- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miditra vanim-potoana vaovao ara-politika ny ao Sri Lanka

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge
Entrance to the presidential residence and the central bank, a former high security zone, now bears the mark of the demands of the protesters. Image by Amalini via Twitter. Used with permission. [1]

Mitondra ny mariky ny fitakian'ny mpanao fihetsiketsehana ny fidirana ao amin'ny trano fonenan'ny filoham-pirenena sy ny banky foibe, ‘faritra tsara aro’ taloha. Sary avy amin'i Amalini [1] tao amin'ny Twitter, nahazoana alalana.

Ity lahatsoratra ity dia navoakan'ilay mpahay lalàna, mpanoratra, poeta ary mpikatroka Sri Lankey Basil Fernando tany am-boalohany tao amin'ny Groundviews [2], tranonkala fampitam-baovaon'olon-tsotra efa nahazo loka. Navoaka eto ny lahatsoratra nasiam-panovana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty miaraka amin'ny Global Voices.

Ny fitroarana faobe milamina [3]tamin'ny 9 Jolay 2022 no nitondra ny fiafaran'ny vanim-potoana ara-politika [4] iray izay nanomboka tamin'ny famoahana ny lalàmpanorenan'i Sri Lanka [5] tamin'ny taona 1978, lalàm-panorenana izay nanimba [6] tanteraka ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalàna ary ny zon'olombelona ao amin'ny firenena. Nandritra ny fotoanan'ny fihetsiketsehana mitohy nandritra ny telo volana, nitaky ny fialàn'ny filoha Gotabaya Rajapaksa [7]ny vahoaka. Na izany aza, nandà izany imbetsaka izy, ary nilaza fa nifidy azy ny maro an'isa amin'ny vahoaka. Nanome ultimatum [8] hatramin'ny  9 Jolay ho an'ny filoha ny vahoaka sosotra mba hametra-pialana. Olona maro be avy amin’ny lafivalon’ny firenena no nivory tao amin’ny trano fonenan’ny filoha ary nibodo izany sy ny tranoben’ny sekretera ihany koa. Vokatr'ity fanehoana mazava ny tsy fahafaham-po lalina manoloana ny hatendan-kanin'ny fianakaviany sy ny tsy fahaizany manokana ity, izay nahatonga ny fahapotehan'ny toe-karena tanteraka, dia nanaiky ny hametra-pialana ihany [9] ny filoha tamin'ny 13 Jolay. Nampitaina tany amin'ny filohan'ny parlemanta ny fanapahan-keviny. Efa nanolotra ny fialany koa ny praiminisitra.

Ho  fantatsika ato aoriana ny antsipirian’ny fomba hametrahana fitondrana vaovao [10]. Na izany aza, mila mitana ny fifantohana amin'ireo fiovana maharitra ilaina ihany koa isika. Maro ireo fototra tokony hojerena raha tiana ny hamaha ny olana ara-drafitra nolovaina vokatry ny fampidirana ny lalàmpanorenana 1978. Raha amin'izay azo ampiharina rehetra, taratasy maty io lalàmpanorenana io. Na izany aza, mila foanana amin'ny fomba ofisialy izany amin'ny alàlan'ny fampiasana dingana ahitana ny fandraisan'ny vahoaka anjara feno. Mila mametraka lalàmpanorenana mifototra amin'ny foto-kevitry ny fanjakana tan-dalàna, ny demaokrasia ary ny fanajana ny zon'olombelona isika; ireo fitsipika lehibe ireo no fototra sy rafitra tena ilaina amin'ny fananganana rafi-panjakana vaovao sy ny fanavaozana ireo andrim-panjakana. Manoloana ny fangalarana mahazatra ny harem-pirenena sy ny harem-bahoaka ataon’ireo fianakaviana vitsivitsy, mba hampitsaharana amin’ny fomba hentitra ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana, dia tena maika indrindra ny fametrahana rafitra ara-dalàna feno, sy ny fanarahamaso sy ny fifandanjan-kery ara-drafitra, ary ny fandraisana andraikitra mazava sy manao tamberin'andraikitra.

Raha tsy misy ny lalàna mazava sy feno ary azo ampiharina hampitsaharana ny kolikoly, [11] dia tsy hisy fiovana ifotony amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana. Ny fametrahana fanjakana afa-miasa no fepetra ilaina voalohany amin'ny famahana ny olana mifandraika amin'ny fahapotehan'ny toekarena tanteraka vokatry ny krizy momba ny trosa. Ny fanalana ny kolikoly eto amin'ny firenena dia fepetra tena ilaina amin'ny fananganana rafitra politika marin-toerana, izay afaka manome ny fitarihana ilaina hamahana ny olana ara-toekarena sy ara-tsosialy raiki-tapisaka amin'izao fotoana izao. Amin’izay fotoana izay ihany vao ho afaka hanome izay hahasoa ny vahoaka rehetra tanteraka ny fitondram-panjakana.

Image by Amalini via Twitter. Used with permission. [12]

Sary avy amin'i Amalini [12] tao amin'ny Twitter, nahazoana alalana.

Amin'ny alalan'ny fahombiazan'ny fitantanana rafi-pitsarana ihany no azo anorenana sy ikajiana rafitra ara-politika marin-toerana. Tsy maintsy tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana ny polisy, indrindra ireo sampana mpanao famotorana ao amin’ny polisy, amin’ny fitondrana ny Sampan-draharahan’ny Fampanoavana ho eo ambany fifehezan’ny lalàna sy ny fanesorana ireo sakana amin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Mitaky ny fampiharana hentitra ny lalàna mifandraika amin'ny tsy fitsabahana amin'ny fitantanana ny fitsarana izany.

Amin'izao toe-javatra izao, tokony hanao ho laharam-pahamehana amin'ireo fanovana ara-panaovan-dalàna ilaina ny parlemanta, anatin'izany ny fanokanam-bola ilaina amin'ny fanatanterahana ireo fanovana ireo. Manoloana ny krizy ara-bola mivaivay amin’izao fotoana izao, dia tokony hanaiky ny handray anjara amin’ny anjarany ara-drariny amin’ny hetra mba hisian’ny fitoniana ara-toekarena sy ara-politika ny olona rehetra manana fidiram-bola ambony.

Tena ilaina amin'ny fahazoana ny fiaraha-miasa sy ny fanohanan'ny Sri Lankey rehetra, anisan'izany ireo mipetraka any ivelan'ny firenena amin'izao fotoana izao, ny fametrahana rafitra ara-politika azo itokisana afaka manafoana ny kolikoly lalim-paka sy manome ny tamberin'andraikitra feno. Rehefa tafapetraka sy miasa tsara ireo rafitra ireo, dia ho vonona kokoa handray anjara amin'ny fiatrehana ny krizin'ny dolara ireo Sri Lankey monina any ivelany ka hamaha ny fahasahiranana maro atrehin'ny vahoaka.

Tsy hisy ny fiaraha-miasa sy ny fanohanan'ny vahoaka marobe izay nidina an-dalambe sy ireo hafa izay tsy te-hanome vola noho ny tsy fahatokisana ny rafitra politika raha tsy misy ny fiovana ankapobeny toy izany amin'ny rafitra politika. Hiankina amin'ireo fepetra tokony horaisina mba hiantohana ny fitoniana ara-politika marina ny fahazoana ny fanohanan'ny masoivoho iraisampirenena sy ny governemanta hafa.

Mila melohina ny fanafihana ny haino vaky jery [13] mitantara ny fahirano ao amin’ny trano fonenan’ny praiminisitra ary tokony hisy fandraisana andraikitra avy hatrany amin’ny famotorana ny zava-nitranga, fisamborana ireo rehetra voarohirohy ary handinihana ny fiampangana heloka bevava mba hahazoana rariny.

Araka ny asehon'ny fitsabahan'ny vahoaka tato anatin'ny volana vitsivitsy, ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahana hivory sy hanao fikambanana no andry fototra ho fiarovana ny fiarahamonina sy ny tsirairay. Tokony ampiasaina ny fotoana ankehitriny hanamafisana ireo zo ireo; hiteraka fiovana lehibe eo amin'ny kolontsaina politika ao Sri Lanka ny fanamafisana toy izany.

Ny andrimason'ny vahoaka tsy an-kijanona amin'izao fotoana [14] no hany fomba ahafahana miantoka fa hiasa ho amin'ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena ny rafi-pitantanana vaovao hapetraka. Noho izany, tokony hiambina am-pilaminana ny olona, ​​indrindra amin'izao fotoana izao sy amin'ny volana ho avy, mba hahazoana antoka fa ho tanteraka eto Sri Lanka ny fiovana lehibe ilaina ho amin'ny tsara kokoa. Mila manangana vondrona fiarahamonim-pirenena vaovao ihany koa ny vahoaka mba hanara-maso ny fivoaran'ny tontolo politika sy hiantohana fa ny fanovana ara-drafitra maharitra amin'ny ho avy dia hahitana endrika vaovao mifototra amin'ny, sy hiaro ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalàna ary ny zon'olombelona.