- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola mitohy mihafisaka ve ny soritra? ambana hisian'ny fitomboan'ny fitondrana jadona nomerika aorian'ny COVID-19

Sokajy: Fanoherana, Mediam-bahoaka, Unfreedom Monitor

Sary an'i Etienne Girardet [1], nampiasàna niaraka lisansa Unsplash [2]

Namporisika ireo fanjakàna hampiasa fitaovana nomerika ny valanaretina koronaviriosy mba hanaraha-maso ny fihanaky ny viriosy sy hanaraha-maso ireo angon-drakitra momba ny fahasalamam-bahoaka. Vetivety foana ny fanitarana ny fidirana sy ny fanarahamason'ny fanjakàna ny sehatra nomerika dia lasa zavamahazatra vaovao, tsy dia misy fanoherana firy noho ny tebiteby mifandraika amin'ny valanaretina. Na dia tetika iray natao “hanafisahana ny soritra” aza ilay fanitarana, dia mitondra loza amin'ny hisian'ny fitondrana jadona nomerika izany ankehitriny satria mbola mikiribiby ireo governemanta hanohy hanalalina kokoa ny fahafahan'izy ireo hanao ny fanarahamaso nomerika.

Iray amin'ireo ambana mitranga atrehintsika ankehitriny ny fanarahamaso ara-teknolojika ataon'ny Fanjakana. Na toa inona na toa inona karazana fitondrana, dia nampiasa karazana fitaovana fanarahamaso maro izy ireo nandritra ny valanaretina. Ohatra amin'izany, ny departamantan'ny mpitandro ny filaminana amin'ireo toerana marobe, toa an'i Kalifôrnia, Flôrida ary New Jersey, dia mampiasa drôna hijerena ireo olona sy hampitandremana azy ireo hanaraka ny fitsipika manisy elanelana rehefa ilaina izany [3]. Nandefa [4] ny HaMagen (The Shield), fampiharana fitadiavana ireo nifaneraseràna ihany koa ny governemanta Israeliana, mba hanaraha-maso raha toa ka nifanerasera na tsia tamin'ireo olona voatily ho mitondra ny viriosy COVID-19 ireo mpampiasa azy. Raha lasa mpampiasa amin'ny nahim-pony ireo teknolojia ireo ny olom-pirenena noho ny fahasalamany, dia nanokatra tsy nahy ny varavarana mankamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona amin'ny hoavy izy ireo.

Ny tena hevi-dehibe tamin'ny fampitomboana ny fanarahamaso ataon'ny Fanjakana dia ny fiadiana amim-pahombiazana amin'ny valanaretina mba hanavotana ny ain'ny olona. Na izany aza, tsy mazoto hiala amin'ireny fitaovana nomerika ireny ny fanjakana, na dia efa manakaiky aza ny fiafaràn'ny valanaretina. Raha tokony ho izay no natao, tapa-kevitra izay ireo hampiasa ny resaka fiarovam-pirenena na fiomanana amin'ny valanaretina manaraka ho antony hiarovany ny fahafahany manara-maso. Eo anoloan'ny fitomboan'ny fanarahamaso ataon'ny fanjakana anefa, dia tokony hiady hevitra lalina isika momba ny ambana hisian'ny fitondrana jadona nomerika sy ny mety ho fampiasana ny teknolojian'ny  fanarahamaso hanitsakitsahana ny fiainana manokana, hampanginana ny mpanohitra ara-politika sy hanaovana tsindrihazolena ny vitsy an'isa. Ohatra, ny teknolojia avolenta izay ahitana an'ireo fakantsary fanarahamaso ampiasain'i Kôrea Atsimo, ny finday mitahiry ireo angon-drakitra momba ny toerana misy ny tena, ary ny fividianana amin'ny alalan'ny karatra fahanana dia manatsinkafona [5] ny mombamomba manokana ireo mpanjifany, anisan'izany ny zom-pireneny. Niteraka ahiahy mikasika ny fiainana manokana izany, indrindra ho an'ireo vitsy an'isa ara-poko, ary nanipika ny ambana mety hisian'ny fametrahana sarintany ara-poko sy fanavakavahana amin'ny alàlan'ny teknolojia.

Tamin'ny taona 2020, namoaka fanambaràna [6] iray mikasika ny fiantraikan'ny valanaretina tamin'ny fiainana manokana ireo manampahaizana ao amin'ny Firenena Mikambana, mampitandrina fa tsy ody faty amin'ny COVID-19 “ny fanarahamaso miely patrana “. Araka ny voalazan'ilay fanambaràna, ny fampiasana midadasika ny teknolojia fanarahamaso an'ireo olona nifaneraserana nandritra ny valanaretina dia nanokatra làlana ho an'ny fanarahamaso iray tsy voafehy tany amin'ireo firenena maro, izay ambaran'ilay tahirin-kevitra fa firehana mampiahiahy. Tsipihan'ilay fanambaràn'ny Firenena Mikambana ihany koa ny filàna ireo famerana araka ny lalàna mba hiantohana ny fampiasan'ireo fanjakana ny teknolojia fanarahamaso mifanaraka amin'ny toe-javatra misy amin'ny valanaretina, tamin'ireto teny ireto : “Raha manapaka hevitra ny Fanjakana fa ilaina ny fanarahamaso ara-teknolojia ho fiatrehana ny valanaretina COVID-19 erantany, tsy maintsy hiantohany fa aorian'ny nanaporofoany ny filàna sy ny fifandanjan'ireo fepetra manokana, dia mametraka lalàna iray izy izay manome mazava tsara ireo fepetra fanarahamaso tahaka izany. Tokony ahitana fiantohana ao anatin'ilay lalàna ka, raha toa tsy voalaza tsara amin'ny antsipirihany izy ireo, dia tsy tokony ho heverina ho mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena.

Ambana roa hafa nipoitra nandritra ny valanaretina ny famerana ny fidirana sy ny sivana. Matetika feran'ny governemanta na sakanany ny fidirana amin'ireo loharanom-baovao anaty tambajotra tsy miankina, lazainy fa mba hanakanana ny fihanak'ireo vaovao diso mikasika ny koronaviriosy. Any amin'ireo firenena maro, raha mbola nanohy nanaparitaka vaovao diso mikasika ny valanaretina ireo sampan-draharaha mpilaza vaovao mpiara-dia amin'ny fanjakana, ireo governemanta kosa nitazona [7] olona tamina fiampangàna diso hoe nanely vaovao tsy marina. Ohatra, nampiditra raharaha fanenjehana ara-pitsarana miisa 654 i Vietnam sy nanasazy olona 146, i Kambodza kosa nisambotra mpikatroka sy mpanohitra maherin'ny 30 noho ny fanelezana vaovao diso nandritra ny voalohandohan [8]‘ny taona 2020. Tondroin'ny fikarohana [9] nataon'ny Citizen Lab ihany koa ny fiarahamiasan'ireo orinasa teknolojika amin'ny fanjakana ho fampiharana ny tsy refesi-mandidy. Ny fikarohana nataon'ilay Labôatoara mikasika ny fomba nitantanan'ny governemanta Sinoa an'ireo vaovao mifandraika amin'ny valanaretina tany anatin'ireo tambajotra sosialy dia mampiseho fa manivana votoaty ny WeChat ao Sina, anisan'izany ny tsikera amin'ny politikan'ny governemanta Sinoa mikasika ny valanaretina.

Raha ireo tranga ireo no jerena, azontsika anaovana tsoakevitra fa tonga amin'ny faratampony ny famoretana nomerika any amin'ireo demokrasia sy tsy demokrasia, miaraka amina tarehimarika ratsy mikasika ny zon'olombelona. Manoloana ny fanarahamaso, ny famerana ary ny sivana ataon'ny Fanjakana, mila drafitra mafy isika mba hamerenana indray ny zo nomerikantsika sy hamolavolana ireo fitsipika politika sy araka ny lalàna mifanaraka aminy mba hiarovana azy ireny rehefa misy hamehana sy krizy any aoriana. Tetika iray mba hanatrarana io tanjona io ny fangaraharana ara-politika.

Ny fisokafana sy ny mangarahara no andry roa lehibe amin'ny zotran'ny famolavolana ny politika demokratika, satria izy ireo no manome antoka ny fandraisana andraikitra sy manamafy ny fifampitokisana eo amin'ny mpanapa-kevitra sy ny vahoaka. Raha iantohantsika ny fametrahana politika mangarahara dia azontsika sorohana alohan'ny hitrangàny ireo fanitsakitsahana ho avy. Tetikady hafa iray ny fanatsarana ny fahaizana mamaky ny teknolojia mba hanampiana ireo olom-pirenena hahalala ny zo nomerikany. Na eo aza ny fankatoavana haingana be ny firoboroboana teknolojika, ny ankamaroan'ireo olona dia tsy manana fahatakarana mazava ny zo nomerikany, ny fetran'ny fihanaky ny fidiran'ny Fanjakana amin'ireo angona momba an-dry zareo, na ireo fomba fitakiana ny zo nomerikan-dry zareo. Manome vahana ny filàna fahaizana mamaky teny sy manoratra ara-teknolojia ho an'ireo olona rehetra tsy anavahana taona sy fiaviana io tsy fisiana fahalalana io. Hahatongavana amin'izany, ireo sekoly, ireo ivon-toeram-pikarohana, ireo fikambanana avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena sivily sy ny vondron'ireo mpilatsaka an-tsitrapo dia afaka mandray andraikitra lehibe amin'ny alalan'ny famoronana hetsika fanofànana  sy hetsika ho an'ny daholobe ary amin'ny famokarana fitaovam-pampianarana. Ny fitomboan'ny fahaizana mamaky ny teknôlôjia dia mety hiteraka fahatongavan-tsaina ihany koa ho an'ny daholobe ho enti-manohitra na hampihenana ny haavon'ny fitondrana jadona nomerika amin'ny alalan'ny asa sy fandraisana andraikitra sivily.


Azafady, tsidiho ny pejin'ny tetikasa mba hahazoana fanampiny betsaka kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor [10]