- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Undertones : Misy famitahana ve tanatin'ireo fitantarana ny fanilihana mpanjanaka tao Mali?

Sokajy: Afrika Mainty, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Frantsa, Mali, Rosia, Mediam-bahoaka, Civic Media Observatory, Country Monitor Observatory 2021-2022

Sary nataon'ny Global Voices ho fanaingoana.

[Raha tsy asiana fanamarihana dia mitondra mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra]

Ity lahasoratra ity dia ampahany amin'ny Undertones, taratasim-baovao an'ny Civic Media Observatory (fanarahamaso ny media sivily) ato amin'ny Global Voices. Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny iraka tontosainay [1], ny fomba firosonay [2] ary ireo angondrakitra azo idirana [3], misorata anarana [4] amin'ny Undertones.

Miaina ny adin'ny fampahalalambaovao i Mali, ady mametraka ireo fitantaràna manohitra ny fanjanahana ho eny amin'ny loha-laharana. Ny fitondran'ny tafika ao an-toerana – izay nanongotra an'i Ibrahim Boubacar Keïta tamin'ny 2020, ilay filoha niha-nangidy hoditra tamin'ny vahoaka – dia manilika ny ratsy rehetra tao Mali ho any amin'ilay hery nanjanaka azy fahiny, i Frantsa. Eny anelanelany eny, nahazo tanjaka any anatin'ireo fitantaràna sy eo amin'ny firenena ireo Rosiàna mpikarama an'ady.

Vao andian-taranaka roa monja no niaina ny tantaram-panjanahana tao Mali. Tamin'ny 1960, nahazo ny fahaleovantenany tamin'i Frantsa i Mali, izay naka ny fifehezana ny faritra tany amin'ny faran'ny taonjato faha-19, nandritra ny nolazaina hoe « firohotana ho any Afrika [5] » [fr] nataon'i Eorôpa. Nandritra ireo taonjato teo aloha dia tao anatin'ireo ampira telo goavana mpanankarena ao Afrika Andrefana i Mali, izay nifehy ny fifampiraharahàna ara-barotra namakivaky an'i Saharà tamin'ny resaka varotra volamena, sira ary vokatra hafa fampiasa andavanandro. Ankehitriny, i Mali no iray amin'ireo voalohany mpamokatra volamena ao Afrika.

Tamin'i 2013 i Frantsa no niditra tao an-toerana noho ny fangatahan'i Bamako, renivohitra, fony Mali nandalo andianm-korontana pôlitika sy fandrahonan'ireo mpampihorohoro [6]. Nandritra ny taona marobe, nifandrotehan'ireo vondrona mpihoko isankarazany ny faritra avaratr'i Mali. Fotoana fohy taorian'ny nahatongavan-dry zareo, vitan'ireo miaramila frantsay ny naka indray ireo tanàna telo teo an-tànan'ireo mpanao an-tendrony ary, tamin'ny Febroary 2013, nitsidika an'i Mali ny filoha frantsay, François Hollande, izay noraisina toy ny fandray mahery fo.

Na tsy azo ahilika aza ny hoe antony nanosika an'i Frantsa ny fiarovany ny tombontsoany [7] any amin'ireo fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy ny nokleary ao amin'ilay faritra, ho an'ireo marobe mpanaramaso [8] [fr], tena nanampy tokoa tamin'ny fakàna indray ireo faritany teo an-tanan'ireo vondrona mpihoko ny tafika frantsay, na dia tsy tonga tamin'ny tena fandresena tanteraka aza. Ankehitriny, marobe ireo zazalahy maliàna no mitondra anarana hoe François [9] ho fanomezana voninahitra ilay filoha frantsay taloha, François Hollande, araka ireo loharano sasantsasany.

Na izany aza, ny governemata miaramila mpisolo toerana dia manamafy [10] fa i Frantsa dia niray tsikombaomba tamin'ireo vondrona mpihoko, izay nitondra tamin'ny fihitaran'izy ireny. Mety hiharan'ny fampijaliana ara-batana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety ary ireo mpikatroka manana hevitra manohitra. Teo anelanelan'ny 2021 sy 2022, very toerana 12 i Mali [11] [fr] tao anatin'ny fandaharana momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety nataon'ny MpitatiBaovao Tsy Voafetran-tSisintany (RSF). Noho ny fihenjanan'ny toerana raisin'ny fitondrana miaramila, « mihamaro ireo “fomba fitondra noho ny fitiavan-tanindrazana” atao amin'ny vaovao», hoy ny RSF. Marobe ireo mpanao gazety nanjavona [12] sy « mararin'ny tahotra [13] ». Sarotra be ny mamantatra ireo hery maro rantsana miafina ambadik'ireo tetikady fandemena.

Nolavin'ny fitondrana miaramila ny hampiantso fifidianana tamin'ny fiandohan'ny 2021 ary nambarany ny fisian'ny tetezamita mandritra ny dimy taona, nifandona araka izany tamin'ny Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest (CEDEAO) – fiombonambe ara-toekaren'ireo firenena ao Afrika Andrefana- , izay nametraka ankivy ara-toekarena [14] amin'i Mali. Tsy ankatoavin'i Frantsa ilay fitondrana miaramila ary ny Maliàna sasany indray nanao fihetsiketsehana nanoherana ny fisian'ireo miaramila frantsay, indrindra fa tao Bamako. Tamin'ny Febroary 2022, nangatahana handao [15] ny firenena ireo andian-tafika frantsay, tao anatin'ireo fitantaràna mivaivay manohitra ny mpanjanaka. Tamin'ny May, notapahan'ireo manampahefana maliàna ny fifandraisana ara-tafika [16] tamin'i Frantsa. Any amin'ireo faritra ambanivohitra ao avaratra, izay somary tany lavitra andriana, toa an'i Ménaka, atahoran'ny [17] [fr] mponina ny hoe hamela banga hanjakan'ny djihadista ny fialàn'ireo Frantsay.

Ho an'ireo Maliàna mpikaroka, ny fanantitranterana be nataon'ny governemanta tamin'ny fisian'i Frantsa, fa tsy ny demaokrasia mikororosy fahana ao amin'ny firenena, “dia fitapitaky ny resabe fanilihana mpanjanaka».

Tao amin'ny Facebook, ary nanoloana ireo mpanjohy efa an'aliny maro, ilay mpikatroka, Kemi Seba [18], dia nitondra ny fanohanany an'ireo manampahefana maliàna tamin'ny fanapahankevitr'izy ireo handroaka an'i Joël Meyer masoivohon'i Frantsa, tamin'ny fanamafisana fa “imperialista izy iny, mpankahala mainty hoditra ary mpomba ny mpanao fampihorohoroana ». Antsoiny ihany koa ireo firenena hafa mba hanaraka ny dian'i Mali. Ho an'ireo mpikaroka eto amintsika, io lahatsary io dia voakilasy ho  « -1 » ao anatin'ny fàfana fanjohiana ny fiantraika eny amin'ny olompirenena, navoakan'ny Observatoire, satria izy no itarafana ny fahatsapana midadasika eny anivon'ny vahoaka, saingy manala baràka ilay masoivoho frantsay ihany koa. Ing. Seba dia mikolokolo fifandraisana akaiky amin'ireo manampahefana maliàna sy rosiàna. Ing. Seba dia nihaona [19] imasom-bahoaka tamin'ny lehiben'ireo tafika mpanongam-panjakana, ny kôlônely Assimi Goïta, tamin'ny May lasa teo ary nandeha nivahiny tany [20] [fr] Maosko mba hihaona tamin'ireo manamhefana rosiàna, fotoana fohy taorian'ny nipoahan'ny ady tao Okraina. Vakio ato [21] ny famakafakàna feno [fr].

[22]

KEMI SEBA: « TAKIAN'I MALI 🇲🇱 NY FIALAN'NY MASOIVOHO FRANTSAY 🇫🇷 JOEL MEYER. ANDRIAMANITRA ANIE HITAHY AN'I MALI. »

Mbola tao amin'ny Facebook ihany, ilay pejy mpomba ny fitondrana miaramila «Farafina Authorite Krymo» no nizara ilay vaovao tsy voamarina hoe voasambotry ny tafika maliàna ny iray tamin'ireo mpitarika ambony ao amin'ny djihadista, Amadou Koufa [23]. Ny fahasamborana azy, na ny fahafatesany, dia efa nambara fahatany ihany koa tany aloha tany, ary efa mahazatra izany raha momba ireo mpitarika ny djihadista. Namafy vaovao diso ilay lahatsoratra mba hampiroboroboana ny fitondrana miaramila, izay ny lazany dia miankina amin'ny fandresena manoloana ireo vondrona mpanao fampihorohoroana sy mpisintaka. Vakio ato [24] ny fanadihadiana feno.

[25]Araka ny loharanom-baovao maro, voasambotry ny miaramila maliàna tao amin'ny tanàna iray ao amin'ny faritr'i Mopti i Amadou Kouffa [sic] (Mbola mila hamarinina)

Tao amin'ny Twitter, ny olona iray nilaza tena ho miaramila maliàna fahiny dia niampanga ny tafika frantsay, miaraka amina sary sy tarehimarika, ho namono sivily maro ary nandevina azy ireny anaty fasana itambarambe, talohan'ny nandaozan'izy ireo ny tobiny tao Gossi. An-jatony mahery ireo olona naneho hevitra tamin'ilay bitsika, marobe no niampanga ny « Groupe Wagner » misy ireo Rosiàna mpikarama an'ady ho nikononkonona ilay fandripahana. Hatreo, nofafàna ilay kaonty. Nokilasiana ho faha “-3″ io teboka io, ny isa farany ambany indrindra fanomen'ny Observatoire ho an'ny fanelezana vaovao diso manana lanja mavesatra eny anivon'ny daholobe. Ato ny fandalinana feno [26].

Ny Groupe Wagner [27] [fr] dia, araka ireo famaritana samihafa, vondrona rosiàna iray tsy miankina ary tsy ara-panjakana ahitàna mpikarama an'ady, mpiambina sivily na ivelan'ny tafika, mifandray amin'ireo manampahefana rosiàna, nahazo ny lazany iraisampirenena tao Okraina tamin'ny 2014. Tao Afrika, ny hetsika nahatafiditra azy ireo dia ny tao Libia [28] [fr], ny Repoblika Afrika-Afovoany [29]ary  Mali, izay toa hoe nanofana [30] ny tafika maliàna ireo miaramilany no sady nampiely araka izany ny dindon'i Rosia tao amin'ny faritra. Ny Groupe Wagner dia toa hoe voarohirohy tamina fanitsakitsahana zon'olombelona marobe, indrindra fa ilay vonomoka vao haingana tao Moura [31], vohitra iray ao afovoan'i Mali. Ny dindo tsy mitsaha-mitombo ananan'i Rosia ao amin'ny faritra dia nanampy tamin'ny fanimbàna nisinisy kokoa ny fifandraisan'i Frantsa tamin'i Mali.

Ny ampitson'ilay bitsika malaza niampangàna an'i Frantsa ho nanao ny vonomoka tao Gossi, dia namaly bontana ny miaramila frantsay tamin'ny fizaràna ireo sary avy amin'ny fanarahamaso ny toby famaharana tao Gossi. Nizara sary marobe ny mpanao gazety iray avy amin'ny France24, toa hoe mampiseho ireo Rosiàna mpikarama an'ady eo am-pandevenana razana. Ny resaka tsy loabody dia hoe namono olona ireo olon'ny Groupe Wagner – izay angamba sivily – ary miezaka ny manilika izany ho andraikitry ny tafika frantsay. Ny ankamaroan'ireo mpaneho hevitra dia manamafy fa i Frantsa dia nanely sary diso. Jereo ato [32] ny fandalinana feno. [32]

Ao anatin'izany fitantaràna mifanipaka izany, ny feo sasantsasany avy amin'ny mpanohitra dia manakiana ny fitondrana miaramila maliàna. Indrindra indrindra, manana andraikitra goavana be ireo mpitarika fivavahana mba hanefy ny fomba fijerin'ny vahoka. 

Tamin'ny Martsa 2022, ny imam Mahmoud Dicko [33] dia nanakiana mafy dia mafy ny fitondrana miaramila – na tsy notononiny mivantana aza – tamin'ny fanambaràna fa «nanapaka hevitra izy hivoaka amin'ny fahanginany, satria olona mpamadika sy tsy marina no mitantana ny firenena». Tany aloha tany ny imam Dicko dia nijoro nanohitra ireo fitondrana demaokratika izay niongana taty aoriana.

Ilay lahatsarin'ny imam Dicko dia nozarain'i Diawoye Diaby, Maliàna iray mpamoaka lahatsary maro sy vaovao avy amin'ireo mpampahalala vaovao hafa. Efa nahazoany jery mihoatra ny iray tapitrisa ary fanehoankevitra mihoatra ny 4.000. Ao anatin'ny fàfana fanarahanay maso, io teboka io dia voakilasy ho “+1″ satria nandray anjara tamin'ny fanatsaràna ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny habaky ny fifanakalozana hevitra. Vakio ato [34] ny fandalinana feno.