Lehibe fahiny tao amin'ny sampam-pitsikilovana Gambiàna, voaheloka ho faty noho ny namonoany mpikatroka pôlitika

Yankuba Badjie no talen'ny Masoivoho Nasiônaly Fitsikilovana (NIA) izay efa foana ankehitriny ao Gambia. Sary an'ny Alkamba Times, nahazoana alànana.

Tamin'ny 14 Jolay 2022 ity lahatsoratra ity no navoaka voalohany tao amin'ny The Alkamba Times. Ny dika nokiraina avoakan'ny Global Voices etoana dia tafiditra ao anatin'ny fifanarahana hifampizara votoaty.

Ny 13 Jolay, nohelohin'ny fitsaràna iray ao Banjul, renivohitra gambiàna, ho faty i  Yankuba Badjie, tale fahiny tao amin'ny Masoivoho Nasiônaly Fitsikilovana [fr] ( NIA) noho ny resaka vono olona. Ing. Badjie sy olona dimy hafa [fr]– Sheik Omar Jeng, Baboucarr Sallah, Tamba Masireh ary Lamin Darboe – dia voaheloka ho namono nahafaty an'i Ebrima Solo Sandeng tao amin'ny toeram-piasan'ny NIA tao Banjul, fito taona lasa izay. Ing. Badjie no nitarika ireo sampam-pitsikilovana nanomboka ny Desambra 2013 hatramin'ny 2016, teo ambanin'ny fitondràna jadon'ilay filoha fahiny Yahya Jammeh.

Ny 14 Aprily 2015, Ing. Sandeng, izay lehiben'ny sampana tanora tamin'izany fotoana izany tao anatin'ny antoko mpanohitra United Democratic Party, dia nitarika diabe am-pilaminana iray nataon'ny mpanohitra mba hitakiana fanovàna pôlitika. Nosamborina izy niaraka tamina mpikambana enina hafa avy amin'ny antoko UDP. Nandritra ireo ora maro nanaraka taorian'izay, niampijalijaliana mafy tao amin'ny foiben-toeran'ny sampam-pitsikilovana NIA ireo mpikatroky ny UDP ireo. Maty nandritra ny fitazonana azy Ing. Sandeng, taorian'izay nofaritan'ireo mpampanoa lalàna ho fomba fitondra faran'izay henjana sy tsy manaja ny maha-olona ny nataon'ireo olon'ny NIA sy ireo mpikambana avy amin'ny ‘commando” iray fanta-daza tamin'ny hoe Junglers. Ny fahafatesan'Ing. Sandeng no niteraka « onjan-katezerana iray » tao anatin'ilay firenena bitika indrindra ao Afrika, hoy ny Al Jazeera.

Vesatra niisa 25 no notazonin'ireo mpampanoa lalàna avy amin'ny fanjakàna niampangàna ireo voampanga, niainga avy amin'ny firaisana tsikombakomba mba hanatontosana famonoana, heloka bevava, fahavoazana henjana, fakàna fanànan'olona, fampiasàna hosoka sy tsy fanarahana ny didy mifanaraka amin'ny lalàna, ankoatra ireo maro hafa.

Didy iray namàrana dingam-pitsarana naharitra taona enina

Ebrima Solo Sandeng maty tany am-pitazonana azy, taorian'ny fampijaliana tsy zakan'olombelona nataon'ireo olon'ny NIA tamin'ny 2015. Sary an'ny Alkamba Times, nahazoana alàlana

Ilay ramatoa mpitsara ao amin'ny Fitsaràna Avo, Kumba Sillah Camara, raha nitanisa ny andininy faha-188 amin'ny Didy Famaizana sy ireo lalàna hafa ao Gambia, dia nilaza fa ny fanamelohana dia nanome fahafahampo ireo “vesatra niainga avy amin'ireo porofo misy isalasalàna”.  Araka ny filazany, izany no tontosa dia noho ireo porofo materialy sy tsy azo lavina naseho teo anatrehan'ny tribonaly ka namaritra ny fomba nikononkononan'ilay voampanga sy nampijaliany mandrapahafaty an'i Sandeng.

Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ramatoa mpitsara, Camara, teo anatrehan'ireo olona marobe nameno ny efitrano fitsaràna fa namoronan’ ireo voampanga kopia fanamarinam-pahafatesana nilazàna fa “noho ny dona sy olana ara-pisefoana” no nahafaty an'Ing. Sandeng. Ireo fehezana porofo manandanja ireo no fototra nentina nanaporofoana ny maha-meloka ireo olona voampanga tamin'ny fanafenana ilay vono olona. Navoitrany fa ireo porofo dia manondro ny Junglers ho tomponandraikitra tamin'ny fanaovana fitondra tsy manaja ny maha-olombelona nampizakaina an'ireo niharam-boina. Nohamafisin'ilay mpitsara fa i Sheikh Omar Jeng sy Yankuba Badjie no tena tompo-marika fototra tamin'ireo fampijaliana tafahoatra, izay nitarika fahavoazana mandalo na maharitra ho an'ireo niharany ka mbola velona.

Ilay tomponandraikitry ny sampam-pitsikilovana, Ing. Badjie, sy ireo olona efatra hafa mpikambana fahiny tao anatin'ny NIA dia voampanga ihany koa higadra 5 hatramin'ny 10 taona, noho ny heloka isankarazany izay nokasaina hotanterahina miaraka nandritra ny fotoana niarahana tany am-ponja. Dokotera Lamin Lang Sanyang, voampanga higadra 10 taona noho ny fanaovana hosoka. Nandritra ilay fitsaràna vono olona naharitra fotoana lavabe, nanomboka tamin'ny Martsa 2017, nisy olona iray hafa voampanga,   tale jeneraly lefitra fahiny sady lehiben'ny hetsika fanaon'ny NIA, Leese Gomez, no nodimandry, ary iray hafa kosa no notsoahana tsy ho ao anatin'ilay raharaha. Iray hafa voampanga, Haruna Suso, no afaka madiodio sy nafahan-dramatoa lehiben'ny Fitsaràna tamin'ireo vesatra fiampangàna rehetra.

Ny fianakavian'Ing. Sandeng mankasitraka ilay didim-pitsaràna

Muhammed Sandeng, zanakalahin'itompokolahy Solo Sandeng, lehiben'ny mpanohitra. Sary an'ny Alkamba Times, nahazoana alàlana.

Olona maromaro avy amina ankolafy samihafa no nanatri-maso ny fitsaràna, indrindra fa ny fianakavian'ny maty. Muhammed Sandeng, izay nitarika ny fisoloana vava mba hitondràna ireo namono an-drainy hiatrika ny fitsaràna, dia nilaza tamin'ny Alkamba Times hoe:

Tanaty fahatoniana tanteraka no namoahana ilay didim-pitsaràna, ary araka ny tokony ho izy ny sazy. Notontosain'ireo mpamono tamin'ny fanaovana ho tsinontsinona tanteraka sy fanahy niniana izany, satria nihevitra ny tenany ho tsimatimanota ry zareo mandra-pipaingotry ny fitsaràna azy. Ny hafatra alefan'io dia tsy tokony hanararaotra na iza na iza mitàna ny fahefàna, satria lava tànana ny fitsaràna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.