- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mifandona amin'ny fitsarana tampony eoropeana amin'ny resaka zon'olombelona i Torkia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Pikantsary avy amin'ny tatitra nataon'i DW German [1] taorian'ny didim-pitsarana.

Tamin'ny 25 Avrily 2022, voaheloka [2] higadra mandra-pahafatiny i Osman Kavala, tiorka mpanao asa soa malaza. Tamin'ny 11 Jolay, efa ho telo volana taorian'ny didim-pitsarana, nilaza [3] ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona (ECtHR) fa tsy nahatanteraka ny andraikiny i Tiorkia araka ny Andininy 46/1 amin'ny Fifanarahana Iraisampirenena Momba ny Zon'olombelona [4] tamin'ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana tamin'ny taona 2019 [5] hamotsorana an'i Kavala.

Ankehitriny, anjaran'ny Komitin'ny Minisitra, izay manara-maso ny fampiharana ny didim-pitsaran'ny ECtHR, ny mandray izay fepetra tokony horaisina [3] amin'i Torkia taorian'ny tsy nahavitan'ny firenena nanaraka ny didy navoakan'ny fitsarana. Mety hitarika amin'ny fampiatoana an'i Tiorkia amin'ny Vaomiera Eoropeana izany. Ho fitsinjovana izany, efa nilaza ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Tiorkia fa nanantena ny Komitin'ny Minisitra izy ireo “hihetsika tsy misy fitongilanana sy amim-pisainana ananan'ny rehetra” nandritra ny fanambaràna [6] nataony.

Ny didim-pitsaran'ny Antenimieran-doholona momba ny fankatoavan'i Turkiye ny didim-pitsarana amin'ny raharaha Atoa Kavala

Notanana am-ponja [13] tamin'ny 18 Oktobra 2017 i Kavala, Tiorka mpandraharaha nahomby izay nanohana hetsika fiarahamonim-pirenena maro tao Tiorkia nandritra ny taona maro, anisan'izany ny Open Society Foundation Turkey [14]. Roa herinandro taty aoriana dia nosamborina izy noho ny fiampangana azy ho “nanandrana nanongana ny lamina araka ny lalàmpanorenana ao amin'ny firenena” sy “fikasana hanongana ny governemanta” noho ny voalaza fa famatsiana vola ny Hetsi-panoherana tao Gezi tamin'ny taona 2013. Tany amin'ny fonja faran'izay tsara aro indrindra izy nanomboka tamin'ny Novambra 2017.

Afaka madiodio [15] anefa i Kavala tamin'ny Febroary 2020, saingy ora maro taty aoriana, dia voampanga ho nandray anjara tamin'ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny 2016. Na dia afaka aza izy iray volana taorian'io fiampangana io, dia notanana am-ponja vonjimaika i Kavala noho ny fiampangana azy ho manao “fitsikilovana ara-politika na ara-miaramila”. Avy eo tamin'ny Janoary 2021, nivadika ny famotsorana azy tao amin'ny fitsarana tamin'ny raharaha Gezi Park, ary nandritra ny fitsarana natao tamin'ny Febroary 2021, nanapa-kevitra ny fitsarana fa hanambatra ny fiampangana natao an'i Kavala tamin'ny raharaha Gezi Park sy ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2016, ka dia notohizana ny fitazonana azy. Nilaza ny mpisolovavan'i Kavala fa tantara foronina tsy misy porofo ny fiampangana. Nilaza ny fikambanana iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena ao Torkia fa misy ambadika politika ny fisamborana an'i Kavala.

Tamin'ny herintaona, tamin'ny tsingerintaona fahaefatra nisamborana an'i Kavala, voasaringotra tao anatin'ny tadio ara-diplaomatika i Torkia rehefa nanao sonia fanambaràna [16] momba ny fitazonana an'ilay mpanao asa soa ny masoivohon'ny firenena miisa 10. Ho setrin'ny fanambaràna voasonia dia nilaza ny filohan'i Torkia Recep Tayyip Erdoğan fa handroaka diplaomaty 10 [17] izy, anisan'izany ny fito amin'ireo mpiara-dia amin'i Torkia ao amin'ny OTAN sady mpiara-miombon'antoka lehibe ara-barotra. Nofaritan'ny filoham-pirenena ho toy ny “fahasahiana tafahoatra” ny fanambaràna ary nolazainy fa “persona non grata” ireo diplaomaty ireo. Saingy rehefa nanamafy ny fanoloran-tenany tamin'ny Andininy faha-41 ao amin'ny Dinan'i Vienne momba ny Fifandraisana ara-diplaomatika ireo mpanao sonia 10, manaiky ny fiandrianampirenena sy ny fahaleovantenan'i Torkia, dia voasoroka ny krizy.

Tamin'ny 12 Jolay, namoaka fanambaràna [18] i Osman Kavala nilazàny fa ny didy tamin'ny 11 Jolay dia “naneho mazava fa mbola mitohy ny fanao tsy manara-dalàna sy ny tsindry ara-politika eo amin'ny fitsarana ary ampiasaina amin'ny fomba an-tondromolotra noho ny antony ara-politika ny lalàna.”

Ny fanambaran'i #OsmanKavala momba ny didim-pitsaran'ny ECtHR vao haingana: “Mino aho fa ity fanapahan-kevitra ity dia hanome hery ireo mpikambana ao amin'ny fitsarana Tiorka izay manohy mihetsika araka ny lalàna na dia eo aza ny tsindry ara-politika.”

Nilaza [22] i Julia Hall, Tale lefitry ny fikarohana ao amin'ny biraon'ny Amnesty International any Eoropa tamin'ny fanambaràna iray navoakan'ny fikambanana tamin'ny 11 Jolay fa nanala baraka ny manampahefana ao Torkia ilay didim-pitsarana vao haingana. Mbola mampiharihary kokoa indray ny tsy fankatoavan'ny governemanta hanao ny andraikitra nofehezan'ny lalàna ny didy nivoaka androany. Ny fanohizan'i Torkia tsy hihetsika no mampitombo ny fijalian'i Osman Kavala sy ny ankohonany, “hoy i Hall, ary nampiany hoe,

Kavala’s case is emblematic of the clampdown on civil society and the rollback in human rights protections that affects everyone in Turkey. If Turkey persists in its stubborn refusal to release Osman Kavala, it will further debase itself as one of the Council of Europe’s founding members. The Council of Europe, its member states and the European Union must urge Turkey to finally free Osman Kavala and the many others detained in similar circumstances.

Ny raharaha Kavala no mariky ny fanampenam-bava ny fiarahamonim-pirenena sy fihemorana amin'ny fiarovana ny zon'olombelona izay misy fiantraikany amin'izay rehetra ao Torkia. Raha mbola miziriziry mandà hamotsotra an'i Osman Kavala i Tiorkia, dia vao mainka hanaratsy endrika ny tenany amin'ny maha-iray amin'ireo mpikambana mpanorina ny Vaomiera Eoropeana azy. Tsy maintsy mandrisika an'i Torkia ihany ny Vaomiera Eoropeana, ny firenena mpikambana ao aminy ary ny Vondrona Eoropeana hamotsotra an'i Osman Kavala sy ireo maro hafa voatazona amin'ny toe-javatra mitovy amin'izany.

Araka ny tatitry ny Deutsche Welle (DW), “mahalana ny fitsarana [ECtHR] no mibedy ankarihary fanjakana iray noho ny tsy fanatanterahana fanapahan-kevitra iray [23]. Satria ireo minisitra avy amin'ny Vaomiera Eoropeana (CoE) no namerina ny raharaha tany amin'ny fitsarana tamin'ny Febroary [24], ny fanapahan-kevitra amin'ny alatsinainy noho izany no fikisahan'ny CoE mankany amin'ny fampiatoana an'i Tiorkia amin'ny maha-mpikambana azy [25].”

Dia ahoana koa ny manaraka

Mitodika any amin'ny ECtHR izay tsy maintsy mandefa “ny fanapahan-keviny amin'ny fanombohana paika anenjehana an'i Tiorkia noho ny fanitsakitsahana alefa any amin'ny Komitin'ny Minisitra ao amin'ny Vaomiera Eoropeana ny maso rehetra ankehitriny. Amin’ny fivoriana voalohany no handinihan’ny komity ny dingana hirosoana noho ny fandikan-dalàna. Ny dingana, izay hitohy mankany amin'ny sazy, dia mety ho tonga any amin'ny fandroahana an'i Tiorkia tsy ho mpikambana, ”hoy tatitry [26] ny Gazety Duvar.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Gazete Duvar, nilaza [26] ny mpitsara ECtHR teo aloha Rıza Türmen hoe: “Hisy vokany ara-politika goavana ny fandroahana an'i Torkia tsy ho ao amin'ny Vaomiera Eoropeana. Voalohany, tapaka ny fifandraisany amin’ny Vondrona eoropeanina. Ho voahozongozona ny toeran'i Torkia eo anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny firenena demaokratika. Ho lasa fanjakana Afovoany Atsinanana tsy refesimandidy toa an'i Syria sy Iraka i Tiorkia. Tsy lazaina intsony ny voka-dratsy ara-toekarena.”

Andalana iray manan-danja avy amin'ny ekipa ara-pitsaran'i Osman Kavala dia ny didim-pitsarana androany avy amin'ny Fitsarana Eoropeana momba ny Zon'olombelona dia mitaky an'i Tiorkia hamotsotra avy hatrany an'i Mr Kavala sady hanafaka azy madiodio amin'ny fiampangana rehetra.

Nandritra izany fotoana izany, namoaka fanambaràna [29] ihany koa ny Minisiteran'ny Fitsarana manohitra amin'ny fanontaniana ny tsy fitongilanan'ny fitsarana Eoropeana amin'ny raharaha fanalàna an'i Tiorkia. “Tsy ny fitokisana sy ny lazan'ny ECtHR ihany no ho simba amin'ny firosoana amin'ny raharaha Kavala, fa hitombo koa ny adihevitra ampahibemaso momba ny tsy fitanilàna sy ny tsy fitongilanan'ny ECtHR mamely an'i Tiorkia,” hoy ny Minisitera tamin'ny fanambarana nivoaka tamin'ny 11 Jolay.

Efa nanaovana [30] paika fanenjehana noho ny fanitsakitsahana (lalàna) tahaka izao koa i Azerbaijan, izay mpikambana ao amin'ny Vaomiera Eoropeana, rehefa tsy namoaka an'Ilgar Mammadov, ilay mpikatroka ara-politika nogadraina ny fanjakana na dia teo aza ny didy navoakan'ny ECtHR. Tamin'ny fotoana nanagadrana an'i Mammadov tamin'ny taona 2014, hitan'ny ECtHR [30] “fa nitranga ny fisamborana sy ny fitazonana an'Andriamatoa Mammadov raha tsy nisy ny fiahiahiana ara-drariny fa nanao fandikan-dalàna izy, ary ny tena tanjon'ny fitsarana heloka bevava dia ny hanasazy azy noho ny fanakianany ny governemanta.” Vokatr'izany, tamin'ny Desambra 2017, niditra tamin'ny paika hanenjehana an'i Azerbaijan ny ECtHR. Tamin'ny Septambra 2020, nakaton'ny ECtHR ny raharaha fanitsakitsahana rehefa nofoanan'ny Fitsarana Tampon'i Azerbaijan ny fiampangana an'i Mammadov rehetra.