- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny adin-crypto mampanofinofy ao Myanmar 

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary nampindramin'i Ameya Nagarajan

Mihitsoka ny toekaren [1]’i Myanmar taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 1 Febroary 2021. Tombanan’ny Banky iraisam-pirenena fa hifintina [2] 18 isanjato izany isan-taona. Vokatr'izany, very 60 isanjato ny sandan'ny kyat Myanmar raha nojerena tamin'ny Septambra 2021. Sanda ambany indrindra hatrizay nisiany [3] izany: 2200 Myanmar kyat (MMK) ny sandan'ny dolara amerikana iray (USD) tamin'ny 17 Septambra 2021 any amin'ny varo-maizina raha hatramin'ny 1330 MMK izany talohan'ny fanonganam-panjakana. Ireo zava-misy ireo no mampiseho ny tsy fitokisan'ny vahoaka ny Filankevi-Pitantanan-draharaham-panjakana (SAC). Amin'ny ankapobeny, nihena ny fiankinan'ny olona amin'ny rafitra banky sy ny rafitra ara-bola manontolo. Mitondra ny vahoakan'i Myanmar hirona ho amin'ny vola crypto na vola hafa izany. Samy nanaiky izany fepetra izany araka ny andraikiny manokana tsirairay avy na ny SAC na ny governemantan'ny firaisam-pirenena (NUG) any an-takonana : ny voalohany hanasitrana ny toekarena tsy afa-mihetsika amin'ny vola ankihy [dizitaly] sy hisorohana ny sazy mihatra amin-dry zareo, ary ny farany hanasaraka ny vola efa misy amin'ny fanjakana ary hametraka vola mahaleotena hafa hiantohana ny famatsiam-bola malalaka sy azo antoka. Samy nilaza amin'ny fidirana amin'ny cryptocurrency (volankihy) ihany koa ny roa tonta; hahaliana ny mahita hoe iza no handresy amin'ity adin'ny crypto mampanofinofy ity.

Nofinofy revolisioneran'ny crypto

Tamin'ny herintaona, vondrona mpandrafitra habaka iray tsy mitonona anarana no namorona volankihy antsoina hoe MYD izay mikendry ny hanafaka ny vahoaka amin'ny volan'ny foibe fehezin'ny jadona ara-miaramila. Kinasan'ny volankihy ny 45 isanjaton'ny volany mba hamatsiana ny NUG ary ny 55 isanjato ambiny hozaraina amin'ny olom-pirenena. Na izany aza, noho ny tsy nahavitan'izy ireo nanangana tobim-pisera azo refesina sy ny fananany olana ara-pidirana (aterineto), dia nitsahatra asa ny MYD tamin'ny Desambra 2021. Taorian'izay indrindra, nanambara [4] ny Tether (USDT) ny NUG, volankihy mitombina mitaha amin'ny dolara ny sandany, hisolo amin'ny fomba ofisialy ny Myanmar kyat. Ny minisitry ny drafitra, ny fitantanam-bola ary ny fampiasam-bola ao amin'ny NUG, U Tin Tun Naing, no niteny hoe: “Rehefa tonga ny fotoana ary raha ilaina amin'ny revolisionantsika izany, dia hanitatra ny lisitry ny volankihy ankatoavina izahay.” Nisy lanjany ary manana anjara toerany amin'ireny fisantaran'andraikitra ireny ny fanantenan'ny vondrona anti-junta sy ny fahavononana hanome hery ny volankihy.

Misy lafiny manahirantsaina ihany anefa ny antony nifidianan'ny governemanta NUG ny volankihy. Ny antony nisafidian'ny NUG an'i Tether dia ny hisakanana ny fanaraha-maso ny fivezivezen'ny vola, hananganana fifezivezem-bola tsara sy haingana kokoa, ary hahazoana fahamarinan-toerana ara-bola. Tether no volankihy fahatelo lehibe indrindra [5] manana tsena USD 76 miliara, ary azo afindra toy ny Bitcoin, amin'ny fifampiraharahana [fivezivezem-bola] sarotra ho an'ny governemanta ny mitsongo dia azy.

Na izany aza, eo amin'ny lafiny fahamarinan-toerana ara-bola, tamin'ny Jona 2021, nampitandrina ny filohan'ny Tahirim-bola Federalin'i Etazonia Eric Rosengren fa mety ho loza mitatao amin'ny fahamarinan-toerana ara-bola ny Tether. Nanoratra ihany koa i Bernhard Muller, mpandraharaha amim-bolankihy, mpanadihady sy mpandalina momba ny fiarovana DeFi (Decentralized Finance) fa mety ho lasa gisa mainty [6] amin'ny volankihy i Tether, ary mety hirodana mampivarahontsana fahamarinan-toerany. Dia ho hita eo raha hiankina amin'i Tether ny nofinofim-bolankihy an'ny governemanta an-takonana any.

Ny nofinofim-bolankihin'ny mpanao didy jadona

Voarara ny endrika volankihy rehetra tany Myanmar hatry ny ela be talohan'ny fanonganam-panjakana. Tamin'ny taona 2020 ny Banky Foiben'i Myanmar (CBM) nanambara ny fandraràna ny volankihy manondro Bitcoin (BTC), Litecoin (LTC), Ethereum (ETH) ary Perfect Money (PM), ary hosaziana amin'ny lalàna ara-bola ny mpivarotra izany rehetra. Ary tamin'ny Janoary 2022, ho setrin'ny fanambaran'ny governemanta NUG momba ny Tether ho vola ofisialy tamin'ny Desambra 2021, dia namolavola lalàna momba ny fiarovana anjotra izay manameloka ny fampiasana VPN sy ny volankihy [7] ny SAC. Ny mahatsikaiky amin'ny fihetsiky ny tafika dia, taorian'ny fandrarana ny volankihy, tamin'ny Febroary 2022, dia nanambara izy ireo fa eo ampamolavolana vola ankihy iray.

Nilaza ny Jeneraly Jeneraly Zaw Min Tun, izay mpitondratenin'ny miaramilan'ny SAC, fa, “hanampy amin'ny fanatsarana ny hetsika-fivezivezena ara-bola ao Myanmar ny vola ankihy. Miady mafy ny SAC ny hamelona indray ny toekarena tsy afa-mihetsika amin'ny alalan'ny vola dizitaly. Manaraka ny nofinofin'ny Banky Foibem-Bola Dizitaly (CBDC) toy ny tetikasa Digital Yuan any Shina, ny banky foibe any amin'ny firenena samihafa hampiarina ny toekarena voadonan'ny valan'aretina. Na izany aza, nilaza i Kim Edwards, mpahay toekarena ambony ao amin'ny Banky Mondialy ho an'i Myanmar hoe: “Mihevitra izahay fa tsy tsara toerana ny firenena hanaraka zavatra toy izany,” tamin'ny fihaonambe iray [8].

Etsy ankilany ny miaramila nanara-maso sy nisambotra ireo vondrona manohitra ny jadona miaramila amin'ny alàlan'ny fanaraha-maso ny nomeraon-telefonina avy amin'ny Wave Money, K Pay, CB Pay, sns. Ny mety ho tanjona hafa kendren'ny jadona miaramila dia ny nofinofy afa-mikirakira ny raki-pivezivezem-bola amin'ny foibe iray mba hahafahan'izy ireo manara-maso sy mifehy ny olom-pirenena amin'ny fomba milamina kokoa.

Ny anjara asan'ny volankihy eo amin'ny fifaharana sy ny famoretana

The grand discourse of the crypto movement itself leads towards the separation of currency from the state [9]. It is evident that, since the beginning, with Satoshi’s whitepaper [10], the narrative around cryptocurrency is all about resisting the power of the state. Venezuela’s crypto revolution has been portrayed as a great example of both resistance and repression.

Ny lahateny lehibe amin'ny hetsika crypto [volankihy] mihitsy no mitarika mankany amin'ny fisarahan'ny vola amin'ny fanjakana [9]. Miharihary fa, hatramin'ny voalohany, hatramin'ny boky fotsin'i Satoshi [10] [mpamorona ny Bitcoin?], ny zotram-pitantarana manodidina ny volankihy (cryptocurrency) dia izay rehetra fifaharana manoloana ny herin'ny fanjakana. Nosoritsoritana ho ohatra lehibe amin'ny fifaharana sy ny famoretana ny revolisionam-bolankihy  any Venezoelà.

Venezoelà no iray amin'ireo mailaka indrindra tamin'ny fampiasana ny volankihy [11] eran'izao tontolo izao. Very sanda mihoatra ny 200000 isanjato ny bolivar raha oharina amin'ny dolara amerikana nanomboka tamin'ny taona 2013, namorona ny hyperinflation faran'izay mafy indrindra [12] eran'izao tontolo izao. Ny fanasazian'i Etazonia sy ny fisongan'ny tahan'ny tsy fananan'asa no nanampy fandrehitra ny  afon'ny fiakaran'ny vidin-javatra izaitratra. Mba hialana amin'ny toe-javatra tahaka izany, nitodika tany amin'ny volankihy azon'izy ireo ampiasaina malalaka na aiza na aiza manerana izao tontolo izao tsy fehezin'ny governemanta ny Venezoelana. Ny raharaha Valiu, sehatra fandefasana vola amin'ny blockchain, no iray amin'ireo ohatra lehibe amin'ny fifaharana any. Afaka mamindra vola amin'ny fianakaviany ao anatin'ny firenena ny vondrom-piarahamonina Venezoelana am-pielezana, afaka mividy sakafo sy zavatra ilaina hafa amin'i Valiu izy ireo ary afaka mividy volankihy amin'ny pesos. Na izany aza, nanambara ny fanakatonana azy ireo ity hetsika mahafinaritra ity tamin'ny Desambra 2021 noho ny hamafin'ny toe-draharaha any Venezoelà.

The currency is going to perform as one of the toolkits of China’s “Social Credit System,” which is one of  the most privacy intrusive digital public administration tools [13]in the world.

Any amin'ny famoretana indray, niezaka ny hamory amin'ny toerana iray [14] ny fivezivezen'ny volankihy ny governemanta Venezoelana amin'ny alàlan'ny fananganana ny Petro, volankihim-pirenena. Iray amin'ireo fanjakana maro izay mibanjina ny volankihy na ny vola dizitaly mifototra amin'ny blockchain ho toy ny fitaovan'ny famoriana sy ny fanaraha-maso i Venezoelà. Nandrisika ny fananganana volankihim-pirenena, Digital Yuan, izay nantsoin'ny The People's Bank of China (PBOC na Bankim-Bahoakan'i Shina) hoe “volam-piandrianana [15]” nanomboka tamin'ny 2014, ohatra, i Shina. Nilaza ny Washington Post [16] fa tadiavin'ny Antoko Komonista Shinoa (CCP) ny hanara-maso akaiky kokoa ny vahoakany amin'ny alalan'ny fametrahana volankihy mivondrona kokoa. Ahafahana mamela “ny “fifehezana ny tsi-fitononana anarana” fotsiny ny Digital Yuan, izay midika fa hofaritana sy hofehezin'ny fanjakana amin'ny ankapobeny ny mombamomba ny olom-pirenena manokana. Ho lasa iray amin'ireo fitaovan'ny “Rafitra fampindramam-bola ara-tsosialy” izay tsy inona fa iray amin'ireo fitaovana fitantanam-panjakana ankihy miditra lalina indrindra amin'ny fiainana an-takonana [13] eto an-tany ny vola ao Shina.

Fehiny

Manana fitovitoviana tokotanin-tsehatra ara-politika sy ara-toekarena amin'i Myanmar amin'izao fotoana izao ny revolisionam-bolankihy ao Venezoela. Na izany aza, any Myanmar, manasongadina kokoa ny hetsika ara-panaovan-dalàna ny paikadi-nofinofim-bolankihy eo amin'ny andaniny sy ny ankilany fa tsy ny fivelaran'ny toekarena (vol)ankihy. Raha ny any Venezoelà indray, avy amin'ireo fanavaozana nomerika ara-tsosialy, avy amin'ny fahatakarana lalina ny lanjan'ny famoronana sy ny fitsinjaràna, ary ny fahatakarana ireo vondrom-piarahamonina ifotony, fa tsy amin'ny fanaovan-dalàna no nivoaran'ny toekarena (vol)ankihy. Mbola eo ampanombohan'ny fifanandrinana eo amin'ny famoretana sy ny fanoherana (fifaharana) ny revolisionam-bolankihy ao Myanmar. Hanana anjara toerana lehibe amin'ny revolisiona ara-politikan'i Myanmar izany: na ho afaka hamerina amin'ny laoniny ny demaokrasia ny firenena na ho rendrika ao anatin'ny fitondrana jadona.