Navoakan’i Sbunker tany am-boalohany ho ampahany amin'ny hetsika isam-paritra Western Balkans Anti-Disinformation Hub ity tantara ity. Navoakan'ny Global Voices ao anatin'ny fizarana roa ny fizarana nasiam-panovana nahazoana alalana.
Nandritra ny telo volana taorian'ny herisetran'i Rosia tamin'i Okraina, nanohy nanome fanambarana diso momba an'i Kosovo ny manampahefana Rosiana sy Serba. Ohatra iray tena manan-danja tamin'ny volana Jona ny fandavan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergey Lavrov ny fandripahana tao Račak/Reçak tamin'ny taona 1999 tao Kosovo nandritra ny tafatafa tamin'ny masoivohom-baovao Rosiana Sputnik, izay navoakan'ny fampahalalam-baovao Serba.
Nandritra ny antsafa, voalaza fa niteny i Lavrov fa “hita fa tsy sivily ireo faty novonoina tao Reçak“, fa miaramila izay novaina ho toy ny an'ny sivily ny akanjo.
Nanao ireo fanambarana ireo i Lavrov mba hanaovana fampitahana ny heloka bevava nitranga tao Bucha any Okraina sy ny Fandripahana tao Reçak nitranga tany Kosovo tamin'ny taona 1999.
Araka ny fanaporofoan'ny tatitra marim-pototra rehetra, porofo mazava ny raharaha Bucha fa nanao fampielezan-kevitra famonoana sivily Okrainiana marobe ny miaramila Rosiana teo am-pialana ny toerana. Nohamafisina ihany koa fa ny hetsika efa nomanin'ny tafika Serba tamin'ny sivily Albaney tao Kosovo ny vono olona tao Reçak.
Ny fandripahana tao Račak no fandripahana Albaney Kosovo miisa 45 izay nitranga tamin'ny volana Janoary 1999 tao amin'ny tanàna antsoina hoe Račak amin'ny teny Serba sy Reçak amin'ny teny Albaney, any ao afovoan'i Kosovo. Nataon'ny mpitandro ny filaminana Serba ny vono olona. Rehefa resy lahatra ny ekipa iraisam-pirenena iray fa famonoana sivily tsy mitam-piadiana ireo fahafatesana ireo, dia nandray anjara tamin'ny fanapahan-kevitry ny OTAN amin'ny fandraisana anjara mivantana tamin'ny ady Kosovo ny fandatsahan-drà, nitarika andianà fanafihana an'habakabaka feno tetikady hanoherana ireo tena lasibatry ny miaramila na ny fanafarana stratejika tany amin'ny Repoblika Federalin'i Yogoslavia tamin'izany fotoana izany, izay ahitana an'i Serbia sy Montenegro.
Fanampin'izany, namariparitra ny famonoana tao Reçak ho fasana lehibe indrindra tao Kosovo ny Iraka OSCE izay niasa tao Kosovo tamin'izany fotoana izany, izay nahitana Rosiana mpanara-maso. Saingy niantso ny famonoana tao Reçak ho namboamboarina i Lavrov, tahaka ny nataon'ireo manampahefana Serba imbetsaka.
Naneho hevitra momba ity fanambaran'i Lavrov ity ny masoivohon'i Etazonia any Kosovo, Jeff Hovenier.
(1/2) Attempts to rewrite & deny the well-documented history of the Recak massacre glorifies war crimes, dishonors the memory of the dead, and reopens the wounds of survivors. https://t.co/yv30XTSivW
— Ambassador Jeff Hovenier (@USAmbKosovo) May 27, 2022
(1/2) Ny fiezahana hanoratra indray sy handà ny tantara tsara-rakitra momba ny famonoana tany Recak dia manome voninahitra ny heloka bevava an’ ady, manala baraka ny fahatsiarovana ny maty ary manokatra indray ny ratran'ireo sisa velona.
“Ireo izay mandà ny habibiana tao Recak dia mikatsaka ny hanakana ny fandrosoana mankany amin'ny fampihavanana isam-paritra, ny fanamafisana ny demokrasia, ary ny fampiatiana Eoropeana sy Eoro-Atlantika,” hoy i Hovenier.
Nanapaingotra taratasim-panadihadiana roa OSCE sy UNDPPA tamin'ny lahatsorany koa i Hovenier izay manamarina ny famonoana tany Reçak.
Amin'ny toe-javatra hafa koa, nanao fampitahana teo amin'i Kosovo sy ireo faritra natambatra ao Okraina ny manampahefana Rosiana. Na dia talohan'ny fanafihana ara-miaramila tamin'i Okraina aza, nilaza ny fitsabahan'ny OTAN tao Yogoslavia tamin'ny taona 1999 ny Filoha Potinina, nandritra ny fihaonambe Kremlin niarahana tamin'ny Chancellor Alemana Olaf Scholz.
Tsy vao sambany no nandà na nanilika ny heloka bevava nataon'ny fitondran'i Slobodan Milosevic nandritra ny taona 1998–99 tao Kosovo ny manampahefana Rosiana sy Serba. Matetika ireo mpiantsehatra amin'ny fitantarana tsy tia OTAN sy EU any Balkana no misarika fandikana diso ny zava-nitranga tamin'ny fipatitahan'Yogoslavia sy ny ady vokatr'izany tamin'ny taompolo 1990, nanodinkodina ireo hevitra fanaratsiana maneho ny “Tandrefana” ho tompon'antoka tamin'ireo zava-nitranga nitarika ny famoizana ain'olona an'hetsiny sy fahapotehan'ny fiveloman'ny olona an-tapitrisany, anisan'izany ireo mpitsoa-ponenana an-tapitrisany maro.
Raha mila fanampim-baovao bebe kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fitantarana manokana ataonay momba ny Rosia manafika an'i Okraina.