- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maneho fihetseham-po fifidianana amin'ny alalan'ny sary-sy-soratra (meme) ny Kolombiana

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

Meme kolombiana misongadina ao amin'ny tambajotra sosialy taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 20 jona 2022.

Namadika pejin-tantara hiankavia i Kolombia tamin'ny 19 Jona. Mpikambana taloha tao amin'ny mpiady anaty akata an-tanàn-dehibe Hetsika 19 Avrily sady loholona teo aloha Gustavo Petro sy ilay Afro-Kolombiana mpikatroka ara-tsosialy sady mpiaro ny tontolo iainana Francia Márquez [1] [mg], izay mpiasa an-trano taloha, no nandresy tamin'ny fifidianana ka ry zareo no roa hanangana ny fitantanana ao Kolombia mandritra ny efa-taona.

Niely eran-tany ny vaovao. Ahoana anefa no nahitana an'ireo fifidianana ireo tao amin'ny media sosialy? Nanadihady meme sy sariitatra malaza fito momba ny fitsapan-kevitra izahay, izay mampiseho amin'ny sary sy fanoharana ny hevitra sy ny fihetseham-po kolombiana isan-karazany.

Nankalaza ny fandresen'ny ankavia ny ampahany betsaka amin'ny mponina Kolombiana — nahazo ny 50,47 isanjaton'ny vato [2] i Petro sy i Márquez tamin'ny fihodinana faharoa. Na izany aza, nisara-bazana [3] tanteraka ny firenena. Niditra tsy nampoizina tamin'ny fampielezan-kevitra ilay kandidà iray hafa, ilay mpandraharaha miliaridera Rodolfo Hernández Suárez, tamin'ny fiandohan'ny taona tamin'ny lahatsary maro niparitaka be tao amin'ny TikTok [4]. Nahazo isanjato ambony izy (47,31), rehefa namelaran'ny mpandala nentim-paharazana ankavanana rehefa nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fihodinana voalohany.

Sioka: Namana
Sary: Manasa anao aho ho ao amin'ny governemantako elatra havia voalohany

Ity sarin'i Cuddly Bears ity no maneho ny fanantenan'ny mpifidy miisa 11.281.9002 tapitrisa miròna any amin'i Petro sy Márquez ary mampita ny hevitry ny fiandohana vaovao tsy manan-tsiny sy fanombohana tsontsa. Tsy mbola nanana governemanta ankavia malaza i Kolombia, noho ny tantarany ara-politika sy sosialy mihoson-drà sy ny ady an-trano ahitana ankolafin'ankavia revolisionera maro. “Novonoina ho faty ireo mpanao politika reformista havia mananontanona eo amin’ny fitondrana”, hoy ny tatitry ny BBC [7]. Na izany aza, maro ireo any Kolombia no matahotra [8] fandrao ho lasa tsirefesimandidy toa an'i Venezoela mpifanolo-bodirindrina aminy ny governemanta ankavia.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by matador (@matador000) [9]

Lohateny: ny fanintelony ny mandrendrika

Ilay mpandeha: Fiovana fanindroany no nitranga
Ny mpamily: Andrana fahatelo ny ahy ka

Amin'ity sary ity, mankalaza ilay Kolombiana mpanao sariitatra malaza Julio César González “Matador [10]” fa tonga teo amin'ny fitondrana ihany i Petro. Fandresena fihodinana voalohany no notadiavin'ny fanentanam-pifidianana filohampirenena ankavia, ka maro ny mpanohana no kivy rehefa tsy nahatratra izany ny vokatra farany tamin'ny androm-pifidianana voalohany tamin'ny 29 Mey. Noho izany antony izany ny fandrabirabiana an'i Francia Márquez (mpandeha) mampiseho fa tsy maintsy niandry ny fihodinana faharoa izy ireo hahazoana “fiovana hiditra ny fiara”, izay misolo tena an'i Kolombia.

Etsy ankilany, ny sariitatra an'i Gustavo Petro (ilay mpamily) dia manondro ny zava-bitany tamin'ny fihazakazahany ho kandidà fanintelony. Efa tamin’ny taona 2010 izy no efa nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena rehefa tonga tamin’ny laharana fahefatra tamin’ny fihodinana voalohany. Taorian'izay, tamin'ny taona 2018 [11], resy nanoloana ny filoha am-perinasa, Iván Duque i Petro.

😂😂😂😂🤣

Posted by un paisa nunca se vara [12] on Monday, June 20, 2022 [13]

Mety ho izy no filoha ratsy indrindra ananantsika, na izany aza dia tonga ilay lehilahy namarana ny uribismo

Ity meme ity no manoritsoritra ny hevitr'ireo Kolombiana izay milaza ny voka-pifidianana ho amin'ny filàna fanovana nateraky ny tsy fankatoavana ny fitondran'ny filoha Iván Duque amperin'asa.

Lasa filoha i Duque noho ny fampanantenana hanohy ny fotokevitra ara-politika elatra havanana sy mpandala ny mahazatra avy amin'ny rainy ara-politika, Álvaro Uribe (Filohan'i Kolombia 2002-2010). Nalaza tamin'ny fampiasàna hery miaramila hiatrehana ny fikomiana ara-politika ao amin'ny firenena ny Uribismo [14], sy tamin'ny fanitsakitsahana [15] ny zon'olombelona nentin'ity politika tsy voafehy ity, indrindra fa tamin'ny loza nateraky ny antsoina hoe “miabo sandoka [16]“, sivily 6.402 no maty novonoin'ny polisy, izay nolazaina fa mpiady anaty akata namoy ny ainy tamin'ny ady.

Nandritra ny fitondran'i Duque no very ny lazan'ny uribismo. Herinandro talohan'ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena, namoaka [17] fanadihadiana ny orinasam-pifidianana Invamer izay milaza fa ny 27,5 isan-jato ihany no nanohana ny mpitondra am-perinasa. Ny fahatsapana ankapoben'ny fahaketrahana  namotika ny uribisme dia noho ny tahan'ny tsy fananan'asa, ny fisondrotry ny vidim-piainana, ny tantara manafintohina amin'ny kolikoly misesisesy, ny tsy fanarahana ny fifanarahana fandriampahalemana [18] eo amin'ny governemanta sy ny vondrona mpiady anaty akata, ny famonoana ny mpitarika ara-tsosialy, ny fifehezan'ny andian-jiolahy mpisehatra zava-mahadomelina ny faritany sasany, ary ny fahatsapana ankapobeny ny tsy fandriampahalemana.

 

Tsy mbola niteraka alahelo be tamiko mihitsy ny fifidianana.

Izaho mitady ny kandidà tsara👇🏻👇🏻👇🏻. #petro [19] #fico [20] #rodolfo [21] #EsElMomentoDe [22] #hoygana [23] #ColombiaDecide [24] #Elecciones2022 [25] pic.twitter.com/EMtNSkAU3N [26]

Saingy tsy ny tsy fahafaham-po amin'ny uribismo ihany no nahatonga an'i Petro handresy tamin'ny fifidianana. Taorian'ny fihodinana voalohany izay tsy nisy nahazoan'ny kandidà ny maro an'isa, maro ireo Kolombiana no voatery nisafidy teo amin'ireo kandidà roa izay samy mpandrendri-bahoaka sy mahabe resaka. Ho an'ny sasany dia Petro, izay manana zotra ara-politika ankatoavina (Senatera 2006-2010, Ben'ny tanànan'i Bogota 2012-2015) “no tsara kokoa amin'ireo ratsy anankiroa.” Izany no fahatsapan'ilay meme etsy ambony.

Hahazo ny Donald Trump-ntsika isika

Nomen'ny vahoaka anaram-bositra ho “Trump Kolombiana” ny mpifanandrina aminy, Rodolfo Hernández, noho ny fampiasany voambolana vetaveta sy tsy voafehy. Ao amin'ity meme malaza ity, niova ho sarin'i Donald Trump ny tarehiny.

Nandritra ny fiainany ampahibemaso dia voatsikera izy noho ny filazana fa “mpanara-dia an'i Hitler [28]” (na dia nanazava izy, taona maro taty aoriana nandritra ny fanentanany, fa ny mifanohitra amin'izany no tiany holazaina) ary ny vehivavy dia tokony “hanohana avy any an-trano [29]” fotsiny fa tsy handray anjara ao amin’ny governemanta. Saingy mihoatra lavitra noho ny teny ny herisetrany: tamin'ny Novambra 2018 dia nidaroka [30] ara-batana ny mpanolotsaina mpanohitra iray teo anoloan'ny fakantsary izy.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Memes Colombianos (@memecolombianos_) [31]

Rodolfo ao amin'ny yacht-ny mieritreritra an'i Lady Socorro

Betsaka ny meme mitsikera ny kandidà teo aloha Hernández, satria manome fitaovana be dia be amin'ny tambajotra sosialy ny zavatra ataony. Ohatra, misy ny sarin'ny fitsarana ady heloka bevava natrehiny noho ny kolikoly [32], ny tsy firaharahiany mihitsy ny firenena [33] kasainy hotantanina, ny fandavany tsy handray anjara amin'ny adihevitra ho filoham-pirenena [34], na ny tolotra fanentanana maro loko ataony (toy ny hoe ny Kolombiana rehetra dia afaka mandeha eny amoron-dranomasina [35] mandritra ny fotoana iasany). Ity ambany ity ny famakafakana an'ity meme ity izay mitondra ny fitondran-tenan'ny kandida teo aloha mankahala vehivavy.

Maneho ny tenany i Rodolfo ho toy ny lehilahy marin-toerana ao amin'ny ankohonana miaraka amin'ny vadiny Socorro Oliveros, saingy voatsikera mafy izy noho ny lahatsary [36] niparitaka tao amin'ny tambajotra, izay nahitana ilay kandidà nanao fety tao amin'ny yacht mifanakaiky loatra amin'ny vehivavy maro tanora kokoa. Tondroin'ny mpitsikera sasany ho fanaovana ny vehivavy ho zavatra (fa tsy olona) ao anaty sobakolontsain'ny mpisehatra zava-mahadomelina [37] izany.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Memes Colombianos (@memecolombianos_) [38]

Lasa sahady ireo orinasa. 😭😂

Na izany na tsy izany, efa nifidy ny fanovana izay miteraka fisalasalana amin'ny sehatra maro i Kolombia. Ity sary ity dia manakiana amin'ny fomba maneso ny ahiahin'ny fiantraika ara-toekarena rehefa tantanin'ny governemanta ankavia. Raha lazaina manokana, naneho “tebiteby [39]” amin'ny fanentanan'i Petro “hanao ho an'ny vahoaka ny fananan'olontsotra” ireo orinasa sy tompon-tany midadasika.

Fa tsy io ihany no mampanahy ny mpanohitra ny filoha voafidy. Amin'ireo tolo-kevitra maro nandritra ny fanentanana mampiady hevitra [40], dia kianin-dry zareo ihany koa ny lohahevitra tahaka ny fitantanana mandrendri-bahoaka momba ny retirety, ny fahaverezan’ny fizakantenan’ny Banky Foibe, ary ny mety ho famerana ny fitrandrahana etona sy solika, izay mety hiteraka, araka ny filazan’ny sehatra sasany ao amin’ny firenena, loza ho an'ny toekaren'ny firenena.