Nahoana no misy idiran'ny resaka tombony amin'ny visa ny fahalalahan-gazety

Fandravahana avy amin'i Moshtari Hilal, nahazoana alalana avy amin'i Unbias the News

Ity lahatsoratra nosoratan'i Tina Lee ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Unbias The News. Navoakan'ny Global Voices indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Alaivo sary an-tsaina ny mpanao gazety roa te-hanadihady tantaran-kolikoly amin'ny varotra voatabia eo amin'i Gambia sy Italia. Ny mpanao gazety iray manana pasipaoro britanika aloha dia afaka mandeha any Italia hanangona ny fijery italiana ary avy eo mandeha any Gambia tsy mika visa raha hanadihady bebe kokoa, ka ahazoan-dry zareo tantara marevaka sy feno kokoa vonona havoaka. Ho an'ny mpanao gazety Gambiana iray, ny fahazoana visa mankany Italia aloha dia efa isedrana sakana sarotra sy lafovidy izay mety hametra azy tsy hanoratra afa-tsy amin'ny zoro Gambiana amin'ilay raharaha. Iza no mety hahazo kokoa ny avara-patana (voapetraka amin'ny gazety ny anarany)? Raha mahazo loka ny tantara dia iza no hahazo izany?

Ny fanontaniana hoe iza no afaka mamolavola ny tantara ary iza no ivon'ny lahatsoratra na fanadihadiana dia miankina be amin'ny hoe iza no avela hanangom-baovao momba azy io – ary amin'ny tranga maro, efa voafaritry ny lalànan'ny visa tsy ara-drariny, tsy misy antony ary manavakavaka sahady izany. “

Ny Fanambaràna momba ny Zon'olombelona Manerantany tamin'ny taona 1949 no nanandratra zo roa izay tena ilain'ny mpanao gazety miampita sisintany: ny zo halalaka maneho hevitra (andininy 19) sy ny zo handao ny firenenao (andininy 13).

Saingy raha zatra mirona amin'ireo fitondrana mametra ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny fomba maro isika – toy ny fisamborana mpanao gazety, ny sivana sy ny fandrahonana ary ny fanerena avy amin'ny hery matanjaka ao amin'ny firenena iray – dia mahalana isika no mieritreritra ny zon'ny faharoa sy ny fomba ataon'ireo firenena ao Eoropa sy any an-kafa mametra izany amin'ny alàlan'ny lalànan'ny visa manavakavaka.

Iza amin'ireo mpanao gazety no mahazo mivezivezy (miampita sisintany)?

Nanana fahafahana niaina an'io famerana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety io mivantana aho raha nanandrana nitondra ireo mpanao gazety iraisampirenena tany Varsovia, Polonina, hanatrika fihaonambe iray.

Matetika ny firenena niavian'ireo mpanao gazety nasainay no gisigisitra amin'ny tondron'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety — firenena toa an'i Ejipta, Myanmar ary Iran — izay izakan'ny mpanao gazety ara-panehoan-kevitra fandrahonana mahery vaika tohanan'ny governemanta. Saingy ny firenena mametra ny zon'izy ireo handeha sy hianatra momba ny asa fanaovan-gazety miampita sisintany dia Polonina, manafosafo ny eo afovoan'ny Vondrona Eoropeana, fonenan'ny fito amin'ireo firenena folo tsara indrindra amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, araka ny Reporters sans Frontières.

Na dia eo aza ny finoana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fanakianana matetika ny firenena hafa noho ny tsy fahampian'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, dia matetika mampiseho sakana mahagaga ho an'ny mpanao gazety mandeha eto noho ny antony arakasa ireo firenena ao amin'ny Vondrona Eoropeana .

Manomboka amin'ny sarany lafo tsy azo averina, hatramin'ny fepetra takiana amin'ny taratasy fanasana, mankany amin'ny famandrihana sidina mialoha sy anaty kisendrasendra, mankany amin'ny fandavana tsy misy fanazavana, tena ataon'ny Vondrona Eoropeana mihitsy izay anasarotana azy — ary indraindray aza tsy azo tanterahana mihitsy — ho an'ny mpanao gazety avy amin'ny firenen-kafa ny mandeha hanatrika fihaonambe, asa sy fikarohana.

Mba hitondrana mpanao gazety ho any Varsovia mandritra ny herinandro latsaka hanatrika fihaonambe, tsy maintsy mirenireny anaty andiam-penitra manasatra apetraky ny firenena tsirairay izahay izay toa natao indrindra mba hahatonga ilay mpangataka hiala amin'ny faniriany handao ny fireneny, na dia vetivety monja aza. Ohatra, any amin'ny firenena sasany, tsy misy masoivoho eoropeanina hamoaka visa Schengen, noho izany dia tsy maintsy mandeha any amin'ny firenena manodidina ny mpanao gazety hangataka izany, ary mila miverimberina indraindray.

Amin'ny tranga maro, takian'ny masoivoho Poloney na ny Vondrona Eoropeana ny mamandrika sidina mba hiheverana ny fangatahana ho feno. Saingy tsy iantohan'ny orinana mpanao fiantohana ny hamerenana ny vola noho ny fandavana ny visa. Ka raha ny marina dia midika izany fa tsy maintsy mividy tapakila fiaramanidina lafo vidy ny tsirairay nefa tsy mahafantatra raha ho afaka hampiasa izany akory, ary tsy mahazo famerenam-bola raha tratran'ny fandavana. Ho an'ireo fikambanana te handoa vola hitondra mpanao gazety hanatrika fihaonambe, karazana famaky mitatao ambony loha ara-bola goavana izany ka ampy tsy handefasana fanasana.

Ankoatra izany, na dia mahazo visa aza ny olona iray, dia mety mbola hiatrika sakana izy ireo. Ohatra, nomena visa ho an'ny faritra Schengen ny iray amin'ireo mpanao gazety eto aminay, saingy voarara tsy afaka manidina hiverina any amin'ny fireneny amin'ny alàlan'ny seranam-piaramanidina Heathrow any Londres.

Fantatrao ve fa mila visa mitokana ianao na dia handeha amin'ny efitrano mihalohalon'i Heathrow fotsiny aza rehefa mifindra sidina? Izay e, fantatsika izany ankehitriny.

Ankoatra ny fetran'ny fanadihadiana, hevero indray ny fetra napetraka amin'ny fametrahan-jotra sy ny fivoarana arakasa. Miantehitra amin'ny kaonferansa ny mpanao gazety raha hianatra teknika vaovao, hametraka fifaneraserana amin'ny hafa amin'ny sehatra misy azy ary hanely ny tantarany sy ny asany. Rehefa ny mpanao gazety avy amin'ny firenena sasany ihany no afaka manatrika, dia tsy azo ihodivirana fa ireo no hianoka ny tombontsoa azo avy amin'ny fifanakalozana arakasa.

Eo an-tampon'izany, mety tsy ho afaka hianoka ny finamanana sy ireo vatsy izay loharanom-bola lehibe sy fidirana amin'ny maha-matihanina ireo mpanao gazety tratran'ny famerana. Raha tsy mahazo mivoaka ny tanindrazany ny mpanao gazety iray mba hanaiky mivantana ny mari-pankasitrahana azony, mbola hahazo ny loka ihany ve izy? Sy ny laza sy ny fankatoavana ny anarany avy amin'izany valisoa izany?

Rehefa anontaniana hoe nahoana ny asa fanaovan-gazety no sehatra anjakan'ny mpanao gazety tandrefana sy fotsy hoditra nahazo loka, dia tsy afaka ny tsy hieritreritra izahay amin'ny fomba namolavolan'ny lalànan'ny visa io zava-misy io.

Nolavina tanteraka, rehefa avy nanaovana famandrihana ny diany sy ny fampiatranoana azy ny roa tamin'ireo mpanao gazety nasainay hiaraka taminay tany Polonina. Na dia tsy nanana olana tamin'ny fampitana ireo fepetra maro sy miovaova hatrany amin'ny fangatahana visa aza ny masoivoho, dia tsy nety nilaza taminay izy ireo hoe inona no fototry ny nandavana ireo matihanina ireo, ka lasa voarara tsy hianoka ny fotoana hihaonana amin'ny mitovy asa aminy, hianatra teknika vaovao ary na dia anjara kely monja aza amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any amin'ny fireneny. Rehefa maheno solontena Eoropeana mitsikera ny fifehezana ny haino vaky jery amin'ny fomba henjana any amin'ny firenen-kafa ianao amin'ny manaraka, dia manontania tena hoe: mba inona ny nataon'ireo solontena ireo hanatsarana ny toe-draharaha, ary amin'ny fomba ahoana no nanaovany azy ho ratsiratsy kokoa?

Ny ankamaroan'ny firenena eran-tany dia voafatotry ny fifanarahana momba ny zon'olombelona izay miaro ny zon'ny olona iray handao ny fireneny, saingy tsy misy dikany izany zo izany raha tsy misy ny zo mifanandrify aminy hiditra amin'ny firenena iray hafa. Nandritra ny fotoana nitomboan'ny fameperana, tokony hampiseho i Eoropa fa tena ilaina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ary atsahatra ny fanakanana ny mpanao gazety tsy hanao ny asany.

Tsy ho fantatsika hoe manao ahoana tokoa ny tena endriky ny tontolon'ny karazana haino vaky jery mahasolo tena mandra-pahavitany izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.