Miteraka olana ara-piarovana ao Kosovo ny firohotry ny fandrahonana baomba mamitaka

Fandravahana nataon'i Big Eye, nahazoana alalana tamin'ny Sbunker.

Navoakan‘i Sbunker tany am-boalohany ho anisan'ny fisantaran'andraikitra ara-paritra Western Balkans Anti-Disinformation Hub (Ivo-toerana Manohitra ny vaovao diso) ity tantara ity. Navoakan'ny Global Voices indray ny endrika nasiam-panovana nahazoana alalana.

Nisy fiantraikany tamin'i Kosovo ny fisian'ny onjam-pitaka fanairana fisiana baomba tany amin'ny faritr'i Balkana. Nalefa tany amin'ny oniversite, sekoly, seranam-piaramanidina ary fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka ny hafatra fandrahonana avy amin'ny adiresy tsy fantatra anarana. Tsy mbola nisy baomba hita hatreto. Saingy niteraka tahotra ny fanairana, no sady mihaika ny fahaizan'ny mpitandro ny filaminana, izay nanatsara ny fanarahamaso tao anatin'ny volana vitsivitsy.

Nanomboka tamin'ny volana Desambra 2021 ny fandrahonana baomba ary nihamafy nanomboka ny volana Avrily ka hatramin'ny volana Jona. Tonga  amin'ny fotoana mbola hanohizan'i Rosia ny fananihana an'i  Okraina ny fikasana hamorona tahotra faobe, ary tsy afa-bela tamin'ny ady hybrida an'i Rosia ny Balkana Andrefana, anisan'izany i Kosovo. Natao indrindra izany tamin'ny alalan'ireo vaovao sy fanambaràna fitaka toy ireo fandavana ny heloka bevava natao tamin'ny olombelona vitan'i Serbia tao Kosovo nandritra ny ady farany, 1998–99.

Saingy, tsy tahaka ireo firenen-kafa ao amin'ny faritra, izay nanome antsipiriany bebe kokoa momba ireo nahavanon-doza sy ny adiresy niavian'ny fandrahonana, tsy nanome fanazavana mitombina ny manampahefana ao Kosovo.

Fanairana baomba im-73 tao anatin'ny iray andro

Tamin'ny 16 Jona, hetsi-panoherana roa no nitranga tao Pristina tamin'io andro io— ny iray nataon'ireo fikambanana menavazana KLA ary ny iray nataon'ny sendika KEK — nisy fitaka fanairana baomba 73 tao amin'ny faritr'i Gjilan/Gnjilane sy ireo kaominina avaratra maro an'isa Serba. Nanetsika ireo vondron'ny polisy tompon'andraikitra izany, izay nanatontosa fisavana amin'ny antsipiriany tamin'ireo toerana ireo. Na izany aza, tamin'ny farany, hita fa diso ny fanairana rehetra. Tamin'ity indray mitoraka ity dia niantso fitoniana sy ny tsy hisian'ny korontana ny minisitry ny Atitany Xhelal Sveçla, satria nampanantena izy ireo fa tsy mitsahatra ny manome fiarovana ny olom-pirenena rehetra izy ireo.

Tamin'ny volana jona fotsiny ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Pristina “Adem Jashari” dia nahazo fandrahonana baomba indroa. Nampita ny hafatry ny mpanamory ireo mpandeha tao anatin'ilay sidina avy any Munich hihazo any Pristina tamin'ny 16 Jona fa ambony indrindra ny fandrahonana ny seranam-piaramanidina Pristina. Voatery nivily nankany Skopje ao amin'ny Makedonia Avaratra mifanila aminy ilay fiaramanidina, miandry ny toromarika mifototra amin'ny zava-misy ao amin'ny Seranam-piaramanidina Pristina.

Nisy fiantraikany tany Soisa ihany koa ny fandrahonana baomba tamin'ny 17 Jona. Araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao, nandefa fiaramanidina mpiady F/A-18 roa hiaraka amin'ilay fiaramanidina ny manampahefana Soisa misahana ny fiarovana, rehefa naharay fampandrenesana momba ny fanairana baomba tao amin'ny seranam-piaramanidina Pristina. Nitatitra ny vavahadim-baovao Soisa Blick fa hitan'ireo nanatri-maso nifanakaiky loatra ny fiaramanidina ka niteraka “bangs soniques”, na “feo roa mafy be” tao amin'ny faritr'i Arth-Goldau SZ tokony ho tamin'ny 7:15 hariva teo.

Nisy fitaka fanairana baomba navoaka ihany koa tao amin'ny seranam-piaramanidina tamin'ny 2 Jona. Noheverina fa tao amin'ny sidina Pristina–Rome ilay fitaovana noahiahiana tany am-boalohany. Natao ny fandrahonana baomba raha mbola teny an'habakabaka ilay fiaramanidina, ka niteraka tahotra goavana teo amin'ireo mpandeha. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny polisin’ny seranam-piaramanidina, nosavaina ny fiaramanidina rehefa avy namindra ireo mpandeha, dia nosavain’ny polisy ny fiaramanidina sy ny entana, saingy tsy nahitana na inona na inona.

Fitomboan'ny fanairana mamitaka

Tsy ireo ihany no fitaka fanairana baomba, trangan-javatra nanomboka tamin'ny faran'ny taona fa nitombo ny heriny tato anatin'ny herinandro vitsivitsy.

Tamin'ny 17 sy 18 Mey, nampandrenesina ny Rektora ao amin'ny Oniversiten'i Prishtina sy ny lisea “Xhevdet Doda” momba ireo fitaovana mipoaka ao amin'ny tranobeny.

Nahazo fandrahonana mivantana ny rektôrà tamin'ny adiresiny mailaka ofisialy avy amin'ny mpandefa “sender@5ymails.com”, tamin'ny 13:45. Ny hafatra fandrahonana dia nosoratana tamin'ny teny anglisy ka ny votoatiny dia : “Hipoaka izao ny baomba ao Hasan Prishtina.” Taorian'ny naharaisana ny mailaka fandrahonana, dia nanodidina ny faritry ny rektôrà ny polisy ary nkaroka baomba nandritra ny ora maromaro. Saingy hita fa na io fanairana io aza dia fitaka.

Nahazo fanairana baomba ihany koa ny fampitam-baovaon'ny vondrom-piarahamonina Serba tsy maro an'isa.

Iray amin'izany no notaterin'ny vavahadin-tserasera Kosovo-online amin'ny teny Serba izay miasa any Mitrovica Avaratra. Nopaingorin-dry zareo ihany koa ireo mailaka fandrahonana, izay milaza hoe: “Misy fitaovana mipoaka napetraka ao aminareo, izay hipoaka amin'ny 22.15. Voninahitra ho an’i Okraina.” Nosoratana tamin'ny teny Okrainiana ilay mailaka ary, araka ny filazan'izy ireo, dia nalefa avy amin'ny adiresy antsoina hoe “Azov Ukraine.” Hita fa fitaka ihany koa io fanairana io.

Mahasahana tsara kaominina tavaratra efatra ny vavahadin'ny Kosovo-online ary taterina ho mampiely propangandy Serba sy Rosiana ao Kosovo.

Fifandraisana amin'ny fandrahonana any amin'ireo firenena ao amin'ny faritra

Tao anatin'ny roa volana monja, antokom-panjakana maro tao Belgrade afovoany sy ny ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Nis tanàna any atsimo no efa nanaisotra haingana ny olona rehefa nisy ny fandrahonana baomba. Araka ny filazan'ny Minisiteran'ny Atitany Serba, sekoly fanabeazana fototra miisa 97 sy sekoly ambaratonga faharoa sasany no nahazo fandrahonana baomba izay hita ho fitaka taorian'ny fisafoana.

Raha ny marina, nampifandraisin'ny governemanta ao Serbia amin'ny zava-misy any Okraina ireo fandrahonana baomba am-polony voaray. Manambara ny manampahefana Serba fa ny endriky ny fandrahonana baomba dia “ady hybrid manokana” amin'i Serbia, mampifandray izany amin'ny fandàvana ny hametraka sazy ho an'i Rosia taorian'ny fanafihana an'i Okraina.

Notaterin'ny polisy fa mailaka valo avy any Polonina, efatra avy any Gambia, avy any Iran sy Nizeria ary ny hafa avy any Okraina, Slovenia ary Rosia. Araka ny filazan'izy ireo, efa fantatra ireo olona nandefa mailaka fandrahonana ary noho izy ireo teratany vahiny dia mifanakalo angon-drakitra amin'ny alàlan'ny Europol sy Interpol ny polisy any Soeda, Litoania, Soisa, Rosia ary Hongria.

Raha amin'i Kosovo kosa indray, mety ho sarotra kokoa ny famantarana ireo nahavanon-doza satria tsy mpikambana ao amin'ny Interpol, izay mampahomby kokoa ny fifanakalozana torohay, ity firenena ity.

Hatramin'ny niandohan'ny fananihana an'i Okraina, nanjary fahita any amin'ny firenena hafa ao amin'ny faritra ihany koa ny fanairana baomba. Sambany no nisy fiantraikany teo amin'ny Srpska Republika sy ny (faritr’) i Sarajevo izany.

Nitatitra mailaka fandrahonana ny polisy any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa. Nisy ihany koa ny fandrahonana baomba tao Montenegro, fa i Albania sy avaratr'i Makedonia kosa mbola tsy voakasik'ireo fandrahonana ireo.

Ny fanairana toy izany any amin'ny faritra no mampiakatra ny filan'ny antokon-draharaham-panjakana mifandraika amin'ny fiarovana mba hampitombo ny haavon'ny fiomanana sy ny fifanakalozam-baovao raha toa ka mifamatotra sy mitovy tanjona ny hafatra alefa, hahatonga ny tahotra sy ny sakoroka eo amin'ny olom-pirenena ka hanakorontana ny filaminana ara-tsosialy sy ara-politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.