Ny fomba niatrehan'i Nizerià ny fanao tsy mitsahatra mandrimbona ny taovam-pananahan'ny vehivavy (FGM): resaka tamin'ny Dr. Chris Ugwu

Fotoana iray nanofanana tanora nizeriàna vitsivitsy momba ny fampitsaharana ny FGM. Sary an'ny SIRP Nigeria, nahazoana alàlana.

 Ao Nizerià, 20 tapitrisa ireo ankizivavy sy vehivavy no niharan'ny fandrombinana taovam-pananahana – Female Genital Mutilation (FGM). Araka ny voalazan'ny Fikambanana Erantany momba ny Fahasalamana (OMS), “ny FGM dia mitondra amin'ny fanesorana ampahany na manontolo ny taovam-pananahana ivelany amin'ny vehivavy, na fahasimbàna hafa manjo ny taovam-pananahan'ny vehivavy noho ny antony tsy ara-medikaly.”

Manerana izao tontolo izao, iray ampahafolon'ny ankizivavy sy ny vehivavy nandalo tamin'ny FGM dia ao Nizerià avokoa. Io firenena io no ahitàna be indrindra ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy amin'ny pôlitika, toekarena ary fampianarana. Samy manohintohina ny fandrosoana rehetra mankany amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ireo fomba fanao feno fanavakavahana, ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy, ary ireo fitsaratsaram-poana noho ny maha-lahy na maha-vavy. 

Lasa fandikàn-dalàna sazian'ny lalàna tamin'ny 2015 momba ny fandraràna ny herisetra atao amin'ny olona ao Nizerià ny FGM sy ireo endrika hafa amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy. Kanefa, mitohy noho ny antony marobe ilay fomba fanao.

Tamin'ny Jona,  Sangita Swechcha dia niresaka tamin'i Dr. Chris Ugwu, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Society for the Improvement of Rural People (SIRP), fikambanana sivily, miasa ho amin'ny fampitsaharana ny FGM amin'ny alàlan'ny fanovàna ara-tsôsialy sy ara-pitondrantena ao Nizerià. 

Global Voices (GV): Fa maninona no atao ny FGM ary ahoana no fiantraikany amin'ny fahasalamàna sy ny fahasambaran'ireo ankizivavy sy vehivavy? 

Dr. Chris Ugwu: Ato Nizerià, ny faritra atsimo-adrefana sy atsimo-atsinanana no ahitàna ny taha ambony indrindra amin'ny fanaovana FGM. Tena marobe ny antony mahatonga ny fanaovana ny FGM  ato Nizerià. Eo ny antony ara-kolontsaina ampiasàna azy io ary hatramin'ny hoe hanesorana ny faniriana firaisana ara-nofo ao amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy eto aminy firenena. Fa ho an'io fanontaniana io, aleo idirantsika lalindalina ireo antony vitsivitsy mahatonga ny fampiharana azy any Enugu ao atsimo-andrefan'i Nizerià. Ao amin'ny fanjakan'i  Enugu, raha ny marina dia noho ny rafitra fitondran-dehilahy no antony anaovana ny FGM, izay miantoka ny fanjakazakàn'ny lehilahy amin'ireo vehivavy. Fomba iray io hanindrian-dry zareo sy hanerena ny vehivavy.

Antony iray hafa koa ny hoe matetika no heverina ho fomba tsy maintsy arahana amin'ny ara-kolontsaina/ara-pinoana ny FGM, ohatra, fomba fanao fiampitàna mankamin'ny taonan'ny olondehibe, ny fandrimbinana ny taovam-pananahan'ny vehivavy mandritra ny fotoana fanaovana batisa, sns… Any amin'ny ankamaroan'ireo vondrompiarahamonina ao amin'ny Fanjakana Enugu, amin'ny ankapobeny ny FGM dia atao amin'ny andro fahavalo aorian'ny nahaterahana, mba hifanandrify amin'ny lanonana fanaovana batisa ilay zaza, izay fotoana firavoravoana arahana fanomezana sy fihinanambe. Mifamatotra ny fanomezana anarana sy ilay fandrimbinana. Hita ihany koa fa tsy afaka manohitra an-karihary mba tsy handrimbinana ny zanany vavy ireo reny mahantra satria mety hidika izany fa tsy hisy koa ny lanonana fanomezana anarana. Izany rehetra izany no nanampy nampiroborobo io fomba fanao io tao amin'ny Fanjakana Enugu. 

Dr Chris Ugwu, nandray anjara tamin'ny iray tamin'ireo fanentanana nokarakarain'ny SIRP tao Nizerià.

GV: Inona no fiantraikan'ny FGM teo amin'ny fanabeazana ny ankizivavy sy ny vehivavy tao Nizerià? 

Dr. Ugwu: Tsy azo tsinontsinoavina ireo fiantraikan'ny FGM tamin'ny fahasalaman'ny vehivavy. Satria mitarika hirifiry mahatsiravina, aretina, fahaverezan-drà be loatra, tsy fahatazonana amany, fahasarotana rehefa miteraka, dona anaty ary hatramin'ny fahafatesana aza indraindray. Sady koa, misy dindony amin'ny fanabeazana ireo ankizivavy io. Miasa ho toy ny mpisava làlana amin'ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy ny FGM. Midika izany fa mila mandao alohan'ny fotoana ny sekoly izy mba hiahy ny ankohonany. Miantraika foana amin'ny vintana tokony ho azony mba hahazoana asa tsara sy karama sahaza amin'ny hoavy izany.

GV: Asehon'ny fanadihadiana nataon'ny Society for the Improvement of Rural People (SIRP)  fa 95% tamin'ireo nanontaniana dia tsy mbola nandre mihitsy hoe ny FGM dia lasa heloka sazian'ny lalàna ao Nizerià. Inona no azonao ambara momba izay?

Dr. Ugwu: Zavatra iray tsy azonay eto Nizerià hireharehàna io, satria noho ny tsy fisian'io fahalalàna io, nahita izahay fianakaviana sy vondrompiarahamonina mandrisika ny fanohizana io fomba fanao io. Tena faran'izay mahonena tokoa. Noho izany, ny zavatra ataonay dia ny mampita io fahalalàna io any amin'ireo vondrompiarahamonina isankarazany eto Nizerià. Efa ho telo taona mahery izao izahay no nanao an'io ary hotohizanay hatrany. Amin'izao fotoana izao, mametraka ny tetikasa End FGM (Atsaharo ny FGM) izahay ao Akwuke miaraka amin'ny fanohanan'ny Feed the Minds (UK). Ao anatin'io tetikasa io, ezahanay mba ho voaentana daholo ireo mpikambana ao anatin'ny vondrompiarahamonina, momba ilay lalàna mandrara ny herisetra atao amin'ny olona – Violence against Persons Prohibition Law (VAPP Law) an'ny Fanjakana ao Enugu, izay mandrara ny fanaovana FGM eto Nizerià.

GV: Manana traikefa marobe ianao amin'ny fiarahana miasa amin'ireo vondrompiarahamonina. Ahoana ny fivoaran'ny fiarahamonina amin'ny resaka fanaovana ny FGM?  

Dr. Ugwu: Tena mahafinaritra be ny mahita ny fiarahamonina miova. Io dia satria ankehitriny izahay mahita fianakaviana sy vondrompiarahamonin manova ny toetsainy sy ny fomba fanaony manoloana io fomba fanao io. Miampanga ankarihary sy imasom-bahoaka no sady mandràra io fomba fanao io izao ry zareo. Hatreto dia hitanay izany any amin'ireo vondrompiarahamonina sasantsasany toy ny Awgu, Okpanku, ary ny Oduma eto amin'ny Fanjakana Enugu. Zavatra iray nanampy tamin'izany ny fomba firosonay, izay nahitàna ny fampiasàna fifampiresahana mivantana sy tsy misy fitsaratsaràna, ary mitondra fanorenana, niarahana tamin'ireo mpikambana isantsokajiny avy amin'ilay vondrompiarahamonina.

GV: Inona no fomba ataonareo hamongorana ny fanaovana FGM ao Nizerià, ary inona no fepetra fisorohana apetrakareo?

Dr. Ugwu: Ny fomba ampiharinay dia mifàka amin'ireo singa 6 napetraky ny UNICEF hialàna amin'ny fanaovana FGM. Misy lafiny maro io fomba io, izay idiran'ny fampiasàna ny fifampiresahana mivantana sy tsy misy fitsaratsaràna, ny fanekena avy amin'ilay vondrompiarahamonina, ny mpampahalala vaovao, ny lalàna, ary mazava loatra, ireo taranaka handimby.

Amn'izao fotoana izao izahay dia mametraka tetikasa iray End FGM mandritra ny 12 volana ao anivon'ny vondrompiarahamonina Akwuke ao amin'ny Fanjakana Enugu, Nizerià. Efa nikarakara sahady izahay fampiofanana, atrikasa ary fandaharana alefa amin'ny onjampeo, ary efa nanomboka nahita vokatra tsara. Antenainay ny hitondra fiovàna misy fiantraikany maharitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.