Mizaha ny fahamarinana ao amin'ny kabarim-panokafan'ny Filohan'i Filipina Ferdinand Marcos Jr.

Philippine President Ferdinand Marcos Jr. delivering his inaugural address on June 30.

Filohan'i Filipina Ferdinand Marcos Jr. nanao ny kabary fanokanana tamin'ny 30 jona. Sary tamin'ny pejy Facebook Fifandraisan'ny prezidansa (Governemantan'i Filipina)

Nahita lainga sy fanambarana tsy marina ny vondrona media maromaro tamin'ny kabary fanokanana ny filoha Filipiana Ferdinand Marcos Jr. izay nataony teo anoloan'ny National Museum ao Manila nandritra ny lanonana fanokanana azy.

Nambara ho filoha i Marcos tamin'ny 30 Jona, na dia teo aza ny fiampangana ny tsy fanarahan-dalàna [mg] izay nanimba ny fifidianana nasionaly sy ireo fifidianana isan-toerana tamin'ny 9 May.

Nisy ihany koa ny fisalasalana tamin'ny fahafahan'i Marcos mirotsaka noho izy voaheloka ho nanao heloka bevava tamin'ny fandosirana tsy handoa hetra.

Zanakalahin'ny mpanao didy jadona efa nodimandry Ferdinand Marcos nitondra nandritra ny roapolo taona mahery sady mitovy anarana aminy mandra-pandroahana azy tamin'ny fikomiam-bahoaka am-pilaminana tamin'ny taona 1986 i Marcos. Voampanga ho nandroba vola an'arivony tapitrisa dolara tao amin'ny tahirim-bolam-pirenena ny fianakaviana Marcos tamin'izy ireo teo amin'ny fitondrana. Mbola mandà hatrany [mg] ry zareo fa nisy fihoaram-pahefana nandritra ireo taona nisian'ny Lalàna Miaramila tao Filipina.

Mihevitra ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa nampiasa ireo harena azo tamin'ny fomba tsy mendrika ry Marcos nandritra ny telopolo taona mba hahazoana indray ny fahefana ara-politika tamin'ny alalan'ny fanaparitahana fitantarana diso momba ny didy jadona. Hita ao amin'ny YouTube, Facebook, TikTok ary ireo sehatra media sosialy hafa ireo lainga ireo ka nahafahan-dry Marcos nanadio ny fitondrany feno herisetra sy nikosoka ireo anjara toerany tamin'ny fanimbana ny toekaren'ny firenena sy ny demaokrasia.

Mampiseho ny maha-zava-dehibe ny fandisoam-baovao nahombiazany tamin'ny fifidianana ny kabary fanokanana nataon'i Marcos, satria nahitana lainga sy filazana mamitaka maro ny kabariny.

Voalohany, nilaza i Marcos fa nahazo ny fahefana lehibe indrindra amin'ny fifidianana izy teo amin'ny tantaran'ny demaokrasian'i Filipina. Nanazava i Vera Files, mpijery ny fahamarinam-baovao tsy miankina,  fa “raha nahazo vato be indrindra teo amin'ny tantaran'ny fifidianana Filipiana i Marcos Jr., dia any amin'ny laharana fahatelo kosa izy raha resaka fandresena tamin'ny elanelam-bato.”

Faharoa, notanisain'i Marcos ho anisan'ny zava-bitany ny fananganana milina fitotoana avy amin'ny herin'ny rivotra any amin'ny faritany niaviany.

“Mihodikodina ambonin'ny dongom-pasika ao Ilocos Norte ny helisy, manangona hery manodidina nefa tsy hita, ela be talohan'ity andro ity. Izaho no nanorina azy ireo.”

Nosokajiana ho diso izany satria orinasa tsy miankina no nanangana ireo milina mpanangona angovo avy amin'ny rivotra ireo.

“Izaho no nanangana ireo,” hoy ny Filoha Bongbong momba ny milina mpanangon'angovo avy amin'ny rivotra ao Ilocos Norte.

Naoty: DISO.

Tsy nisy na iray aza tamin'ireo fitotoam-boa tao Ilocos Norte novolavolaina na novatsian'i Marcos Jr.#FactsFirstPH

Nanamarika ny Baguio Chronicle, vondrona fampahalalam-baovao ao an-toerana, fa naverimberina nandritra ny fanentanam-pifidianana io filazana diso io.

Even before the presidential elections, the Marcos family have appropriated projects and infrastructure enterprises in the attempt to rebrand their name and image in their decades-long disinformation propaganda campaign.

Na dia talohan'ny fifidianana filoham-pirenena aza, ny fianakaviana Marcos no naka ireo tetikasa sy orinasam-potodrafitrasan'olona ho amin'ny anarany mba hanatsarana ny anarany sy ny endriny mandritra ny fanentanam-pifidianana feno fandisoam-baovao ampolony taona maro.

Fanambaràna mamitaka iray hafa nataon'i Marcos ny filazana fa “mbola mila foronina ny teknolojia tsy mila solika fôsily ho an'ny toekarena manontolo” ary “tsy mbola nezahan'ny firenena manankarena izany”. Nilaza ny Rappler, orinasam-baovao iray, fa marina ampahany izany satria “naneho ohatra ara-pandrosoana amin'ny fiatrehana ny etona avy amin'ny famokarana angovo” ny toekarena mandroso toa an'i Soeda, Norvezy, Danemark, Soisa ary Aotrisy.

Araka ny efa nampoizina, nanome voninahitra ny rainy i Marcos tamin'ny filazana fa tamin'ny fotoan'androny ihany no nahazoan'i Filipina ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

“Mitaky fifantohana maika ny anjara toeran'ny fambolena ka mitaky ankehitriny ny tsy firaharahiana sy ny fahadisoan-dalana. Samy nanao fampanantenana goavana amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo avokoa ny fitondrana mifandimby. Tsy nisy afa-tsy iray ihany no nanatontosa izany, ”hoy i Marcos.

Mailaka ny mpahay toekarena sy ny mampianatra ambony hafa namaky bantsilana ity fanodinkodinana ara-tantara ity satria tao anaty krizy mafy ny toekaren'ny firenena nandritra ilay antsoina fa “vanim-potoana volamena” tamin'ny fitondran'i Marcos. Namintina ny valintenin'ireo mpitsikera ny Rappler:

No administration has achieved total food self-sufficiency, which is defined as a country’s ability to produce consumption needs, like staple food crops, rather than buying and importing. Marcos’ 20-year rule brought famine, higher poverty rates, and inflation reaching 50%, all of which are additional measures of a country’s capacity for food self-sufficiency.

Tsy nisy fitondrana nahavita ny fizakan-tena ara-tsakafo mihitsy, izay mamaritra ho fahafahan'ny firenena iray mamokatra (manontolo ny) filàna fanjifana (ao aminy), toy ny voly sakafo fototra, fa tsy mividy sy manafatra. Ny fitondran'i Marcos nandritra ny 20 taona dia nitondra mosary, taham-pahantrana ambony kokoa, ary ny fisondrotry ny vidim-piainana nahatratra 50%, ary izany rehetra izany dia fepetra fanampiny amin'ny fahafahan'ny firenena iray hahavita fizakantena ara-tsakafo.

Tsy ny kabary ihany no mirakitra lainga. Lahatsary niely haingana nataon'ny mpanohana an'i Marcos iray no nilaza fa nidera ny kabarin'ny filoha ny Printsy Charles, mpandova ny seza fiandrianana Anglisy.

Nampitandrina ny Foiben'ny Kiadin'ny Fahalalahana sy ny Andraikitry ny Fampahalalam-baovao fa mety ho lasa fenitra ao anatin'ny fitondran'i Marcos ao anatin'ny enin-taona ny fandisoam-baovao:

The inaugural speech raises concerns over how facts shall be regarded in the next six years. The eloquence in delivery and political speech craft are tools used by politicians to distract from the falsehood of their words. This early, the media should develop the habit of checking the lies that may be issued from the presidential podium.

Mampanahy ny amin'ny fomba hijerena ny zava-misy ao anatin'ny enin-taona manaraka ilay kabary fanokafana. Ny fahaiza-miteny amin'ny kabary politika no fitaovana ampiasain'ny mpanao politika mba hidifiana amin'ny fihatsambelatsihin'ny teniny. Dieny ety ampanombohana ny haino aman-jery dia tokony hanana fahazarana (manaporofo) ny lainga mety hivoaka avy eny amin'ny lampihazon'ny filoham-pirenena.

Human rights groups held a protest demanding justice and accountability during the same day when Marcos delivered his inaugural speech.

Vondrona mpandala ny zon'olombelona nanatontosa hetsika mitaky ny rariny sy ny tamberin'andraikitra nandritra ny andro nanaovan'i Marcos ny kabarim-panokafana. Photo avy amin'ny pejy Facebook fiaraha-mientan'ny sokajin'asa maro BAYAN

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.