- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatarasim-baovaon'ny RV : Fanomanana mialoha ny Fihaonambe Erantany momba ireo Fiteny Vitsy an'Isa

Sokajy: Mediam-bahoaka, Taratasim-baovao, Rising Voices

Fahasamihafan'ny fiteny (Tobias Mikkelsen [1], CC BY-NC-SA 2.0 [2])

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana nomerika, toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana nomerika, ary ireo fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno amin'ny aterineto. Vakio eto [3] ny fanontàna teo aloha amin'ity gazety ity.

Arahaba ry mpamaky: Efa Jolay izany izao, ary efa tapa-taona no nodiavintsika. Misy zavatra goavana efa nomanina ve ianareo ho an'ireo volana ho avy? Azo antoka fa ny sasany efa manao drafitra tsara ho an'ny taona manaraka, dia mila maheno avy aminareo izy ireny!

Any Payes de Galles no hatao ny andiany faha-19 amin'ny Fihaonambe Erantany momba ireo Fiteny Vitsy an'Isa, afaka herintaona eo ho eo. Ankoatra ny fiainana manokana manodidina ilay raharaha, fotoana ihany koa io hanaovana fanolorana/fampahafantarana, fifanakalozan-dresaka, ary fanorenana tambajotra. Raha mahatsapa faniriana hiditra anatin'izany ianareo, azonareo ny manomboka alohaloha amin'ny alàlan'ny famaliana dieny izao ny antso misokatra handraisana izay tolokevitra momba azy io.

Azonareo atao ny mandray anjara amin'ny fandefasana tolokevitra momba ny taratasy, ny afisy goavana na ireo andiana mpandray fitenenana amin'ny lisitra iray misy ireo fotokevitra [4] araka izay tsikaritra ao amin'ny tranonkalan-dry zareo, tafiditra amin'izany ny teknôlôjia, ny famadihana ho nomerika ary ny anjara asan'ny media sôsialy any anatin'ireo vondrompiarahamonin'ny fiteny vitsy an'isa — izay tsapanay fa tena mety hahaliana tokoa ireo mpamaky anay, toa anareo ihany.

Fara-fisoratana: 30 Septambra 2022

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Raha nanomboka ny fiarahan-dia amin'ny IDIL2022–2032 [5] miaraka amin'ireo mpikatroka ho an'ny fiteny avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, ny Rising Voices sy ireo mpiara-miasa aminy dia mitondra ho anao ny andiana fifandimbiasam-panentanana iray ao amin'ny Twitter. Liana amin'ny fitenin'ireo indizeny, vitsy an'isa, tandindonindoza, na tsy dia fahita firy ve ianao, ary ny anjara raisin'ny aterineto sy ny teknôlôjia ho fampiroboroboana sy famelomana indray azy ireny? Ndao hiaraka aminay dia henoy izay hozarain'ireo vahiny mpampiantrano !

@ActLenguas [6] (Amerika Latina)

@AsiaLangsOnline [12] (Azia)

@DigiAfricanLang [15] (Afrika)

@EuroDigitalLang [20] (Eorôpa)

FANKASITRAHANA

Moa mba fantatrao ny fisian'ireo olona/fikambanana manokan-tena amin'ny fampiroboroboana ny fampiasana fitaovana nomerika mba hanomezana hery ny olom-pirenena sy ireo vondrom-piarahamonina manerana an'i Eorôpa? Ho fankalazana ny fiantraikan'izy ireo, azafady indrindra hevero ny hanendry azy ireo — na ianao mihitsy koa no misorata anarana — ho amin'ny All Digital Awards 2022 (ato [24] ny andinindininy). Fara-fisoratana: 29 Jolay 2022

FITAOVANA & LOHARANO

Mpanao gazety ve ianao sa mpampita vaovao mampiasa tsy tapaka ny Twitter  hanatrarana ny tanjonao? TRFilter [25] dia fampiasa iray ety anaty tranonkala natao hampiadana anao. Miaraka amin'ny fanampiany, azonao atao ny mampangiana/manakana ireo kaonty sy manafina ireo fanehoankevitra izay tena manafintohina, tsy mila akory miverina mijery ilay votoaty. Mitady vahaolana azo ampiharina mba hanoherana ireo filam-baniny/herisetra ety anaty tambajotra ve? Azonao atao ny manomboka izany eto [26].

FIKAROHANA

Ahoana no atoan'ireo vehivavy raha resaka fampiasàna aterineto mandehandeha, raha oharina amin'ireo lehilahy, nandritra iny taona lasa iny? Ny Mobile Gender Gap Report 2022 vao nivoaka tsy ela akory izay, no milaza amintsika fa toa misy fihisarana kely — sy/na fitsimbadihana mihitsy — amin'ny fandrosoan'ny fampiatiana nomerika an'ireo vehivavy. Manontany tena ve hoe maninona sy nahoana ? Vakio ny tatitra, eto, [27] fa ianao ihany dia afaka hahita azy.

Mandritra izany, manao ahoana ny fampiatiana nomerika nandritra ny valanaretina COVID raha ireo olona tratry ny fahasembanana ara-tsaina no resahana? Nanana fahafahana nahazo niditra tamin'ny fampiasana ny teknôlôjian'ny fifandraisana sy fampitambaovao ve ry zareo (TIC) mba hamaly ireo filàny fototra sy hisitrahany ireo tombontsoa marobe amin'ny firotsahana amin'ny nomerika? Mba hahafantaranao misimisy kokoa, azonao atao ny mijery ny famintinana fohy ato, [28] na mitroka eto [29] ilay fandalinana manontolo.

VAKIO BEBE KOKOA, JEREO ary HENOY

 

Misorata hahazo ny Taratasim-Baovaon'ny Rising Voices [32]

 

 

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisany anjara tamin'ity taratasim-baovao ity