- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nitambotsotra ho firenena tsy milamina mampatahotra i Nizeria

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Polisy ao Kaduna, Nigeria atsimo afovoany. Sary avy amin'i Allan LEONARD/MrUlster [1], 8 novamb 2013. (CC BY-NC 2.0 [2])

Lasa fanjakana tsy azo antoka i Nizeria, firenena be mponina indrindra eto Afrika ary iray amin'ireo firenena manankohariana lehibe indrindra eto Afrika. Manomboka amin'ny jiolahy mitam-piadiana [3] any avaratra andrefana ka hatrany amin'ny Boko Haram [4] Jihadista mpampihorohoro any avaratra atsinanana, nanampy trotraka ny tsy fandriampahalemana ao amin'ny firenena be mponina indrindra eto Afrika.

Ny mahatsikaiky amin'ireo fanamby ara-piarovana atrehin'i Nizeria amin'izao fotoana izao dia ny nanaovan'ny firenena, ary mbola tohizany, firotsahana tanteraka eo amin'ny amin'ny lafiny ara-bola, olombelona, ​​ara-pitaovana ary ara-tafika mba hampiroboroboana ny fampandrosoana an'i Afrika, ny fandriampahalemana sy ny filaminana ao amin'ny kaontinanta. Izany no antony “mbola ibanjinan'ny firenena afrikanina an’i Nizeria” na dia eo aza ny “kilemany amin’ny maha-firenena azy”, hoy [5] i John Usanga, masoivohon’i Nizeria any Ginea Bissau. Ary mbola hita amin'izao fotoana izao fa laharana faha-17 amin'ny fanjakana tsy milamina indrindra eran-tany i Nizeria, araka ny Tondrom-Pandriampahalemana manerantany [6] taona 2022.

Fiaran-dalamby mampitohy an'i Abuja-Kaduna

Tamin'ny 28 Marsa 2022, fiaran-dalamby iray mihazo an'i Abuja-Kaduna no notafihin'ny mpampihorohoro, ary olona 62 farafahakeliny no natao takalon'aina [7] ary sivy no maty. Tao amin'ny lahatsary noraketina talohan'ny nanafahana ny iray tamin'ireo nalaina an-keriny, voalaza fa niteny [8] ireo jiolahy fa “tokony hihaona aminay haingana ny governemanta alohan'ny hamadihana ity toerana ity ho toeram-pamonoana (olona) satria tsy misy dikany aminay ny famonoana ireo olona ireo.” Fa ny tena nanaitra dia ny fanambaran’ilay jiolahy hoe “Tsy resaka vola izany. Tsy afaka manao izany noho ny resaka vola izahay. Fantatry ny fanjakana izay tadiavinay”, hoy ny [8] Vanguard, gazety Nizeriana. Raha ny fantatra dia fifamaliana manokana teo amin’ny jiolahy sy ny mpitondra fanjakana no nahatonga ity herisetra ity. Ao anatin'ity tontolo politika ity, tsy mahagaga raha mihorohoro ny olom-pirenena, ka 242.326 ireo Nizeriana nandositra tany ivelany [9] tamin'ny faran'ny taona 2019 fotsiny, araka ny filazan'ny sampana fifindra-monina sy mpitsoa-ponenana ao Vatican.

Boko Haram

Ny Boko Haram, vondrona mpampihorohoro naorina tamin'ny 2002 tany Maiduguri avaratra-atsinanana, no loza mitatao lehibe indrindra ho an'ny miaramila Nizeriana nandritra ny taona maro. Voalaza fa tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'ny Nizeriana maherin'ny 350.000 ity vondrona mpampihorohoro ity hatramin'ny taona 2009, araka ny voalazan'ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD). Tamin'ny taona 2014, naka an-keriny mpianatra vavy miisa 276 tanelanelan'ny 16–18 taona, kristiana avy amin'ny Sekolin-jazavavy an'ny Governemanta ao an-tanànan'i Chibok [10] ao Fanjakana Borno, Nizeria ny ankamaroany, ilay vondrona mpampihorohoro manana anarana hoe “Boko Haram [11]” midika hoe “fady ny fampianarana tandrefana”. Mbola any amin’ny fahababoana [12] ireto tovovavy miisa 109 ireto hatramin'izao fotoana izao. Vao haingana kokoa, tamin'ny 6 Jona, nodoran'ny mpampihorohoro Boko Haram ny kamiao telo [13] teo amin'ny lalana malaza Damaturu-Maiduguri any Borno any avaratratsinanan'i Nizeria, hoy ny tatitra nataon'ny SaharaReporters, masoivohom-baovao Nizeriana.

Matahotra ny amin'ny ainy [fiarovana azy] ireo Nizeriana ary marina izany. Tamin'ny taona 2019 [14] dia 12 teo ho eo no maty isaky ny mponina 1000 tany Nizeria, ary tamin'ny taona 2018 [15], dia nisy 838 ny tranga fakana an-keriny tany Nizeria, araka ny filazan'ny Statista, orinasa mpanangon-torohay alemà.

Fametrahana ho fenitra ny Herisetra?

Tsy vitan’ny fandrahonan’ny jiolahy mitam-piadiana na fampihorohoroana ihany anefa ny filaminana ao amin’ny firenena fa eo amin’ny andavanandron'ny olom-pirenena  ihany koa.

Tamin'ny 29 marsa, tao amin'ny kianja MKO Abiola ao Abuja, renivohitr'i Nizeria, taorian'ny kiririoka farany, nanafika ny kianja ireo mpankafy Nizeriana ary nanapotika ny kianja [16]. Nitanga ity fanafihana mahery vaika ity taorian'ny faharesen'i Nizeria teo amin'ny fiadiana ny amboaran'ny firenena afrikanina, fifaninanana izay heverina fa tena tiany indrindra [17], hoy ny ESPN. Ho fanampin'izany, fanindroany teo amin'ny tantara tsy tafiditra hanao mondialy (fiadiana ny amboara eran-tany) ny firenena — sambany hatramin'ny taona 2006 [18]. Voalaza fa noterena hiakatra an-kianja ireo mpankafy Ghaneana taorian'ny nanafihan'ny maro azy ireo teny amin'ny fijerem-baolina (gradins). Mety niteraka fitsaharan'ny fitempon'ny fo ho an'i Dr. Joseph Kabungo, manamboninahitra misahana ny (fihinanana mampatanjaka tsy manara-dalàna (doping) amin'ny lalao Abuja-Ghana, izay maty taoriana kelin'ny kiririoka farany izany herisetra izany.

Toy izany koa, tao amin'ny kianjan'i Kano's Sani Abacha tamin'ny 16 Aprily, nanafika ny kianja teo amin'ny minitra faha-82 ireo mpankafy Kano pillar [19] feno hatezerana, nanimba fiara, nanafika mpankafy hafa, nahatonga ny mpilalao sy ny tompon'andraikitra amin'ny lalao handositra ho fiarovana ny ainy, ary nanery ny lalao hijanona mialoha ny fotoana. Nitranga izy ity iray volana latsaka taorian'ny fisehoan-javatra mahatsiravina tamin'ny lalao fifanintsanana amin'ny fiadiana ny amboara erantany tao Nizeria nifanandrinany tamin'i Ghana tao amin'ny kianja MKO Abiola, Abuja.

Mampiseho koa izany fa tsy lasibatra hatrany ny olom-pirenena, fa mety ho mpanao herisetra [20] ihany koa. Avy amin'izany, hiharatsy hatrany ny tsy fandriam-pahalemana any Nizeria noho ny ataon'ireo mpiantsehatra ratsy finoana Manampy trotraka ny toe-javatra, fanahy iniana na tsinahy. Mifanohitra amin'izany kosa, amin'ny tatitra isan-taona Fanaon'ny Tondrom-Pandriampahalemana manerantany notanterahana, [ho an'ny] firenena Afrikana [21] toa an'i Maorisy, Botswana, ary na dia Ghana aza, dia heverina ho firenena azo antoka kokoa ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Nizeria. Mitana ny laharana faha-28 i Maorisy ary faha-38 amin'ny firenena azo antoka indrindra manerantany i Ghana.

Saika ny faritra rehetra ao amin’ny firenena no tsy azo antoka [22]. Fiantraikany mivantana ataon'ny sivily, ny sampan-draharaham-panjakana ary ny mpiasan'ny fiarovam-pirenena tsy mitsahatra ny manao asa mitovy amin'ny fampihorohoroana ity tsy fandriam-pahalemana ity. Tsy maintsy miasa avy hatrany i Nizeria amin'ny maha-manda iray tafaray (olom-pirenena sy governemanta) azy hampihatra paikady hampihisatra na mety hampivadika ity fironanamandeha  haingana ity, hiaro ny vahoakany sy ny fireneny mba hahafahany manohy ny maha-Nizeria “iray tsy mivaky” azy ho an'ny taranaka ho avy.