- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Polisin'i Trinidad & Tobago miisa valo no voahazona noho ny raharaha nahafatesana olona

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka
[1]

Polisy misahana ny rotaka ivelan'ny amphiteathra St. James ao Port of Spain, Trinidad, tamin'ny 18 Avrily 2009. Saripika avy amin'i Georgia Popplewell [1] ao amin'ny Flickr, CC BY-NC-ND 2.0 [2].

Roa taona mahery monja taorian'ny namonoan'ny mpikambana ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Polisy Trinidad sy Tobago (TTPS) olona telo [3] avy amin'ny vondrom-piarahamonin'i Morvant/Laventille ao an-drenivohitr'i Trinidad, Port of Espaina, manamboninahitra valo no voatazona [4] tamin'ny raharaha. Voalaza fa nisy ifandraisany tamin’ny fahafatesan’ilay polisy Allen Moseley, izay nitranga tamin'ny 27 jona 2020, voatifitra teo amin’iny faritra iny ny fifampitifirana. Ny tatitra sasany anefa dia manoritra fa mahatratra 18 ireo manamboninahitra tonga teny an-toerana, kambola  mety hisy ny fihazonana hafa [5].

Nohamafisin’i McDonald Jacob kaomiseran'ny polisy fa hiantohana ny tsy hisian’ny olona ambonin’ny lalàna ity fanadihadiana ity aryy ao anatin’ny andraikitry ny TTPS rahateo dia nohamafisiny fa hataon'ny mpanao famotorana avy amin’ny Biraon’ny Fenitra Matihanina famotorana ireo manamboninahitra ireo, ary aorian'izany ny Talen’ny Fampanoavana Roger Gaspard no hamaritra raha hiatrika fiampangana ny vondrona na tsia.

Nisalasala ny hamoaka antsipiriany bebe kokoa ny kaomisera Jacob satria mbola mitohy ny fanadihadiana, saingy nilaza [5] izy fa “ny hetsika tahaka izao dia momba ny fiantohana ny rariny sy ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna”:

If at the end of such investigations, persons are held culpable, then they will face the full brunt of the law, no matter who they are. And if at the end they are found to be innocent then they will be exonerated.

Raha amin’ny fiafaran’ny famotorana toy izao no voatana ho tompon’antoka amin’izany, dia hiatrika feno ny vaikan'ny lalàna izy ireo, na iza izy na iza. Ary raha hita fa tsy meloka izy ireo any amin'ny farany dia ho afaka madiodio amin'ny fitsarana.

Tamin'ny 29 Jona 2020, taorian'ny fahafatesan'ireo telo lahy ireo — Israel Clinton, Noel Diamond, ary Joel Jacobs — dia nipoaka ny fihetsiketsehana [3] tany amin'ny vondrom-piarahamonina maro manerana an'i Trinidad, izay nanakanan'ny mponina ny lalana, nandoroana kodiarana, ary nampitaha ny famonoana hitovy amin'ny famonoana an'i George Floyd [6] mihitsy aza.

Nambaran [7]’ireo mpitandro filaminana fa namaly tifitra ry zareo, saingy ny fakan-tsarim-piarovana nandrakitra ny zava-nitranga no nampiseho fa fara-fahakeliny nananga-tanana [8] ny iray tamin’ireo lehilahy nialoha ny nitifirana azy.

Nampisy fanantenan'ny maro [9] izay mandika [10] ny famonoana ho tsy ara-dalàna ireo fihazonana natao tamin'ny polisy tamin'ny voalohany. Efa an-dalan'ny fanatanterahana fitoriana [11] ny fanjakana [11] ny iray amin'ireo niharam-boina antsoina hoe Clinton, izay afaka madiodio tamin'ny fiampangana halatra natao taminy taona vitsivitsy lasa izay, noho ny herisetran'ny polisy noho ny daroka mifandraika amin'izany izay nahatonga azy naiditra hopitaly nandritra ny herinandro maromaro, ary nolazain'ireo mpisolovava miaro ny fianakavian'ny roa tamin'ireo nodimandry fa “tsy ara-dalàna”, “an-tondromolotra” ary “famonoana tsotsotra izao” ny fahafatesan'izy ireo [12].

Ny Police Complaints Authority [13] (PCA) ihany no hany andry sivily ao amin'ny firenena, natsangan'ny Parlemanta mba “hanara-maso ny polisy”, saingy nahazo laza [14] ho “alika masiaka tsy misy nify” izay tsy nisy fiantraikany firy tamin'ny taha ambony amin'ny herisetran’ny polisy, indrindra any amin’ireo vondrom-piarahamonina mahantra.

Nihanahazo lasa anefa ny PCA teo aloha teo. Tamin'ny famotorana ny raharaha fitifirana nahafaty ny polisy Clarence Gilkes tamin'ny 22 Aprily, nanoritra ny PCA fa nisy fihoaram-pahefana miharihary nataon'ny polisy ilay zava-nitranga. Hita fa tsy sivily mitam-piadiana no namono nahafaty an'i Gilkes, araka ny nolazain'ireo manamboninahitra tany am-boalohany, fa polisy namany iray ihany.

Nandritra ny hetsi-panoherana farany teo amin'ny firenena noho ny famonoan'ny polisy tamin'ny 4 Jolay,sy noho ny fitifirana tovolahy mainty hoditra telo avy amin'io faritra io ihany, nomarihin'ny [15] mpanao gazety Noble Philip tao amin'ny lahatsoratry ny nasaina tao amin'ny Wired868:

Who is to blame for the Monday shutdown? Is it the protesting residents who lost their children to a suspicious shooting? They know the story of the three Morvant men who lost their lives at the hands of the Police [16].

Since November 2020, the Police Complaints Authority (PCA) file has been sitting with the Director of Public Prosecution (DPP).

Iza no omena tsiny ny fanakatonana tamin'ny alatsinainy? Ireo mponina manao fihetsiketsehana namoy ny zanany noho ny fitifirana mampiahiahy? Fantatr’izy ireo ny tantaran’ireo telo lahy avy ao Morvant namoy ny ainy teo am-pelatanan’ny Polisy [16].
Hatramin'ny volana novambra 2020, napetraka tao amin’ny Talen’ny Fampanoavana (DPP) ny raharaha polisy misahana ny fitarainana (PCA).

Ampangain'i Philip ireo governemanta nifandimby ho nanao tohatra fiakarana ny mponina ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tanàndehibe hahazoany tombotsoa ara-politika, nanamafy [15] izy fa ny olana fototra dia “ny famolavolàna ny filozofian'ny ‘kalalao’”, manondro ny teny malaza manambany ireo avy amin'io vondrom-piarahamonina [17] io fampiasan'ny Kaomisera teo aloha Gary Griffith. Nanamarika i Philip fa:

The black young men of East Port of Spain are treated as though they have no value. Their schools and neighbourhoods are under-resourced. Why? Because they are Nobodies! […] Let us not be fooled; the price for this neglect is high and must be paid.

Raisina ho toy ny tsy misy vidiny ny tovolahy mainty hoditra ao Port of Spain Atsinanana. Tsy ampy fitaovana ny sekoliny sy ny manodidina azy. Nahoana? Satria tsy misy olona ry zareo! […] Aoka isika tsy ho voafitaka; lafo ny vidin'izany tsy firaharahiana izany ary tsy maintsy aloa.

Tamin'ny taona 2020, rehefa nitranga ny fihazonana ireo manamboninahitra ireo, dia nitombo [18] hatrany amin'ny 86 isanjato ny famonoana ataon'ny polisy tao Trinidad sy Tobago, nandrehitra indray ny adihevitra momba ny olana toy ny fitomboan'ny hantsana ara-toekarena, ny fifandrohizany [19] amin'ny fanavakavaham-bolon-koditra ara-drafitra, ny herisetran'ny polisy, ary ny karazana fanehoan-kevitra izay mitranga isaky ny misy famonoana vaovao ataon'ny polisy [20], izay vao mainka manampy trotraka amin'ny tsy  fitokisan'ny vahoaka ny serivisy fitandroana filaminana.

Sherma Wilson, mpisera Facebook , mponina ao amin'ny iray amin'ireo vondrom-piarahamonina niaina ny herisetran'ny polisy, niezaka namerina [21] ny fitantarana sady nihazona mafy ny fomba fitantarana [22] sady mijoro amin'ny zon'ny vondrom-piarahamonina misy azy hanao fihetsiketsehana:

We have been unfairly treated for decades […] Like all other communities we have our negatives and challenges, but next time you see the smoke jus[t] know that there is a fire burning in us to do better, to want better and that unlike you we are brave enough to stand up fight for our injustices.

Efa am-polony taona maro izahay no nanaovana tsy rariny […] Manana ny lafy ratsiny sy ny fanamby miandry anay tahaka ny vondrom-piarahamonina hafa rehetra izahay, saingy amin'ny manaraka rehefa mahita setroka dia fantaro fa misy afo mirehitra ao anatinay hanao ny tsaratsara kokoa, mitady ny tsara kokoa ary tsy toa anareo izahay fa ampy ny fahasahianay hijoro hiady amin'ny tsy rariny (atao)ntsika.

Namarana ny lahatsorany tamin'ny fanomezam-boninahitra [21] ireo lavo i Wilson:

(Morvant triple killings) Joel “Lion” Jacobs, 38, Noel Diamond, 46, and Israel Moses Clinton, 27
All brutally killed by the hands of the Police
You will always be in our hearts ♥️

(Famonoana telo sosona tao Morvant) Joel “Lion” Jacobs, 38 taona, Noel Diamond, 46 taona, ary Israel Moses Clinton, 27 taona
Novonoin’ny tanan’ny Polisy tamin’ny fomba feno habibiana avokoa
Ho ao am-ponay mandrakariva ianareo ♥️