- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahariharin'ny ‘Ikorodu Bois’ fa mampisandratra ny sarimihetsika nizeriana amin'ny tontolo manerantany ny sehatra ankihy (dizitaly)

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Pikantsarin'ny IIkorodu Bois avy amin’ny CNN spotlight [1].

Nampihetsi-po ny tao amin'ny media sosialy ny “Ikorodu Bois [2]” any Nizeria: Babatunde Sanni, MuizSanni, Malik Sanni, ary Fawas Aina taorian'ny fomba fiasan’izy ireo mampitolagaga tamin'ny famokarana horonantsary. Nanjary nalaza avy hatrany hatramin’ny nanombohan’izy ireo tamin’ny taona 2017 ny fomba fanaon'ny tanora amin'ny fanesoana ireo sarimihetsika malaza Hollywood sy Nollywood [3] (ny indostrian'ny sarimihetsika Nizeriana), mampiasa teknikam-pikirakiraba bontolo, ary mizara azy ireo amin'ny sehatra ankihy (dizitaly-nomerika).

Natomboka ny fiainam-panaovana sarimihetsika [4] “Ikorodu Bois” rehefa nanomboka nizara horonantsary tao amin'ny  YouTube ry zareo. Nanjary nalaza ry zareo tamin'ny fakana tahaka mahatsikaiky ny sarimihetsika toy ny “Money Heist”, “Squid Game”, sy ny hafa.

Tamin'ny volana Aprily, nankasitraka sy nitehaka azy ireo [5] i Tyler Perry avy any Hollywood noho ny namerenana ny sasany tamin'ireo sarimihetsika notontosainy.

View this post on Instagram

A post shared by Ikorodu bois (@ikorodu_bois) [6]

Ankoatra ny fandefasana fonosana fikarakarana [7] momba ny fitaovana fanaovana sarimihetsika matihanina ho an’ny Ikorodu Bois tamin'ny volana Aogositra lasa teo, nanasongadina ny fahaizan'izy ireo mamorona [8] ihany koa ny Netflix nandritra ny Oscars [Césars] tamin'ny Aprily 2021, loka isan-taona ho an'ny indostrian'ny sarimihetsika any Etazonia.

Nanome fanantenana [9] ho an'ireo mpamokatra sarimihetsika ho avy sy miasa mafy any Nizeria ny fahombiazan'ny Ikorodu Bois. Raha ny tena izy, dia rehefa afaka manao sarimihetsika misarika ny sain'izao tontolo izao amin'ny alalan’ny fitaovana mora sy ny fahaiza-manao fototra amin'ny fikirakirana ireo tanora ireo, dia azo antoka fa manana vintana ihany koa ireo hafa maniry ny ho mpanao sarimihetsika.

Nollywood vaovao sy ny sehatra ankihy

Horonantsary efa nisy tamin'ny faramparan'ireo taona 1990 ny Nollywood taloha fantatra amin'ny anarana hoe sarimihetsika Asaba(ny teny hoe Asaba dia avy amin'ny tanàna iray any Nizeria). Lahatsary an-trano ny ankamaroan'ny sarimihetsika Nollywood taloha, toy ny Living in Bondage malaza nataon'i Chris Obi Rapu [10].

Ny New Nollywood, araka ny filazan'ilay mpanao gazety Nizeriana Franklin Ugobude, dia manondro ny onjan-tsarimihetsika amin'izao fotoana izao izay ahitana bebe kokoa [11] ny “fahasarotan'ny fitantarana navoitra, ny hasarobidin'ny hatsarana ary ny kalitaon'ny famokarana ankapobeny”. Mifanohitra tanteraka amin'ny sarimihetsika Nollywood taloha [12] natao “nandritra ny firoboroboan'ny horonan-tsary” tamin'ny taona 1990 ireo sarimihetsika ireo. Toetra manan-danja iray hafa amin'ny New Nollywood ny hoe vitsy kokoa ny sarimihetsika navoaka amin'ny DVD. Fa, “navoaka tamin'ny teathra ho an'ny mpankafy marobe amin'ny alàlan'ny sinema na sehatra fandefasana mivantana” ny ankamaroany, hoy iUgobude. Ny sarimihetsika Nollywood tsara indrindra tamin'ny taona 2021 araka ny filazan’ny Okay Africa [13] dia ny “Gone [14]” notontosain’i Daniel Ademinokan, “Collision Course [15]” nataon'i Bonlanle Austin Peters, ary “Swallow [16]” notontosain’ IKunle Afolayan.

Tamin'ny taona 2020, natomboka tany Nizeria ny Netflix  [17]ary nampiroborobo ny onjan'ny votoaty vokarin'i Afrika. Nanomboka teo dia nandefa fandaharana amin’ny fahitalavitra sy horonan-tsarimihetsika maromaro tany am-boalohany izy, ny vao haingana indrindra amin’ireo dia ny andiany mizara fito an'i Kemi Adetiba “King of Boys: The Return of the King.” Talohan'ny nanombohany, nandoa vola ho an’ny votoaty Afrikanina mba halefa amin'ny sehatra misy azy ny behemoth streaming.

Na dia nitombo aza ny indostrian'ny sarimihetsika any Nizeria, dia mbola nitoetra ny lafiny sasany. Ohatra, niady mafy [18] tao anatin'ny taona maro ireo mpamokatra sarimihetsika Nizeriana mba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena noho ny fiverimberenan-tantara. Saika mitovy ny firindran-tantara amin’ ireto sarimihetsika roa ireto “Osuofia in London [19]” (avy amin'ny Old Nollywood) sy ny “10 days in Sun City [20]” (avy any New Nollywood). Ao amin'ireo sarimihetsika roa ireo, na mponina ambanivohitra na mpiasa tsy nahita fianarana izay nipetraka tany Nizeria nandritra ny androm-piainany ary nahazo fahafahana tampoka handeha any ivelany ireo mpilalao fototra. Na izany aza, rehefa lasa izy ireo, dia miady mafy ny hivezivezy amin'ny tontolo tsy mitovy amin'ny tanindrazany. Amin'ny ankapobeny, ireo sarimihetsika roa ireo dia mitantara ny fifandonana ara-kolontsaina vokatry ny fanatontoloana sy ny fifindra-monina.

Ny teboka iray misongadina rehefa mampitaha ny Nollywood Vaovao sy Tranainy dia ny fivoaran'ny kalitao sy ny habetsahan'ny sarimihetsika vokarina any Nizeria ankehitriny. Mivoatra tsikelikely ny fizotry ny rindran-tantara sarimihetsika Nizeriana. Lasa malaza eran-tany ny sarimihetsika Nollywood vaovao toy ny “Omo Ghetto [21],” “King of Boys [22],” “Wedding Party [23],” “Oloture [24],” “October 1st [25],” novokarin'ireo olomangan'ny Nollywood toa an'i Funke Akindele [26] sy Kunle Afolayan [27]. Nitatitra ny Premium Times [28], famoaham-baovao anjotra isan'andro ao Nizeria, fa nahazo NGN 468 tapitrisa (eo amin'ny 1,1 tapitrisa dolara) tamin'ny fidiram-bolan'ny sinema ny “Omo Ghetto” ary 636 tapitrisa dolara (eo amin'ny 1,5 tapitrisa dolara) tao amin'ny fijerena sarimihetsika. Nilaza ny Film One [29], iray amin'ireo orinasa lehibe mpaninjara sarimihetsika any Nizeria, fa nahazo 452 tapitrisa NGN (eo amin'ny 1,1 tapitrisa dolara Amerikana) tamin'ny sinema Nizeriana ny “Fetin'ny fampakaram-bady”. Tsy isalasalana fa mbola hisy fiantraikany amin'ny indostrian'ny sarimihetsika ny fanatontoloana sy ny fitomboan’ny fandefasana mivantana anjotra, ary tsy hanivaka amin'izany [30] i Nollywood.

Ahoana ny fanjifa ny sarimihetsika Nollywood

VCD Nollywood naranty nandritra ny Fetiben'ny Kwakoe tao Amsterdam Bijlmer. Sary avy amin'i Paul Keller [31], 9 Jolay 2006  (CC BY 2.0 [32])

Nampitombo ny tinady manerantany amin'ny tinady ara-kolontsaina Nizeriana [33] ny fahombiazan'i Nollywood, indrindra indrindra fa maro ireo tranonkala fandefasana mivantana mamelona ireo sangan'asa taloha. Noho ny fisian'ny media sosialy, niditra tao anatin'ny kolontsaina pop maoderina ireo meme (sary-sy-soratra) avy amin'ny sarimihetsika toy ny hatsikana nataon'i Tchidi Chikere tamin'ny taona 2014, “Pretty Liars [34]”. Tsy lazaina intsony ireo horonantsary sy sary malaza misy ireo mpilalao sarimihetsika efa ela be tahaka an'i Aki (teraka amin'ny anarana hoe Chinedu Ikezie [35]) sy Pawpaw (teraka amin'ny anarana hoe Osita Iheme [36]), izay nahaliana ny vahiny [37].

@mroyiborebel [38]Alaba Market Way♬ original sound – OYIBO REBEL [39]

Niditra tao amin'ny tsena iraisam-pirenena ihany koa ny Nollywood tamin'ny fampidirana ireo mpilalao sarimihetsika iraisampirenena tamin'ny tetikasany mba hahazoana vahana kokoa.Half of a Yellow Sun [40],” notarihin'i Biyi Bandele, ary miantsehatra amin'izany ry Thandie Newton, Anika Noni Rose, Chiwetel Ejiofor, ary Ini Dima Okojie, nahitana mpilalao iraisampirenena toa an'i Eric Anderson, Paul Hampshir, ary Roberto Davide. Ohatra iray hafa misongadina ny “Namaste Wahala” [41]  an'i Ruslaan Mumtaz izay nahitana ilay olo-malazan'i Bollywood Ruslaan Mumtaz.

Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fitondrana ny Nollywood teo amin'ny mpihaino vaovao ihany koa ny fetiben'ny sarimihetsika. Sarimihetsika maromaro no efa nalefa tamin'ny fetibe isan-karazany manerana izao tontolo izao, nahazo mari-pankasitrahana marobe tamin'izany. Tamin'ny Septambra 2019, nahazo ny Best Virtual Reality Story [42] nandritra ny Fetiben'ny Sarimihetsika Iraisampirenena Venezia ny sarimihetsika “Daughters of Chibok [43]” an'i Joel Kachi Benson . Toy izany koa, tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Locarno, nahazo ny loka Boccalino d'Oro ho an'ny sarimihetsika tsara indrindra [44] ny “Juju Stories [45]” an'ny Surreal16 Collective. Hatramin'ny nivoahany ampahibemaso voalohany, nahazo loka isan-karazany ny “Eyimofe [46],” sarimihetsika avy amin'ny Guardian Digital Studios (GDN), ka anisan'izany ny Loka Achille Valdata  [47]tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Iraisampirenena Torino 2020. Nanokana fizarana ho an'ny sinema Nizeriana, mampiseho ny rafitra, ny fitaovana ary ny olona ao ambadiky ny sarimihetsika manan-danja indrindra ao amin'ny firenena ny fetiben'ny sarimihetsika sasany.

Nivelatra hatrany ivelan'ny firenena ny famokarana sarimihetsika any Nizeria ary efa miompana maneran-tany. Nanery ny elanelana misy eo amin'ny Nollywood, media sosialy, ary ireo indostrian'ny sarimihetsika hafa manerana izao tontolo izao ry Ikorodu Bois sy ireo taranaka vaovao marobe mpamokatra sarimihetsika.