- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tranga nendran-gidro (monkeypox) voalohany ao Jamaika

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Tsidika, COVID-19
[1]

Fipongaran'ny nendran-gidro. Sary an'ny Diverse Stock Photos [1] ao amin'ny Flickr, CC BY-NC 2.0 [2].

Sambany i Jamaika no nahitàna trangana nendran-gidro tao aminy [3], hoy ny nambaran'ny minisitry ny fahasalamana sy ny fahasambarana nandritra ny tafa maika nefa fohy tety anaty habaka, nataony ho an'ny mpanao gazety [4] tamin'ny 6 Jolay. Izy no faritany faharoa ao Karaiba naharaisana tatitra [5] momba io aretina io aloha hatreto.

Ny minisitry ny fahasalamana, Christopher Tufton, no nibitsika ny vaovao:

Hita eto amintsika ny tranga voalohany amin'ny nendran-gidro. Lehilahy iray avy nitsidika ny Fanjakana Mitambatra (UK) no marary nitondra azy. Ny 5 Jolay izy no tonga nanatona ny rafitra ara-pahasalamam-bahoaka, dimy andro talohan'izay izy no tonga teto amin'ny nosy. pic.twitter.com/9gtYtL0OlP [6]

Tao anaty antsafa iray ho an'ny Radio Jamaica, tamim-pitandremana no nilazany hoe “Tsy fanambaràna krizy akory ity,” tamin'ny fanamarihana fa raha ilay aretina, izay misy marika ivelany hita tsara, dia afaka tiliana mora foana miohatra amin'ny COVID-19, tsy misy tokony hampisahotaka. Kanefa, olona iray mpiasan'ny fahasalamana no nibitsika hoe:

Ny ampahany tiako indrindra amin'ny asa fandraisana an-tànana voalohany / fahasalamam-bahoaka dia ny fomba fisehon'ny areti-mifindra amin'ny alàlan'ny fanaviana, aretin'an-doha ary fanaintainan'ny hozatra. Dengy ve io? COVID ve? Nendran-gidro ve? 🫠

Ny ministera dia nanome toky ny olompirenena [9] fa nahetsika ireo taridalana arofenitry ny hamehana ara-pahasalamana mifanaraka amin'ireo fenitra iraisampirenena, tafiditra amin'izany ny famerenana mijery ireo fotodrafitrasa rehetra fanokana-monina mba handraisana an-tànana miaraka ny nendran-gidro sy ny COVID-19. Amin'ny fanarahana ireny taridàlana ireny, taorian'ny fitadiavana ireo rehefa nifandray taminy dia natoka-monina ilay marary ary tsy mahazo mivezivezy ireo rehetra mpifanerasera aminy akaiky.

Ny Mpitsabo Lehibe (médecin-chef) Jacquiline Bisasor-McKenzie dia nanipika fa tokony tohizan'ireo Jamaikàna ny fampiasàna ireo fomba fanao fisorohana ny COVID-19 izay mbola mipetraka sy miasa any amin'ireo birao isankarazany sy magazay mpaninjara, ary ny fiarovana ny fahasalaman'ny tena manokana sy ny fahadiovana tahaka izay efa nambara tany am-piandohan'ity taona ity [10].

Ny mpitsabo lehibe, Dr Jacquiline Bisasor-McKenzie, dia mandrisika ny olona hiditra amin'ny fanarahana ireo arofenitra fisorohana izay mety nampiasaina nandritra ny valanertina COVID-19. Milaza izy fa ny fifampikasohana akaiky no fomba ifindran'ny nendran-gidro ka raha misy soritr'aretina, entanina mba hijanona an-trano ny olona. pic.twitter.com/jCmAfgM3F4 [11]

Miaraka amin'ny fahitàna tranga efa mihoatra ny 6.000 tany amina firenena 58 (Eorôpa hatreto no ahitàna ny tarehimarika avo indrindra amin'ny nendran-gidro manerana ny tany), notsipihan'ny OMS fa :

“Mbola mijanona ho fanamby ny fitiliana, ary azo inoana fa maro ny tarehimarika momba ilay tranga no tsy voatily. Eorôpa no ivon'ny fiparitahan'izy io amin'izao fotoana izao, nahitana maherin'ny 80 % amin'ireo tranga nendran-gidro #monkeypox [13] manerana ny tany”-@DrTedros [14] https://t.co/PTYI6Eu3FG [15]

Jamaikàna iray no nanondro ny toerana niandohan'ilay areti-mifindra:

Avy any ANGLETERA ny tranga voalohany tamin'ny COVID-19 tonga teto Jamaika
Avy any ANGLETERA ihany koa ny tranga voalohany amin'ny nendran-gidro tonga eto Jamaika.

Na izany aza, nolazain'ny Minisitra Tufton fa “mipetraka foana ny fitiliana any amin'ireo seranana fidirana ary avo dia avo ny fanarahamaso,” midika izany fa napetraka ireo andiana mpiasan'ny fahasalamna hijery sy hanao izay tokony hatao. Tamin'ny fanaovana tsoakevitra hoe: trangana nendran-gidro iray “tsy hiteraka krizy,” nanosoko hevitra ny Ministra Tufton “mba ho toy isanandro ihany ny asa fitadiavana” amin'ny fiainana andavanandro ao Jamaika. Nampian'ny Mpitsabo Lehibe, Bisasor-McKenzie, hoe satria “ny nendrn-gidro tsy mifindra mora foana” — amin'ny alàlan'ny fifampikasohana akaiky amin'ireo biby mpivenjivenjy tratr'ilay areti-mifindra, na ny olona samy olona, no ifindrany — tsy dia azo eritreretina loatra ho lasa aretina mitarazoka ao Jamaika ilay izy izay, noho ny fanofanana nomen'ny Pan American Health Organisation [18] (PAHO), dia efa ananan'ny firenena ny fahaizana mitily ny aretina avy ato anatiny ihany.

Na tsy misy aza ny vaksiny natao manokana ho an'ny nendran-gidro, misy kely ihany ny fatram-baksiny natao ho an'ny nendram-boalavo (variole) hita fa mahomby. Efa fongotra tao Jamaika tany amin'ny taona 1980 ny nendram-boalavo. Nohamafisin'ny Mpitsabo Lehibe fa “efa nanomboka ny resaka savaranonando” ary ny rafitra ara-pahasalamana eto amin'ny firenena, izay manolotra fandarahanasa matanjaka amin'ny fanaovana vaksiny [19], dia mbola mifandray akaiky amin'ny PAHO momba ny fahazoana ireo vaksiny.

Nomarihan'i Bisasor-McKenzie fa ireo soritr'aretina mpisava làlana (fanaviana, aretin'an-doha, ary harerahana) “dia hitovy amin'ny an'ny COVID-19 [araka izany] mijanona ao an-trano raha toa ianao tsy salama,” nampiany hoe mila maka fepetra fiarovantena manokana ireo Jamaikàna marefo. Vitsy ny maty, na izany aza, ho an'ilay lazainy hoe “aretina malefaka”

Raha ny sasany amin'ireo tatitry ny gazety [20] toy ny manome eritreritra hoe aretina mifindra amin'ny firaisana ara-nofo ny nendran-gidro eo amin'ireo lehilahy niray tamina lehilahy (MSMs), nahitsin'ingahy mpitsabo lehibe ilay hadisoam-piheverana, nohazavainy fa “amin'ny alàlan'ny fifampikasohana akaiky mety hitranga amina toerana sy toedraharaha samihafa no ifindràny.”

Mpitsabo iray hafa no nizara hoe:

Na dia mety ho nandritra ny firaisana ara-nofo aza no mety nahazoana ny nendran-gidro, dia TSY areti-mifindra azo avy amin'ny firaisana ara-nofo izy. Mifindra amin'ny alàlan'ny fifampikasohana akaiky. Afaka hita amin'ny faritra samihafa amin'ny vatana ireo kibontsina kely.
— Ataovy vaksiny ny zaza manomboka amin'ny faha-6 volany

Jamaikàna iray hafa no nanipika ity teboka ity:

NA IZA NA IZA DIA METY HO TRATR'IO VIRIOSY IO AVOKOA

Tsy IST/MST ny nendran-gidro!!!

Miparitaka toy ny nendram-boalavo.

Aza mitangorongorona ary minoa fa mahavoa ny olona rehetra io.

Mandritra izany fotoana izany, mbola mitohy hatrany ny tahotra hoe ny valanaretina COVID-19 no nanokatra varavarana [24] ho an'ireo viriosy hafa izay manelingelina ny rafi-piarovan'ny vatana.

Ny taha mety hahavoazan'ny COVID-19 sy hidirana hôpitaly ho an'izay tratr'ilay karazany Omicron amin'izao fotoana izao dia mitoboka [25] raha ho an'i Jamaika. Miaraka amin'ny fahavitsian'ny fitiliana, miovaova manodidina ny 15 hatramin'ny 20% ny tahan'ireo nahitàna fitiliana miabo. Ao anaty firenena iray izay manana ny isa ambany indrindra amin'ny tahan'ny olona vita vaksiny COVID ao Amerika Latina sy Karaiba, ary manana ny haavo ambony indrindra amin'ny resaka fitaterana iraisan'ny daholobe, mety ho marefo manokana mihitsy ve ny vahoaka jamaikàna?

Jamaika no toerana ratsy indrindra raha misy nendran-gidro. Izay rehetra mangidihidy sy ny hoditra mitankisinkisina any anaty taxi/fiara fitaterana iraisana

Tsy mbola misy fepetra vaovao noraisina momba ny fahasalamam-bahoaka manoloana ny nendran-gidro, saingy torohevitra omena ny vahoaka foana ny hitondràna arontava rehefa mandray fiara fitaterana iombonana. Olona iray mpiasan'ny sehatry ny fahasalamana no nihevitra hoe efa nahazo lesona sarobidy tamin'ny valanaretina COVID ny firenena [27], saingy efa “tonitony” izao ny COVID-19 ankehitriny, tsy toy ny tany aloha, lasa moramorainy ve ry zareo Jamaikàna momba ny hambana entin'ireo areti-mifindra?

Hatramin'ny 1 Martsa nilazana ny nampitsaharana ny tsy maintsy hanaovana maska sy nanamaivanana ireo fepetra momba ny fizahantany mankao Jamaika [28] —  voalaza fa nitomboan'ny isan'ireo [29] mpizahatany— nanontany tena ny Jamaikàna iray fa sao mba lakolosy fanairana ho an'ireo mpamonjy lanonana ny fisian'ilay nendran-gidro:

Ry Jamaikàna: nidina ny tarehimariky ny Covid, nivoaka ety ivelany isika ary nah guh een
Nendran-gidro: pic.twitter.com/0PS7spAyNp [30]

Nanomboka ny 8 Martsa, nisokatra tanteraka ho an'ny fandraharahàna [32] ny sehatry ny fampialamboly ao an-toerana, ary efa miomana handray andiana hetsika maro ho an'ny daholobe ilay firenena, fety sy kaonseritra mandritra ny lohataona, isan'izany ireo hetsika Karnivaly mandritra ny volana Jolay [33] sy ny Reggae Sumfest [34] aoriandriana kely amin'ity volana ity, mankalaza daholo [35] ny faha-60 taonan'ny fahaleovantenan'i Jamaika amin'ny 6 Aogositra. Ny fotoana no hilaza raha ho foanan'ny nendran-gidro na tsia ireo firavoravoana efa voaomana.