- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maresaka amin'ny media sosialy Tiorka ny fandroahana devoly tamin'ny fahitalavitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Hehy, Mediam-bahoaka

Sary avy amin'i Tech Nick [1] tao amin'ny Unsplash [2] Photo by Tech Nick [1] on Unsplash [2]

Mamaritra ny tenany ho manam-pahaizana momba ny metafizika ilay vehivavy iray antsoina hoe Pelin Hürman any Torkia, nanao fampisehoana fandroahana devoly [3] tamin'ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra izy ary vetivety dia lasa fihomehezana manerana ny firenena tao amin'ny media sosialy.

Tamin'ny 19 Jona, nalefa tao amin'ny fahitalavitra Beyaz matetika mpandefa votoaty sy tafatafa mpomba ny governemanta ny fizarana vaovao amin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra “Her Açıdan” (Avy amin'ny zoro rehetra). Niditra an-tsehatra nandritra ny fizaran-tantara i Hürman, nanao fihetsika be dia be sy nimonomonona tsy amin'ny antony mba handroaka ny devoly tao anatin'ny studio sy ny ao anatiny rehetra, anisan'izany ny mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra, ary mety ny mpijery ihany koa aza. Nirehareha tamin'ny fampisehoana i Hürman fa afaka mamita ny fombafomba fanadiovana ataony ao anatin'ny iray minitra sy sasany ka hatramin'ny efatra minitra izy.

Niteraka fanesoana sy fanakianana anjotra ilay fihetsika. Angamba noho ny famaliana mahery vaika no nanery ny fantsona fahitalavitra, izay an'ny zanaky ny Ben'ny tanànan'Ankara teo aloha, Osman Gökçek, nanaisotra ilay fizarana tao amin'ny YouTube, ary tamin'ny fotoana nanoratana ny tantara, voalaza [4] fa tsy misy ny lahatsary ary an'olona manokana. Mety ho tara loatra anefa izany, satria efa ela no nalain'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana ny hadalana nataon'i Hürman ary niparitaka an-jotra nampalaza ny #PelinHürman.

Aslı Inandık, mpilalao sarimihetsika namaly tamin'ny fomba fanesoana tamin'ny lahatsary nozarainy tao amin'ny Twitter:

Inandık, nifidy ny iray tamin'ireo teny, nampiasain'i Hürman tamin'ny fihetsika nataony, dia ny hoe “donat” (menakely, makasaoka, mofogasy). Ilay voalaza fa manam-pahaizana momba ny metafizika dia azo inoana fa nanondro ny teny hoe “fitaovana”, saingy i Inandık, tamin'ny famadihana ny lahatsoratra fombafomba, dia nanampy izany tamin'ny vazivazy manondro ilay tena mofo, “donat”.

Niteraka fisavoritahana tokoa ilay “donat”:

Raha miteny ianao hoe anabavy-rahavavy donat, donut sôkôla sa mandamina latabatra ny tianao lazaina ambara?

Mpisera Twitter hafa koa nipi-maso hoe:

Hahatonga anao hanadino ny fitambaran'ny zavatra tsy misy dikany rehetra niainanao teo amin'ny fiainanao ny fizarana iray minitra hiainanao aorian'ny segondra faha-20 .

Nivazivazy ny mpisera iray fa namintina ny 20 taona farany nisian'ny fitondran'ny antoko Justice and Development (AKP) ilay fizarana.

Namintina ny 20 taona farany nisian'ity tranon'adala ity i #PelinHürman . Tsy mbola nisy olona afaka nanao izany mazava tsara kokoa.

Mpisera media sosialy hafa, niantso ny Filankevitra Ambonin'ny Radio sy Televiziona (RTUK) mba handray fepetra amin'ilay fantsom-pahitalavitra. Any Torkia, tsy ara-dalàna ny manao fombafomba fandroahana demonia. Tamin'ny herintaona, vehivavy iray antsoina hoe Özge Nur Tekin no namoy ny ainy taorian'ny fombafomba fandroahana demonia. Araka ny tatitry [12] ny Hurriyet Daily News, olona enina, anisan'izany ny vadin'i Tekin, Selçuk Tekin, sy ny ray aman-dreniny no notanana.

Nilaza i Selçuk Tekin fa nijaly noho ny olana ara-tsaina ny vadiny ary nilaza tamin'ny fianakaviany izy fa mety “nosimbain'ny djinn (matoatoa)” izy.

Ho an'i Hürman, tsy ity no zavatra mampiady hevitra voalohany nolazainy tamin'ny fahitalavitra. Ao amin'ny fizarana iray hafa [13] amin'io seho io ihany, nilaza ilay lazaina fa manam-pahaizana fa tsy maintsy mandro alohan'ny misasakalina ny vehivavy, ary saronana feno ny taovam-pananahana mba tsy ho azon'ny demonia.

Tsy isan’andro akory no ahitana fandroahana demonia atao mivantana amin’ny fahitalavitra.