- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famaranana ny herisetra manjo ny vehivavy amin'ny fotoanan'ny ady sy ny fandriam-pahalemana

Sokajy: Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Hetsika fanoherana an'i DSK tao amin'ny Cambridge Union Society [1]“, saripika an'i divinenephron [2] , nampiasàna lisansa CC BY 2.0 [3].

Filazàna fohy: ity lahatsoratra ity dia ahitana resaka fanolanana, herisetra ara-pananahana, herisetra atao amin'ireo vehivavy, fanaovana vonomoka ary lohahevitra hafa mety hanelingelina an'ireo mpamaky.

“Atsaharo ny Fanolanana Anay !” hoy ny hiakiakin'ny vehivavy iray nandritra ny Fetiben'ny Sarimihetsika tao Cannes vao haingana [4], tany Cannes, Frantsa, nolokoina manga sy mavo ny vatany – lokon'ny sainam-pirenena Okraniana – raha nihazakazaka teo ambonin'ny karipetra mena ary ireo mpaka sary kosa nirohotra hahazo izay sary tonga lafatra indrindra. Niezaka nisarika ny sain'ny besinimaro izy mikasika ireo herisetra ara-nofo miely patrana mifandraika amin'ny fifandonana ao Okraina, ataon'ireo miaramila Rosiana, saingy mety ho niresaka ny faritra rehetra misy ady amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra koa izy : androany ao Sodana Atsimo [5], Tigrey [6], ary Yemen [7], nandritra ny fanaovana vonomoka ireo Yazidi [8] tao amin'ny faritra nobodoin'ny ISIS tao Iràka nandritra ny tapaky ny taona 2010, ny fanolanana mitohy ao amin'ny Repoblika Demokratika an'i Kongo [9], ny tany aloha nandritra ny Ady Lehibe Voalohany sy Faharoa, mba tsy hitanisàna afa-tsy ohatra vitsivitsy.

Fahatakarana ny herisetra ara-nofo mifamatotra amin'ireo fifandonana

Fitaovam-piadiana faran'izay tranainy indrindra ny herisetra ara-nofo.  Araka ny hita amin'ireo firaketana ara-tantara mikasika an'ireo mpanafika dia nampiasaina ny fanolanana, ny fandrobàna sy fibodoana faritany, ka hatramin'ny fampiasàna tsotra izao ny herisetra ara-nofo ho sahala amin'ny fitaovana fandripahana [10] sy fanadiovana ara-poko, naharitra fotoana ela dia ela ireo fanao mahatsiravina ireo. Miparitaka eny rehetra eny ity herisetra ity ary misy mandritra ny fitohizan'ny ady mankamin'ny fotoanan'ny fandriampahalemana. Na amin'ny fotoanan'ny ady na amin'ny fotoanan'ny fandriampahalemana, endrika fanjakazakana izy io ary fampijaliana tsy misy fetra ataon'ny patriarka amin'ny vatan'ireo vehivavy ka misy fiantraikany amin'ireo vehivavy rehetra. Io karazana herisetra ara-nofo io dia mitranga ao anatin'ny tontolo iray manome vahana azy amin'ny alalan'ny fihetsika ara-tsosialy sy ara-koltoraly izay manao ny fanavakavahana mifototra amin'ny fananahana ho toy ny ara-dalàna. Tena marefo ireo vehivavy sasany noho ny toerana manokana misy azy ireo noho ny lafiny ara-tsaranga, ny fivavahana, ny fahaiza-manao, ny maha-vazimba teratany azy, ny volon-koditra, ny firazanana, ny saranga, ny taona sy ny sata maha-mpifindra monina. Ireo vehivavy mivoaka avy amin'ny vondrom-piarahamonina voan'ny tsindry hazolena ara-tantara [11] dia azo inoana ho mora iharan'ny herisetra.

Tetika iray tsara lamina napetraka mba hamotehana ara-tsaina an'ireo fiaraha-monina ny herisetra ara-nofo mifamatotra amin'ny ady, ka ny vehivavy no lasibatra amin'izany. Izay mpisehatra rehetra mampiasa herisetra ara-nofo ho sahala amin'ny tetika amin'ny ady dia mahalala tsara ny fifandraisana mafy orina eo amin'ny fitoviana lenta, ny tsy fanaovana herisetra sy ny fametrahana fandriampahalemana maharitra, ary maniry indrindra ny hamotika izany. Araka izay voalazan'ny ohabolana Cheyenne [12], “Tsy resy ny firenena iray raha tsy ny fon'ny vehivavy ao aminy no lavo amin'ny tany. Rehefa izay no tontosa, vita hatreo ny ady, na manao ahoana na manao ahoana hafanampon'ireo mpiady ao aminy, na manao ahoana na manao ahoana herin'ny fitaovam-piadian'izy ireo.”

Anatin'ny fifandonana mitàm-piadiana, ireo vehivavy no tena lasibatra amin'ny fikasana manokana hanimba ny fiarahamonina izay misy azy, na voaràtra amin'ny fanararaotana aterak'ilay fotoana, tsy misy tahotra ny ho voasazy, satria manome tontolo azo antoka hisiany ny fahapotehan'ireo sehatry ny fitandroana filaminana sy ny fitsarana. Ny faharavàna ateraky ny ady dia midika fa vitsy kokoa ireo vehivavy no manana fomba hangatahana fanonerana, na tsy misy mihitsy aza. Na izany aza, tena zara raha misy ny zavatra natao mba hiadiana amin'io herisetra io.

Ireo lesoka eo amin'ny rafi-pitsarana

Tamin'ny taona 2000, ny Filankevitry ny Fiarovana ao amin'ny Firenena Mikambana dia nandany ny fandaharanasany momba ny Vehivavy, ny Fandriampahalemana ary ny Fiarovana [13] mba ho famahàna olana natao hanomezana sehatra manokana ny ady amin'ny herisetra ara-nofo mifandraika amin'ny ady. Amin'izao fotoana izao, tsy misy mihitsy fitaovana ara-pitsarana manohitra manokana ny herisetra atao amin'ny vehivavy avy amin'ny Firenena Mikambana [14]. Manokatra làlana hisiana fanjakana tsimatimanota izany, izay tsy tapaka atao fitaovana ho fanaovana heloka bevava.

Tamin'ny taona 2015, nambaran’ [15]ny Firenena Mikambana fa Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanafoanana Herisetra ara-nofo ao anaty fifandonana ny andron'ny 19 Jona. Nataony izany mba hanentanana ny daholobe amin'ireo herisetra ara-nofo mifamatotra amin'ny ady, hanome voninahitra ireo niharam-boina sy ireo sisa velona tamin'ny herisetra ara-nofo maneran-tany ary hahatsiaro am-boninahitra an'ireo rehetra nanolotra tamim-pahasahiana ny ainy nitolona ho amin'ny famongorana ireny heloka bevava ireny, ary koa ho an'ireo izay namoy ny ainy noho ny herisetra ara-nofo. Na eo aza ireny ezaka ireny, mitohy tsy misy fiafaràny hatrany ireo herisetra ara-nofo mifandraika amin'ny fifandonana.

Olana goavana ny tsy fisiana fifanarahana sy fanerena manokana ho  fampitsaharana ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ireo tovovavy maneran-tany. Ankehitriny, mbola mitohy hatrany ny famafàna ny zavatra niainan'ireo vehivavy tanaty fifandonana mitàm-piadiana ireo, atao anjorom-bala tsy ho anatin'ny dingana fikarohana fandriampahalemana ary nototofan'ireo fikasana hametraka an-kamehana ny fandriampahalemana amin'ny alalan'ny famotsoran-keloka faobe izay manao sorona ny rariny.

Tetika iray hanatsaharana ny ny herisetra ara-nofo mifamatotra amin'ny ady

Ny toe-tsaina sy ny fihetsika izay manome vahana ny herisetra ara-nofo mandritra ireo fifandonana dia miorim-paka anaty toe-tsaina sy fihetsika manjaka amin'ny fotoanan'ny fandriampahalemana. Ny vehivavy iray dia heverina hisolo tena ny ‘tiercé’ patriarkaly izay mpibaiko ny fiainany, sahala amin'izay ilazàn'i Mona Eltahawy azy  [16] : ny Fanjakana, ny arabe sy ny tranony. Ireo vehivavy sy ireo tovovavy dia nobeazina araka ny fiheverana (indraindray ihany koa efa latsaka lalina ao anatiny) fa ny vatany dia fiara mpitondra voninahitra sy henatra, ary zavadehibe mitondra ho amin'ny fenekena ara-tsosialy ny fiarovana ny vatany. Raha tsy nisy ny foto-kevitra nanjaka nandritra ny fotoanan'ny fandriampahalemana izay nampifandray ny vatan'ny vehivavy amin'ny voninahitra sy henatra ara-tsosialy, dia tsy ho nisy asany amin'ny maha-tetikady azy amin'ny fotoanan'ny ady ny herisetra ara-nofo sy ara-pananahana.

Fomba iray hiatrehana izany ny fananganana fifanarahana iraisam-pirenena manery ny fampitsaharana ny herisetra atao amin'ireo vehivavy. Io karazana fifanarahana io dia mitaky ny fametrahana rafitra araka ny lalàna eo amin'ny sehatra nasionaly, ny fanomezana asa ho an'ireo sisa velona sy ny fanamoràna ny fanabeazana ho fisorohana. Ny fifanarahana no afaka hametraka fototra ho an'ny fenitra faran'izay kely indrindra amin'ny fiarovana ireo vehivavy sy ireo tovovavy tsy hiharan'ny herisetra. Ity fenitra ity no hametraka ireo Fanjakana rehetra ho amin'ny toerana mitovy. Ny fanavaozana ny lalàna eo amin'ny sehatra ara-panjakana no mety hanitsy ireo rafitra araka ny lalànan'ny tsirairay mba hifanaraka amin'ny fenitra maneran-tany, sy handika ireo fenitry ny fisorohana sy fanonerana hivadika ho hetsika eny ifotony.

Ny fifanekena iray ho fampitsaharana ny herisetra dia mety hanokatra làlana hisian'ny hoavy iray izay, na aiza na aiza eto ambonin'ny tany, ny herisetra atao amin'ny vehivavy rehetra dia tsy ho azo ekena intsony ary azo henjehina ara-pitsarana. Amin'ny farany, hoavy iray izay tsy hisian'ny endrika fifanakalozana ara-miaramila ny hoavy iray miahy ny vehivavy. Eo am-panenjehana io nofinofy io, isika rehetra dia tokony hazava saina momba ny ady atao amin'ny herisetra, mba ho tombontsoan'ny vehivavy amin'ny fotoanan'ny fandrimpahalemana sy amin'ny fotoanan'ny ady. Ny fifanekena eran-tany dia hahafahana miantoka hoe tsy hisy intsony ny hiantsoantso hoe “Atsaharo ny fanolanana anay!”