- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Mety ho fisian-trobaka tobindrakitra mandranty ny raki-piainan'olompirenena 1 miliara farafahakeliny

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Sary avy amin'ny ravaka azon'ny rehetra ampiasaina noforonin'i mohamed hassan avy amin'ny PxHere [1]

Mpisovoka iray tsy fantatra “ChinaDan,” no nitanisa angona miaty 23,88-terabyte (TB) voalaza fa ahitana ny rakitra manokan'ny mponina Shinoa miisa iray miliara amidy Bitcoins 10, izany hoe eo ho eo amin'ny 200.000 dolara amerikana eo, tamin'ny 30 Jona 2022. Nandefa dokambarotra ilay mpisovoka tao amin'ny tranokalan'ny Breach Forums, vondrom-piarahamonin'ny mpisovoka anjotra, milaza fa tao amin'ny lohamilin'ny Polisim-pirenena ao Shanghai no nahazoany ny rakitra.

Raha sady tsy nanamafy no nandà ny fisian'ny firarahan'ny rakitra aza ny manampahefana Shinoa, dia nanatona ireo olona natao santionan'ny rakitra hanamarina ny angon-drakitra ny mpanao gazety sasany, anisan'izany i Rachel Cheung avy amin'ny VICE World News [2] sy Karen Hao avy ao amin'ny Wall Street Journal. Tamin'ireo namaly ny antso an-telefônina dia nanamafy ny rehetra fa marina ny antsipirian'ny angona.

Mpisovoka iray mivarotra ny torohain'olom-pirenena Shinoa miisa 1 miliara nangalarina tao amin'ny polisin'i Shanghai. Nitroka ny santionany navoakan'ilay mpisovoka izaho sy i @rachelliang5602 [3] & Nalainako ary niantso olona am-polony voatanisa. Sivy no nandray sy nanamafy ny fahamarinan'izay voalazan'ny rakitra.

Araka ny voalazan'ny Wall Street Journal, mety ho avy amin'ny lohamilina cloud an'i Aliyun [6], orinasa informatika cloud, sampan'ny Alibaba Group no nisian'ny trobaka. Eo am-panadihadiana ity tranga ity ny orinasa amin'izao fotoana izao.

Nilaza i ChinaDan fa misy angon-drakitra manokana an'ny mponina Shinoa iray miliara sy firaketana an-tsoratra heloka bevava izany sy tatitry ny polisy an-tapitrisany maro, ao anatin'izany ny anarana, adiresy, toerana nahaterahana sy daty nahaterahana, laharan'ny karapanondrom-pirenena, nomeraon-telefônina, sy ny maro hafa.

Nilaza ihany koa ny mpivarotra angona fa namoaka santionany miisa 750.000 ho an'izay mety hividy hanamarinana ny angona. Raha tena marina ny angon-drakitra 23,88 TB, dia io no trobaka rakitra lehibe indrindra teo amin'ny tantara.

Araka ny fafana angon-drakitra navoaka tao amin'ny Breach Forum, ny angon-drakitra dia avy amin'ny tondro data 7 ary avy amin'ny tondro lehibe telo ny singa 750.000 natao santionany, ka singa miisa 250.000 angon-drakitr'olona tsirairay, 250.000 indray tatitra famotoran'ny polisy ary ny rakitra 250.000 fahatelo avy amin'ny fitantanam-barotra sy ny sehatra fitantanan-draharaham-panjakana.

Rehefa niparitaka tamin'ny media sosialy ny vaovao, dia nanomboka nanandrana ilay santionany navoaka ny mpisera aterineto Shinoa sasany. Na izany aza, voasivana haingana tao amin'ny media sosialy ny dinika sy ny fikarohana nataon'izy ireo.

Tondrom-botoatin-tobin-drakitra

Famakafakana iray efa voafafa [7] avy amin'i Zhihu, tranonkala fanontaniana sy valiny ao amin'ny tanibe Shinoa, ary manana ny santionany no nahatsikaritra fa hita ao amin'ny rakitra manokan'olon-tsotra ny laharan'ny kara-panondro, anarana, adiresy, toerana nahaterahana, fianarana, ny sata ara-panambadiana, ny nanaovana fanompoana miaramila, ny haavony sy ny lanjany, ny asa, ny finoana ara-pivavahana, ny fironana ara-politika, ny firaketana heloka bevava (ny karazana heloka bevava vita), ary ny antontan-taratasy an-tsary toy ny kara-panondro, karatra maha-mponina, ny fahazoan-dàlana mitondra fiara ary ny pasipaoro. Ny angon-drakitra sasany aza moa dia ahitana ny torohaim-pivezivezen'ilay olona, toy ny toeram-pisavana fifindra-monina nandalovana, sy trano fandraisam-bahiny nidirana, ny fidirana tamin'ny tranom-piseraserana aterineto, ny toby fihazonana, trano fitazonana, sy ny maro hafa.

Ao anatin'ny antontan-taratasim-pamotorana heloka bevava ny torohay ny toerana nisian'ny heloka bevava, ny fotoana, ny karazan-keloka, ny satan'ny fanadihadiana, ny antsipirian'ny raharaha, ny mombamomba ilay mpitatitra toy ny nomeraon'ny karapanondro, ny anarana ary ny nomeraon'ny finday, ary ny mpitantana ny raharaha (komisarian'ny polisy sy ny laharan'ny karatra maha-mpiasa azy).

Ny angon-drakitra nalaina avy amin'ny sehatra ara-barotra dia nahitana ny kômandin'entana hovidian'ilay olona, ny komandim-panaterana entana, ny fandoavam-bola, ny kômandy sakafo, tapakila ary firaketan-dia natao. Ny angon-drakitra nalaina avy amin'ny sehatra fitantanan-draharaham-panjakana indray dia nahitana ny teknolojiam-pandidiam-paty, ny firaketana famakafakana ara-toekarena, ny firaketana ara-pifindramonina, ny torohain'ireo toerana fialamboly, ny torolàlana fanaraha-maso ny fifamoivoizana, ary ny antsipirian'ireo olona voasokajy ho vondrona fito lasibatra (7類重點人員) (izay matetika manondro ireo mety ho mpampihorohoro, mpikatroka, jiolahy, mpivarotra rongony, mpandositra, olona marary saina ary mpanao fanangonan-tsonia). Hita ao ihany koa ny torohain'ny fanadihadiana an-jotra, trano fivarotan-trondro, tobim-ponja sy trano fihazonana, ivon-toeram-pitsaboana amin'ny fiankinan-doha, rakitra an-tsoratra momba ny fananan-tany, rakitra an-tsoratra momba ny mponina, rakitra fisoratana anarana hanorin-tokantrano, mponina tsy tapaka, mponina amin'izao fotoana, rakitra ara-pitsaboana, rakitra fampiasana solika, sy ny maro hafa.

Mifanaraka amin'ny zavatra hitan'ny hafa ny lisi-botoaty Zhihu, anisan'izany i @hackepoch [8], @Kingstarry4 [9], @wenjun7011 [10], ary @williamlong [11], bilaogeran-teknolojia manana ny lazany, ankoatra ny hafa.

Fijerena akaiky kokoa amin'ny rakitra: fanaraha-maso ny mponina sy ny fitoniana

Efa nisy ireo mpisera nisantatra fikarohana tamin'ny alàlan'ny santionany mba hanatsoaka hevitra momba ny tsinjaranjaran'ny mponina. Gaga tamin'ireo singa 250.000 momba ny tsinjaranjaran'ny mponina i Yi Fuxian, mpahay ara-demôgrafika ao amin'ny Oniversiten'i Wisconsin-Madison  satria saika avy amin'ny kaominina rehetra ao Shina izy ireo, anisan'izany ireo manana mponina latsaky ny 10.000. Rehefa avy nandinika ny fitsinjarana ny taonan'ny santionan'ny angon-drakitra momba ny mponina, sy ny antontanisa manodidina ny fampiasana ny vakisiny Bacillus Calmette-Guerin [12] (iadiana amin'ny raboka), izay tsy maintsy atao amin'ny zaza vao teraka i Yi dia nanatsoaka hevitra [13] fa nohamaivanina ny krizin'ny mponina ao Shina, mbola vitsy kokoa ny zaza teraka ao Shina noho izay noheverina tamin'ny fanisam-bahoaka ofisialy tamin'ny taona 2020.

Ahitana taratra ny haavon'ny fanaraha-maso ny fahamarinan-toerana ao Shina ihany koa ny rakitra santionany. Ny bilaogera teknolojia William Long, ohatra, dia nahita fa amin'ireo angona santionany ao amin'ny 250.000, olona 166 [14] no voatanisa ao amin'ny lisitry ny vondrona lasibatra fito, izay midika fa olona maherin'ny 660.000 no mety ho voatanisa ho lasibatry fanaraha-maso hisian'ny fitoniana ao Shina. Nanamarika ihany koa ilay bilaogera fa, amin'ireo trangan-keloka bevava miisa 250.000, roa no mifandraika [15] amin'ny heloka manta vava ao amin'ny Twitter. Raha 1 miliara ny haben'ny vatan-drakitra, dia mety hahatratra hatramin'ny 8.000 ny trangan-keloka bevava mifandraika amin'ny Twitter.

Fiantraikany: fiarovana ny tsirairay sy krizy politika

Efa olana goavana tao Shina ny fanatrobarana rakitr'olona manokana taloha satria efa nisy nivarotra tany amin'ny efitra firesahana miafina sasantsasany ny data-n'olona manokana. Ohatra, tamin'ny taona 2020, nosamborin'ny manam-pahefana avy ao an-tanànan'i Zhuhai ny lehilahy iray izay nanana rakitra mifatra 120 gigabytes [16] izay ahitana sombin-torohain'olom-pirenena miisa 1 miliara. Ary tamin'ny taona 2021, noravan'ny [17] polisy avy ao amin'ny faritanin'i Jiangsu ny efitrano firesahana iray ahitana mpikambana 200.000 izay natao ho tsenan'ny fikarohana ny fiavian'olona iray manokana. Nanana torohain'olona 1 miliara ihany koa ny tompon'andraikitr'ilay chatroom.

Na izany aza, raha voamarina, dia ho toy ny baomba nokleary raha oharina amin'ny teo aloha izay any amin'ny sehatra bitika ihany ny trobaka rakitra amin'izao fotoana izao, eo amin'ny habeny.

Efa mihevitra ny fiantraikan'izany sahady ny olom-pirenena anjotra. Manahy ny sasany ao amin'ny Weibo ny ho firongatry ny fisolokiana sy ny fanaovana kendaroroka satria ahitana ny mombamomba ny tena manokana sy ny heloka bevava vita ny torohay. Ho an'ireo Shinoa mpanohitra any ivelan'ny faribava ao amin'ny Twitter kosa, maro no mino fa hanimba ny maha ara-dalàna ny Antoko Komonista Shinoa ny rakitra satria mety hampiharihary ny lesoka amin'ny politikan'ny antoko ny fitrandrahana ny rakitra. Iray amin'ireo fanamarihana [18] tena malina indrindra ny avy amin'ilay mpandrafitra rindram-baiko Shinoa manana ny lazany antsoina hoe Issac Mao:

…the data breach is a fresh new case of a dictator’s dilemma: the more you concentrate, the more you lose control.

…olana vao mafana ho an'ny mpanao didijadona ny fiporitsahan-drakitra: arakaraka ny hamorianao azy no tsy ahafahanao mifehy azy.