- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo fampiantsoan'ny polisy ireo Mpahay lalàna Malayziana nanao ny ‘diaben'ny fahalalahana ara-pitsarana’

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Lawyers during the ‘walk for judicial independence.’ Photo [1] from the Twitter post of Malaysian Bar.

Nampanantsoin'ny polisy ireo mpitarika ny Filankevitry ny Mpisolovava Maleziana noho ny andraikiny tamin'ny fikarakarana ny “diabe ho amin'ny fahaleovantenan'ny fitsarana [2]”.

Tamin'ny 17 Jona, mpisolovava manodidina ny 500 no nivory teo akaikin'ny Parlemanta hanatitra taratasy ho an'ny Praiminisitra momba ny fitandroana ny fahaleovantenan'ny fitsarana. Naneho ny ahiahiny momba ny fihetsiky ny Vaomiera misahana ny ady amin'ny kolikoly Maleziana (MACC) ilay taratasy izay nampahafantatra ny vahoaka tamin'ny alalan'ny haino aman-jery fa manao fanadihadiana [3] ny mpitsaran'ny Fitsarana Ambony Nazlan Mohd Ghazali noho ny fananana vola “tsy fantatra” — iray tapitrisa ringgit (227.160). USD) — ao amin'ny kaontiny any amin'ny banky.

Nohazavaina tao amin’io taratasy io fa tsy diso ny manao famotorana ny mpitsara, saingy tsy tokony hanohintohina ny fahaleovantenan’ny fitsarana izany [4].

…we firmly maintain that any investigation … ought to be conducted without eroding judicial independence and public confidence in the existence of an independent Judiciary that will uphold justice in the process of administering justice.

…manamafy mihitsy izahay fa ny famotorana rehetra … dia tokony hatao raha tsy manimba ny fahaleovantenan'ny fitsarana sy ny fahatokisan'ny vahoaka amin'ny fisian'ny Fitsarana mahaleotena izay hanandratra ny rariny eo amin'ny fanatanterahana ny fitsarana.

Nanameloka ny MACC noho ny fomba nanambaràny ny famotorana nataony ilay Filankevitra.

…the unprecedented manner in which the MACC has publicly announced the commencement of the criminal investigation of a Superior Court Judge and disclosed the name of the judge to the public, for an indefinite period and without any proper decision or closure, which is tantamount to an act of intimidation against the Judiciary.

… ny fomba tsy mbola nisy hatrizay nanambaràn'ny MACC ampahibemaso ny fanombohan'ny famotorana heloka bevava ataon'ny Mpitsara iray ao amin'ny Fitsarana Ambony sy ny namoahana ny anaran'ny mpitsara tamin'ny besinimaro, mandritra ny fotoana tsy voafetra ary tsy misy fanapahan-kevitra mazava na fanakatonana araka ny tokony ho izy, ka mitovy amin'ny fanenjehana na fampitahorana ny Rafi-Pitsarana.

Iray amin'ireo mpitsara nahita ny mahameloka ny Praiminisitra teo aloha Datuk Seri Najib Razak [5] tamin'ny fanodikodinana vola io Mpitsara Ambony io. Misy mihevitra fa mety manandrana “mampitahotra” ireo mpitsara hafa izay misahana raharaha avo lenta ihany koa ny MACC.

Izahay Mpisolovavan'i Malacca tao amin'ny #W4JI [6] androany. Na dia nosakanana aza izahay tsy handeha ho any amin'ny Parlemanta, dia natolotra soa aman-tsara tamin'i YB Mas Ermieyati izay nanaiky izany tamin'ny anaran'ny PM ny Memorandum. Nihaona tamin'ireo mpikambana (avy any) Perlis, Penang, Ipoh, Selangor, KL, N9 & Johor!

Nandritra ny fihetsiketsehana, nanao sakana [9] ny polisy tsy handehanan'ireo mpisolovava ho any amin'ny tranoben'ny Parlemanta.

Nosakanan’ny polisy ny diabe. Efa mandeha ny fifampidinihana.

Nitsahatra ny fifampiraharahana taorian'ny nanizingizinan'ny polisy fa mpisolovava 20 ihany no avela manatona ny Parlemanta hanolotra ilay taratasy. Nifarana am-pilaminana ny hetsi-panoherana taorian'ny nahatongavan'ny Lefitry ny Minisitry ny Lalàna Mas Ermieyati Samsudin [12] teo amin'ny fivorivoriana handray ny taratasy, ary nanaiky ny hanolotra izany ho an'ny Praiminisitra Ismail Sabri Yaakob [13] sy ny minisitry ny Lalàna Wan Junaidi Tuanku Jaafar [14].

Ny ampitson'ny fihetsiketsehana, nilaza ny polisy fa manao famotorana ireo mpikarakara ny fihetsiketsehana [15] izy ireo noho ny mety ho fandikana ny Lalànan'ny Fahafaha-Mivory am-pilaminana nivoaka tamin'ny taona 2012 sy ny Fitsipiky ny Fisorohana sy Fanaraha-maso ny areti-mifindra (Fepetra ao anatin'ny Faritra Tratran'ny Aretina) (Drafi-panaritam-Pirenena) 2022.

Tamin'ny 24 Jona, nampanantsoin [16]‘ny polisy ireo Mpitarika ny Filankevitry ny Mpisolovava Maleziana saingy tsy nety nanao fanambaràna izy ireo [17] mandra-piandry ny famoahana ny (Fitorian'ny) manampahefana. Kianin'ny vondrona ihany koa ny fampiantsoan'ny polisy [18]:

What was intended to be a walk for judicial independence and upholding the doctrine of separation of powers, ended up becoming an unwarranted and inexplicable display of state power and intimidation by the (police).

The actions of the police have set a bad example for the citizenry, as it conveys the message that citizens are not free to exercise their constitutional rights even when they comply with the law, and that a law enforcement agency can and will act with impunity and unlawfully, just because they are in a position of power to do so.

Ny nokendrena ho diaben'ny fahaleovantena ara-pitsarana sy fitandroana ny fisaraham-pahefana, no niafara tamin’ny fampisehoan-kery sy fahefana sy fampitahoran'ny (polisy) tsy ara-drariny sy tsy hay hazavaina.

Ohatra ratsy ho an’ny olom-pirenena ny fihetsiky ny polisy, satria mampita ny hafatra fa tsy afaka mampiasa ny zony araka ny lalàmpanorenana ny olom-pirenena na dia manaja ny lalàna aza, ary afaka sy hanao zavatra tsy ara-dalàna tsy misy sazy ny mpampihatra lalàna, satria manana fahefana ny hanao izany ry zareo.

Raha nanontanian'ny fampahalalam-baovao momba ity raharaha ity ny Praiminisitra Datuk Seri Ismail Sabri Yaakob dia namaly [19] tsy nanonona sampan-draharaha na manampahefana:

There is no need for them (enforcement agencies) to announce who is involved … telling the media about the investigation.

I do not see anything wrong about investigating judges implicated in criminal wrongdoings. We are not saying a crime has been committed, as it is only at the investigation stage.

Tsy ilaina ny itenenan-dry zareo (sampana mpampihatra lalàna) izay voarohirohy … milaza amin’ny fampitam-baovao momba ny famotorana.

Tsy hitako izay hadisoana amin'ny famotorana ireo mpitsara voarohirohy amin'ny heloka bevava. Tsy milaza izahay fa nisy heloka bevava natao, satria mbola dingan'ny famotorana izao.

Noraisin'ny vondrona fiarahamonim-pirenena CIVICUS ho ohatra amin'ny fitotongan'ny sehatra ho amin'ny fanabeazana mahaolompirenena [20] ao Malayzia ilay zava-nitranga:

Despite its membership of the Human Rights Council, the government continues to fall short on its human rights protections at home. The government’s continuous clampdown on activists and critical voices undermines the pledges it made to promote and protect human rights while seeking election to the Human Rights Council.

Na dia eo aza ny maha-mpikambana azy ao amin'ny Filankevitry ny Zon'Olombelona, ​​dia mbola tsy hain'ny governemanta hatrany ny fiarovana ny zon'olombelona ato an-tanindrazana. Manamaloka ny toky nataon'ny governemanta hampiroboroboana sy hiarovana ny zon'olombelona fony nikatsaka ny hofidiana ho ao amin'ny Filankevitry ny Zon'olombelona ny famoretana tsy an-kijanona ataony amin'ireo mpikatroka sy ny feo mitsikera.

Jereo ity horonantsary ity [21] raha te hahalala bebe kokoa momba ny “dian'ny fahaleovantena ara-pitsarana.”