- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao tolona Superstar nogadraina noho ny famonoana olona indrindra fa manaitra ny Mongoliana ny tahan'ny heloka bevava ao amin'ny fireneny

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Mongolia, Fanatanjahantena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

ompondaka Olaimpika sady tompon'ny laharana sangany indrindra “elefanta nasionaly” (улсын заан) Naidangiin Tüvshinbayar manao fitafiana tolona nentim-paharazana Mongoliana. Pikantsary nalaina avy amin'ny fantsona Youtube [1] hero.e entertainment [1]

Tamin'ny 9 Jona 2022, nomelohin'ny [2] fitsarana ao amin'ny distrikan'i Khan-Uul ao an-drenivohitr'i Mongolia Ulaanbaatar higadra 16 taona an-tranomaizina  ilay tompondaka judoka sady filohan'ny Komitin'ny Olaimpika Nasionaly Mongoliana (MNOC) teo aloha Naidangiin Tüvshinbayar noho ny famonoana tamin'ny fomba feno herisetra ny namany tamin'ny fahazazany sady judoka Erdenebilegiin Enkhbat [3], namarana ny raharaha ara-pitsarana izay nampitolagaga ny firenena nandritra ny herintaona mahery.

Rehefa lasa Mongoliana voalohany nahazo medaly volamena olaimpika tany Beijing  [4] tamin'ny taona 2008 ary avy eo tany Londra taona 2012, voatendry mba halaza ao amin'ny firenena iray izay manaja ara-pomban-drazana ireo mpanao tolona [5]ilay Mongoliana manana medaly Olaimpika marobe voalohany, Tüvshinbayar, araka ny voalazan'ny Reuters [6],“nandrisika ireo mpitarika avy amin’ny antoko mifandramatra mba hanatevin-daharana ireo olona an’arivony ravoravo teny an-dalambe mba hankalaza ny tompondakan'izy ireo” ny fahombiazany. Mazava loatra, tsy ela izy dia fantadaza amin'ny maha olona iray nanampy an'i Mongolia handresy ny olan'ny parlemanta nihitsoka teo amin'ireo antoko mpifanandrina, ny Antoko Demaokratika sy ny Antoko Revolisioneram-Bahoaka Mongoliana (MPRP) taorian'ny herisetra nahavitan'ny fifidianana [7] izay namoizana ain'olona dimy tamin'ny volana Jolay 2008, raha nanome voninahitra azy kosa ny CNN amin'ny maha mpilalao fanatanjahantena izay hany nampirongatra ny fahalianan'ny firenena tamin'ny judo [8].

Tamin'ny nandravahana azy ny mari-pankasitrahana arakasa sy ara-panatanjahan-tena ambony indrindra ao amin'ny firenena, anisan'izany ny Mari-boninahitry ny Maherifon'ny Asa (Хөдөлмөрийн баатар), tsy ela izy dia lasa iray amin'ireo olo-malaza indrindra amin'ny fampitam-baovao ao Mongolia, ahitana azy ny dokambarotra Pepsi ary mazava ho azy, amin'ny fanentanana politika, satria nitohy ny lazany ho “mpampiray ny Mongoliana amin'ny fotoan-tsarotra”. Noho izany, lasa mpanentan'ny kandidà ho filoham-pirenena tao amin'ny Antoko Demaokratika, Khaltmaagiin Battulgan [9], tompon-daka eran-tany teo aloha tamin'ny tolona izay nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2017 tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny  elanelana tery 50,6 isanjato [10] izy. Ankoatra ny maha mpanao politika sy mpandraharaha goavana sy mampiady hevitra, izay nanome anarana ny vondron'orinasany hoe “Genco”, manondro ny anaran'ny orinasan'ny fianakaviana Corleone  [11]ao amin'ny “The Godfather”, sady amin'ny maha mpanorina ny sarivongana mpitaingin-tsoavaly lehibe indrindra eran-tany [12], dia filohan'ny Federasionan'ny Judo Mongoliana [13]ihany koa i Battulga, ka nahazo dera izy tamin'ny fahombiazan'ny judokas Mongoliana, anisan'izany ny fandresen'i Tüvshinbayar tamin'ny Lalao Olaimpika.

Filoha Mongoliana Khaltmaagiin Battulga (ankavanana) manome loka Order of Chinggis Khaan ho an'i Naidangiin Tüvshinbayar (ankavia). Ulaanbaatar, 19 Novambra 2017. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube Battulga Khaltmaa [14]

Efa talohan'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2017 Tüvshinbayar no noheverina ho mpiaro sy mpiara-miasa akaiky amin'i Battulga sy ny Antoko Demaokratika, ka tamin'ny taona 2016, izy izay teratany avy amin'ny faritanin'i Zavkhan, no nandray anjara tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tao amin'ny faritanin'i Bayankhongor [15] any atsimo andrefan'i Mongolia, fari-piadidiana nentim-paharazana ho an'ny filoha ho avy, ka resy tamin'ny fomba manafintohina tamin'ny elenelam-bato 98 [16] monja. Herinandro vitsivitsy taty aoriana, tsy nirotsaka hilalao ho an'ny medaly olaimpika fahatelo izy noho ny fahareseny tamin'ny fihodinana voalohany tany Rio tamin'ny taona 2016, ary nifamatotra tamin'ny fandraisany anjara tamin'ny fanentanam-pifidianana sy ny tsy firaharahiany ny adidiny ara-panatanjahantena izany tsy fahombiazana izany. Tamin'ny taona 2020, saika handray anjara indray tamin'ny fifidianana solombavambahoaka  tany amin'ny distrika efa nilatsahany izy, saingy nirotsaka ho kandidà tokana ho filohan'ny Komitin'ny Olaimpika Nasionaly Mongoliana niaraka tamin'ny fanohanan'ny filoham-pirenena, ary voafidy tamin'ny isanjato goavana 94,6 [17]. Mahaliana fa tamin'ny volana Febroary 2022, voatendry ho mpanolotsaina ny Praiminisitra ankehitriny Luvsannamsrain Oyun-Erdene [18]izy, izay, raha ny marina, dia filohan'ny mpifanandrina Antokom-bahoaka  Mongoliana.

Na izany aza, rehefa lasa filohan'i Mongolia ny mpiaro azy, voampanga [19] ho mpampahory nefa nahazo laza noho ny fisotroan-toaka tafahoatra i Tüvshinbayar. Talohan'ny fifandonana nahafaty olona tamin'ny taona 2021, voasaringotra tao anatin'ny tranga herisetra ara-batana telo [20] izy farafahakeliny, ny iray tamin'izany dia tamin'ny ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2017. Tsy maintsy nolavin'ny filoha ho avy [21] izany ary niaro an'i Tüvshinbayar mihitsy aza izy tamin'ny antsafa ampahibemaso tamin'izy nandatsa-bato:

Юу гэж тийм юм байхав дээ. Тэр чин таа нар одоо, тийм юуманд үнэмшдэгээ болих хэрэгтэй. Түвшинбаяр аварга хүн зодох нь байтугай хүнд гар хүрэхгүй.

Ahoana no nahatonga izany? Tsy tokony hino zavatra toy izany intsony ianareo. Tsy vitan'ny hoe tsy hidaroka olona mihitsy ny tompon-daka Tüvshinbayar, tsy hikasika olona mihitsy izy.

Ho voaporofo fa diso ny filoha. Tamin'ny 2 Aprily 2021, raha nihaona tamin'ireo olo-malaza vitsivitsy avy amin'ny Antoko Demaokratika avy amin'ny faritany Zavkhan niaviany izy, anisan'izany ny governoran'ny faritany, filoha ssy ireo solontenan'ny filankevitra monisipaly, nanafika sy nidaroka ny namany fahazaza sady kintan'ny tolona Mongoliana (үндэсний бөх), tompon'ny laharan'ny “falcon (voromahery) nasionaly” (улсын начин), Erdenebilegiin Enkhbat i Tüvshinbayar mamo, rehefa avy voalaza fa nidaroka azy tamin'ny zavatra mavesatra [22]. Nijaly noho ny ratra maro sy ny fahavoazana goavana teo amin'ny atidoha i Enkhabat, namoy ny ainy tao amin'ny tobim-pitsaboana Koreana Tatsimo tamin'ny 24 Desambra 2021 [23] teo amin'ny faha-37 taonany izy rehefa tsy nahatsiaro tena.

Sary: Manome voninahitra farany an'i E. Enkhbat, ilay voromahery nantenain'i Mongolia

Taorian'ilay fanafihana mihoson-drà, maro no nisalasala ny hanome tsiny an-karihary ilay atleta malaza, toa ny Praiminisitra Oyun-Erdene, izay nilaza an-kitsirano fa “tsy mety aminy ny milaza hoe marina na diso i Tüvshinbayar [27],” no sady nidera ny asa “be voninahitra” nataony tamin’ny fampiraisana ny firenena nandritra ny fotoan’ny korontana. Ankehitriny, herintaona mahery taorian'ny fanafihana nahatsiravina, nivadika tsikelikely sy haingana botom-pirenena, voafoaka miaraka aminy ny laza ara-politikan'ny filoha teo aloha Battulga [19] ilay maherifo malaza nanome voninahitra ny firenena.

Mandritra izany fotoana izany, araka ny angon-drakitra avy amin'ny Biraon'ny Firenena Mikambana momba ny Zava-mahadomelina sy ny Heloka bevava (UNODC) [28], mitazona ny iray amin'ireo taham-pamonoana ratsy indrindra any Azia i Mongolia, voalahatra eo anelanelan'ny 7,24 sy 5,98 isan-taona (isaky ny mponina 100.000) teo anelanelan'ny taona 2014 sy 2020, raha oharina amin'ny 6,66 an'i Afghanistan (2018), 3,23 an'i Kazakhstan (2020), ary 2,19 an'i Kyrgyzstan (2018). Any Eoropa, i Rosia ihany no manana taham-pamonoana olona ambony kokoa amin'ny 10,7 (2020). Araka ny tatitry ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana (WHO-OMS) [28] mahakasika ny taham-pamonoana olona tamin'ny taona 2019, dia 197 ny famonoana olona niniana natao tany Mongolia, raha 90 kosa tany Georgia, firenena manana isan'ny mponina mitovitovy aminy. Araka ny antontanisa nasionaly [29]ofisialy [29], niakatra 17,3 isan-jato ny isan'ny heloka bevava niteraka fahafatesana (famonoan'olona niniana sy tsy nahy, lozam-pifamoivoizana, famonoan-tena sy fitarihana famonoan-tena) tamin'ny isa 382 tamin'ny taona 2020 raha 448 tamin'ny taona 2021. Araka ny tatitry ny parlemanta, vokatry ny herin'ny toaka ny teo anelanelan'ny 70 ka hatramin'ny 80 isanjaton'ny vono olona niniana natao teto amin'ny firenena [30]. Ny tena mampatahotra kokoa, niakatra 89,9 isanjato ny tahan'ny heloka bevava amin'ny ankapobeny tao Mongolia [31] nandritra ny enim-bolana voalohan'ny taona 2022 raha oharina tamin'ny vanim-potoana mitovy tamin'ny taona 2021.