- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Làlan'alika? Nataon'ny mpiseran'ny tambajotra sosialy fanalana azy ireo alika nirenireny teny amin'ny làlan'ny seranam-piaramanidin'i Trinité, nefa mila fiheverana io olana goavana io

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka

 

[1]

Sary noforonina tamin'ny singa Canva.

Ny marainan'ny 13 Jolay, voatery nakatona vonjimaika ny lalana fitodiana sy fiaingan'ny voromby ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Piarco ao Trinité noho ny fisian'ny alika mirenireny. Maromaro ny sidina isam-paritra sy iraisam-pirenena no voakasik’izany.

Voatery nampiato ny fampiasana ny lalan’ny fitodiana sy fiaingan'ny fiaramanidina iraisam-pirenena Piarco ny alarobia taoriana kelin’ny tamin’ny 7 ora maraina. Ny antony? Alika mihazakazaka eny amin'ilay lalana.

Araka ny tatitry ny gazety iray ao an-toerana [4], nisy sidina anatiny iray niala tao Tobago, nosy rahavavin'i Trinité voatery niverina [5] rehefa avy nihodidina nandritra ny antsasak'adiny mahery teo am-piandrasana ny fahazoan-dalana hidina. Matetika tsy mihoatra ny 20 minitra ny sidina anatiny. Nisy sidina nitondra entana ihany koa navily lalàna nankany avaratratsinanana, ho any amin'ny nosy manodidina, Barbados.

Rehefa heverina izany rehetra izany dia nila ora iray mahery ny tompon'andraikitry ny seranam-piaramanidina ao Trinité sy Tobago (AATT) namerenana ny toe-draharaha, ary taloha kelin'ny tamin'ny 9 ora maraina (UTC-4) no niverina ny fifamoivoizana an'habakavaka.

Na izany aza, nandrehitra ny tambajotra sosialy ny zava-nitranga, ary naneho hevitra avy hatrany [6] ny “Trinidad isn't a real place” [7]:

Taiza koa no niavian'ireo alika niditra teo amin'ny lalan'ny fiaramanidina ireo? Andriamanitrô, ry hitanareo ry havana fa tsy tena toerana i Trinité.

Aty Trinité ihany 🇹🇹 no ahitana alika manakatona lalan'ny fiaramanidina 🛣🛫

Tamin'ny taona 2020, tao anatin’ny 12 ora vao vitan’ny tompon'andraikitra ao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Pearson ao Toronto [10] ny nanavotra ny alika  iray nandositra ny iray tamin'ireo fiaramanidina teo amin'ny lalan’ny fiaramanidina. Vao haingana no nisy tranga mitovy amin'izany [11] tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenen'i Logan any Boston, tamin'ity indray mitoraka ity dia saka no nosamborina nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian'ny nitsoahany avy ao amin’ny fiara mpitatitra biby.

Tsy vao voalohany ihany koa, araka ity sioka tamin'ny taona 2017 ity, no nisy fiantraikany tamin'ny fipetrahana tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Piarco ny biby mirenireny:

Tpt, nihemotra ny sidina nandehanan’ny zanak'olo-mpiray tam-po amiko androany maraina ho any Trinité, satria nisy alika teo amin'ny lalan’ny fiaramanidina. Tsy haiko ny antony fa tena mampihomehy.

Momba ny resaka fampihomehezana ihany, noforonina ny sary manala azy momba ny korontana. Nizara [13] ny sasany amin'ireo malaza indrindra i Leslie-Ann Joan Boiselle, mpisera Facebook [14]:

Sary manala azy roa momba ireo alika teny amin'ny lalan'ny fiaramanidina niparitaka be. Ny sarin'alika havia mampiseho ireo alika mitaingina lakan'aina eny amin'ny renirano dia milaza hoe: ‘Nitsoaka i BROWNIE sy ny NAMANY rehefa niteraka resabe tao amin'ny seranam-piaramanidina Piarco.’ Mampiseho andianà afisin'ny polisy ny sary eo amin'ny ankavanana, izay samy milaza hoe, ‘Alika ratsy.’

Raha liana ny mpisera sasany [15] amin’ny fomba nahafahan'ny alika niditra teo amin'ny lalan’ny firamanidina [16], ireo mpandinika marani-tsaina vitsivitsy kosa nijery ny olana fototra — ny habetsahan’ny biby mirenireny ao amin’ny firenena [17]. Nitaraina ilay mpisera Facebook Sherry Ali hoe [18]:

Every day my heart bleed[s] for all the strays […] that these heartless humans dump all over the place[…]

Isan'andro, marary ny foko amin'ireo alika mirenireny rehetra […] izay arian'ireo olona tsy manana indrafo ireo eny rehetra eny[…]

Raha toa ka nandefa taratasy noforomporonina avy amin'ny “Pot Hound Union of Trinidad and Tobago” ny mpisera Twitter iray izay nahitana ireo alika mirenireny any an-toerana antsoina hoe “pothounds”…

Mivovo be izy ireo. https://t.co/yomdJQmLoX [19]

…nitsian’ny pejy Facebook Trinidad and Tobago Society for the Prevention of Cruelty to Animals (TTSPCA)  avy hatrany ny raharaha [21]:

If you don't laugh, you will just cry at the entire situation…animal welfare and stray animal control needs to come off the back burner and be taken more seriously in T&T with the powers that be.

Raha tsy mihomehy ianao dia hitomany fotsiny amin'ny zava-miseho rehetra … tsy tokony atao ambanin-javatra ny fiahiana ny biby sy ny fanaraha-maso ny biby mirenireny ary mila jeren’ny tompon’andraikitra T&T akaiky.

Ao amin'ny firenena misy mponina miisa 1,4 tapitrisa eo ho eo, voalaza fa mandray biby mihoatra ny 4.000 isan-taona ny TTSPCA [22], “izay nariana, nararaotina na nampijaliana.” Nitombo ny biby nariana nanomboka tamin'ny valan’aretina COVID-19, satria maro ny olona no very asa.

Tao amin'ny LinkedIn [22], nanamarika i Sheryl-Lyn Ali, mpitia biby fa “tsy afa-misaraka amin'ny habibiana atao amin’ny biby ny fihoaran'ny biby mirenireny […].” Betsaka ny tranga niseho nahitana ny biby voapozina [23] mba hifehezana ny fitomboan'ny isany sy hampihenana ny fanelingelenana vokatry ny firenirenin’izy ireny [24].

Na izany aza, maromaro fikambanana tsy mitady tombontsoa ao Trinité sy Tobago [25] no mampanao alika votsirina amin'ny sarany misy fihenam-bidy [26] mba hanampiana amin'ny fiantohana ny fiarovana sy ny hasin'ireo [27] biby ireo.