- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nitodika any amin'ny media sosialy ny renin'ilay gadra politika mpanao lalàna taloha mitady ny rariny

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Sary tao amin'ny fanentanana [1] media sosialy mitaky ny famotsorana an'i Zyad El-elaimy. Nahazoana alalana.

“Manahoana Zyad. Mivavaka aho mba ho salama tsara ianao sy ny olona tsara fanahy rehetra miaraka aminao, ” hoy ny fanombohan'ny lahatsoratra izay navoakan'i Ekram Youssef saika isa-maraina ao amin'ny Facebook, miresaka amin'ny zanany lahy Zyad El-elaimy, ilay mpanohitra mpikatroka sady depiote taloha any am-ponja Ejipsiana ary higadona ny taona fahefatra amin'izao fotoana izao noho ny fiampangana izay heverin'ny maro [2] fa hosoka sy misy ambadika politika.

Isaky ny manoratra izy dia mizara antsipiriany kely momba an'i Zyad fony izy mbola zaza, na zatovolahy, na momba ny tenany amin'ny maha-reny miady amin'ny fihetseham-po tsy afa-manoatra sy (mahatsiaro) meloka, noho ny tsy rariny izay nanjo ny zanany lahy sy ireo hafa an'arivony maro, izay maro amin'izy ireo no tratran'ny fiverimberenan'ny famonjana [3] mialoha ny fitsarana.

Nosamborina niaraka tamin'ny mpanao gazety sy mpanao politika maromaro i Zyad, mpikatroka mpitari-dalana sady mpikambana ao amin'ny Antoko Sosialy Demaokraty Ejipsiana laika ary rain'ny zazalahy kely iray, tamin'ny Jolay 2019 tamin'ilay antsoina hoe “Raharahan'ny Fanantenana”, rehefa nivory niaraka amin'ny antoko politika sy ireo depiote mpanohitra mba hiresaka momba ny mety hisian’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny taona 2020. Nohidiana tao amin'ny fonja Ejipsiana izy nanomboka teo, noho ireo vesatra sy fiampangana maro misy ambadika politika.

Tao amin'ny tsanganana [4] iray vao haingana, nivoaka tamin'ny 14 Jolay, nanoratra i Yousef:

زي ما انت عارف، انا دقة قديمة وماليش قوي في الاغاني الشبابية ولا الموسيقى الصاخبة!!.. لكن من شوية سنين كتيرة، كنت خارج مصر، وانتم الاتنين رجالة كبار، وعرفت ان بسام عنده دور انفلونزا، وانت لوحدك بتراعيه وبتعمل له شوربة خضار وكده!! حسيت بذنب فظيع؛ وان ابني مريض ، ومش قادرة اكون جنبه واعمل له شوربة واخفف عنه، يومها بالصدفة سمعت أغنية تامر حسني “حبيبي وانت بعيد ، محتاج للمسة ايد من غير ولا همسة، غمض ومد اديك، أول ما افكر فيك حتحس باللمسة” الكلام ده لمس قلبي جامد!! خصوصا ان اللحن كان هادي ومش صاخب! لدرجة اني عيطت ، عشان كان نفسي المس بسام واطبطب عليه، وآخده في حضني! الأغنية دي، هي نفسها اللي بتيجي على بالي، كل ما احس اني نفسي المسك واطبطب عليك واحضنك، وانت في زنزانتك!.. جرب يا زياد! “غمض ومد ايديك، اول ما افكر فيك حتحس باللمسة”.. في اي ساعة بالليل او بالنهار، عشان تلات ارباع ذهني بقى عايش عندك ومش بيفكر غير فيك، وعايشة وسط الناس يادوب بالربع الباقي! وحشتني!

Araka ny fantatrareo, anti-pisainana aho ka tsy dia mahalala firy momba ny vazon'ny tanora sy ny gadona beats. Saingy taona maro lasa izay, tany andafy aho, ary efa lasa lehilahy lehibe ianareo mirahalahy [Zyad sy Bassam rahalahiny], ary fantatro fa voan'ny gripa i Bassam, ary ianao irery no nikarakara azy sy nanao lasopy ho azy! Nahatsapa tena ho meloka fatratra aho: narary ny zanakolahy nefa tsy afaka ny ho eo anilany aho na nanamaivana ny fanaintainany. Tamin'io andro io, kisendrasendra fotsiny aho no nandre ny hiran'i Tamer Hosni manao hoe: ‘Ry malalako, rehefa lavitra ianao, mila mikasika tsy misy bitsibitsika akory, akipio ny masonao ary tratraro, fa arakaraka ny ieritreretako anao, no hahatsapanao izany’. Tena nampihetsi-po ahy ny teny!! Indrindra fa noho ny tonony tony! Nitomany mihitsy aza aho, satria te hikasika an'i Bassam sy hanony azy ary handray azy ho eo an-trotroana! Io hira io hatrany no tonga ao an-tsaiko isaky ny mahatsapa aho fa te hikasika anao sy hikapoka anao ary hamihina anao, raha mbola ao anaty cellule [tranomaizina] ianao! Andramo ry Zyad! ‘Akipio ny masonao ary ahinjiro, fa isaky ny mieritreritra anao aho, dia ho tsapanao ny kasoka'… na andro na alina, satria ny telo ampahefatry ny saiko no miara-mipetraka aminao ary tsy mieritreritra afa-tsy ianao, ary iarahako mipetraka amin'ny olona ampahefatra ambiny! Manina anao aho!

Amin'ny maha-mpanao gazety sady mpandika teny an'i Yousef, nilaza fa nanomboka ireo lahatsorany tao amin'ny Facebook izy ny ampitson'ny “fakana an-keriny an'i Zyad”. Nanazava ny fomba nipoiran'ilay hevitra voalohany izy nandritra ny resaka nifanaovany tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny chat Facebook :

My profession of over 40 years, has been writing, and I've been interested in public issues. I used to attend court trials of prisoners of conscience following the revolution and tell people via social media about these cases, because the press didn't carry their news, and I felt it was the least I can do to these people and their families to carry out the role of telling their stories/cases to the public.

Tao anatin'ny fanoratana nihoatra ny 40 taona ny asako, ary liana tamin'ny resaka raharaham-bahoaka aho. Nanatrika fitsarana an'ireo voafonja noho ny feon'ny fieritreretana aho taloha ary nilaza tamin'ny olona tamin'ny alalan'ny media sosialy momba ireo raharaha ireo, satria tsy nitondra ny vaovaon'izy ireo ny gazety, ary tsapako fa izany no faran'izay kely azoko atao amin'ireo olona ireo sy ny fianakaviany dia ny maka andraikitra milaza ny tantarany/raharaha amin'ny vahoaka.

Taorian'ny fisamborana an'i Zyad dia “nampiana lafiny manokana” io iraka io. Hoy izy: “Ny hany zava-dehibe dia ny nanehoako ny fanaintainana tao anatiko, ary ny fanairana hatrany ny olona amin’ny fisamborana ireo voafonja noho ny feon’ny fieritreretana izay, araka ny lalàna, ny lalàm-panorenana ary ny didim-panjakana iraisampirenena, dia tsy mendrika ny hosamborina noho ny filaminany tamin'ny fanehoana hevitra.”

Mitsipaka [5] ny filazana fihazonana gadra politika ny mpitarika ny fitantanana ao Ejipta, izay miatrika fanakianana manerantany amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mampalaza ratsy azy.

Mahazo fanehoan-kevitra sy setriny an-jatony isa-tsanganana ny teny feno fihetseham-po nataon'i Yousef, zavatra izay efa nampoiziny hatrany am-boalohany, araka ny nolazainy tamin'ny Global Voices,” satria fantatro ny fitiavan'ny olona ny toetran'i Zyad sy ny ahatsiarovan'ny olona azy noho ny fahamendrehany sy ny fitoniany miaraka amin'izy ireo.”

Nisandratra i Zyad tany am-piandohan'ny fitroarana tany Ejipta tamin'ny taona 2011, ary tao anatin'ireo tanora nanandra-peo nitaky fanavaozana ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy ao amin'ny firenena be mponina indrindra ao amin'ny tontolo Arabo.

Nanomboka tamin'izany fotoana izany izy no mpitsikera mahery vaika ireo fitondram-panjakana nifandimby. Tamin'ny taona 2012, ary amin'ny maha-depiote azy ao amin'ny parlemanta naharitra fotoana fohy izay voafidy taorian'ny fanonganana an'i Mubarak ary tena nitaratra ny fiovana taorian'ny fitroarana, dia tsaroana izy noho ny faniratsirana ny minisitry ny fiarovana sady jeneraly ambony, Mohamed Hussein Tantawi. Noho ny fanakianana azy sy ny filankevitry ny miaramila tamin'ny vanim-potoana taorian'i Mubarak sy ny fihoaram-pahefana nataon'ireo jeneraly tamin'ireo tanora mpanao fihetsiketsehana, dia nentina teo anatrehan'ny mpampanoa lalàna miaramila [6] i Zyad.

Taorian'ny fisamborana azy tamin'ny taona 2019, notanana tsy nisy fitsarana nandritra ny roa taona i Zyad, ary nentina teo anatrehan'ny fitsarana noho ny fiampangana hafa – noho ny resadresaka nataony tamin'ny BBC tamin'ny taona 2017, niteraka fisalasalana momba ny maha-mety ny tetikasam-pirenena goavana – izay nanamelohana azy ho “nanaparitaka vaovao tsy marina mba hampisy korontana eo amin'ny vahoaka sy hanakotaba ny filaminam-bahoaka” ary avy eo dia voaheloka higadra herintaona sy handoa onitra EGP 20.000 (manodidina ny 1.270 dolara amerikana).

Taorian'io didim-pitsarana io, niteny [2] i Philip Luther, Talen'ny Amnesty International sy Afrika Avaratra, hoe:

It is outrageous that he has been punished with a year’s imprisonment simply for speaking to the media. The unfounded charges of which Zyad has been convicted stem solely from the peaceful expression of his opinion and his peaceful political activities, demonstrating the Egyptian authorities’ total intolerance of dissent.

Manabarabara ny nahazoany sazy an-tranomaizina herintaona noho ny fitenenana fotsiny tamin’ny haino vaky jery. Ny fiampangana tsy mitombina izay nanamelohana an'i Zyad dia avy amin'ny fanehoana am-pilaminana ny heviny sy ny hetsika ara-politika milamina ataony, mampiseho ny tsy fandeferan'ny manampahefana Ejiptiana mihitsy amin'ny tsy fitovian-kevitra.

An-tampon'izany, — izay nampidirana ilay mpikatroka ho ao amin'ny lisitr'ireo mpampihorohoro ao Ejipta izay atao matetika ireo mpanao politika mpanohitra — dia tsy eken'ny [7] manampahefanan'ny fonja ny hahazoany fitsaboana sahaza azy noho ny aretina mitaiza azy, ny asthma, ny fiakaran'ny tosi-dra ary ny diabeta 2 karazana, izay nananany talohan'ny nitazonana azy, ankoatra ny aretim-po nahazo azy nony tany am-ponja izy, hoy ny Amnesty.

Nandritra izany rehetra izany, nanohy ny vavaka nataony i Yousef, sy ny lahatsorany natokany ho an'ny zanany voafonja, izay fohy sy tsy araka ny tokony ho izy ny famangiana azony atao. “Ary tahaka ny anoratako momba an'i Zyad, dia manoratra momba ireo gadra politika hafa aho, ireo izay fantatro manokana sy ireo hafa izay tsy fantatro, fa nosoratan'ny hafa,” hoy izy namarana.