- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao lalàna iray te hanova ny anaran'ny seranam-piaramanidina be olona indrindra ao Filipina ho amin'ny anaran'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos Sr.

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara
Manila airport [1]

Terminal 1 amin'ny Seranampiaramanidina Iraisampirenena Ninoy Aquino. Saripikan'ny mpanoratra.

Nametraka volavolan-dalàna ny mpanao lalàna Filipiana iray mitady ny hanovana ny anaran'ny seranam-piaramanidina be olona mifamezivezy indrindra ao amin'ny firenena [2] ho amin'ny anaran'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos Sr.

Ny solontena avy any Negros Oriental Arnolfo Teves Jr. no nandresy lahatra fa tokony hovana anarana hoe Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Ferdinand E. Marcos ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ninoy Aquino (NAIA) ao Metro Manila satria “mety kokoa ny manome anarana azy io ho an'ilay olona nandray anjara tamin'ny hevitra sy ny fanatanterahana izany tetikasa mendri-kaja izany.”

Nampiany rehefa tao amin'ny fanazavana ny volavolan-dalàna [3] hoe:

It is more appropriate to bear the name that has contributed and legacy in our country to make the Philippines a center of international and domestic air travel, who has instituted and built or conceptualized the project in making pride of our country.

Tsara kokoa ny mampitondra anarana izay nitondra ny anjara birikiny sy namela lova teto amin'ny firenentsika mba hahatonga an'i Filipina ho ivon'ny fitsangatsanganana an'habakabaka iraisampirenena sy manerana ny firenena, izay nanorina sy nanangana na namolavola ny tetikasa ho reharehan'ny firenentsika.

Niteraka resabe avy hatrany ny tolo-keviny. Marcos no rain'ny filoha Filipiana am-perinasa, izay notokanana tamin'ny 30 Jona [4] [mg] lasa ny governemantany.

Nametraka Lalàna Miaramila i Marcos Sr. tamin'ny taona 1972 izay nitarika vono olona sy fanagadrana an'arivony tsy araka ny lalàna [5]. Voampanga ho nangalatra vola amina miliara tao amin'ny tahirim-bolam-pirenena [6] ny fianakaviany sady nianoka fiainan-drendrarendra raha nijaly tao anatin'ny fahantrana lalina ny Filipiana an-tapitrisany .

Voatsikera i Teves noho ny filazana diso [7] fa naorina nandritra ny fitondran'i Marcos ny seranam-piaramanidina ao Metro Manila. Hita ao amin'ny tranonkalan'ny Fahefan'ny Seranampiaramanidina Iraisampirenena ao Manila [8] ny tantaran'ny fananganana ny seranam-piaramanidina :

The first thirteen years of the airport were marked by the building of infrastructure dedicated to international flights. The international runway and associated taxiway were built in 1953, and 1961 saw the completion of a control tower and a terminal building for the exclusive use of international passengers at the southwest intersection of the runways.

Voamariky ny fananganana fotodrafitrasa natokana ho an'ny sidina iraisampirenena ny telo ambin'ny folo taona voalohany nisian'ny seranam-piaramanidina. Voatsangana tamin'ny taona 1953 ny lalam-piaingana sy fitodiana iraisampirenena sy ny lalan'ny taxi mifandraika aminy, ary tamin'ny taona 1961 no vita ny tilikambo fanaraha-maso sy ny trano fiantsonana (terminal) ho an'ny mpandeha iraisampirenena manokana eo amin'ny sampanan-dalam-pitodiana eo atsimo andrefana.

Raha vita tamin'ny taona 1961 ny seranam-piaramanidina, dia tamin'ny taona 1965 vao lasa filoha i Marcos Sr. . Saingy nanizingizina i Teves fa nandritra ny fitondran'i Marcos no natao ho maoderina sy ny fanavaozana [9] ny seranam-piaramanidina. Nohamavoiny ny halehiben'ny fitroaran'ny Herim-Bahoaka (EDSA) izay nanongana an'i Marcos tamin'ny taona 1986. Mino izy fa ny fandresen'i Marcos Jr. tamin'ny fifidianana taona 2022 no porofon'ny tsy maha-zava-dehibe ny EDSA [9] izay manamarina ireo fisantaran'andraikitra mankalaza ny lova navelan'ny fiadidian'i Marcos.

And also let’s be attuned to the times. If EDSA (revolution) was relevant before, today no more. If it is relevant today, BBM [Bongbong Marcos] would never win.

Ary aoka isika hifanaraka amin'ny fotoana. Raha nisy ny (revolisiona) EDSA teo aloha dia tsy misy intsony izany ankehitriny. Raha manan-danja izany amin'izao fotoana izao dia tsy handresy mihitsy i BBM [Bongbong Marcos].

Novana anarana hoe NAIA [10] ny seranam-piaramanidina Manila tamin'ny taona 1987 ho fanomezam-boninahitra ny lehiben'ny mpanohitra ny Loholona Benigno “Ninoy” Simeon Aquino Jr., izay maty voatifitra teny amin'ny “tarmac”-n'ny seranam-piaramanidina tamin'ny taona 1983. Mpanakiana mafy an'i Marcos izy ary nogadraina tamin'ny taona 1973–1980 noho ny fihaikana ny Lalàna Miaramila. Niteraka fihetsiketsehana goavana nanimba ny governemanta Marcos ny fahafatesany ary nanentana ny maro hanohana ny revolisionan'ny Herim-Bahoaka am-pilaminana tamin'ny taona 1986. Nosoloana an'i Cory Aquino, vady navelany, ny senatera Marcos.

Nanoratra ny mpanao lalàna teo aloha Teddy Baguilat fa tsy hanova ny lova feno herisetran'i Marcos [11] ny fanovana anarana NAIA:

Most airports named after historical figures, heroic ones. Ninoy’s death sparked the Filipinos to rise and oust a dictator. Marcos Jr maybe back but that doesn’t belie the fact that Marcos Sr died a disgraced authoritarian.

Nomena ny anaran'ireo olo-malaza, mahery fo ny ankamaroan'ny seranam-piaramanidina. Nahatonga ny Filipiana hitsangana sy handroaka mpanao didy jadona ny fahafatesan'i Ninoy. Mety hiverina i Marcos Jr saingy tsy mandainga ny zava-misy hoe maty ho mpanao didy jadona afa-baraka i Marcos Sr.

Nilaza ny biraon’ny filoha am-perinasa fa tsy ao anatin’ny laharam-pahamehan'ny lalàn [12]‘ny governemanta vaovao io volavolan-dalàna io. Saingy taratry ny fiparitahan'ny fitantarana diso izay nahafahan-dry Marcoses niverina teo amin'ny fitondrana ilay tolo-kevitra nifototra tamin'ny hevitra mamitaka fa naorina tamin'ny vanim-potoanan'ny Lalàna Miaramila io seranam-piaramanidina io. Nampiseho ireo tatitra maromaro fa nameno ny sehatra media sosialy, toy ny Facebook, YouTube, ary TikTok ireo mpomba an'i Marcos tamin'ny vaovao diso [13]momba ny fianakaviana. Anisan'ireo lohahevitra iraisana ny soso-kevitra fa mora sy falifaly ny fiainana nandritra ny vanim-potoanan'ny Lalàna Miaramila, nandova birikim-bolamena avy amin'ny fianakavian'ny mpanjaka anganongano ry Marcoses, ary noravahana ho maherifon'ny Ady Lehibe faharoa i Marcos Sr. — izay tsy misy marina na iray aza.

Mampitandrina momba ny antony mamitaka [14]ao ambadiky ny volavolan-dalàna i Solita Monsod, mpahay toekarena malaza:

The efforts of the Marcos social media propaganda machine over the past 8 years to revise Philippine history, are now being pursued and expanded enthusiastically by politicians who want to brown-nose the new administration, or who have an axe to grind against the Presidents Aquino (mostly Cory), or a combination of both.

Folks, this is the first step in erasing the memory of what Ninoy Aquino did for country. Revisionism run rampant.

Tohizana sy velarin'ireo mpanao politika te-hisolelaka ny fitondrana vaovao amin-kafanam-po amin'izao fotoana izao, na ireo manana kakay amin'ny Filoha Aquino ( Cory ny ankamaroany), na ny fitambaran'izy roa ny ezaka nataon'ny milina fampielezan-kevitry ny media sosialy nataon-dry Marcos nandritra ny 8 taona lasa mba hanamboamboarana ny tantaran'i Filipina.

Ry vahoaka, ity no dingana voalohany amin'ny famafana ny fahatsiarovana ny zavatra nataon'i Ninoy Aquino ho an'ny firenena. Mandady ny fanamboamboarana tantara.

Manazava ny antony tsy mampety ny fanovana anarana NAIA [15] ilay mpianatra mpanao gazety Angelo Marfil:

In the short run, there are far more important problems that the Marcos regime has to resolve, without a complete Cabinet and the competency to resolve public issues. In the long run, this is a battle for historical fact, public memory, and truth-telling. It matters because the nation’s story has proven that twenty years of Marcos Sr.’s brutal dictatorship has cost a future we must reclaim.

Ao anatin'ny fotoana fohy, misy ireo olana lehibe lavitra izay tsy maintsy vahan'ny fitondran'i Marcos, tsy misy anefa ny Kabinetra ampy sy ny fahaiza-manao hamaha ny olan'ny vahoaka. Rehefa ela ny ela ity dia lasa fifandirana amin'ny zava-misy ara-tantara, fahatsiarovan’ ny besinimaro ary ny filazana ny marina. Zava-dehibe izany satria nanaporofo ny tantaran'ny firenena fa nanimba ny hoavy tsy maintsy harenintsika ny roapolo taona nisian'ny didy jadona feno habibiana nataon'i Marcos Sr.

Tsy vao sambany no nanolo-kevitra [16] ny hanovana ny anaran’ny NAIA ny mpanao politika. Nisy ireo volavolan-dalàna sy fanangonan-tsonia teo aloha [17] mba hanovana ny anaran'ny NAIA ho “ Seranam-piaramanidina Iraisampirenen'i Filipina” na hiverina amin'ny anarany tany am-boalohany hoe “ Seranam-piaramanidina Iraisampirenen'i Manila.”

Nilaza ny senatera iray fa tokony hajanona ilay tolo-kevitra mampisara-bazana, ary tokony hifantoka amin'ny famahana ireo olana goavana ao amin'ny firenena ny governemanta vaovao, toy ny fiakaram-bidin'ny solika sy ny sakafo, ny tsy fisian'ny asa ary ny krizy ara-pahasalamana mikasika ny areti-mifindra:

‘AOKA TSY HIKASIKA NY ANARAN'I NAIA INTSONY’

Nilaza ny Loholona Sherwin Gatchalian fa tsy tokony hokasihina intsony ny anaran’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ninoy Aquino, izay nanamarika fa “tena raharaha politika tokoa” izany.