Tatitra Unfreedom Monitor: Brezila

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan Image courtesy Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikikitry ny fikarohana ao amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny tolon'i Brezila amin'ny demokrasiam-pifidianana ity. Vakio eto ny tatitra feno.

Savalalana

Nandritra ny fitondran'i Jair Bolsonaro dia nahitana fitomboana fandrahonana tsy nisy toy izany ny zo fototry ny olom-pirenena tao Brezila, demokrasia lehibe indrindra ao Amerika Latina. Tsy naningana ny zo ankihy (nomerika/dizitaly). Tsy maintsy raisina ho toy ny fivoarana marotava ny fitondrana tsirefesimandidy ara-tenolojia any Brezila ary tsy tokony hosahanin'ny fitantanan-draharaha federaly samirery.

Manerana ny firenena, mampiasa tsy ara-dalàna ny angon-drakitra sivily hanaovana fanaraha-maso ireo fanjakana (ao aminy) ary mampiasa teknolojia famantaran-tava, hetsika iray mampanahy ao amin'ny firenena izay manana tantaram-politika fanavakavahana izay mihoatra ny antsasaky ny mponina ny mainty hoditra. Avy ao anatin'ny lapan'ny filoham-pirenena sy ny manerana an'i Brezila i Bolsonaro sy ireo mpiara-dia aminy ao amin'ny elatra havanana no mampiasa fitaovana media sosialy ho amin'ny tombontsoany manokana amin'ny alàlan'ny fandrosoana ireo fanentanana fandisoam-baovao sy mahatonga ireo mpanohitra sy mpanao gazety ho lasibatra. Rehefa tratran'ny fampitoniana media sosialy ny filoha dia nanandrana hamadika ny fomba fiasan'ny sehatra ao Brezila tamin'ny fepetra vonjimaika — fitaovana manjavozavo, tsirefesimandidy ary mandeha ila.

Raha tahaka ny tsy miditra loatra amin'ny zo nomerika/dizitaly/ankihy ilay toe-javatra, dia miatrika onjam-panafihana, fanorisorenana ary fanaratsiana ny mpanao gazety manerana ny firenena, izay matetika manampahefana voafidy no ao ambadik'izany. Mbola miharihary ihany koa fa tsy vitan'ny hoe lasibatra matetika kokoa ny vehivavy mpanao gazety, fa mbola mahery kokoa setra amin'izy ireo. Hatramin'ny niakaran'i Bolsonaro teo amin'ny fitondrana dia nihemotra ho (faha-)110 ny firenena,very toerana mihoatra ny 10 ao amin'ny filaharana iraisampirenena momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety avoakan'ny Reporters sans Frontières.

Manampy ireo fivoarana ireo, izay manimba ny zo fototra sivily, ny fanamby goavana atrehin'ny demaokrasia tanora any Brezila amin'ity taona ity. Amin'ny volana oktobra ho avy io ny firenena dia hanao ny fifidianana ankapobeny manan-danja sy saro-pady indrindra hatramin'ny namerenana ny demaokrasia taorian'ny didy jadona miaramila tamin'ny tapany faharoa tamin'ny taonjato faha-20.

Tsonga

Demaokrasian'ny fisoloantena araka ny rafi-dalampanorenana repoblika federaly i Brezila. Isaky ny efa-taona no tanterahana ny fifidianana ary azo atao ny mamerina indray mandeha ihany ny fifidianana. Ny filoha ankehitriny Jair Bolsonaro, dia mpanao politika farany havanana nanao politika nihoatra ny 30 taona, solombavambahoaka federaly hoan'ny fanjakan'i Rio de Janeiro talohan'ny naha-filoha azy. Voafidy tamin'ny taona 2018 i Bolsonaro raha nifaninana amin'i Fernando Haddad, kandidan'ny Antoko Mpiasa.

Na dia mbola demaokrasia aza i Brezila, dia milaza ny manampahaizana manokana sy ireo mpanao fanentanana fa ao anatin'ny faharefoany indrindra ny demaokrasia ao amin'ny firenena hatramin'ny nifaranan'ny didy jadona miaramila tamin'ny taona 1985. Ao amin'ny fitantanan'i Bolsonaro no nahitana miaramila be indrindra niasa tao anatin'ny fahefana mpanatanteraka hatramin'ny tetezamita demaokratika tao Brezila. Imbetsaka ny filoha sy ny mpiara-dia aminy no nanao fanambarana ampahibemaso misalasala ny maha-ara-dalàna ny latsa-bato elektronika, mamely ireo mpitsara ao amin'ny Fitsarana Tampony, ary manapongatra ny mety hisian'ny fitsabahana ara-miaramila raha tsy mizotra araka izay iriany ny fifidianana.

Toy ny tondraka ranomangatsiaka ho an'i Brezila ny taona 2013 sady fiandohan'ny fanjavozavoana ara-politika amin'izao fotoana. Nipoaka nanerana ny firenena ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Jona tamin'io taona io, ary nentina hanoherana ny fampiakarana ny sarandalan'ny fitateram-bahoaka tany am-boalohany ny fihetsiketsehana. Vetivety dia (namoaka) alahelo hafa ny hetsika, toy ny herisetran'ny polisy, ny fahambanian'ny fandaniam-bolam-panjakana amin'ny fahasalamana sy ny fanabeazana, ny fandaniana betsaka amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany sy ny Lalao Olaimpika, ary ny kolikoly ataon'ny governemanta. Raha nahomby ny hetsika tamin'ny fampihenana ny fisondrotan'ny saran-dalan'ny fitateram-bahoaka, dia mbola maro ny fitarainana hafa tsy voavaha, izay maneho ny fahatapahan'ny fanohanana ny politikan'ny fisoloantena eo amin'ny Breziliana. Koa satria tsy mazava loatra ny tanjon'ny fihetsiketsehana sy izay mitarika, dia nalain'ireo vondrona ankavia sy havanana ara-politika hofeheziny ny hetsika.

Navitrika hatrany ireo vondrona elatra havanana ireo ary afaka nanao hetsi-panoherana tao anatin'ny taona vitsivitsy izay nifantoka tamin'ny kolikoly ataon'ny governemanta, ny lasitrasan'ny fampiasam-bola tamin'ny mondialy, ary ny tsy fahafaham-po ankapobeny manoloana ny governemantan'ny Antoko Mpiasa, notarihan'ny filoha teo aloha Dilma Rousseff tamin'izany fotoana izany. Nisy ihany koa ny fihetsiketsehana natao ho fanohanana ny hetsika Fanasana Fiara (Lava Jato), famotorana heloka bevava nataon'ny Polisy Federaly nifantoka tamin'ny tetika famotsiam-bola sy kolikoly tanaty orinasam-panjakana ara-tsolika ao Brezila.  Nifantoka bebe kokoa tamin'ny governemantan'i Dilma Roussef ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2015 ary nanohana ny fampiatoana azy tsy ho filoha intsony tamin'ny Aogositra 2016, izay noheverin'ny maro ho fanonganam-panjakana.

Raha mbola notsaraina i Rousseff, dia nitohy ny famotorana Fanasana fiara, izay mikendry manokana ireo mpanao politika mifandray amin'ny Antokon'ny Mpiasa. Tao anatin'ny 7 taona mahery, olona maherin'ny 100 no nosamborina sy namelohina, maro amin'izy ireo no mpanao politika malaza izay nanana andraikitra lehibe teo amin'ny politika Breziliana. Anisan'izany ny filoha teo aloha Luiz Inácio Lula da Silva.

Nanome hery ireo vondrona elatra havanana izay nivondrona tamin'ireo fitakiana ireo ny fihetsiketsehana tamin'ny Jona 2013, narahin'ny fanenjehana an'i Rousseff sy ny fisamborana an'i Lula. Vetivety dia nanomboka niditra afovoan'ny sehatra ireo mpitaky ny idiran'ny miaramila sy ireo mpiaro ny didy jadona miaramilan'i Brezila — feo teny anjoronjorony teny tamin'ny fihetsiketsehana taloha. Nahazo vahana ireo fitakiana ireo noho ny fahaiza-mampiasa ny media sosialy ho an'ny fikambanana. Tao amin'ny Jair Bolsonaro no nironan'ireo vondrona ireo, izay heverina ho kandidà anti-establishment, ilay mahavaha ireo fitarainana ireo sy ny finoana fa afaka “manadio ny korontana” navelan'ny governemantan'ny Antoko Mpiasa izy.

Tamin'ny taona 2018, nizara telo mazava tsara i Brezila: vondrona mpomba an'i Bolsonaro, vondrona mpomba an'i Lula, ary ny vondrona tsy momba na iza na iza, izay tsy nahita ny tenany ho voasolontenan'ireo kandidà roa voalohany. Voafidy tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny 55 isan-jaton'ny vato manan-kery i Bolsonaro. Tamin'ny fifidianana azy dia nanandratra ireo kandidà isam-paritra maro nitovy hevitra taminy i Bolsonaro. Nampisy fiovana ireo mandrafitra ny Kongresy izany, amin'ny fandraisan'ireo mpisehatra mpandala ny nentin-drazana vaovao mpiara-dia amin'ny filoha ny toerana.

Hatramin'ny nandraisan'i Bolsonaro sy ireo mpiara-dia aminy ny fitantanana, nanaporofo ny tsy fahampian'ny fahaizany ara-politika, dia tsy vitany ny handresy lahatra ny Kongresy hanaiky vavolavolan-dalàna maro izay manan-danja amin'ny (mpanohana azy eny) ifotony. Tsy nahomby tamin'ny fanavaozana indray ny fitomboan'i Brezila (ara-toekarena) ny tetikasany ka nahadifotra ny firenena ho ao anatin'ny krizy ara-toekarena lalina ary nisy ihany ny fandaharan'asam-panampiana natao nandritra ny valan'aretina, saingy tsy ampy, ho an'ny fianakaviana sahirana. Nandritra ny fitantanan'izy ireo, izay mifanaraka tsara amin'ireo vondrona mpandraharaha ara-pambolena, dia nihena be ny ezaka fiarovana ny tontolo iainana ary nitombo ny fandripahana ala.

Hitan'i Bolsonaro fa nihena ny fitiavan'ny olona azy nandritra ny valan'aretina COVID-19, izay nanamaivanany sy ireo mpiara-dia aminy ny hamafin'ny otrikaretina, tsy nety nanao ny fepetram-pihibohana sy ny fitokana-monina ary nanao hetsika hanakanana ny fidiran'i Brezila amin'ny vaksiny. Na izany aza, ny filoha dia afaka nitahiry ny ampahany amin'ny mpifidiny, tena efa hiringiriny ny ampahany amin'izy ireo, mamerina ireo fombam-pitenenana anti-demaokratika manohitra ny Fitsarana Tampony, ny mpanao politika ankavia, ny mpanao gazety ary ny mpikatroka.

Vakio eto ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Trohy ny endrika PDF amin'ny tatitra ho an'i Brezila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.