- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lasibatry ny famonoana olona maro araka ny didim-pitsarana ny Baloch vitsy an'isa 

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Iraniana manatrika famonoana araka ny fitsarana ampahibemaso tamin'ny taona 2013. Saripika [1] avy amin'i Ebrahim Noroozi, tao amin'ny Fars Media Corporation. Nampiasaina araka ny Creative Commons Attribution 4.0 license [2].

Mirongatra ao Iran indray ny famonoana olona araka ny didim-pitsarana, ary efa mahatratra ny tahan'ny famonoana tamin'ny taona 2021 izay avo indrindra [3] tao anatin'ny dimy taona. Araka ny tatitra tamin'ny 8 Jona avy amin'ny Iran Human Rights [4] (IHRNGO), farafahakeliny olona 168 no novonoin'ny manampahefana Iraniana tao anatin'ny dimy volana voalohany tamin'ny 2022 fotsiny. Amin'ireo olona novonoina ireo dia 25 no avy amin'ny vondrona foko Baloch vitsy an'isa, araka ny filazan'ny IHRNGO, ka mahatonga ny vondrom-piarahamonina ho lasibatra indrindra amin'izay lazain'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho fitsarana misy fahasimbana.

Mifanojo amin'ny hetsi-panoherana nanerana ny firenena izay naharitra volana maromaro ny faratampon'io famonoana olona io. “Hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny 7 Mey, dia nitombo tampoka ny famonoana. Na dia tsy ara-politika aza ny fiampangana ho faty, ny famakafakana ny fironana famonoana teo aloha no mampiseho fifandraisana mivantana eo amin'ny hetsika ara-politika sy ny fiakaran'ny famonoana, “hoy ny IHRNGO tamin'ny fanambaràna momba ny famonoana [4].

Henika famoriam-bahoaka Iran hanoherana ny fiharatsian'ny toe-karena, mivory any amin'ny tanàna 40 mahery [5]. Nahatonga fiakaran'ny vidin'ny foto-tsakafo hatramin'ny 300 isanjato [6] ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanaisotra ny fanampiana ara-tsakafo, anisan'izany ny menaka, akoho, ronono ary atody.

Tsy afa-misaraka amin'ny tsy fahafaham-pon'izy ireo amin'ny fitondrana sy ny rafitra ara-politika amin'ny ankapobeny izao tsy fahafaham-po eo amin'ny Iraniana izao, izay miverimberina isa-potoana hatrany nanomboka tamin'ny fihetsiketsehan'ny taona 2009 izay nanozongozona ny firenena, anisan'izany ny hetsi-panoherana tamin'ny taona 2018 izay nofaritan'ny sasany ho “korontana ratsy indrindra tao anatin'ny 40 taona [7].”

Montsana ny isan'ny famonoana be indrindra

Ao anatin'izany [8] rehetra izany, Iran no mitarika [9] amin'ny famonoana olona araka ny didim-pitsarana manerana izao tontolo izao raha ataha amin'ny isan'ny mponina, ​​ka atao any amin'ny miafina ny 88 isanjaton [10]‘ireo famonoana ireo. Mampiavaka ity firenena zatra mampiasa ny herisetra sy famoretana hikendrena ny mpanohitra ara-politika sy ny vitsy an'isa ity izany tahan'ny famonoana izany. Mbola ao anatin'ireo firenena vitsy eran-tany manao fanantonana [11] sy famonoana ho faty ampahibemaso izy.

Efa nanao tatitra ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ahitana ny Amnesty International [12] ireo fa matetika ny Iraniana no miatrika famonoana tsy manaraka ny dingana ara-pitsarana araka ny tokony ho izy. Tamin'ny fanehoany hevitra manoloana ny raharahan'ilay Kiorda Iraniana iray voaheloka ho faty, nanamarika ny Amnesty hoe [13], “Tena tsy ara-drariny ny fitsarana izay nanaovana fihainoana indray mandeha tao anatin'ny dimy minitra monja tamin'ny tapaky ny volana marsa 2016.”

Manamafy ireo mpanao angoan-tenda [14] fa mampihatra tanjona iray miharihary ireo fomba fanao barbariana ireo, (dia ny) hanitarana ny fahefan'ny fitondrana izay mianjera amin'ny vahoakany ihany, sy ny hanamafy orina ny fahefany, anisan'izany amin'ny foko vitsy an'isa toa ny vahoaka Baloch.

Nanoratra i Diana Eltahawy, Tale lefitry ny Amnesty International [15] Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra:

The alarming escalation in executions of Baluchi prisoners raises serious concerns that the authorities are using the death penalty in a calculated campaign to sow fear among not only Baluchis but also other ethnic minorities, as well as the wider population in Iran

Miteraka ahiahy lehibe ny fisongan'ny famonoana ireo Baluchi voafonja fa mampiasa ny fanamelohana ho faty ny manampahefana ho kajikajy hamafazana tahotra eo amin'ireo foko vitsy an'isa hafa fa tsy ny Baluchis ihany, sy amin'ny mponina ankapobeny ao Iran.

Sady vitsy an'isa ara-poko no vitsy an'isa ara-pivavahana ao Iran ny Baloch, satria silamo Sonita ao amin'ny firenena maro an'isa Shiita. Mipetraka amin'ny faritany mahantra indrindra ao amin'ny firenena izy ireo, Sistan Balochistan, ary lasibatry ny famoretana, ny fanavakavahana ary ny famonoana olona am-polony taona maro tao Iran.

Mitohy ny famoretana

Nanomboka tamin'ny Febroary 2021, nitombo ny disadisa tao amin'ny faritr'i Sistan-Baluchistan taorian'ny famonoan'ny tafi-panjakana mpivarotra solika miisa 10 [16] [mg]. Ankehitriny, rehefa niparitaka nanerana ny firenena ny hetsika manohitra ny fitondrana [17], toa vonona ny hampiasa herisetra amin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika toa ny Baloch ny fitondrana.

Miampita sisintany iraisampirenena izay matetika lazain'ny manampahefana ho “mpanondrana an-tsokosoko” na “mpandika lalàna” ny Baloch Iraniana. Fototry ny fifandonana ara-tantara koa ny fahavononan'izy ireo handray fitaovam-piadiana sy hiaro ny tenany sy ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Ny fanamelohana Baloch dia ampahany amin'ny politika efa hatry ny ela nampiharin'ny fitondrana Iraniana, izay matetika mampiasa lalàna henjana momba ny zava-mahadomelina mba hanamarinana ny famonoana.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'i Rudaw [18], nanondro ireo endrika fanavakavahana sy famoretana natao tamin'ity vitsy an'isa ity i Mansoureh Mills, Iraniana mpikaroka ao amin'ny Amnesty International :

Baluchis (and other ethnic minorities) face discrimination that curtails their access to education, health care, employment, adequate housing and political office.

Miatrika fanavakavahana izay manakana ny fahazoan'izy ireo fanabeazana, fikarakarana ara-pahasalamana, asa, trano sahaza ary raharaha politika ny Baluchis (sy ireo foko vitsy an'isa hafa) .

Nanampy izy fa “mijaly noho ny tsy fahampian'ny fampiasam-bola ataon'ny governemanta foibe ao amin'ny faritany ny faritany Sistan sy Baluchestan, ka mampitombo ny fahantrana sy ny fanilikilihana.”

Herintaona mahery taorian'ny fitifirana nahafaty ireo mpivarotra solika 10, mpisera Twitter iray no nilaza fa mbola misy famonoana amin'izao fotoana izao ataon'ny herim-panjakana:

Tohizan'Iran ny famonoana ireo Baloch Sokhtbar na mpitondra akoranafo.

Tao amin'ny tatitra fanao isan-taona tamin'ny taona 2021 [21] momba ny fanamelohana ho faty any Iran, nilaza ny Iran Human Rights fa “ny rakitra nangonin'ny Iran Human Rights no mampiseho fa ny voafonja Baluch no manana ny 21 isanjaton'ny olona rehetra novonoina tamin'ny taona 2021, raha mitana ny 2–6 isanjaton'ny mponina ao Iran monja.”

Ho setrin'ny herisetra toy izany, sy ny fisongan'ny famonoana ireo vitsy an'isa vao haingana, dia nisy ny fanafihana vao haingana natao tamin'ny mpitandro ny filaminana Iraniana izay voalaza fa nataon'ny vondrona tsy fantatra.

📹 Lahatsary fanafihana fiaran'ny polisy nataon'ny vondrona Baloch tsy fantatra “Lion'i Balochistan”.
Ny alahady 19 jona 2022 no nanaovana ny fanafihana. Nilaza ny vondrona fa ho setrin'ny #Famonoana faobe ireo Baloch vao haingana io fanafihana io. Tamin'ny 11 Jona dia namono Baloch miisa 12 i Iran, anisan'izany ny vehivavy iray.

Tamin'ny Febroary 2021 ny Firenena Mikambana [25] no naneho ny ahiahiny amin'ny fampijaliana ireo Baloch ao Iran, sy ny tsy fisian'ny dingana ara-drariny amin'ny fitsarana fanamelohana ho faty, ary nilaza hoe: “Tena sahiran-tsaina izahay amin'ity fironana amin'ny famonoana misesy ireo gadra vitsy an'isa Baloch sy amin'ny fomba fampanjavonan’olona vitsy an’isa ankaterena.”

Niafara tamin'ny fitsarana iraisampirenena tany Soeda, nifantoka tamin'ny fandripahana ireo gadra politika Iraniana tamin'ny taona 1988 ny fampiasan'ny fitondrana ny famonoana. Maneho ny tokon-tantaran'Iran maizina indrindra ny vono olona, izay tombanan'ny mpisolovava fa gadra politika an'aliny no mety novonoina kimaimaika. Nifantoka amin'ny fisamboran'i Soeda mpiasan'ny fonja iray nanana ny anjara asany tamin'ny famonoana olona tamin'ny taona 1988 [26] ho matoam-baovao iraisampirenena ny fitsarana, na dia efa fady resahana ao Iran aza izany raharaha izany.