Manamafy ny biraon-tsehatra Shinoa iray fa iharan'ny sivana ny rakitr'ireo mpiseran'ny lohamilina zavona (cloud) ao aminy

Sary noforonin'i Oiwan LamImage created by Oiwan Lam

(Fanamarihana mialoha: noho ny filazana ny “rahona” ho midika fampitahorana na fandrahonana amin'ny teny malagasy dia noraisina ho zavona ny dikan'ny “cloud” eto)

Ahoana no ho fihetsikao raha toa ka voasakana tsy hiditra amin'ireo antontan-taratasy manan-danja voatahiry ao amin'ny kapila zavonao manokana ianao?

Shinoa mpiserasera iray, “Te-hahazo vola fotsiny i Metoo” (米兔只想赚钱 ary antsoina etsy ambany hoe “Meetoo”), no nilaza fa tsy navelan'ny WPS Office, sehatra birao iray mifototra amin'ny zavona, hiditra tao amin'ny iray amin'ireo antontan-taratasiny anjotra izy noho ny sivana. Drafitra tantara ahitana teny Shinoa maherin'ny iray tapitrisa ilay antontan-taratasy.
Tamin'ny 11 Jolay 2022, nandefa ny fitarainana momba ny fanakatonana WPS tao amin'ny forum ana mpanoratra malaza Ikonng.com i “Metoo”. Araka ny pikantsary tamin'ny fampandrenesana mandeha ho azy navoakan'ny WPS,  dia tsy navela hiditra tao amin'ny antontan-taratasiny i “Metoo” satria ahitana votoaty tsy manaja lalàna. Ity ambany ity ny nosoratany tao amin'ny Ikonng.com:

說文件含有違禁內容,禁止訪問,更別說修改了,這就是所謂的會員服務?我本地文件,哪怕有違禁內容那也是我自己事,沒有對外分享甚至販賣。

更別說全部內容清水,網站都能發出去,結果 wps 要給我鎖文件,誰給它的權利窺探用戶隠私文件,並且自行處理。…勸各位別用 wps了,現在我要進行維權舉報。

Nolazainy fa ahitana votoaty tsy manaja lalàna ilay antontan-taratasy ka noho izany nolavina ny fidirana aminy. Tsy misy fomba ahafahako manitsy ny antontan-taratasy. Ary ity ilay antsoin'izy ireo hoe tolotra ho an'ny mpanjifa? Na dia nisy votoaty saro-pady aza tao anatin'ilay antontan-taratasy voatahiry tao amin'ny kapila solosainako teo an-toerana dia raharahako manokana izany, satria tsy nizara na nivarotra izany tamin'ny besinimaro aho.

Tsy lazaina intsony fa madio tanteraka ilay votoaty ary tsy misy saro-pady velively ao anatiny. Afaka mamoaka izany ao amin'ny sehatra hafa misokatra aho. Saingy nohidin'ny WPS anefa ilay izy. Iza no nanome azy ny zo hijery ny antontan-taratasiko manokana ary manapa-kevitra ny amin'izay hiafarany… Manoro hevitra anao aho mba tsy hampiasa WPS ary mila miaro ny zoko aho sy mitatitra ny zava-mitranga.

Ny WPS Office no biraon-tsehatra zavona Shinoa malaza indrindra ao amin'ny tanibe, mitovy amin'ny Microsoft Cloud Office na Google Drive. Ahafahan'ny mpiserasera mitahiry antontan-taratasy ao anaty endrika samihafa, mizara sy miara-manova azy ireo izany. Nisarika ny sain'ny mpiserasera ny fitarainan'i “Metoo” ary noraisin'ireo fampitam-baovao media sosialy maro ny tantarany, ka nalaza anjotra avy hatrany  ny tenifototra hoe “niharihary ny #WPS fa hamafa ny antontan-taratasin'ireo mpiserasera voatahiry eo an-toerna” (WPS 被曝會刪除用戶本地文件) satria nampiasain'ny mpiserasera izany mba hanairana ny rehetra.

Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao iray teo an-toerana i “Metoo” taty aoriana fa tamin'ny volana Mey no nitrangan'izany. Nolazainy tamin'izy ireo fa tsy nilaza mihitsy izy fa voafafa ny antontan-taratasiny voatahiry ae an-toerana, fa nanazava bebe kokoa fa nitambatra ho azy tamin'ny endrika tranainy kokoa amin'ilay antontan-taratasy notehiriziny tao amin'ny WPS izany. Taorian'izay dia tsy afaka niditra tao amin'ny kinovany manokana nohavaozina izy. Nohamafisiny izany tao amin'ny dingana fampakarana ny raharaha, niaiky ny WPS fa misy lesoka ao amin'ny rafitra fitsirihana ny sehatra ary nampanantena ny hanamboatra izany.

Na izany aza anefa, nanomboka nizara ny traikefany tao amin'ny media sosialy ireo mpisera WPS. Nilaza ny mpianatra iray fa nanjavona tao amin'ny WPS ny taratasy fianarany. Nilaza ny mpisera iray hafa fa toy izany koa no nitranga tamin'ny drafitry ny famelabelarana iray ao am-pianarany. Ary nisy iray hafa nilaza fa nampangain'ny WPS izy indray mandeha noho ny famerenana antontan-taratasy efa nofafan'ny sehatra.

Ho setrin'izany, nolavin'ny WPS ny hanivana, hanidy na hamafa ireo antontan-taratasy voatahiry ao anaty solosain'ny mpisera ny sehatra. Hoy ny orinasa:

正常情况下,后台是不会操作用户的本地文件的。

Amin'ny toe-javatra mahazatra, tsy hanara-maso ny antontan-taratasin'ireo mpisera ao anaty solosainy manokana ny sehatra.

Na izany aza, nampiany fa araka ny lalàna misy ao Shina, ao anatin'izany ny Lalàna mifehy ny Fiarovana Anjotra, ny Fepetra Fitantanana ny Tolotra Torohay amin'ny Aterineto, ary ny Fepetra Fitantanana Ara-tontolo iainana ny Votoatin-Torohay an-Tambajotra, ankoatra ny hafa, ny sehatra rehetra izay manome tolotra torohay anjotra dia tsy maintsy mamerina mijery ny votoaty izay miparitaka ao amin'ny sehatra misy azy. Manoloana ireo fepetra ireo, nilaza ny WPS fa harovany ny torohay ara-piarovan'ny mpisera amin'ny alàlan'ny fanafenan-tsoratra ny votoaty saro-pady sy ny fanomezana fantsona ho an'ny mpanjifany hanaovam-pangatahana sy hamerenana ny antontan-taratasiny.

Teo am-pamakiana eny an-tsefantsefany eny dia naravon'ny mpisera weibo sasany ny fanambaràn'ny orinasa hoe:

WPS确实会扫描和审核用户文档

Nanamafy ny WPS fa tena hi-scan sy hanivana tanteraka ny angon-drakitr'ireo mpiseraserany izy

就是说,我还是偷窥你们的内裤,原因不再自己,我就是能看

Fomba iray hafa hilazana izany fa afaka nitsirika tao anaty siliponao aho satria tsy anao izy ireo ary manana ny fahefana aho.

Nanandrana ny rafitra fanivanana ataon'ny WPS ny mpanao gazety iray avy ao amin'ny Beijing News ary nahita fa raha vao mizara antontan-taratasy misy votoaty saro-pady toy ny pôrnôgrafia na fiteny saro-pady amin'ny mpisera hafa ny mpisera iray, dia halefa any amin'ny pejy misy fampandrenesana fandavana fidirana ny rohy. Nohazavain'ilay mpanao gazety fa rehefa notsindriana ny bokotra “zarao”, dia hampifandraisina amin'ny lohamilina zavona ilay antontan-taratasy, ka tratran'ny sivana mandeha ho azy. Tsy hain’ilay mpanao gazety kosa ny antony nahavoa ny antontan-taratasin’i “Metoo” voatahiry ao amin'ny solosainy ihany.

Nanamarika ireo bilaogera teknolojia sasany fa mahatsikaiky ho an'ny biraon-tsehatra zavona ny manasaraka ny foto-kevitry ny rakitra an-javona sy ny rakitra anaty solosaina satria ny fitahirizana rahona sy ny fanitsiana miaraka no singa manan-danja indrindra amin'ny sehatra birao rahona. Raha tsy afaka miara-manova antontan-taratasy miaraka amin'ny mpiara-miasa aminy ny mpisera ary takiana mba hitroka ilay antontan-taratasy amin'ny miliny manokana aorian'ny fanitsiana, dia tsy misy dikany ny fananana kapila zavona.

Maro no nanatsoaka hevitra fa tsy voafetra amin'ny WPS ny olan'ny sivana sy ny fanitsakitsahana ny fiainana an-takonana. Tsy misy sehatra na rindranasa nampiarahina tamin'ny lohamilina zavona tsy azo itokisana, satria voatery araka ny lalàna Shinoa izy ireo mba hijery sy hanivana ny votoatin'ny mpisera aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.