantohan'ny Filankevitra 2022 ny momba izay paikadin'ny Global Voices mandritra ny telo na dimy taona ho avy. Hotohizantsika ny asa efa natombotsika tamin'ny 2021 ho fanatsarana ny iraka tontosan'ny GV satria efa miditra amin'ny faha-20 taona isika amin'ny 2024.

Amin'ny fidirana manatevina laharana ny Filankevitra, amin'ny fitondranao ny traikefanao, ny fahaizanao manokana ary ny fomba fijery tokamiavaka anananao momba ny tontolo dia afaka manampy ny Global Voices ianao mba hiroborobo sy hivelatra. Antenainay fa ho marobe ianareo no hanatevina laharana anay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.