Jamaika “Tia Miravoravo”, nandositra ny fihibohana napetraky ny fanjakana ilay marary nitondra ny nendran-gidro tao aminy

Mikrôgrafia elektronika afaka mandoko ny viriosy nendran-gidro (miloko vonimboasary) eo amin'ny ivelan'ny sela VERO E6 (maitso). Sary nalaina tao amin'ny NIAID Integrated Research Facility (IRF) tao Fort Detrick, Maryland. Sary an'ny NIAID teo amin'ny Flickr, CC BY 2.0.

Tamin'ny 9 Jolay, telo andro taorian'ny nilazàna ilay tranga voalohany nitondra nendran-gidro tao Jamaika, nandositra ny fihibohana napetraky ny Fanjakana ilay marary, miaraka amin'ny tatitry ny Jamaica Gleaner, heverin'ny maro ho gazety ofisialy an'ny firenena, nanamarika fa teo am-baravarankely iray nisokatra no nandositra ilay lehilahy, toa hoe noho izy te-hisitraka ny fialantsasatrany.

Na izany aza, nolavin'ilay marary ireo fiampangana ireo ary nampangainy ho mandainga ireo tomponandraikitry ny fahasalamam-bahoaka ao Jamaika, ary nohamafisiny fa fantatr'izy ireo tsara ny amin'ny fifanarahana iray – izay lazainy fa nolavin-dry zareo – mba hahafahany mamita ny sisa fihibohany any an-tranony noho ilay zanany vavy kely dimy taona, izay niaraka taminy avy any Angletera, miaina fahorian-taina goavana noho ny fisarahana taminy :

Tao anaty tafatafa an-telefaona manokana niaraka tamin'ny Jamaica Observer, ilay teratany avy ao Clarendon izay nifindra monina tao Royaume-Uni dia nilaza fa diso ny fiampangàna azy ho nandositra ny hopitaly :

Tamin'ny herinandro lasa, nilaza ireo tomponandraikitry ny fahasalamana teo an-toerana fa voatily ho nitondra ny nendran-gidro izy.
pic.twitter.com/kVXQanZZjE

Mpampiasa Twitter iray nieritreritra fa :

Araka izany, noforonin'izy ireo izany ilay tantarany nitsambikina avy teo am-baravarankely mba hiarovan-dry zareo tena  satria ry zareo no namela azy handeha?

Nanamafy ihany koa ilay marary fa mbola tsy naharay porofo izy hatramin'izao milaza fa mitondra ny nendran-gidro. Hita ny nisy azy ny harivan'ny 9 Jolay ary nentina naverina tany amin'ny fihiboham-panjakana :

Fisamborana an'ilay lehilahy iray nandositra ny hopitaly May Pen miaraka tamin'ny Nendran🐒 Gidro pic.twitter.com/SWJ0cwhDbJ

Vantany vao nivaha ilay an-tsehatra, nandanjalanja ny mpampiasa media sosialy, niaraka tamin'ny ankamaroan'ny olona nampiseho ny tsy fahatokisany ny fihetsik'ilay lehilahy :

Bwoy JA mpifety lava!! Inona no eritreretiny?

Ny hafa nanantena ampahatsorana fa “tsy nisy ratsy nataony”. Nandritra izany fotoana izany, farafahakeliny, Jamaikana iray mpampiasa Twitter no nahatsapa fa tokony haverina any Angletera izy, raha toa ny iray hafa natahotra mikasika ny fiarovana an'ilay lehilahy :

Sanatriavo fa tsy any Angletera ny eto. Hazain'ny vahoaka io ary hovonoiny. Heveriko fa tsara fiarovana kokoa izy ao amin'ny hopitaly. Tsy COVID io, hita maso ny nendran-gidro.

Marobe no nanombana fa tsy maintsy havesatra kokoa  ny vokany fa tsy hoe ny famerenana fotsiny any amin'ny fihiboham-panjakana :

Ka vesatra toa inona no azony noho ny firotsahan'ny daholobe, ilay mpitondra fiara ihany koa sy ireo olona rehetra tany an-trano dia tokony nantsoina noho ny fampiantranoana mpitondra aretina. Atoka-monina daholo ny rehetra.

Mety iharan'ny sazy famonjana sy handoa onitra hatramin'ny 500 000 dolara Jamaikana [manodidina ny 3 325 dolara amerikana] ilay marary noho ny fandikàna ny lalàna mikasika ny Fihibohana ao amin'ny Firenena.

Nisy anefa ireo Jamaikana sasany izay nametra-panontaniana mikasika ny kalitaon'ny fitsaboana any amin'ny hopitalim-panjakana, tsy nametraka olana tamin'ilay eritreritra hoe fihibohana any an-trano :

Heveriko fa tsara kokoa ho azy ny mijanona any an-tranony. Na ho ela na ho haingana, rehefa hahazo an'io isika rehetra, ny fanapahan-kevintsika dia ny hijanona any an-trano, ratsy kokoa raha misy olona maty any amin'ny hopitaly.

Indraindray, na ireo mpanome tolotra ara-pahasalamana aza dia mety ho ratsy fanahy… indrindra indrindra amin'ny tranga iray  vaovao. Tsy ho gaga aho raha toa ka ratsy ny fitsaboana nataon'ny mpiasan'ny hopitaly azy. Na izany na tsy izany, manantena aho fa hihataka lavitra ny hafa izy ary ho sitrana tsy ho ela.

Nanana teôria ny iray hafa mikasika ny antony tsy nanarahana maso ilay marary :

Tsara kokoa ho anareo ny tsy miverina amin'ny lalàna DRMA. Maninona ny hopitaly no tsy niantso pôlisy hiambina an'io olona io? Hitako sahady ny playbook. Dia ho lazainareo indray fa malemy i unu ary hangataka amin'ny governemanta mba hamerina indray ny drma mba tsy ahafahana mivoaka amin'ny alina sy ho samborina tsy misy fampitandremana noho ny tsy fanaovana aro-vava-orona sy ny sisa. Tapitra.

Ny “lalàna DRMA” dia Lalàna Fitantanana ny Loza Voajanahary mitranga ao amin'ny firenena , ahafahan'ny governemanta manana fahefana hampihatra ny tsy fahafahana mivoaka amin'ny alina, matetika any amin'ireo vondrom-piarahamonina tsy nomena fahalalahana. Tanatin'ny dingana samihafa nandritra ny valanaretina COVID-19, nampiasaina ireny karazana tsy fahafahana mivoaka amin'ny alina ireny sy ny fihibohana.

Mandritra izany fotoana izany, nanome sosokevitra ity mpampiasa Twitter iray ity hoe :

Raha mihevitra ianao fa tsy misy afatsy tranga tokana ny Nendran-Gidro eto Jamaika… aza diso eritreritra.

Nampidiritra tao amin'ny rafitra fitsaboana sarambabem-bahoaka ilay marary tamin'ny 5 Jolay, taorian'ny nahatongavany tao Jamaika dimy andro talohan'izay, vanim-potoana izay nahafahany nifanerasera tamin'ireo namany sy fianakaviany. Ny Nendran-Gidro dia miparitaka amin'ny alalan'ny fifampikasohana akaiky, na avy amin'ireo biby voany, na avy amin'ny olona samy olona, saingy mbola tsy misy porofo amin'izao fotoana izao manamarina hoe misy olona iray hafa koa ao amin'ny Nosy tratr'ilay viriosy.

Mazava ho azy,  nampiasa vazivazy ny sasany mba hiatrehana ny zava-misy :

Toa hoe te-hamonjy karnavaly izy. Mitandrema isika pic.twitter.com/mL5asB80Ss

Ao anatin'ny fankalazana karnavaly fanaony isantaona i Jamaika ankehitriny, izay amin'ny ankapobeny mahasarika vahoaka marobe tia mifety.

Iray hafa, miresaka ny fomba nandehanan'ilay marary, nanao eson-teny hoe:

Izay no antony tokony hisafidiananao ny Alcor Windows sy ny Doors !! #Monkeypox #Jamaica pic.twitter.com/3t6aqPqNPq

Ireo vaovao diso, izay tsy maintsy nolavin'ny minisiteran'ny fahasalamana haingana dia haindana, dia tafiditra an-tsehatra ihany koa :

#VaovaoDiso Azafady, mariho fa ity fampitam-baovao an-gazety aparitaka eo amin'ny tambajotra sosialy ity dia TSY avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana sy ny Fahasambarana velively akory. @christufton @julietcuthbert pic.twitter.com/OWyc2Hb3jd

Ny fanontaniana manahirana ny rehetra izao, na izany aza, dia ny hahalalana hoe karazana fepetra toa inona no napetraka hiarovana ny vahoaka sy tsy hiverenan'izany karazana fandikan-dàlana izany intsony?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.