
Leo Puglisi niantsafa tamin'ny mpitarika ny mpanohitra Anthony Albanese nandritra ny fampielezan-kevitra tamin'ny 2022 – Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube 6 News
Herin'ny natiora i Leonardo Puglisi. Mitarika ekipa tanora mpitati-baovao manerana an'i Aostralia sy any ivelany ho an’ny 6 News, fandaharam-baovao vao niforona, ilay ankizilahy kely 14 taona. Safidy an-tserasera ho an’ny fampahalalam-baovao mahazatra izy io sady manolotra tolotra mitovy toy ny vaovao ara-potoana, antsafa amin’ny endriny lava, fandaharana politika lehibe, SpinCheck, tatitra fanadihadiana, ary fanamarinana ny zava-misy.
Nanomboka tamin'ny taona 2019 ho “HMV” ny 6 News, mitantara ny vaovao eo an-toerana ao amin'ny distrikan'i Melbourne ao Hawthorn tamin'ny YouTube. Niitatra tamin'ny fifantohana amin'ny vaovao iraisampirenena sy nasionaly avy eo ny sehatra.
Ankoatra ny YouTube sy ny tranonkalany, mampiasa sehatra maromaro ny 6 News, anisan'izany ny TikTok, Twitter, ary Facebook, hanaparitaka sy hampiroboroboana ny votoatiny.
Manana mpanjifa mandoa vola miisa 242 ny kaontin'izy ireo Patreon, raha toa ka manana mpijery efa ho iray tapitrisa ny tolotra YouTube ary mpanjifa miisa 14.000 hatramin'izao fotoana izao. Vao haingana izy ireo no nandefa resaka nifanaovana tamin'ny praiminisitra Anthony Norman Albanese, izay nahazoana mpijery mihoatra ny 20000. Manana mpanjohy efa ho 35000 ny kaontiny Twitter manokana, ary 20000 ny ao amin’ny 6 News.
Mahazatra amin'ny tatitra manokana ataon'izy ireo ny lahatsarin'i Connor Alforque, lehiben'ny mpitati-baovao, “Voluntary Assisted Dying: Is it ethical?”:
Manasongadina antsafa amin’ny fahitalavitra isankarazany sy amin’ny onjam-peo mahazatra ny 6 News, miampy lahatsora-baovao. Ohatra, nitatitra vaovao manokana roa taona lasa izay ny gazety Age:
A 12-year-old schoolboy has been dubbed possibly Melbourne’s youngest journalist after his “scoop” about the demolition of a 19th-century school bell tower. Year seven student Leonardo Puglisi was on the scene at 6pm on Wednesday to report the removal of the much-loved, 135-year-old school symbol at Hawthorn West Primary School, in the city's inner east.
Ankizilahy mpianatra 12 taona no lasa nantsoina hoe mpanao gazety zandriny indrindra ao Melbourne taorian'ny “fanangonam-baovao” momba ny fandravana ny lakolosin’ny tilikambon’ny sekoly izay efa (nijoro) tany amin'ny taonjato faha-19. Teny an-toerana tamin'ny 6 ora hariva tamin'ny Alarobia i Leonardo Puglisi, mpianatra taona fahafito, nitatitra ny fanesorana ilay mari-pamantaran'ny sekoly tena nankafizina tokoa efa ho 135 taona izay, tao amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra Hawthorn Andrefana, ao afovoany antsinanan’ny tanàndehibe.
Tao anatin'ny fitantarany tamin'ny volana Janoary 2020 momba ny ala may tany Aostralia, ny tatitra nataon'i Leo avy any Canberra renivohitry ny firenena. Tafiditra ao anatin'izany ny mpanao gazety iray hafa, izay fianakaviana Sebastian.
Lahatsary iray hafa miavaka sy manaitra ny antsafa nifanaovana tamin'ny mpanohana an'i Trump iray, 16 taona.
Mazava ho azy fa manana mpankafy maro i Leo sy ny 6 News, anisan'izany ireo mpanao gazety olondehibe matihanina:
Mate, I’m just seeing your broadcasts now and they are bloody fantastic! I tried doing what you’ve done when I was young and got nowhere near your professionalism. You’re amazing. Well done. Can’t wait to see what you do next! @6NewsAU
— David Robinson (@davidrobinson83) May 18, 2020
Ry namana, vao hitako izao ny fandaharanao fa tena nahafinaritra tokoa! Nanandrana nanao izany aho fony mbola kely fa saingy tsy nahavita ny maha-matihanina anao. Mahatalanjona ianao. Ao tsara. Tiako ho hita sahady ny manaraka!
Na izany aza, nahazo fanakianana maro an-tserasera izy. Mazava fa nahazo vaovao diso ny olona sasany, ary tsy mahatsapa ny sasany amin'ireo mpitsikera fa mbola tsy ampy taona amin’ny fahazoana mifidy izy. Nanaovana vazivazy tsy mitsahatra tao amin'ny tambajotra sosialy ny taonany:
it’s school holidays my guy
also 14yos are notorious for not staying up late at night https://t.co/LKcGrR19rg
— Leonardo Puglisi (@Leo_Puglisi6) June 28, 2022
fialantsasatry ny sekoly izao lesy e
Ary tsy tokony miari-tory amin'ny alina ny tovolahy kely 14 taona. https://t.co/LKcGrR19rg
Toa masiaka tsotra izao ny mpitsikera sasany. Namely azy imbetsaka ny Katherine Deves Fan Club:
hi all, pls report @katherinedeves_ – this is getting out of hand
also ive got plenty of friends you loser pic.twitter.com/FdPNxzeXOg
— Leonardo Puglisi (@Leo_Puglisi6) June 20, 2022
Manahoana daholo, azafady hanaovy fitarainana ny kaonty @katherinedeves_ – lasa tsy voafehy
Maro namana maro koa aho ry resy (lava) a !
Notononina anarana avy amin'ny kandidàn'ny Antoko Liberaly tsy nahomby tamin'ny fifidianana Aostraliana tamin'ny volana Mey 2022, Katherine Deves ity kaonty Twitter ity. Notohanan’ny praiminisitra Scott Morrison mafy izy tamin'izany fotoana izany ary niteraka adihevitra be tamin'ny fanehoan-kevitra nataony izay nolazain'ny maro ho fankahalana ireo nanova ny taovam-pananahany. Nandao ny Twitter izy taorian'ny nandefasany sioka aoriam-pifidianana miresaka ireo olona niova fananahana.
Araka ny asehon'ity fihaonana ity dia tsy matahotra ny hanatevin-daharana ny fifandonana amin'ny tambajotra sosialy i Leo. Ohatra amin'izany ity fifanakalozan-kevitra niarahany tamin'ny parlemantera avy amin'ny Fanjakana Victoriana ity:
Tim Smith appears to have just threatened me with defamation because I quoted him in a tweet
Again, I’m asking for a full withdrawal https://t.co/5wNqV9ryeB
— Leonardo Puglisi (@Leo_Puglisi6) June 25, 2022
Vao avy nandrahona ahy tamin'ny fanalam-baraka i Tim Smith satria nanonona azy tao anaty sioka aho
Mbola mangataka fanafoanana tanteraka indray aho
Niatsafa tamin’ireo mpanao politika Aostraliana malaza maro i Leo, anisan'izany ny Praiminisitra Scott Morrison tamin'izany fotoana izany sy ny lehiben'ny mpanohitra ary ny praiminisitra ankehitriny Anthony Albanese.
Ny filohan'i Okraina Volodimir Zelensky izao no lohalaharana amin’ny lisitry ny olona iriany iantsafana amin'izao fotoana izao. Amin'ny fomba fiasa mahery vaika ananan’i Leo, dia tsy ho ela no hahitantsika azy ireo hiantsafa.
Niresaka tamin'i Leo momba ny traikefa niainany hatramin'ny fotoana nanoratana sy ny fanantenany amin'ny hoavy ny Global Voices tamin'ny 23 Jona 2022:
Nanatevin-daharana ireo tanora Aostraliana mpitrandraka toa an'i Abbie ao amin'ny Her Magazine sy Jack, Darcy, ary Wesley ao amin'ny COVIDBaseAu i Leo sy ny ekipany.